Jesoa

I Jesoa na Jesosy na Jeso dia Jiosy tany Palestina izay inoan' ny Kristiana ho zanak' Andriamanitra sy mesia nirahina ho ety ambonin' ny tany hanavotra ny olombelona tamin' ny alalan' ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona indray.

Jesoa
Jesoa
Ankapobeny
Anarana Jesoa
Teraka Anelanelan' ny taona 7 sy 3 tal. J.K. tao Betlehema
Maty Taona 30 tao Jerosalema
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Empira Rômana
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

Izy no foto-pisian' ny fivavahana kristiana. Ny fivavahana jiosy dia manao an' i Jesoa ho olona fotsiny fa tsy Andriamanitra na zanak' Andriamanitra akory aza. Ny fivavahana silamo dia mihevitra azy ho mpaminany sahala amin' ny mpaminany Mohamady.

Ny anaran' i Jesoa

Ny anarana hoe Jesoa dia hita ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy fa ny Jesosy kosa ao amin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy. Ny hoe Jesosy dia fanagasiana ny teny anglisy hoe Jesus, izay avy amin' ny teny latina hoe Iesus, izay avy amin' ny teny grika hoe Ἰησοῦς / Iêsoûs, izay avy amin' ny teny hebreo hoe Yeshua na Yehoshua.

Ny anarana hebreo lava hoe Yehoshua no ampiasaina amin' ny endrika fohy hoe Yeshua. Izany teny izany dia ahitana ny hoe Yeho na Yeh izay fanovan' ny hoe Yaho na Yah (sahala amin' izay hita ao amin' ny hoe Halelu Yah) izay fanafohezana ilay anaran' Andriamanitra hoe Yahweh na Jehovah. Ny hoe Yehoshua izany dia azo adika hoe "Mpamonjy i Yahweh" na "Yahweh dia famonjena". Mitovy fototra sy dika ny hoe Jesoa sy Josoa izay samy avy amin' ny teny hoe Yehoshua na Yeshua.

I Jesoa araka ny fivavahana kristiana

Jesoa 
Fanambaràna ny hahaterahan' i Jesoa, nataon' i Sandro Botticelli, taona 1489 na 1490.

Ny Kristiana dia mino fa zanak' Andriamanitra i Jesoa nefa ny fiangonana tsirairay dia samy manana ny fomba fampianarany . Ny taranja teôlôjika ianarana sy andinihana ny amin' izany dia ny kristôlôjia (izay momba ny toetr' i Jesoa ampifandraisina amin' Andriamanitra sy amin' ny olona). Ny fahasamihafan' ny finoana an' i Jesoa dia isan' ny niteraka ny fanaovana kônsily (fivorian' ny eveka atao mba hanapahan-kevitra momba ny finoana sy ny fandaminana ny Fiangonana) sy nahatonga ny fandraiketana ireo fanekem-pinoana voalohany. Izany ihany koa no anisan' ny sivana nisafidianana ny boky kanônika ao amin' ny Baiboly.

Jesoa 
Fiakaran' i Jesoa ho any an-danitra, nataon' i Gebhard Fugel, 1893 na1894.

Ny mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa

Ho an' ny fiangonana kristiana mino ny Trinite dia Andriamanitra tonga nofo i Jesoa Kristy. Tsy zanak' Andriamanitra fotsiny ihany izy fa Andriamanitra Zanaka. Persônan' Andriamanitra i Jesoa sahala amin' ny Ray sy ny Fanahy Masina izay samy persôna avokoa. Manana toetra roa izy: sady olona no Andriamanitra. Naterak' Andriamanitra Ray fa tsy noforonina i Jesoa Kristy. Ny Fiangonana katôlika sy Fiangonana ôrtôdôksa ary ny Fiangonana prôtestanta dia mino ny Trinite.

Ny tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa

Misy anefa ny fiangonana izay mihevitra fa ny teny hoe "zanak' Andriamanitra" dia sarinteny fotsiny na teny azo ampiharina amin' ny olona rehetra izay mino an' Andriamanitra sy manao ny sitrapony. Noho izany, hoy izy ireo, ny finoana ny Trinite dia finoana andriamanitra maro ka anisan' ny fahotana izany. Zavaboarin' Andriamanitra tahaka ny zavaboary rehetra i Jesoa. Misy amin' ireo fiangonana ireo ny manao an' i Jesoa Kristy ho olona fotsiny fa natsangan' Andriamanitra ho zanany. Ao koa ireo mihevitra fa anjely izy. Ny Vavolombelon' i Jehovah dia tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa fa manao azy ho ny anjely Mikaela.

I Jesoa araka ny fivavahana abrahamika hafa

I Jesoa araka ny jodaisma

Ny fivavahana jiosy dia manao an' i Jesoa (hebreo: יֵשׁוּ‎‎ / Yēšū) ho olona fotsiny fa tsy Andriamanitra na zanak' Andriamanitra akory aza.

Ivom-poto-kevitra amin' ny jodaisma dia ny mahatokana sy ny maha hafa tanteraka an' Andriamanitra (Deoterônômia 6:4), ary ny fivavahana amin' ny olombelona dia heverina ho endrika fanompoan-tsampy. Noho izany dia tsipahiny ny fiheverana an' i Jesoa (na ny mesia jiosy hoavy) ho Andriamanitra, na ho mpanelanelana amin' Andriamanitra, na ampahany ao amina Trinite. Ny jodaisma dia milaza fa tsy mesia i Jesoa, satria sady tsy nahatanteraka ny faminaniana momba ny Mesia voalaza ao amin' ny Tanakh izy no tsy nahitana ny toetra mampiavaka manokana ny Mesia. Milaza ny Jiosy fa tsy nahatanteraka ny faminaniana ny amin' ny hanamboarana ny Tempoly Fahatelo (Ezekiela 37.26-28), momba ny famerenana indray ny Jiosy ho any Israely (Isaia 43:5-6), momba ny famerenana ny fandriam-pahalemana (ny fiadanana) ety ambonin' ny tany (Isaia 2:4) ary ny fampiraisana ny olombelona rehatra eo ambany fahefan' ny Andriamanitr' i Israely (Zakaria 14:9). Ankoatra izany, araka ny lovantsofina jiosy, dia tsy misy mpaminany itsony aorian' i Malakia, izay nanolotra ny faminaniany taorian' ny taonjato faha-5 tal. J.K.

Efa hatry ny ela no nisian' ny fitsikeran' ny fivavahana jiosy an' i Jesoa. Ny Talmoda, izay nosoratana sy nangonina tamin' ny taonjato faha-3 hatramin' ny faha-5 taor. J.K., dia misy tantara izay heverina hatramin' ny Andro Antenatenany ho fitantarana manala baraka an' i Jesoa. Ao amin' ireo tantara ireo dia mpanda ny finoana sady manafintohina i Yeshu HaNozri ("Jesoa avy ny Nazareta") izay nohelohin' ny antenimiera ambony jiosy (ny Sinedriôna na Sanedrina) noho izy nampiely ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana hatsarana (mazia). Ny teny hoe Yeshu dia fanafohezan-teny izay manana izao hevitra izao: "hofafana anie ny anarany sy ny fahatsiarovana azy". Mihevitra ny ankamaroan' ny manam-pahaizana ankehitriny fa tsy ahafahana mamantatra an' ilay Jesoa ara-tantara ireo tahirin-kevitra ireo. Ny Mishneh Torah, izay asasoratra momba ny lalàna jiosy tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-12 nosoratan' i Moses ben Maimon (izay fantatra amin' ny anarana hoe Maimônida), dia manambara fa "vato fanafintohinana izay nahatonga ny ankamaroan' ny olona eran' izao tontolo izao ho voafitaka sady hanompo andriamaitra hafa fa tsy ny Tompo" i Jesoa.

Ny literatiora hebreo tamin' ny Andro Antenatenany dia ahitana ny Sefer Toledot Yeshu (hebreo: ספר תולדות ישו) izay mitantara fa zanak' i Jôsefa na zanak' i Pandera i Jesoa. Miresaka an' i Jesoa ho mpisandoka ilay fitantarana .

I Jesoa araka ny silamo

Ny fivavahana silamo dia mihevitra an' i Jesoa (na Îsâ) ho mpaminany sahala amin' ny mpaminany Mohamady.

Mitantara ny Kor'any ao amin' ny andalana maro ny amin' ny fiteraham-birijiny an' i Jesoa izay noforonina araka ny didian' Andriamanitra hoe: "Misia" sady notorontoronin' ny fofonain' Andriamanitra.

Ao amin' ny Kor'any, "ny Mesia Jesoa, zanak' i Maria, dia tsy inona fa irak' Andriamanitra, ny Teniny izay nirahiny ho any amin' i Maria, ary fofonaina avy aminy" (Soràta 4:171). Amin' ny maha mpanambara mialoha an' i Mohamady azy dia nitory ny finoana andriamanitra tokana madio izy, nanatanteraka fahagagana, nanasitrana, nanangan-ko velona ny maty ary "mahalala ny zava-miafin' ny fo". I Ibn Arabi dia manome azy ny anaram-boninahitra hoe "tombokasen' ny fahamasinana", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny fo", fa i Mohamady kosa no "tombokasen' ny mpaminany", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny lela".

Ny fanehoana an' i Îsâ ao amin' ny Kor'any dia manome azy koa anjara asa eskatôlôjika: ny fiverenany eto an-tany, amin' ny maha Mozilmana azy, no famantarana ny fahataperan' izao tontolo izao sy ny andron' ny fitsarana farany, fa hadita maro no maneho azy ho mpiara-dia lehibe amin' i Mahdi, Mpamonjin' ny andro farany.

Ahitana filazana mandà efatra momba an' i Îsâ ny ao amin' ny Kor'any, mba tsy hisian' ny shirk (fampikambanana ny tsy tokony hikambana): sady tsy Andriamanitra, no tsy zanany, no tsy iray amin' ny andriamanitra kamban-telo (triada) (ny Trinite dia heverin' ny Mozilmana ho famantaran' ny fivavahana amin' andriamanitra maro), sady tsy nohomboana tamin' ny hazo fijaliana izy satria tsy mendrika ny mpaminanany lehibe tahaka azy izany.

I Jesoa araka ny finoana bahay

Manao an' i Jesoa ho fisehoan' Andriamanitra ny fampinaran' ny finoana bahay. Ny hoe "fisehoan' Andriamanitra" dia fiheverana bahay momba ny mpaminany, izay mpanelanelana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona, izay manompo amin' ny fampitana hafatra sy ahafaha-mitaratra ny toetra manokan' Andriamanitra. Izany fiheverana izany dia manindry ny fananan' i Jesoa toetr' olombelona sy toetr' Andriamanitra miaraka, izay mitovitovy amin' ny fiheverana kristiana ny amin' ny fahatongavana ho nofo. Manaiky an' i Jesoa ho Zanak' Andriamanitra ny mpino bahay. Amin' ny mpino bahay dia fahatongavan' ireo toetra manokan' Andriamanitra ireo ho nofo tanteraka i Jesoa, nefa tsipahin' io fivavahana io ny fiheverana ny "maha izy azy tsy hay lazaina" an' Andriamanitra ho ao amin' ny tenan' olombelona iray noho ny finoan' izy ireo momba ny "fisian' Andriamanitra manerana ny toerana rehetra sy ny fihoa-drahan' ny maha izy azy an' Andriamanitra".

I Bahá'u'lláh mpanorina ny fivavahana bahay dia nanoratra fa samy manana ny toetra manokana mampiavaka an' Andriamanitra ny fisehoan' Andriamanitra tsirairay, noho izany dia azo lazaina ho "fiverenana" ara-panahin' ny fisehoan' Andriamanitra taloha rehetra izy ireo, ary ny fisehona vaovao tsirairain' Andriamanitra dia manambara ny fiantombohan' ny fivavahana vaovao izay misolo ny fivavahana rehetra teo alohany, izany no atao hoe "fanambaràna miandalana". Mino ny Bahay fa ny tetik' Andriamanitra dia miseho tsikelikely amin' ny alalan' izany fanambaràna miandalana izany arakaraka ny fihamatoran' ny taranak' olombelona, ary misy amin' ireo fisehoan' Andriamanitra ireo no tonga amin' ny fahatanterahana manokan' ny asa fanirahan' ny teo aloha. Mino, ohatra, ny Bahay fa i Bahá'u'lláh no fiverenan' i Kristy izay efa nampanantenaina. Manamafy ny toetra maro ananan' i Jesoa araka ny anoritsoritan' ny Evanjely azy, fa tsy izy rehetra, ny fampianarana bahay. Mino ny fiteraham-birijiny an' i Jesoa sy ny fanomboana azy amin' ny hazo fijaliana ny Bahay, nefa manao ny fitsanganan-ko velon' i Jesoa sy ny fahagaganana nataony ho manana heviny am-panoharana ihany.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Jesoa Ny anaran i Jesoa I araka ny fivavahana kristianaJesoa I araka ny fivavahana abrahamika hafaJesoa Jereo koaJesoa Loharano sy fanamarihanaJesoaFitsanganan' i Jesoa ho velonaJiosyJodaismaKristianinaKristianismaMesiaMohamadyMpaminanyPalestina (faritra)SilamoZanak' Andriamanitra (kristianisma)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ElontyAfrikaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFiteny eorôpeanaDokuWiki2000AntipapaFaritany eto MadagasikaraMenarandraListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysHebreo (vahoaka)Faritanin' AntananarivoFitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto MadagasikaraMatoatoaTaolanaFiteny hongarianaTsaramandroso FCRosa LuxemburgDiophante d'AlexandrieKabary famangianaGreg CunninghamAjraLupu PickVyBoky faharoan' i HenôkaTsekiaAtlanta, GeorgiaAsa800ISO 3166-1Tito LivioAfrika AtsimoRB LeipzigGoogleFiteny baskaFaritra AnosyRanobe (Amboasary)ShiismaSiriaFelix MendelssohnAsorotany (antokon-kintana)RifuVelarantanyMandanFiraisana ara-nofoMangahazoDebbie ReynoldsMosavy (finoana malagasy)Robert RossenKukherdTaonaApôstôly roa ambin' ny foloLalàn' i MosesyAotrisyJohann Christian Erxleben18 OktobraAmboasary-AtsimoSôkôlaHypertext Markup LanguageOhabolanaFamelan-kelokaAndronic Ier ComnènePilot Station, AlaskaKolontsaina malagasyFiteny tanalaChristian MenzelTantaran' i MadagasikaraAlatsinainyGrisia TalohaHenry EdwardsBavariaApôkalipsin' i Joany1944🡆 More