Sikidy Malagasy

Ny sikidy na sikily dia fanao fahita manerana an' i Madagasikara izay azo avy tamin' ny sikidy arabo, izay niely eran' i Afrika noho ny fiparitahan' ny Arabo sy Mozilmana taty amin' ny kôntinenta.

Isan' ny singa iray mandrafitra ny finoan-drazana malagasy ny sikidy. Ny mpisikidy, izay tsy iza fa ny ombiasa na ombiasy, no hatonin' ny olona mitady hahafanta-javatra miafina na saro-pantarina. Tsy ny Ntaolo ihany no mila mpisikidy fa na ny Malagasy maro ankehitriny koa, na any ambanivohitra na an-tanandehibe. Manatona mpisikidy ny olona rehefa hanamboatra trano, rehefa handeha lavitra, rehefa misy ny halatra, rehefa hioty ny vokatry ny fambolena, rehefa hampaka-bady, rehefa marary, sns. Ny mpisikidy no mamaritra ny toerana na ny fotoana hanatanterahana ny zavatra iray.

Sikidy Malagasy

Nilain' ny Ntaolo sy ny Malagasy maro ankehitriny ny manatona mpisikidy rehefa tsy salama, raha handeha lavitra, raha te hahafantatra ny fomba hampitomboana ny harena, raha te hahafantatra ny momba ny fitiavana, raha hamosavy na hamorika olona, raha hanenjika na hitsongo dia ny mpangalatra, sns.

Rehefa hisikidy dia alahatra hanana endrika fàfana eo amin' ny tany na ambony tsihy na ambony karazana latabatra iva dia iva ny voan-tsikidy (izay matetika voam-pano, nefa mety ho voan-katsaka na zavatra hafa koa), mba hahafaha-mamantatra ny zava-miafina, amin'ny alalan' ny fanakarana ny hevitry ny laharam-boan-tsikidy miseho ao amin' ilay fàfana. Mandray anjara amin' ny fandaharana ny voan-tsikidy ny kisendrasendra. Rehefa avy nandahatra ny voa ny mpisikidy dia mandahatra azy ireo indray tsy amin' ny alalan'ny kisendrasendra intsony fa amin' ny alalan' ny kajy an-kandrina.

Sikidy Malagasy

Ny foko sy ny faritra rehetra eto Madagasikara dia samy mahalala ny sikidy fa ny voambolana ampiasainy no mety samy hafa ary ny fivoasana azy no mety misy tsy fitoviana. Ny mpandinika ny tantaran' ny sikidy malagasy dia mihevitra fa ny Antemoro, any amin' ny faritra atsimo-atsinanan' i Madagasikara, indrindra fa ireo atao hoe Anakara, no Malagasy nahay nisikidy voalohany indrindra. Araka ny lovantsofin'izy ireo dia avy any Maka (tanàna any Arabia Saodita ankehitriny) ny olona nitondra ny sikidy teto Madagasikara.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe sikidy, araka ny hevitr' i Gabriel Ferrand (1886-1935), dia avy amin' ny voantenin' ny fiteny arabo sasany hoe sikhl, izay midika hoe "sary" na "endrika". Manakaiky io teny arabo io ny fanononana hoe sikily.

Famaritana

Toy izao no amaritan' i Régis Rajemisa-Raolison ny sikidy: "Fahaizana mampahalala ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray amin' ny alalan' ny fandaharana voan-tsaramaso na voan-kily, izay sarotra dia sarotra ho an' ny tsy niofana amin' izany."

Fandaharana ny voan-tsikidy

Lazaina fa "manangan-tsikidy" na "mandaha-tsikidy" ny ombiasa na ombiasy rehefa mametraka ireo voan-javatra eo ambony tsihy fisikidiany mba hahazoany endrika na soratra hofantarin-kevitra. Lazaina hoe "mamaky sora-tsikidy" kosa izy rehefa manakatra ny hevitra ambaran' izany endrika na soratra voaforona amin' ny alalan' ny voan-tsikidy izany. Ireto avy ny anaran' ireo toerana ametrahana ny tsanganam-boan-tsikidy (na sora-tsikidy) ao amin'ny fàfana, izay miisa enina ambin' ny folo: Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombisa, Haja, Zanahary, Asorotà, Tovolahy, Lalana ary Trano. Ny fàfana rehetra mety ho azo dia miisa 65 536 (izany hoe 216). Ireo anarana ireo dia manondro anjara asa, izany hoe sokajin' olona na singan' olona, sokajin-javatra na singan-javatra, mandray anjara amin' ny fiainan' ny olona na ny zavatra hafa tiana hofantarin-toetra.

Fitokavana ny fanahy, famohazana ny sikidy

Mipetraka amin'ny tany ny mpisikidy sady mitodika miantsinanana. Velariny ny tsihy kely natokana ho amin'izany. Alainy avy ao amin'ny kitapon-tsikidy ny voam-pany na voan'ny hazomainty na voan-kily (na madiro) na voan-karabo na voan-tsaramaso ka apetrany eo ankaviany. Apetrany eo anoloany ny sila-bato (vatomazava na koaritsa) iray izay inoan' ny olona fa misy hasiny. Fohaziny ny sikidy amin'ny alalan' ny fitokavana. Tsy miato ny fitokavana ny fanahy sy ny famohazana ny sikidy mandritra ny fandaharana ny voan-tsikidy ka madra-pahazoana ny fàfana feno ahitana sora-tsikidy enina ambin' ny folo.

Ny renin-tsikidy

Atao hoe "renin-tsikidy" ireo tsanganam-boan-tsikidy valo voalohany izay azo, tsy amin' ny alalan'ny fanakambanana na fampivadiana tsanganan-tsikidy, fa avy amin'ny famakiana mijidina sy famakiana marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy azo amin' ny alalan' ny karazana fisarihana an-kisendrasendra izay inoan' ny olona fa tsy vokatry ny kisendrasendra fotsiny fa tarihin' ireo fanahy notokavina. "Renin-tsikidy" no iantsoana azy ireo satria ny fanambarana na "fampivadiana" azy ireo no "miteraka" ny tsanganam-boan-tsikidy hiforona manaraka izay atao hoe "tera-tsikidy". Ny tsanganana iray dia foronin' ny voan-tsikidy efatra hatramin' ny valo alahatra mifanao ambaratonga efatra (voany iray na roa) avy ambony mianambany ka ny ambaratonga voalohany dia atao hoe "lohany", ny faharoa "tratrany", ny fahatelo "valahany" na "vaniany" ary ny fahefatra farany "tongony".

Dingana voalohany

Tokavin' ny mpisikidy ny razana, avy eo raisiny amin' ny tanany havia ny voan-tsikidy ka anaovany toko efatra eo ambony tsihy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ilay tokom-boan-tsikidy. Atombony avy ankavanana miakavia izany. Alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ambonin' ny tsihy eo ankavanany mba hamoronany ny tsanganana voalohany. Averiny fanindroany amin'ny tokom-boan-tsikidy efatra hafa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tsanganana manaraka izay apetrany eo ankavian' ny tsanganana voalohany. Ampiharina fanintelony amin' ny toko efatra manaraka indray izany, averiny faninefany farany dia azo ny tsanganana efatra voalohany, dia ny Tale (midika hoe "mpanontany") izay tsanganan-tsikidy laharana voalohany, ny Maly ("harena") izay tsanganan-tsikidy laharana faharoa, ny Fahatelo ("rahalahin' ny mpanontany") izay tsanganan-tsikidy laharana fahatelo ary ny Bilady ("tany onenana") izay tsanganan-tsikidy laharana fahefatra. Milahatra avy ankavanana manomboka amin' ny Tale ireo tsanganan-tsikidy ireo.

Dingana faharoa

Jeren' ny mpisikidy avy ankavanana miankavia ireo tsanganana efatra voalohany ireo ka ahafahany mamorona tsanganana efatra hafa mitondra ireto anarana ireto: ny Fianahana ("zanaka") izay tsanganan-tsikidy laharana fahadimy, ny Abily ("reny") izay tsanganan-tsikidy laharana fahenina, ny Alisay ("vady") izay tsanganan-tsikidy laharana fahafito ary ny Fahavalo ("rafy") izay tsanganan-tsikidy laharana fahavalo araka io anarany io. Famakiana marindrano ny fàfana voalohany no ahazoana izany fa tsy fanaovana fisarihana avy amin' ny tokon-tsikidy mandeha tsiefatrefatra. Ny Fianahana dia ny lohan' ny Tale, Maly, Fahatelo ary Bilady; ny Abily dia ny tratran' ireo tsangan-tsikidy voatanisa ireo; ny Alisay dia ny maoja na vanian' ireo tsanganan-tsikidy efatra ireo, ary ny Fahavalo dia ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy ireo.

Ny tera-tsikidy

Ny tera-tsikidy dia vokatra azo avy amin' ny fanakambanana na fampivadiana izay tsanganan-tsikidy efa misy rahateo. Avy amin' ny fanakambanana an-tsaina tsiroaroa ireo tsanganana valon' ny renin-tsikidy no ahazoany ny lasitra faharoa antsoina hoe "tera-tsikidy" izay ahitana tsanganana valo. Ny loha atambatra amin'ny loha, ny tratra amin' ny tratra, sns. Raha ankasa ny isa azo (izany hoe 2 na 4) dia tsorina ho voa roa amin' ny farany ny fanakambanana na fampivadiana sady lazaina hoe "velona", fa raha tsy ankasa (izany hoe 3) dia tsorina ho voa tokana sady atao hoe "maty".

Ny tsanganan-tsikidy (sora-tsikidy) manana laharana tsy ankasa no azo voalohany, dia ny Lalana (faha-15), ny Asorotà na Asorotany (faha-13), ny Haza na Haja (faha-11) ary ny Fahasivy (faha-9). Avy ankavanana miankavia hatrany ny fandaharana azy ireo. Ny azo manaraka dia ny tranganan-tsikidy manana laharana ankasa, izay tsy inona fa ny Tovolahy (faha-14) sy ny Ombiasa (faha-10) sy ny Zanahary (faha-12) ary ny Trano na Kiba (faha-16).

Dingana fahatelo

Atambatra na "ampifanambadina" ny voan-tsikidy iray andalana ao amin' ny tsanganana mifanakaiky. Ny fanakambanana ny Tale sy ny Maly no manome ny Lalana (faha-15); ny fanakambanana ny ny Fahatelo sy ny Bilady no manome ny Asorotà.(faha-13); atambatra ny Fianahana sy ny Abily mba hahazoana ny Haja (faha-11). Akambana ny Alisay sy ny Fahavalo mba hahazoana ny Fahasivy (faha-9).

Dingana fahefatra

Atambatra ny tsanganana Asorotà sy Lalana dia ahazoana ny tsanganana Tovolahy (faha-14). Atambatra ny tsanganana Fahasivy sy Haja ka manome ny tsanganana Ombiasa (faha-10).

Dingana fahadimy

Akambana ny tsanganana Ombiasa sy Tovolahy mba hahazoana ny tsanganana Zanahary (faha-12).

Dingana fahenina farany

Akambana ny tsanganana Zanahary sy Tale mba hahazoana ny tsanganana Trano na Kiba (faha-16).

Ireo tsanganam-boan-tsikidy

Ireo tsanganana renin-tsikidy

Tale

Ny Tale no tsanganan-tsikidy voalohany, apetraka any amin' ny farany ambony sy farany ankavian' ny fàfana fitambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Ny Tale dia anarana iantsoana ny mpanontany amin' ny sikidy. Io no anjara asa voalohany ao amin' ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny eritreritra na ny toetra na ny zavatra momba ny mpanontany.

Maly

Ny Maly no tsanganan-tsikidy faharoa, apetraka any amin' ny farany ambony sy laharana faharoa farany avy ankavanan' ny fàfana itambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Ny Maly dia anarana iantsoana ny harena amin' ny sikidy. Io no anjara asa faharoa ao amin' ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny fiharian-karen' ny "mpanontany".

Fahatelo

Ny Fahatelo no tsanganan-tsikidy fahatelo, apetraka any amin' ny farany ambony sy laharana fahatelo avy ankavanana ao amin' ny fàfana itambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Ny Fahatelo dia anarana iantsoana ny rahalahy na ny olona tsy manatrika nefa resahina, ny olon-kafa.

Bilady

Ny Bilady no tsanganan-tsikidy fahefatra, apetraka any amin' ny farany ambony sy laharana fahefatra avy ankavanana ao amin' ny fàfana itambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Ny Bilady dia anarana iantsoana ny tany na ny toeram-ponenana.

Fianahana

Ny Fianahana no tsanganan-tsikidy fahadimy, any amin'ny farany ambony no misy azy ao amin'ny fafana itambaran'ny tsanganan-tsikidy enina ambin'ny folo. Ny mpisikisy za-draharaha dia tsy mamorona tsanganana hita maso manokana hanehoana azy fa matetika ao an-tsain' ny mpisikidy, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (ny Tale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Fianahana dia anarana iantsoana ny "zanaka". Io no anjara asa fahadimy amin' ny sikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny "zanaka".

Abily

Ny Abily no tsanganan-tsikidy fahenina (na andalan-tsikidy raha ny marina kokoa), mipetraka manaraka ny Fianahana, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain' ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (ny Tale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Abily dia anarana iantsoana ny reny na ny eritreri-dratsy na ny vehivavy antitra.

Alisay

Ny Alisay no tsanganan-tsikidy fahafito (na andalan-tsikidy raha ny marina kokoa), mipetraka manaraka ny Abily, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain' ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (ny Tale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny valahana na vanian' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Alisay dia anarana iantsoana ny vady, ny vehivavy tiana na ny vehivavy sakaiza. Io no anjara asa fahafito amin' ny sikidy malagasy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny vady na ny vehivavy tiana.

Fahavalo

Ny Fahavalo no tsanganan-tsikidy fahavalo, miapetraka eo manaraka ny Alisay, izay matetika tsy alahatra ho hita maso noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (ny Tale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Fahavalo dia anarana iantsoana ny rafy, ny mpifanandrina amin' ny tena.

Ireo tsanganana tera-tsikidy

Fahasivy

Ny Fahasivy no tsanganan-tsikidy fahasivy, apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny Fahavalo. Ny Fahasivy dia manondro ny fanahy tsy hita maso sy ny ody.

Ombiasa

Ny Ombiasa no tsanganan-tsikidy fahafolo, apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fahasivy sy ny an' ny Haja (na Haza). Ny Ombiasa dia manondro tokoa ny ombiasa na ombiasy.

Haja

Ny Haja na Haza no tsanganan-tsikidy fahiraika ambin' ny folo, apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ny renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny Abily. Manondro ny sakafo ny Haja.

Zanahary

Ny Zanahary na Haky no tsanganan-tsikidy faharoa ambin' ny folo, apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ny renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Ombiasa sy an' ny Tovolahy. Manondro an' i Zanahary na Andriamanitra ny Haky.

Asorotà

Ny Asorotà na Asorotany no tsanganan-tsikidy fahatelo ambin' ny folo, apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ny renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fahatelo sy ny an'ny Bilady. Ny Asorotà dia manondro ny Razana.

Tovolahy

Ny Tovolahy na Saily na Sely no tsanganan-tsikidy fahefatra ambin' ny folo, apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ny renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Asorotany sy Lalana. Manondro ny vahoaka ny Tovolahy na Saily.

Lalana

Ny Lalana no tsanganan-tsikidy fahadimy ambin' ny folo, apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ny renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Tale sy ny an' ny Maly. Manondro ny lalana, araka io anarany io, ny Lalana.

Trano na Kiba

Ny Trano na Kiba no tsanganan-tsikidy fahenina ambin' ny folo sady farany, apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ny renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Zanahary sy ny an' ny Tale. Anondroana ny trano tokoa ny Trano na Kiba.

Ny sora-tsikidy

Ny sora-tsikidy dia ny endrika alain' ny tsanganan-tsikidy na andalan-tsikidy arakaraka ny filaharana sy ny isan'ny voan-tsikidy mamorona azy. Samy manana ny anarany ny sora-tsikidy tsirairay araka ny isa sy ny fipetraky ny voa ao aminy. Izany dia tsy miankina amin' ny toerana misy ilay tsanganana na andalana ao amin' ny fàfana. Noho izany, na dia samy Tale ohatra dia tsy voatery hitovy ny isa sy ny filaharan' ny voa ao aminy. Ireo anarana ireo dia avy amin' ny teny arabo nefa efa nampifanarahin' ny Malagasy amin' ny firafitry ny feon-teniny sady matetika dia very ny tena fifandraisany ka indraindray mifandiso. Izany fifandisoana izany dia hita koa na amin' ny samy teny malagasy aza.

Ny anaran' ny sora-tsikidy

Ny sora-tsikidy dia mitondra anarana izay misy tsy fitoviam-panononana araka ny faritra eto Madagasikara. Misy koa ny anarana roa na maro nefa manondro tsanganana iray. Ireo anarana ireo dia manondro ny fiheverana na ny toetran' ny mpitana anjara asa toy ny Talé, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, sns.

Tareky

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Tareky, Taraiky, Tareke na Taraika ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 1 1.

Jama na Asombola

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Jama na Asombola, Asimbola ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 2 2.

Asorasady na Adabara

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Asorasady na Alahasady, Alahasaty, Alasady, Alahazady, na Asorovavy, Asoravavy (misy koa ny manao an'io hoe Asoralahy na Asorolahy), na Alidebara, Adabara, Adabaraho ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 1 1.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny sikidy dia mifangaro amin'ny anaran' ny Alikasajy ny anaran' ny Asorasady.

Alahasady

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alikasajy na Adabara na Alahasady, Alahasaty, Alasady, na Asoralahy, Soralahy, na Asorara ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 2 2.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny sikidy dia mifangaro amin' ny anaran' ny Alikasajy ny anaran' ny Asorasady, mifangaro amin' ny anaran' ny Alahasady koa ny anaran' ny Betsivongo.

Alitsimay

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alitsimay, Alisimay, Aditsimay, Aletsimay, Alatsimay, Alitsimahy na Alotsima ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 1 2.

Alokola

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alokola, Alikola, Alahokoja na Alokolo ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 2 1.

Mohadidy na Alohotsy

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Mohadidy na Alohotsy, Alihotsy, Alahotsy, na Alakaosy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 2 1.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny sikidy dia mifangaro amin'ny anaran' ny Mohadidy ny anaran' ny Karija.

Adalo

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Adalo na Karija na Mikarija, na Alohotsy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 1 2.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny sikidy dia mifangaro amin' ny anaran' ny Mohadidy ny anaran' ny Adalo.

Alaimora

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alaimora, Alahamora, Alahimora, Alohomora, Alemora, Alahomora, Alaomora ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 2 2.

Alibiavo

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alibiavo, Alibeavo, Alibiavo, Alibaiavy, Alibiavy, Alabiavo, Alibeavotse, Alibeiavo, Alibeavy na Adibijady ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 1 2.

Alahizana

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alaizana, Alihizana, Alizany, Alahizany, Alihiza, Aalaizany, Relahaza, Alaizana, na Adimizana ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 2 2.

Alikisy

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alikisy, Alikise, Aldikisy, Alinohisa ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 2 2 1.

Alakarabo na Kizo

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alakarabo, Alikarabo, na Kizo ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 2 1 1.

Betsivongo na Alikasajy

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Betsivongo, Alikasajy, Alikozaza, Adikasajy, Adikasajy, Alikoasajy, Alakasajy, Likoasajy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 2 1.

Raha tsy faritana mazava ny faritra eto Madagasikara manao ny sikidy dia mifangaro amin' ny anaran' ny Alahasady ny anaran'ny Betsivongo.

Karija

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Karija, Kariza, Karinja, na Adalo, na Vontsira ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 1 1 1 2.

Alakaosy

Sikidy Malagasy 

Atao hoe Alakaosy ny sora-tsikidy ahitana ireto isam-boan-tsikidy ireto, raha isaina avy any ambony mankany ambany: 2 1 1 1.

Fanasokajiana ny tsanganan-tsikidy

Raha ankasa, izay atao hoe koa "tsy ota" (miisa 4 na 6 na 8) ny totalin' ny voan-tsikidy ao amin' ny tsanganana iray dia atao hoe mpanjaka izany, fa raha tsy ankasa na "ota" (miisa 5 na 7) kosa dia atao hoe andevo. Ny fanavahana ny mpanjaka sy ny andevo dia misy dikany lehibe amin' ny fanakarana ny hevitry ny sikidy. Mahery ny mpanjaka fa malemy kosa ny andevo.

Mpanjaka

Mpanjaka ny Tareky (1, 1, 1, 1), ny Alasady (1, 1, 2, 2), ny Adalo (1, 2, 1, 2), ny Alokola (1, 2, 2, 1), ny Alotsimay (2, 1, 1, 2), ny Alohotsy (2, 1, 2, 1), ny Adabara (2, 2, 1, 1) ary ny Asombola (2, 2, 2, 2).

Andevo

Andevo kosa ny Karija (1, 1, 1, 2), ny Alimizanda (1, 1, 2, 1), ny Alakarabo (1, 2, 1, 1), ny Renilaza (1, 2, 2, 2), ny Alakaosy (2, 1, 1, 1), ny Alaimora (2, 1, 2, 2), ny Alibiavo (2, 2, 1, 2) ary ny Alikisy (2, 2, 2, 1).

Anaran' ny sora-tsikidy amin'ny teny arabo

Tsy voatahirin' ny mpanandro malagasy ny anaran' ny sora-tsikidy rehetra amin' ny teny arabo satria nosoloany anaram-bintana ny sasany noho ny fampifandraisana ny sikidy malagasy amin' ny fanandroana.

Ireto ny anaran' ny sora-tsikidy amin' ny teny arabo, nefa marihina fa tsy tokana ireo anarana ireo fa mety samihafa arakaraka ny fotoana sy ny toerana nanaovana ny sikidy tany amin' ny faritra arabo :

  1. El kausadj "vitsy volombava" (1 1 2 1) (Alikasajy)
  2. Ed dahik / "fihomehezana" (1 2 2 2) (-)
  3. El otba ed dâkhila "tokonana anatiny (fidirana)" (2 1 1 1)
  4. El bayad "hafotsy", "loko fotsy" (2 2 1 2) (Alibiavo)
  5. Et tariq "lalana" (1 1 1 1) (Tareky na Taraiky)
  6. El qabd el kharidj "tadim-baravarana miditra" (1 2 1 2) (-)
  7. El homra "hamena" na "loko mena" (2 1 2 2) (Alaimora na Alahamora)
  8. El mankus "voavadika", "voatsingoloka" (2 2 2 1) (Alinkisy)
  9. An nasr el kharidj "fandresena mivoaka" (1 1 2 2) (-)
  10. Et thaqàfa "faranitan-tsaina", "fahalalana" (1 2 2 1) (-)
  11. El idjtimaà "fihaonana", "firaisana", "fikambanana" (2 1 1 2) (Alotsimay)
  12. An nasr ed dâkhil "fandresena miditra" (2 2 1 1) (-)
  13. El otbet el kharidja "tokonana ivelany (fivoahana)" (1 1 1 2) (Karija)
  14. Naqiyou el khadd "madio takolaka" (tsy misy volom-bava) (1 2 1 1) (-)
  15. El qabd ed dakhil "tadim-baravarana mivoaka" (2 1 2 1) (-)
  16. El djamaâ "vahoaka", "fivoriambe" (2 2 2 2) (Jama)

Ny mpisikidy

Sokajin' ny mpisikidy

Ny mpisikidy dia matetika tsy mionona amin' ny maha mpisikidy azy fotsiny fa misahana zavatra maro toy ny fanandroana sy ny fanaovana ody, ka matetika dia ny ombiasa na ombiasy ihany no mpisikidy.

Ny mpisikidy dia mety ho mbola mianatra, na vao mizatra asa, na efa mahay ka manana traikefa betsaka. Atao hoe tsimaito ny mpisikidy mahay any amin' ny faritry ny Antandroy. Ny ombiasa mpisikidy dia tokony hanana ody sy sampy (na mohara), sady tokony mahalala ny fampiasana ny zava-maniry (atao hoe volohazo).

Lehilahy mpisikidy

Matetika dia lehilahy mihoatra ny efapolo taona no misahana ny asan' ny mpisikidy.

Vehivavy mpisikidy

Amin' ny faritra maro dia tsy afaka ny ho mpisikidy ny vehivavy raha tsy efa maty ray na tsy efa tsy eo intsony fa efa maty ny anadahy iray tampo aminy rehetra.

Mpisikidy tsy ombiasa

Azon' ny tsirairay atao ny misikidy nefa inoan' ny Malagasy maro fa tsy ho marina ny zavatra hitany amin' ny alalan' ny sikidy nataony noho izy tsy nohasinina manokana amin' izany. Hikirakira voan-javatra tsy misy dikany izy raha tsy nandalo fianarana sy sedra maro, tsy ho marina ny faminaniany ny hoavy sy ny famantarany ny zava-miafina, tsy ho sitrana ny aretina, tsy ho voavaha ny olana. Ny antony dia satria tsy hifoha ny sikidy, tsy hovoatoka na tsy ho taitra amin' ny fitokavana atao ny razana sy ny fanahy hitarika ny tanan' ny mpisikidy.

Fifandraisan' ny mpisikidy

Fifandraisan' ny samy mpisikidy

Mifandray ny samy mpisikidy raha tsy misy ny tsy fifankazahoana noho ny antony maro. Mifanakalo traikefa ny mpisikidy, mampianatra izay olona tokony handova ilay fahalalana. Misy koa ny fifampivarotana fahalalana toy ny fomba filaharan-tsikidy manana ny maha izy azy manokana nefa tsy ary ho lanin' ny mpisikidy hafa tsianjery. Raha misy ny fifampivarotana dia amin' ny alalan' ny biby fiompy na vola izany. Atao sary amin' ny taratasy ny sora-tsikidy mba hahamora ny fitadidiana na ny fandikana azy homena ny mpisikidy liana satria tsy mbola manana an' izany.

Ny fampiasana ny sikidy

Fanamasinana ny sikidy sy ny zavatra momba azy

Mba hahamasina ny sikidy sy ny ody amam-panafody homen' ny ombiasa ny mpanontany azy dia andrarahany vovoka fotsy ny sikidy efa mivelatra ka akany izany vovoka izany ka atao ny anaty kaopy na kapoaka sy afangarony amin' ny zavatra hafa toy ny ravin-kazo nototoina, ny vovo-kazo sahaza izany, ny tantely, ny ronono, ny zavatra avy ao amin' ny sampy na mohara, ny ram-biby nanaovana sorona, sns. Izany fangaron-javatra natao tamin' ny sikidy izany no entina eo amin' ny toerana voatondron' ny sikidy hanaovan-javatra mba hanalana ny faditra na handroahana ny vintan-dratsy, ho fofonin' ny marary, hafafy amin' ny mpanontany mila tsodrano, na hatelina koa aza.

Antony ampiasana ny sikidy

Amin' ny fahalalana ny anton' ny aretina

Heverin'ny Malagasy ho roa ny antony mahatonga ny olona harary: mety ho avy amin' ny herin' ny fanahy tsy hita maso izany na avy amin' ny asan'ny olombelona. Raha avy amin' ny fanahy ny aretina dia midika sazy na fampitandremana izany, ka raha tsy andraisana fepetra ny marary dia mety hihamafy ny aretiny. Mety nahatezitra ny fanahy ny tsy fanajana ny fady na ny tsy fanajana ny voady natao. Mety avy amin' ny sitrapon'ny olona no mahatonga ny aretina, ka izany no atao hoe tolaka. Mety avy amin' ny sakafo nasiana ody izany na amin' ny ody mahataka-davitra. Ilay olona namorika ny namany io no atao hoe Fahatelo amin' ny voambolan' ny mpisikidy.

Alohan' ny handeha

Tsaratsara kokoa ho an' ny Malagasy mpandala ny finoan-drazana ny manontany mpisikidy alohan' ny handehanany an-tany lavitra mba hahafantarany ny andro tsara tokony hiaingany sy mba hahalalany na mety na tsy mety amin' ny vintany ilay toerana tiany haleha. Misy koa ireo olona tsy mivoaka ny tranony mihitsy raha tsy efa nijery sikidy.

Alohan' ny hitady harena

Alohan' ny hitady harena dia tian' ny Malagasy mino ny sikidy ny tsy manatanteraka zavatra mety hahavery harena azy na hampiditra loza hafa. Ohatra, alohan' ny hitady volamena na volafotsy dia tsy maitsy tondroin' ny mpisikidy ny andro tsara tokony hanombohany izany.

Alohan' ny hanatanteraka fanambadiana

Amin' ny Malagasy mandala ny finoan-drazana dia tsara raha fantarin' ny lehilahy te hampakatra vehivavy iray ny vintan' ity vehivavy ity, sao mifandratra vintana izy roa.

Alohan' ny hanorina zavatra

Amin' ny toerana maro eto Madagasikara izay mbola mandala ny finoan-drazana, na amin' izao andron' ny fandrosoana izao aza, dia tsy maitsy anontaniana ny mpisikidy ny andro tsara hanombohana ny fanorenana trano na sekoly na hanamboarana tohodrano na fantsakana, sns, raha tsy izany dia tsy sahy hampiasa ny zava-bita ny mponina nitondrana ny asa fampandrosoana satria heveriny fa mety andro ratsy sy toerana ratsy no nanaovana izany asa izany.

Fitenenana momba ny sikidy sy ny mpisikidy

  • Sikidy soa tsy andihizana, sikidy ratsy tsy itomaniana.
  • Sikidin-dRahivina: laha tsy lahy, vavy.
  • Sikidin-dRandranobe: tsy ody faty, fa ala nenina.
  • Sikidin-dRatsiambara: ny vava mandambolambo no androatokom-pahaizana.
  • Aza mila voa tsy ary, toy ny mpisikidy mampandihy ny marary.
  • Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.

Voambolana

  • Adibijady na Alibijady: anaran' ny laharan-tsikidy fahavalo amin' ny sikidy alanana: 1 2 2 1
  • Adikasajy na Alikasajy: anaran' ny laharan-tsikidy faharoa ambin' ny folo amin' ny sikidy alanana
  • Adinkisa na Adikisy na Alinkisa: anarana laharan-tsikidy iray amin' ny sikidy alanana
  • Aditsimay na Alitsimay: anaran' ny laharan-tsikidy fahenina amin' ny sikidy alanana
  • Ajale: anarana iantsoana ny tsiny fototry ny loza
  • Alaizany: anaran' ny laharan-tsikidy fahadimy amin' ny sikidy alanana
  • Alanana na sikidy alanana: karazan-tsikidy misy andalana efatra, mitondra laharana efatra tsirairay avy indray
  • Asoralahy: anaran' ny laharan-tsikidy fahatelo amin' ny sikidy alanana
  • Asoravavy: anaran' ny laharan-tsikidy fahefatra amin' ny sikidy alanana
  • Dovy: anarana iantsoana ny fahavalo na ny rafy
  • Fahatelo na Fahatelobe: ilazana ny fahavalo sy ny rafy, iantsoana ny laharana fahatelo amin' ny sikidy
  • Fahavalo: iantsoana ny mpisompatra, ny rafy, ny miady sy mifanohitra amin' ny tena ka mitady hamono
  • Fohafoha: teny ampiasan' ny mpisikidy hamohazany ny fanahy, indrindra ny fanahinan' ny razana
  • Jama: fandaharana ankasa ny voan-tsikidy, ka mifanohitra amin' ny "taraiky" izay tsy ankasa
  • Joria: karazan-tsikidy ametrahana amin' ny laharana roa mifanao ambony sy ambany ny voan-tsikidy ao anaty kitranotrano valo valo avy
  • Molahidy: anaran-daharan-tsikidy
  • Odovy: anaran' ny laharan-tsikidy milaza loza na tsy fanambinana
  • Ontany: anaran' ny laharan-tsikidy izay midika hoe "tany" na "tanàna"
  • Safaray: anaran' ny laharan-tsikidy fahadimy ambin' ny folo, izay midika hoe "lalana"
  • Saily: anaran' ny laharan-tsikidy fahefatra ambin' ny folo, milaza ny reny na ny besinimaro
  • Sorotà: anaran' ny laharan-tsikidy fahatelo ambin' ny folo, izay midika hoe "mpitsara"
  • Tale: anaran' ny voan-tsikidy voalohany amin' ny laharan-tsikidy voalohany
  • Vontsira: anarana laharan-tsikidy

Fijerin' ny fivavahana kristiana ny sikidy

Amin' ny ankapobeny dia manohitra ny fanandroana sy ny sikidy ny fivavahana kristiana eto Madagasikara na dia misy amin' ny Kristiana isam-batan' olona ny mbola mankany amin' ny mpanandro mba hamantara ny tokony hataony.

Ny hevitry ny Katôlika

Mazava ny voasoratra ao amin' ny Katesizin' ny Fiangonana Katôlika (KFK) ny amin' ny fandavany ny fanandroana sy ny sikidy arty ny mazia araka izao:

"Tsy azo ekena avokoa ny sikidy amam-panandroana sy izay fomba rehetra miendrika izany: fangataham-bonjy amin' i Satàna na amin' ireo demony, fiantsoana ny maty na ireo fomba amam-pihetsika hafa misandoka ho "mahalala" ny hoavy. Ny fizahana vintana (horoscope), ny fanandroana atao amin' ny fandinihana ny antokon-kintana (astrologie), ny fanandroana amin' ny fijerena bika aman-tsipitsipika eo amin' ny felatanana (chiromancie), ny fanazavana ny fambara miseho, ny fanazavana ny vintana, anjara, lahatra, mosavy, ny faminaniana amin' ny fisehon-javatra mahazendana, ny fitadiavam-bonjy amin' ny mpamoha angatra; ireo rehetra ireo dia mirakitra hery mangeja eo amin' ny fotoana, eo amin' ny tantara ary farany eo amin' ny olombelona, sady koa mirakitra faniriana hihavana amin' ireo hery miafina. Ireo rehetra ireo dia zava-manohitra ny fitokiana amin' Andriamanitra sy ny voninahiny ary ny fanajana Azy, izay tokony hotanterahintsika Aminy irery ao anatin' ny fahatahorana Azy amim-pitiavana.".

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy:

Rohy ivelany

Tahirin-kevitra azo anovozana

  • Chemillier M., « Divination et rationalité à Madagascar », K. Chemla (éd.), Actes du colloque de synthèse Histoire des savoirs, décembre 2007, p. 241-258.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan’ny sikidy" in Bulletin de l’Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Dandoau (Berthe), "Ody et fanafody (Charmes et remèdes)" in Bulletin de l’Académie Malgache, N° XI, Antananarivo, 1912.
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Faublée (Jacques), "Techniques divinatoires et magiques chez les Bara de Madagascar" in Journal de la Société des Africanistes, Paris, 1951, (T. XXXI), 1951 (pp 127-138).
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Rabedimy (Jean François), "Contribution de l’ombiasy à la formation du royaume Menabe" in Les souverains de Madagascar. L’histoire royale et ses résurgences contemporaines (sous la direction de Françoise Raison-Jourde), Paris, Karthala, 1983 (pp.177-192).
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • "Sikidy" in Rakibolana malagasy sy rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  • Hébert, J.C., 1961, "Analyse structurale des géomancies comoriennes, malgaches et africaines", Journal de la Société des Africanistes
  • Ferrand, Gabriel., 1891-1902, Les musulmans à Madagascar et aux Iles Comores, 3 vols (1891, 1893, 1902), Paris: Ernest Leroux.
  • Steinschneider, M., 1877, "Die Skidy oder check geomantischen Figuren", Zeitschrift der deutschen Morgenländischen Gesellschaft.
  • Fivondronamben' ny Eveka eto Madagasikara (mpandika teny), Katesizin' ny Fiangonana Katôlika, Antananarivo, Madagasikara, 2009.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Sikidy Malagasy Fiforonan-tenySikidy Malagasy FamaritanaSikidy Malagasy Fandaharana ny voan-tsikidySikidy Malagasy Ireo tsanganam-boan-tsikidySikidy Malagasy Ny sora-tsikidySikidy Malagasy Ny mpisikidySikidy Malagasy Ny fampiasana ny sikidySikidy Malagasy Fitenenana momba ny sikidy sy ny mpisikidySikidy Malagasy VoambolanaSikidy Malagasy Fijerin ny fivavahana kristiana ny sikidySikidy Malagasy Jereo koaSikidy Malagasy Rohy ivelanySikidy Malagasy Tahirin-kevitra azo anovozanaSikidy Malagasy Loharano sy fanamarihanaSikidy MalagasyAfrikaArabo (olona)Finoan-drazana malagasyFinoana silamoMadagasikaraNtaolo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

BolgariaBokyZanabintanaFifohazana (kristianisma malagasy)Fanekem-pinoana nikeanaBirikyFiangonana ôrtôdôksa tatsinanana1737MediaWikiFiteny japôneyMeyAurangzebDanemarkaÔksizeninaTesalônikaTantaran' i MadagasikaraAndriamasinavalonaKyivHiragasyFiteny iranianaTononkira Fanaperana24 FebroaryFiteny grikaHajjiabad, HormozganFrantsaFitsipi-pitenenanaGoogleFahaleovantenaMpandrindra milinaAdijadyMianmaraFiangonana Jesosy MamonjyLavarsPoaceaeSoratraHindoisma eto MadagasikaraAntambahoakaPontianakTontolo iainanaRepoblika Demôkratika MalagasyFandraisana17 MartsaBretagne-d'ArmagnacToliaraIsam-poninaAhidamboAdy an-tranoAfrika AfovoanyAntemoroTsekôslôvakiaFilazantsaraIranianina (vahoaka)FehezantenyMusianMicrosoft WindowsEorôpa AtsimoSabelioBokin' i DanielaKolontsaina malagasyAlemainaFANJAKAN’ I MADAGASIKARAJean-Joseph RabeariveloFanenomanaRanavalona ITononkaloFahitalavitraSinaSeptambraFiteny finoàFilazantsara araka an' i MarkaFahefana Avon' ny Tetezamita🡆 More