Fiteny Malagasy

Ny fiteny malagasy dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny baritô, anisan' ny fiteny aostrôneziana sy fitohizam-pitenim-paritra ampiasaina indrindra eto Madagasikara.

Fiteny malagasy
Isan'ny mpiteny 25 tapitrisa (teny nibeazana)
Faritany Fiteny Malagasy Madagasikara, Fiteny Malagasy Komaoro
Sata Ofisialy any Madagasikara (miaraka amin'ny teny frantsay)
Mpandamina Akademia Malagasy
Kaodim-piteny mg, mlg
Soratra latina

Ny karazany mahazatra, antsoina hoe "malagasy ôfisialy", no fiteny ôfisialin' ny Repoblikan' i Madagasikara, miaraka amin' ny fiteny frantsay. Ny fiteny malagasy no fiteny malaiô-pôlineziana andrefana indrindra, fitenin' ny mponina eto Madagasikara nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny Aostrôneziana avy any amin' ny Nosy Sunda (eo amin' ny 7 300 km any ho any) tamn'ny manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. Anisan' ny fiteny baritô ny fiteny malagasy ary mifandray akaiky indrindra amin' ny fiteny maaniany, izay mbola ampiasaina any Borneo. Ahitana teny indrana avy amin' ny fiteny maley maro koa ny fiteny malagasy, nanomboka tamin' ny fiorenam-ponenan' ny Aostrôneziana sy ny varotra teo amin' i Madagasikara sy ireo Nosy Sunda. Taorian' ny taona 1000 taor. J.K. dia nampiditra teny banto sy teny arabo maro, nentin' ny mpivarotra sy mpifindra monina vaovao, ny fiteny malagasy.

Fiteny malagasy

Manodidina ny 29 tapitrisa ny olona miteny malagasy eto Madagasikara sy ao Kômôro. Ny ankabeazan' ny mponina eto Madagasikara dia manao an' io fiteny io ho fiteny voalohany, toy ny ataon' ny sasany amin' ny taranaky ny Malagasy any amin' ny toeran-kafa. Mizarazara ho fitenim-paritra roa ambin' ny folo ny fiteny malagasy, izay azo avondrona amina sokajim-pitenim-paritra roa lehibe: fitenim-paritra tatsinanana sy fitenim-paritra tandrefana. Miteny amin' ny fitenim-paritra merina ny mponina ao amin' ny tany avo afovoan' ny Nosy, izay misy an' Antananarivo renivohitra sy nisy ny Fanjakana Merina taloha. Ny fitenim-paritra merina no fototry ny fiteny malagasy ampiasain' ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny haino aman-jery eto Madagasikara. Io fiteny malagasy manara-penitra io no iray amin' ny fiteny ôfisialy roan' i Madagasikara, miaraka amin' ny fiteny frantsay, araka ny lalàm-panorenan' ny Repoblika fahefatr' i Madagasikara tamin' ny taona 2010.

Soratana amin' ny tarehin-tsoratra latina nampidirin' ny misiônera tandrefana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 ny fiteny malagasy. Talohan' izany dia nampiasaina ny Sorabe izay fampifanarahana ny abidy arabo amin' ny fiteny malagasy.

Araka ny antontanisan' ny Akademia malagasy dia ny 83,61 % dia tsy miteny afatsy amin' ny fiteny malagasy.

Fanasokajiana

Ny endriky ny fiteny malagasy dia tsy tahaka ny fiteny ao Afrika satria io fiteny io dia ao amin' ny vondrona malaiô-pôlineziana, sampan' ny vondrona aostrôneziana, vondrona ahitana koa fiteny any Indônezia, Malezia, Filipina ary any nosy any Pasifika. Raha ny marina, ny fifandraisan' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny aostrôneziana hafa dia efa tsikaritry ny manam-pahaizana tany am-boalohany, toa an' ilay manam-pahaizana hôlandey Adriaan Reland tamin' ny taona 1708.

Ny fiavian' ny fiteny malagasy dia fantatry ny mpandini-piteny hatramin' ny taonjato faha-19. Ny fiteny malagasy dia iray vondrona amin' ny fiteny baritô any amin' ny faritany atsimo-atsinanana amin' ny nosy Bôrneô. Amin' ny fiteny aostrôneziana rehetra, i Dahl (1951) dia nampiseho fa ny fiteny mlagasy sy ny fiteny maaniany – izay fiteny baritô atsinanana ampiasaina any Kalimantan Afovoany (any Indônezia ao amin' ny nosy Borneo) – dia tena mifandray akaiky. Io fiteny io koa dia misy nandray singa maro avy amin' ny fiteny malay taloha. Fanampin' izany dia nindrana teny sy singa momba ny fanakambanam-peo avy amin' ny fiteny banto ny fiteny malagasy (Dahl 1988).

Betsaka ny fitovian' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny maaniany, fiteny tenenina ao amin' ny faritry ny renirano Barito, ao amin' ny tapany atsimon' i Bôrneô. Lazaina fa mponina aotrôneziana avy amin' ny Tamba-nosy Maley nandalo tany Bôrneô no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton' io fifindra-monina io. Taty aoriana dia nihevitra i Adelaar (1995) fa ny voambolana ao amin' ny fiteny malagasy koa dia ahitana teny maro avy any Sulawesi Atsimo. Ny porofo fanampiny momba ity soso-kevitra ity dia natolotr' i Blench (2018).

Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin' ny Arabo sy ny Masombika (Afrikana avy amin' ny Tontolo Soahily) ny Aostrôneziana. Any Banjarmasin, nosin' i Kalimantan (Indônezia) no foiben' ny fiteny baritô. Ny fiteny akaikikaikin' ny fiteny malagasy ankehitriny dia ny fiteny maaniany. Misy koa ny fiteny samihima sy ny fiteny dosona deiaha sns. Ao amin' ny fiteny malagasy dia misy indran-teny avy amin' ny fiteny arabo sy avy amin' ny fiteny soahily.

Oha-pampitahana

Azo ampitahaina ny voambolana fototra avy amin' ny lisitra Swadesh ary izy io dia mamoaka ity tabilao manaraka ity:

malagasy malay-indôneziana tahisiana
tany tanah fenua (ind. benua = "kôntinenta")
lanitra langit ra'i
rano air (danau = "farihy") vai
afo api āuahi
lehilahy, lahy laki-laki tane
vehivavy, vaviny wanita, perempuan vahine
mihinana, homana makan 'amu
misotro (minona) minum inu
lehibe, ngeza,"be" besar rahi
kely, tity kecil iti
alina, Maizina malam po
andro, matsana hari mahana
Fanisana 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10
prôtô-aostrôneziana, tokony 4000 tal. J.K. *isa *duSa *telu *Sepat *lima *enem *pitu *walu *Siwa *puluq
malagasy iray/isa roa telo efatra dimy enina fito valo sivy folo
maaniany isa rueh telo epat dime enem pitu balu su'ey sapulu
kadazana iso duvo tohu apat himo onom tu'u vahu sizam hopod
dosona iso duo tolu apat limo onom turu walu siam hopod
varay usá duhá tuló upát limá unóm pitó waló siyám napúlo
tagalôga isá dalawá tatló ápat limá ánim pitó waló siyám sampu
hiligainôna isa duha tatlu apat lima anum pito walu siyam pulo
kinaray-a sara darwa tatlo apat lima anəm pito walo siyam pulû
ilôkanô maysá dua talló uppát limá inném pitó waló siam sangapúlo
samôrô maisa/håcha hugua tulu fatfat lima gunum fiti guålu sigua månot/fulu
maley (indôneziana sy maleziana) satu dua tiga empat lima enam tujuh (de)lapan sembilan sepuluh
sondaney hiji dua tilu opat lima genep tujuh dalapan salapan sapuluh
javaney siji loro telu papat limå nem pitu wålu sångå sepuluh
tetoma ida rua tolu haat lima neen hitu ualu sia sanulu
fijiana dua rua tolu lima ono vitu walu ciwa tini, -sagavulu
tôngana taha ua tolu nima ono fitu valu hiva -fulu
samoan tasi lua tolu fa lima ono fitu valu iva sefulu

Tantara

Fiteny Malagasy 
Sorabe mandraikitra ny ampahan' ny tadidy mikasika an' i Ralitavaratra. Ny sorabe no abidy nampiasaina tamin' ny fanoratana ny teny malagasy malagasy alohan' ny naha-ôfisialy ny abidy latina.

Ny Aostrôneziana avy any Azia Atsimo-Atsinanana an-dranomasina avy any amin' ny Nosy Sunda (Tangoro-nosy Maley) no nanorim-ponenana voalohany teto Madagasikara. Mikasika ny lalan' izy ireo, ny mety ho nahatongavan' ny fiteny aostrôneziana indôneziana dia niampita mivantana ny Ranomasimbe Indianina avy any Java ka hatraty Madagasikara. Azo inoana fa namakivaky an' ireo nosin' i Maldiva izy ireo, izay misy porofon' ny famolavolana endriky ny sambo indôneziana tranainy sy ny teknôlôjian' ny fanjonoana izay mbola misy mandraka ankehitriny. Nitohy nandritra ny arivo taona voalohany ny fifindra-monina, araka ny nohamafisin' ny mpikaroka momba ny fiteny izay naneho ny fifandraisana akaiky teo amin' ny fiteny malagasy sy ny fiteny maley taloha sy ny fiteny javaney taloha tamin' io vanim-potoana io. Avy amin' ny fiteny baritô atsimo-atsinanana ny fiteny malagasy, ary ny fiteny maaniany no mpihavana akaiky indrindra aminy, miaraka amin' ny indran-teny maley sy javaney maro. Fantatra fa nentin' ny Maley sy ny Javaney mpivarotra ho mpiasa sy andevo tamin' ny andian-tsambon' izy ireo ny Maaniany, andian-tsambo izay tonga teto Madagasikara tamin' ny manodidina ny taona 50–500 taor. J.K.. Taty aoriana, tokony tamin' ny taona 1000, ny Aostrôneziana tonga voalohany dia nifangaro amin' ny Banto sy ny Arabo, ankoatra ny hafa. Misy ny porofo fa ny fahatongavan' ny fitenim-paritra malagasy voalohany tany amin' ny faritra atsimon' ny morontsiraka atsinanan' i Madagasikara.

Manana zavakanto nentim-paharazana amin' ny teny (hainteny) ary tantara sy angano an-tononkalo ny Malagasy. Ny malaza indrindra dia ny tantara' Ibonia, izay maherifo malagasy.

Ny haisoratra malagasy dia efa nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Ny Frantsay tonga tao Fort-Dauphin (Taolagnaro) tamin' ny taonjato faha-17, dia nahita soratra tamin' ny sorabe. Ny soratra voalohany natao amin' ny abidy latina dia ny rakibolana malagasy-hôlandey nosoratana tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-17 navoakan' i Gabriel Ferrand voalohany tamin' ny 1908. Ny sorabe dia soratra mety nampidirina eto Madagasikara tamin' ny taonjato faha-15. Radama I, mpanjaka nahay mamaky teny sy manoratra tao amin' ny Fanjakana Merina, dia nametra ny litera ampiasaina ao amin' ny abidy malagasy avy amin' ny abidy latina mbola ampiasaintsika amin' izao fotoana izao; saingy ny fitsipi-panoratana ampiasaina fotsiny no niova. Nikasa hanangana fiangonana sy trano sekoly hianarana abidy miaraka amin' ireo misiônera prôtestanta avy ao amin' ny London Missionary Society i Radama I.

Ny boky voalohany natonta printy tamin' ny teny malagasy soratana amin' ny abidy vaovao, dia ny Baiboly, nadikan' ny misiônera kristiana britanika tamin' ny taona 1835 niasa tao Imerina. Ny rakibolana vita printy voalohany dia ny rakibolana malagasy-frantsay nataon' i Étienne de Flacourt.

Faritra itetenana azy

Ny fiteny malagasy no tena fiteny ampiasaina indrindra eto Madagasikara. Miteny izany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy any amin’ ny nosy manodidina ao amin' ny Ranomasimbe Indianina toa an' i La Réunion, i Mayotte ary i Maorisy. Misy ihany koa ny vondrom-piarahamonina malagasy mpila ravinahitra miteny an' io fiteny io any Eorôpa sy any Amerika Avaratra.

Satan' ny fiteny malagasy

Ny fitenim-paritra merina ao amin' ny fiteny malagasy no heverina fitenim-pirenena eto Madagasikara. Anisan' ny fiteny ôfisialy roa, miaraka amin' ny fiteny frantsay, izy io ao amin' ny Lalàm-panorenana tamin' ny taona 2010 izay nametraka ny Repoblika fahefatra. Teo aloha, araka ny lalàm-panorenana tamin' ny taona 2007, ny fiteny malagasy dia iray amin' ny fiteny ôfisialy telo miaraka amin' ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Ny fiteny malagasy no fiteny enti-mampianatra eny amin' ny sekolim-panjakana rehetra hatramin' ny kilasy fahadimy ho an' ny taranja rehetra, ary mijanona ho fiteny enti-mampianatra hatramin' ny lisea ho an' ny taranja tantara sy ny teny malagasy. (jereo: Fanagasiana)

Fitenim-paritra eto Madagasikara

Fiteny Malagasy 
Fitenim-paritra malagasy

Rehefa jerena amin' ny lafiny fandiniham-piteny ny fiteny malagasy, dia misy fitenim-paritra maromaro fa mitovitovy, izay heverina fa tsy fiteny mahaleo tena ny tsirairay aminy. Ny mpahay teny dia mizara ny fitenim-paritra malagasy ho vondrona roa, dia ny fitenim-parira atsinanana (ahitana ny fiteny merina) sy ny fitenim-paritra andrefana (ahitana ny fiteny sakalava), ka ny faritry ny tovifiteny dia manaraka ny hazondamosin' ny Nosy, ary amin' izany ny atsimo dia ao amin' ny vondona andrefana, fa ny lembalemba afovoany sy ny ankamaroan' ny avaratra (ankoatra ny any amin' ny tendrony indrindra) dia ao amin' ny vondrona atsinanana. Ny Ethnologue dia mirakitra fitenim-paritra malagasy roa ambin' ny folo izay sokajiny ho fiteny miavaka. Misy fitoviana voambolana eo amin' ny 70 % amin' ny fiteny merina izy ireo. Na dia mitondra anaram-poko aza ny fitenim-paritra malagasy dia tsy mltovy ny isan' ny foko sy ny fitenim-paritra eto Madagasikara.

Fitenim-paritra tatsinanana

Araka ny fanasokajian' ny Ethnologue dia misy fitenim-paritra dimy ny vondrona atsinanana, dia ireto izany:

  • fiteny tesaka (misy mpiteny miisa 1 130 000) – tenenin' ny Antaisaka any atsimo-atsinanan' ny Nosy.

Fitenim-paritra tandrefana

Araka ny fanasokajian' ny Ethnologue dia misy fitenim-paritra enina, miampy ny fiteny kibosy, ny vondrona andrefana, dia ireto izany:

  • fiteny bara (misy mpiteny miisa 724 000) – tenenin' ny Bara any amin' ny tapany atsimon' ny Nosy;
  • fiteny masikoro (misy mpiteny miisa 550 000) – tenenin' ny Masikoro any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny Nosy;
  • fiteny sakalava (misy mpiteny miisa 1 210 000) – fitenin' ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefan' ny Nosy;

Eto Madagasikara dia misy ny fiteny malagasy ôfisialy izay miasa eran' ny Nosy amin' ny raharaham-panjakana sy ny haino aman-jery (gazety sy ny radiô ary ny fahitalavitra) ary ny fivavahana nampidirina teto Madagasikara.

Fahasamihafan' ny fitenim-paritra

Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan' isan' ny fahasamihafan' ny tenim-paritra.

Lanjan' isan' ny fitoviam-boambolana amin' ny tenim-paritra
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18
1 Merina 100 81 81 92 92 86 78 80 79 68 71 68 70 70 61 77 69 61
2 Temoro 81 100 78 79 80 78 81 88 88 67 69 71 72 69 61 76 73 65
3 Betsimisaraka 81 78 100 84 78 77 80 78 75 77 70 65 66 62 54 74 96 61
4 Sihanaka 92 79 84 100 86 81 76 79 77 72 69 67 68 66 59 72 68 58
5 Betsileo-1 92 80 78 86 100 88 77 81 79 68 74 71 75 71 61 79 71 62
6 Betsileo-2 86 78 77 81 88 100 77 80 77 67 71 74 79 74 66 82 75 66
7 Antambahoaka 78 81 80 76 77 77 100 74 74 69 66 64 64 60 52 67 64 56
8 Antesaka 80 88 78 79 81 80 74 100 89 67 70 71 73 72 62 76 72 63
9 Zafisoro 79 88 75 77 79 77 74 89 100 63 68 68 72 71 61 76 71 63
10 Tsimihety 68 67 77 72 68 67 69 67 63 100 75 61 64 63 54 68 64 56
11 Tankarana 71 69 70 69 74 71 66 70 68 75 100 65 68 69 59 70 67 56
12 Vezo 68 71 65 67 71 74 64 71 68 61 65 100 84 74 64 77 80 69
13 Mahafaly 70 72 66 68 75 79 64 73 72 64 68 84 100 80 68 83 86 76
14 Sakalava-1 70 69 62 66 71 74 60 72 71 63 69 74 80 100 82 79 75 66
15 Sakalava-2 61 61 54 59 61 66 52 62 62 54 59 64 68 82 100 70 67 63
16 Bara 77 76 74 72 79 82 68 76 76 68 70 77 83 79 70 100 85 74
17 Tandroy-1 69 73 69 68 71 75 64 72 71 64 67 80 86 75 67 85 100 83
18 Tandroy-2 61 65 61 58 62 66 56 63 63 56 56 69 76 66 68 74 83 100

Voambolana

Ny ankamaroan' ny voambolana fototra dia itovian' ny fiteny malagasy amin' ny fiteny maaniany, izay fiteny any amin' ny faritry ny ony Barito any amin' ny tapany atsimon' i Borneo. Ny fiteny malagasy koa dia ahitana indran-teny sasany avy amin' ny fiteny arabo sy banto (indrindra ny sampana sabaky, izay niavian' ny fiteny soahily indrindra), ary vao haingana avy amin' ny fiteny frantsay sy anglisy.

Indran-teny tamin' ny fiteny javaney sy maley

Betsaka ny indran-teny amin' ny fiteny malagasy avy amin' ny fiteny maley sy fiteny javaney taloha; anisan' ireo teny ireo ny hoe trozona, iray amin' ny teny maley hoe duyung; ny horita avy amin' ny teny hoe gurita; ny fano avy amin' ny teny hoe penyu, ny hara avy amin' ny teny maley hoe karah, ny fanohara (karazan-tsokatra) avy amin' ny teny maley hoe penyu karah; rivotra avy amin' ny teny maley hoe ribut midika "rivomahery" na "rivodoza"; tanjona avy amin' ny teny maley hoe tanjung; harana avy amin' ny teny maley hoe karang; sambo sy nosy avy amin' ny teny javaney hoe sāmvaw sy nusa, sns.

Indran-teny avy amin' ny fiteny sanskrity

Ny indran-teny avy amin' ny teny sanskrity dia mikasina ny isa sy ny tetiandro. Azo atao ohatra izao ny teny hoe tantara avy amin' ny teny sanskrity hoe tantra midika "rijan-kevitra" na "teôria"; toraka izany koa ny teny hoe hetsy (100 000) izay avy amin' ny teny maley hoe keti nindramina tamin' ny teny sanskrity hoe koṭi midika hoe "folo tapitrisa".

Ny teny avy amin' ny fiteny sanskrity moa dia nindramin' ny fiteny malagasy talohan' ny nahatongavan' ny Malagasy teto Madagasikara. Ka noho izany izy ireo dia niharan' ny fiovana ara-drafipeo, ka tsy fantatra avy hatrany intsony ny fiaviany raha tsy dinihana amin' ny alalan' ny haifiteny mampitaha (frantsay: linguistique comparative).

Indran-teny avy amin' ny fiteny hafa

Ankehitriny ny fiteny malagasy dia nindran-teny tamin' ny fiteny arabo (voambolana mikasika ny fanandroana), ny fieny soahily (voambolana mikasika ny biby ompiana toy ny teny hoe omby, ondry na akoho) ary tamin' ny teny frantsay sy anglisy ho an' ny voambolana mikasika ny fitaovana ampiasaina amin' izao fotoana izao, toy ny solosaina azo tenenina koa hoe ordinatera na kompiotera. Ao koa ny anaran' ny karazan-java-kohanina toy ny piza (na pija), ny makaraona sns...

Nanana ny fianjadiany ihany koa ny fiteny arabo, indrindraindrindra amin' ny voambolana ampiasaina amin' ny fanandroana ary ireo vondron-kintan' ny zôdiaka: Alahamady, Adaoro, Asorotany, sns...; ary koa amin' ny lafiny tetiandro, amin' ny fampiasana ireo teny arabo ho fiantsoana ny anaran' andron' ny herinandro: Alatsinainy, Talata, Alarobia, sns..

Feon-teny

Zanapeo

Aseho anatin' ity fafana eto ambany ity ny zanapeon' ny fiteny malagasy.

align: center"

Aloha Afovoany Aoriana
Avo i (i, y) u (o)
Afovoany e (e)
Ambany a (a)

Renifeo

Ireto kosa ny renifeon' ny fiteny malagasy.

Amolotra roa Amolora sy anify Anify Ankihy Andanilany Ambavatraoka
Mipoaka Marenina p (p) t (t) t͡s (ts) k (k)
Misy feo b (b) d (d) d͡z (j) ɡ (g)
Marenina mialohan'ny orona ᵐp (mp) ⁿt (nt) ⁿt͡s (nts) ŋk (nk)
Misy feo mialohan'ny orona ᵐb (mb) ⁿd (nd) ⁿd͡z (nj) ᵑɡ (ng)
Mikasaoka Marenina f (f) s (s) h (h)
Misy feo v (v) z (z)
An' orona m (m) n (n)
An-tsisiny l (l)
Mikodia r (r)

Fanoratana ny teny malagasy

Ny fampiasana ny abidy arabo: ny Sorabe

Fiteny Malagasy 
Sorabe malagasy

Ny fiteny malagasy dia nanana literatiora an-tsoratra izay azo inoana fa efa tamin' ny taonjato faha-15. Rehefa nanorina an' i Fort-Dauphin ny Frantsay tamin' ny taonjato faha-17, dia nahita soratra arabo-malagasy nampiasaina, antsoina hoe Sorabe (سُرَبِ).

Ny Sorabe dia abidy avy amin' ny abjady arabo (ajami) izay natao hanoratana ny fiteny malagasy, indrindraindrindra ny fiteny ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara: ny fiteny antemoro (anteoñy sy anakara). Fantatra fa isaina aman-jatony ny lahatsoratra nosoratana tamin' ny alalan' io abidy io; ny tena antitra amin' ireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany amin' ny taonjato faha-17 tany ho any.

Io abidy sorabe io dia nampiasaina indrindra tamin' ny lahatsoratra momba ny fanandroana. Ny sora-tanana tranainy indrindra fantatra fa natao amin' io soratra io dia angom-boambolana fohy malagasy-hôlandey tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17, izay navoakan' i Gabriel Ferrand voalohany tamin' ny taona 1908 na dia tsy maintsy efa tfiditra tany amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara aza ilay soratra tamin' ny taonjato faha-15.

Tamin' ny taonjato faha-18 dia fantatra ary nampiasain' ny foko rehetra eran' i Madagasikara io abidy io: tao Imerina, nanafatra mpanoratra antemoro i Andrianampoinimerina mba hampianatra ny ankizy hamaky teny ary hanoratra. Izay no nahatonga an-dRadama hahay manoratra sy namaky teny hatry ny fahazazany.

Ny fandikana amin' ny fiteny roa voalohany ny lahatsoratra ara-pivavahana dia ny nataon' i Étienne de Flacourt, izay namoaka ny rakibolana voalohany tamin' io fiteny io koa.

Sorabe ampifandraisina amin' ny tarehin-tsoratra latina
Litikana Fiafarana Anatiny Fiandohana IPA Abidy latina
ا‎ ـا‎ ا‎ /ʔ/ -
ب‎ ـب‎ ـبـ‎ بـ‎ /b, ᵐb/ b / mb
ت‎ ـة‎ ـتـ‎ تـ‎ /ts, ⁿts/ ts / nts
ج‎ ـج‎ ـجـ‎ جـ‎ /dz, ⁿdz/ j / nj
ڊ‎ ـڊ‎ ڊ‎ /d/ d
ر‎ ـر‎ ر‎ /r/ r
رّ‎ ـرّ‎ رّ‎ /ɖʳ, ᶯɖʳ, ʈʳ, ᶯʈʳ/ dr / ndr / tr / ntr
س‎ ـس‎ ـسـ‎ سـ‎ /s/ s
ࢋ‎ ـࢋ‎ ـࢋـ‎ ࢋـ‎ /t, ⁿt/ t / nt
ع‎ ـع‎ ـعـ‎ عـ‎ /ŋ/
غ‎ ـغ‎ ـغـ‎ غـ‎ /g, ᵑɡ/ g / ng
ٯ‎ ـٯ‎ ـڧـ‎ ڧـ‎ /f/ f
ٯّ‎ ـٯّ‎ ـڧّـ‎ ڧّـ‎ /p, ᵐp/ p / mp
ك‎ ـك‎ ـكـ‎ كـ‎ /k, ᵑk/ k / nk
ل‎ ـل‎ ـلـ‎ لـ‎ /l/ l
م‎ ـم‎ ـمـ‎ مـ‎ /m/ m
ن‎ ـن‎ ـنـ‎ نـ‎ /n/ n
و‎ ـو‎ و‎ /v/ v
ه‎ ـه‎ ـهـ‎ هـ‎ /h/ h
ي‎ ـي‎ ـيـ‎ يـ‎ /z/ z

Ny fampiasana ny abidy latina

Radama I, izay nahay namaky teny voalohany tao amin' ny Fanjakana Merina, na dia nahay nampiasa ny Sorabe aza, dia nisafidy ny abidy latina avy amin' i David Jones tamin' ny taona 1823 ary nanasa ny misiônera prôtestanta tao amin' ny London Missionary Society hanangana sekoly sy fiangonana. Ny boky voalohany natao pirinty tamin' ny teny malagasy nampiasa ny tarehin-tsoratra latina dia ny Baiboly, izay nadika tamin' ny teny malagasy tamin' ny taona 1835 nataon' ny misiônera prôtestanta britanika niasa tany afovoan-tany eto Madagasikara.

Ny abidy malagasy ankehitriny dia misy litera 21: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. Ny fanoratana dia nampanarahina ny lisitry ny feonteny. Ny litera i sy y dia samy maneho ny feo /i/ (y ampiasaina any amin' ny fiafaran' ny teny, ary i any an-kafa), fa ny o kosa dia tononina hoe /u/. Ny feo /ʈʂ/ sy /ɖʐ/ dia soratana hoe tr sy dr, ary ny /ts/ sy /dz/ dia soratana hoe ts sy j. Matetika dia tsy tonina ny litera h. Ny litera hafa rehetra dia manaraka ny fanononana azy ao amin' ny Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena. Ny litera c, q, u, w ary x dia tsy ampiasaina amin' ny fanoratana ny teny malagasy.

Ny mp, ary indraindray ny nt, dia mety manomboka teny iray, saingy tononina /p/ sy /t/.

Ny abidin-dRadama I dia mitovy rafitra amin' ny abidy ampiasaina amin' izao fotoana izao: ny isan' ny litera ampiasaina dia mbola iraika ambin' ny roapolo, fa tsindraindray itarina ho enina amby roapolo ny isan' ny litera noho izy ireo ampiasaina amin' ny teny vahiny (toy ny hoe watt).

Ireto ny litera ampiasaina amin' ny teny malagasy (ny eo anelanelan' ny fononteny dia ampiasaina amin' ny fiteny malagasy noho ny fampiasana azy ireo amin' ny teny vahiny): a, b, (c), d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, (q), r, s, t, (u), v, (w), (x), y, z.

Fivoaran' ny fanoratana ny teny malagasy

Niharan' ny fiovana ny fanoratana ny teny malagasy. Samihafa ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny andron-d Radama I (taona 1820-1830) sy ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny faramparan' ny Fanjakan' i Madagasikara (faran' ny taonjato faha-19). Io fanoratana ny teny malagasy tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 io koa dia samihafa amin' ny fanoratana ny teny malagasy tamin' ny fanjanahantany izay samihafa ihany koa amin' ny fanoratana ny teny malagasy amin' izao fotoana izao.

Fampiasana ny teny malagasy

Ampisain' ny Malagasy amin' ny endrika fitenim-paritra na ny fiteny ôfisialy ny fiteny malagasy. Amin' ny lafiny ôfisialy dia ny tenim-pirenena (malagasy ôfisialy) no tena ampiasaina ary matetika io ihany no fiteny an-tsoratra. Mampiasa ny teny malagasy fiteny ôfisialy na tenim-paritra koa ny Malagasy mipetraka any ivelan' i Madagasikara, na dia tsy maro aza ny fianankaviana malagasy tsy mampianatra ny tenin-drazany amin' ny zanany.

Eo amin' ny aterineto indray, dia vitsy ny tranonkala mampiasa ny teny malagasy ho fitenim-botoatiny. Matetika ny Malagasy dia mampiasa ny teny frantsay rehefa miresaka momba ny fampahalalana. Miampy izany koa ny safidin' ny mpikarakara tranonkala izay misafidy ny teny frantsay ho fitenin' ny votoatiny. Araka izany dia mamaky ary matetika mifanakalo hevitra amin' ny teny frantsay ny Malagasy eo amin' ny tranonkala.

Volana natokana ho an' ny fiteny malagasy ny volana Jona, ka ny Akademia Malagasy sy ny Ministera misahana ny kolontsaina no mikarakara ny fankalazana azy.

Wiki sy Aterineto amin' ny teny malagasy

Tsy mampiasa ny Wiki amin' ny fiteny madinika ny olona noho ny ratsy mifamahana. "Tsy tia hamorona votoatiny ny olona satria tsy hisy hamaky, ary tsy misy mamaky satria tsy misy votoatiny." Ohatr' ireo jordanianina manoratra amin' ny teny anglisy mba ho azon' ny olona bebe kokoa, manoratra amin' ny teny frantsay ny Malagasy mba ho azon' ny olona any ivelan' i Madagasikara. Hoy izay mpanoratra izay, raha mamorona votoatiny bebe kokoa amin' ny teny nibeazany ny Malagasy, dia hisy kokoa ny votoatiny amin' ny teny malagasy ary ho vaky ilay boribory vetaveta. Araka izany, amin' ny lafiny sasany, hahafahana mamorona fitaovana toy ny mpandika teny anglisy-malagasy ireo orinasa lehiben' ny tranonkala.

Rakibolana

Ny raki-bolana voalohany amin' ny teny malagasy an-tsoratra dia natao tamin' ny alalan' ny sorabe. Ny rakibolana tamin' ny abidy latina voalohany dia ny Dictionnaire de la langue de Madagascar an' i Etienne de Flacourt izay natonta tamin' ny taona 1658. Taorian' izay dia navoaka ilay English-Malagasy Vocabulary. Tamin' ny 1885 dia navoakan' ny London Missionary Society ny rakibolana malagasy-anglisy izay manana 892 pejy; na izany aza dia ahitana voambolana tranainy io rakibolana io. Betsaka ny fiovana efa natao tamin' ilay rakibolana indrindraindrindra mba hitaratra bebe kokoa ny endriky ny fiteny malagasy ankehitriny. Araka izany ankehitriny dia ahitana rakibolana mifototra amin' ny hatetika izay miankina amin' ny firaketan-dahatsoratra ahitana teny mihoatra ny dimy tapitrisa.

  • Winterton, M. et al.: Malagasy–English, English–Malagasy Dictionary / Diksionera Malagasy–Anglisy, Anglisy–Malagasy. Raleigh, North Carolina. USA: Lulu Press 2011, 548 p.
  • Richardson: A New Malagasy–English Dictionary. Farnborough, England: Gregg Press 1967, 892 p. ISBN0-576-11607-6 (Original edition, Antananarivo: The London Missionary Society, 1885).
  • Diksionera Malagasy–Englisy. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1973, 103 p.
  • An Elementary English–Malagasy Dictionary. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1969, 118 p.
  • English–Malagasy Phrase Book. Antananarivo: Editions Madprint 1973, 199 p. (Les Guides de Poche de Madagasikara.)
  • Paginton, K: English–Malagasy Vocabulary. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1970, 192 p.
  • Bergenholtz, H. et al.: Rakibolana Malagasy–Alemana. Antananarivo: Leximal/Moers: aragon. 1991.
  • Bergenholtz, H. et al.: Rakibolana Alemana–Malagasy. Antananarivo: Tsipika/Moers: aragon. 1994.
  • Régis Rajemisa-Raolison: Rakibolana Malagasy. Fianarantsoa 1995, 1061 p.

Fitsipi-pitenenana

Ny fehezanteny amin' ny teny malagasy dia matetika manaraka ny rariteny Matoanteny-Fameno-Lazaina (MFL), (amin' ny teny anglisy: rariteny VOS). Na dia izany aza mety miovaova arakaraky ny endriky ny matoanteny ampiasaina izy io araky ny ohatra aseho eo ambany:

    Rariteny MFL tsotra
  • Mandahatra ny miaramila aho.

Mampiasa endrika mivantana ny matoantenin' ny mpanao ny fehezanteny eo ambony,

    Rariteny M(L)F
  • Alahatro ny miaramila.

Mampiasa ny matoantenin' ny atao ny fehezanteny eo ambony. Miraikitra amin'ny matoanteny ny mpanao ny asa (-ko).

Matoanteny

Ny matoanteny no fanahin' ny fiteny ary mamaritra ny tao sy hetsika ary fiainana ny matoanteny. Mamaritra ny fisiana izy, noho ny fisian' ny matoanteny misy; mamaritra ny tao izy, ohatra: "tia aho", "miasa ianareo"; mamaritra ny fiaretana izy, amin' ny alalan' ny matoantenin' ny atao: "tiana aho", "esorina ianao".

Ny matoanteny dia ampiasaina amin' ny filazana, fandavana na fanambaràna zavatra izay mbola atao na efa natao: "miasa ny olona", "nomen' olona vola aho"; mibaiko, manasa na mametra-panontaniana.

Matoantenin' ny mpanao sy ny matoantenin'ny atao

Ny matoanteny dia azo atao anaty sokajy telo: ny matoantenin' ny mpanao sy ny matoantenin' ny atao, ary ny matoanteny tsy mitongilana. Ny matoantenin' ny mpanao dia mamaritra ny lazaina manao zavatra. Ny matoantenin' ny atao dia mamaritra ny lazaina miaritra na iharan-javatra.

Ny matoantenin' ny mpanao dia:

  • lazaina fa mivantana (anglisy: direct) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina: ohatra: "miteny aho"; "miasa aho", sns.
  • lazaina fa manilika (anglisy: exclusive) rehefa manaraka ny lazaina ny mpameno. Izany dia midika fa ilay lazaina ary ilay lazaina ihany no manao ilay zavatra. Ohatra: "izaho no miteny"; "Rakoto no manjono", sns.
  • lazaina fa manantitra (anglisy: emphatic) rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina. ohatra : "izaho miteny", "izaho misotro".

Telo no endriky ny matoantenin'ny atao.

  1. Ny voalohany dia antsoina hoe endrika tsotra, satria avy amin' ny filaza mandidin' ny fototeny izy. Ohatra: ny matoantenin' ny atao "sotroina" dia avy amin' ny filaza mandidy "sotroy" izay avy amin' ny fototeny "sotro".
  2. Ny endrika faharoa dia manana tovana mamaritra ny mpanao, na ny lazaina. Ohatra "ampianariko ny ankizy", "dioviko ny trano", sns.
  3. Ny fahatelo dia ny endrika ara-toe-javatra, satria mampiasa ny toe-javatry ny fotoana, na toerana, na fomba. Ohatra: "Tany an-trano no nisotroan' ny olona rano".

Ny matoantenin' ny atao tsotra dia manana endrika mivantana, manantitra na manilika..

Ny matoanteny tsy mitongilana dia mamaritra tao izay mikasika ny mpanao ary ny mpanao ihany. Ohatra: "Velona aho"; "Mandeha ianao". Manana fiendrika manano ary fiendrika anoina ny matoanteny tsy mitongilana: "Mandeha aho" (mat. mpanao); "andehanako", "alehako" (mat. atao). Manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika ireo matoanteny tsy mitongilana ireo.

Sokaji-matoanteny dimy

Faharoa, azo sokajina dimy ny matoanteny malagasy :

  • Ny matoanteny mitampody (reflektiva),
  • Ny matoanteny mamari-pahafahana (anglisy: potentative verb). Ny tovona mamaritra azy io dia ny tovona maha-. Manana endrika mivantana, manantitra (emfatika) ary mandroaka ireo matoanteny ireo.
  • Ny matoanteny mamari-pivoarana (anglisy: intensive verb) dia mamaritra ny hafatratra, ny fitomboana na ny fivoaran' ny tao iray. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona miha- ohatra ny anatin' ny mihalava, mihafohy, mihavitsy, mihafeno, sns. Misy fiendrika manano sy ny fiendrika anoina io matoanteny io. Ao amin' ny fiendrika manano (ang.: active voice) sy amin' ny fiendrika anoina (ang. passive voice) dia ahitana ny endrika mivantana, endrika manantitra (emfatika) ary endrika mandroaka (ang.: exclusive form). Amin' ny endrika misy soloteny voatovana amin' ny matoanteny mamari-pivoarana dia ahitana ny endrika mivantana manantitra sy mandroaka.
  • Ny matoanteny mampita (ang.: transitive verb) izay mamaritra ny tao ataon' ny lazaina eo amin' ny fameno. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona man- (manana endrika miova arakaraky ny fototeny)
  • Ny matoanteny mpifanao (ang.: reciprocative verb) Ao amin' io sokajy matoanteny io dia ahitana ny fiendrika manano ary ny fiendrika anoina izay samy manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika.. Ny endrika mpifanao dia manana ny fiendrika manano, ny fiendrika anoina ary ny endrika voatovana solonteny.

Amin' ny tabilao eo ambany dia aseho ny tsirinteny araky ny endriky ny matoanteny avy amin' ny fototeny "latsaka".

Tsirinteny matoanteny* araky ny sokajiny
fiendrika manano fiendrika anoina
ary endrika voatovana soloteny
Reflektiva milatsaka latsahana
Mamari-pahafahana mahalatsaka ahalatsahana
Mamari-pivoarana mihalatsaka ihalatsahana
Mampita mandatsaka andatsahana
Mifanao mifandatsaka ifandatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Zana-pizarana na fisokajiana fanampiny

Ny fizarana fanindroan' ny matoanteny malagasy dia sokajy telo: endrika mpampanao (ang.: causative), endrika mampanao mpifanao (ang.: reciprocative causative) ary endrika mampanao mamari-pahafahana (ang.: potentative causative). Ny tovona amin' ireo matoanteny ireo dia fitambaran' ny tovona ao amin' ny endrika mampanao amin' ny tovoy na ao amin' ny endrika mpifanao na mamari-pivoarana.

Tsirintenin' ny matoanteny* mampanao
fiendrika manano fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
Mampitranga
reflektiva
mampilatsaka ampilatsahana
Mampitranga
mamari-pahafahana
mampahalatsaka ampahalatsahana
Mampitranga
mamari-pivoarana
mampihalatska ampihalatsahana
Mampitranga
mampita
mampandatsaka ampandatsahana
Mampitranga
mifanao
mifampilatsaka ifampilatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Ireo matoanteny mampanao mpifana dia natao hamaritana ny zavatra mampanao, na, ny zavatra ataon' ny olona na zavatra mifampivoho. Ireo matoanteny ireo dia aorina amin' ny alalan' ny fanovana ny tovona m- ho mif- amin' ny endrika mampanao ny matoanteny mivantana.

Tsirintenin' ny matoanteny mampanao* mifampivoho
fiendrika manano fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
mampitranga mpifanao
ny matoanteny reflektiva
mifampilatsaka ifampilatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mamari-pahafahana
mifampahalatsaka ifampahalatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mamari-pivoarana
mifampihalatsaka ifampihalatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mampita
mampandatsaka ampandatsahana
mampitranga mpifanao
ny matoanteny mifamoivoho
mifampilatsaka ifampilatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Ny endrika mampitranga fahafahana dia maneho ny fahafahana na ny fahafahana mampanao ny tao.

Tsirintenin' ny matoanteny mampanao* fahafahana
fiendrika manano fiendrika anoina
na endrika voatovana soloteny
mampitranga fahafahana
ny matoanteny reflektiva
mahampampilatsaka ahampampilatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mamari-pahafahana
mahampampahalatsaka ahampampahalatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mamari-pivoarana
mahampampihalatsaka ahampampihalatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mampita
mahampampandatsaka ahampampandatsahana
mampitranga fahafahana
ny matoanteny mifanao
mahampampifandatsaka ahampampifandatsahana

(*) Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Anarana sy mpisolo

Ny mpisolo tena amin' ny teny malagasy dia maro ary miankina amin' ny fifandraisan'ilay mpiteny amin' ilay olona itenenana ny fampiasana azy.

Tambinteny

Ny tambinteny dia teny ampiarahina amin' ny mpamaritra, ny matoanteny (mamaritra anarana na tsia) ary tambinteny hafa. Ao amin' ny teny malagasy dia ahitana karazana tambinteny telo: ny tambinteny mamaritra isa (fandaharana na fanisana); tambinteny mamaritra fotoana: ankehitriny (oh.: ankehitriny, izao ihany, anio, sns.), efa lasa (sahady, taloha, rahateo, sns.) na ho avy (oh.: hatrizay, arakizao, rahampitso, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana (matetika, indraindray, rahoviana, sns.); ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana voatanisa (oh.: indray, indroa, intelo, isan'andro, isam-bolana, sns.); ireo tambinteny mamari-toerana (oh.: aloha, aoriana, dia, mandavanandro, sns.); ireo tambinteny mamaritra zava-mitranga tsy misy fiafarana (oh.: mandrakariva, mandrakizay, tsy ... intsony)

Mpamari-toerana

Mpamari-toerana malagasy
Akaiky Lavidavitra Lavitra
Tambinteny Tsy hita atỳ àto ào àtsy àny aròa* arỳ
Hita etỳ èto èo ètsy èny eròa erỳ
Soloteny Tsy hita izatỳ* izàto* izào izàtsy* izàny izaròa* izarỳ*
Hita itỳ ìto ìo ìtsy ìny iròa* irỳ
Hita pl. irèto irèo irètsy irèny ireròa* irerỳ*

Fanamarihana :

  • Tsy voatery asiana tendro ny mpamari-toerana.
  • Tsy ampaisaina matetika ny mpamari-toerana misy ny *.

Jereo koa

Lohahevitra sasany momba ny fitsipiteny malagasy

Fiteny be mpampiasa ao Afrika

Rohy ivelany

Boky malalaka

Tsiahy

Tags:

Fiteny Malagasy FanasokajianaFiteny Malagasy TantaraFiteny Malagasy Faritra itetenana azyFiteny Malagasy Satan ny fiteny malagasyFiteny Malagasy Fitenim-paritra eto MadagasikaraFiteny Malagasy VoambolanaFiteny Malagasy Feon-tenyFiteny Malagasy Fanoratana ny teny malagasyFiteny Malagasy Fampiasana ny teny malagasyFiteny Malagasy RakibolanaFiteny Malagasy Fitsipi-pitenenanaFiteny Malagasy Jereo koaFiteny Malagasy Rohy ivelanyFiteny Malagasy Boky malalakaFiteny Malagasy TsiahyFiteny MalagasyAostrôneziana (vahoaka)BôrneôFianakaviam-piteny bantoFitenim-paritra malagasyFiteny aostrônezianaFiteny araboFiteny baritôFiteny frantsayFiteny maanianyFiteny malagasy ôfisialyFiteny malaiô-pôlineziana andrefanaFiteny malayFiteny ôfisialyMadagasikaraNosy Sunda

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FanatontoloanaTriniteMôntenegrôTantaran' i MadagasikaraFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaMosesyTestamenta TalohaBetsimisarakaMenalambaTorkiaZavonaAratraJohn LockeCurrent eventsAviavyRain' ny FiangonanaFiteny birmanaMouvement Démocratique de la Rénovation Malgache1949Baiboly katôlikaTrombaCouncil Bluffs, IowaSinaGina LollobrigidaMalagasy (vahoaka)TranoFisoronana sy fanalana vintanaRy Tanindrazanay malala ô1992Fitsanganan' i Jesoa ho velona1097VolaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaBeuvrignyFomban-drazanaBen' ny tanànan' AntananarivoPrôtestantisma eto MadagasikaraIsmaelismaFiraisana ara-nofoFiteny anglisyCommunauté françaiseRakibolanaMôldavia2012Hasina (zavamaniry)Fanambaràna ny hevitry ny nofyHambyHirohitoSerbiaKônsily faharoa tao NikeaTetiandro arabo talohan' ny fivavahana silamoAmbohidrabibyPôlitikaAdy Lehibe VoalohanyAdy Lehibe FaharoaVyFilazantsara araka an' i LiokaFahaterahanaRafohyFanandroana malagasyLMpampiankin-tenySodànaVoankazavanaKolontsaina malagasyLioka-Asan' ny ApôstôlySongosongoFiainana mandrakizaySikidy (malagasy)VolanaKrimeaFanekem-pinoanaHamas🡆 More