Torkia

I Torkia, na Repoblika Torka, dia firenena iray eo amin' ny tapany andrefana amin' i Azia Andrefana.

I Torkia, na Repoblika Torka, dia firenena iray eo amin' ny tapany andrefana (ao Atsinanana Akaiky) amin' i Azia Andrefana. I Ankara no renivohiny. Manana velarana mirefy 783 356 km2 izy ary misy mponina miisa 84 681 000 tamin' ny taona 2022. Misy ampahany amin’ ny tanin’ ity firenena ity ao amin’ ny ilany atsinanana amin’ i Eorôpa: voazaran’ ny Andilan-dranomasin' i Bosphore ho roa (adrefana sy atsinanana), ohatra, i Istanbul tanàna lehibe indrindra any. Mizara sisin-tany amin' i Grisia, amin' i Bolgaria, amin' i Jeôrjia, amin' i Armenia, amin' i Azerbaijàna, amin' i Iràna, amin' i Iràka ary amin' i Siria izy. Ny ranomasina manodidina azy dia ny Ranomasina Mainty, ny Ranomasin' i Marmara, ny Ranomasina Egea ary ny Ranomasina Mediteranea.

Sainan' i Torkia
Sarin-tanin' i Torkia (teny frantsay)
Toerana misy an' i Torkia (amin' ny fiteny tiorka)

Ny vohon-tanin’ i Torkia dia anjakan’ ireo Tendrombohitra Ararata, izay ao amin’ ny tapany atsinanana, ka manana haambo 5 165 m ny tampona avo indrindra amin’ izany.

Avy any Azia Afovoany ny mponina any Torkia. Ahitana vondrom-poko bediabe ny ao amin’ io firenena io, ka isan’ izany ny Arabo, ny Armeniana, ny Grika, ny Jiosy ary ny Kiorda. Ny silamo no fivavahan’ ny maro any Torkia (98 %). Ny fiteny tiorka no fiteny ôfisialin' i Torkia. Atao hoe Türkiye sy Türkiye Cumhuriy izy amin' ny fiteny tiorka.

Seha-pamokarana lehibe indrindra any Torkia ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, indrindra ny fambolena varimbazaha.

I Torkia eo anivon' izao tontolo izao

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Firenena ao Eorôpa

Lohahevitra hafa:

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Torkia, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.

In other languages:

/** SHOW / HIDE SECTION**/function mfTempOpenSection(getID) {var x = document.getElementById("mf-section-"+getID); if (x.style.display === "none") { x.style.display = ""; } else { x.style.display = "none"; }}