Jiosy

Ny Jiosy na Jody dia ireo Zanak' i Israely niaina taorian' ny fahababoana tany Babilôna, na ny olona manaraka ny fivavahana jodaisma.

Israely no tany fiavian' ny Jiosy sy ny jodaisma. Araka ny Baiboly dia nomen' i Iahveh Andriamanitra azy ireo io tany io. Taty aoriana anefa dia niparitaka eran-tany ny Jiosy nefa tafaverina tao Israely indray ny sasany aminy ka nanorina ny Fanjakan' i Israely ankehitriny. Miisa any amin' ny 14 000 000 ny Jiosy amin' izao.

Jiosy

Ny anarana hoe jiosy na jody

Fiforonan-teny

Roa ny teny malagasy voakasika eto dia ny hoe Jiosy sy ny hoe Jody. Ny teny hoe Jiosy, izay ampiasain' ny Prôtestanta malagasy, dia tsy fanagasiana avy hatrany avy amin' ny teny hebreo na grika fa avy amin' ny teny anglisy hoe Jews na Jewish izay vakina hoe /dʒuːz/ sy /dʒu:iʃ/. Ity indray dia avy amin' ny teny frantsay tranainy hoe Giu izay mbola avy amin' ny teny frantsay talohan' io hoe Juieu. Io indray dia avy amin' ny teny latina hoe Iudaeus.

Ny teny malagasy hoe Jody, izay ampiasain' ny Katôlika malagasy, dia avy amin' ny teny latina hoe Iudaeus. Ny teny latina hoe Iudaeus dia avy amin' ny teny grika hoe Ἰουδαῖος / Ioudaios (Ἰουδαῖοι / Ioudaioi raha milaza maro) izay fandikana ny teny hebreo hoe יהודי /Yehudhi (na יְהוּדִים / Yehudhim raha milaza maro).

Ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy dia mampiasa ny hoe Jiosy fa Jody kosa ny ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy. I Jodea (na Jodia) dia atao hoe Iudaea amin' ny teny latina, Ἰουδαία / Ioudaía amin' ny teny grika, ary יְהוּדָה‎ / Yehuda amin' ny teny hebreo.

Hebreo sa Israelita?

Tsy tokony hafangaro ny hoe Hebreo (na Hebrio) sy Israelita. Ny Hebreo na Hebrio dia vondrom-poko semitika izay nifindra avy any Mesôpôtamia na Mezôpôtamia nankany Palestina tamin’ ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben' ny Jiosy na Jody ankehitriny.

Ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly dia manondro ny taranak' ireo zanaka lahin' i Jakoba, izay lohan' ny foko roa ambin' ny folon' i Israely, ny teny hoe Israelita. Ny Jiosy izany dia tokony ho ampahan' ny Israelita ary ny Israelita (raha tsy manondro manokana ny vahoaka tao amin' ny fanjakan' i Israely na fanjakan' i Samaria) dia tokony ho ampahan' ny Hebreo.

Ny fivavahana jiosy: ny jodaisma

Jiosy 
Menôrà (jiro fito rantsana)

Ny jodaisma no fivavahan' ny Jiosy, izay fivavahana mônôteista, izany hoe mino andriamanitra tokana, ary YHWH no anarany. Io anarana io anefa, araky ny finoan' izy ireo, dia masina loatra ka tsy azo tononina, ka izany no mahatonga ireo Jiosy miteny hoe Adonay ("Tompo") na HaShem ("ilay Anarana") rehefa miresaka na mivavaka. Mino ny Jiosy fa iray ihany Andriamanitra, ka noho izany tsy manaiky ny Trinite kristiana izy. Ny teny masin' ny Jiosy dia ny teny hebreo.

Ny Sabata sy ny andro tokony ho tandremana

Ny Sabata

Ny Sabata, izay atao hoe שָׁבַת / Shabbat amin' ny teny hebreo, dia andro fitsaharana izay mifanandrify amin' ny andro fahafito amin' ny herinandro jiosy, izany hoe ny Asabotsy. Araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly dia nasain' Andriamanitra notandreman' ny Zanak' i Israely ny andro Sabata. Zava-dehibe indrindra ao amin' ny jodaisma ny andro Sabata ka hajain' ny Jiosy fatratra. Ny olona tsirairay dia tokony hampitsahatra na hampihena araka izay azo atao ny asa rehetra amin' ny andro Sabata mba hifantohany amin' ny fikarakarany ny fianakaviany sy ny ankohonany. Andro tsy fiasana ara-panjakana ny andro Sabata ao amin' ny Fanjakan' i Israely ka mahazo ny trano fivarotana sy ny fitaterana izany.

Ireo fankalazana lehibe

Jiosy 
Vehivavy jiosy etiopiana eo amin'ny Rindrin'ny Fitomaniana

Ny Pesakh (hebreo: פֶּסַח) no Paska jiosy; ahatsiarovana ny nandalovan' ny fahafatesana eny ambonin' ny tranon' ireo Hebreo tany Ejipta ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny fivoahan' ny razany avy tamin' ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazaina manomboka amin' ny faha-15 hatramin' ny faha-22n' ny volana Nisan ao amin' ny tetiandro hebreo io fety io.

Ny Shavuot (hebreo: שבועות "herinandro"), izay ataon' ny Kristiana hoe Pentekôsta na Pentekôty dia ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan' Andriamanitra ny Torah (ireo boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly) tany an-tendrombohitra Sinay (na Sinaia); izany dia ankalazaina amin' ny faha-6n' ny volana Sivan.

Ny Sukkot (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת / Hag ha-Sukkot "fetin' ny trano lay" na "fetin' ny tabernakely") dia ahatsiarovana ny nanampian' Andriamanitra ny Zanak' i Isiraely tamin' ny nivoahany avy any Ejipta, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian' ny fivoahan' ny Hebreo avy tany Ejipta, ary iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona. Ankalazaina manomboka amin' ny faha-15 hatramin' ny faha-21 (na faha-22) ao amin' ny volana Tishri io fety io.

Ny Soratra Masin' ny jodaisma

Ny Lalàna

Ny Torah (hebreo: תּוֹרָה "Lalàna") dia fitambaran’ ireo boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly hebreo (Tanakh). Ny fitambaran’ ireo no mamorona ilay ataon' ny Kristiana hoe Pentateoka na Boky dimin’ i Mosesy ao amin’ ireo asa soratra kristiana (dia ny Genesisy na Jenezy, ny Eksodosy na Eksaody, ny Levitikosy na Levitika, ny Nomery na Fanisana ary ny Deoterônômia na Deoterônômy). Mino ny Jiosy fa nomen' Andriamanitra an' i Mosesy (hebreo: Mosheh) ny Torah. Misy didy 613 ao anatin' ny Torah. Anisan' ireny didy ireny ny fifadiana ireo biby tsy mivaky kitro sy ny trondro tsy misy kirany.

Ny Mpaminany

Ny Nevi'im na Nebi'im (hebreo: נְבִיאִים‬ "Mpaminany") dia ilazàna ireo boky mamorona ny fizaràna faharoa ao amin’ ny Baiboly hebreo. Mizara roa ny Nevi'im, dia ny Nevi'im rishonim ("mpaminany taloha") sy ny Nevi'im aharonim ("mpaminany taoriana"). Ny Mpaminany taloha dia ireo boky ataon' ny Kristiana hoe "boky ara-tantara" fa ny Mpaminany taoriana kosa mifanandrifindrify amin' ireo ataon' ny Kristiana hoe "Bokin' ny mpaminany".

Ny Soratra

Ny Ketuvim na Ketubim (hebreo: כְּתוּבִים "Soratra") dia fitambaran’ ireo boky iraika ambin’ ny folo mamorona ny fizaràna fahatelo sady farany ao amin’ ny Baiboly hebreo. Isan' izany ny Bokin' ny Salamo sy ny Bokin' ny Ohabolana sy ny boky toy ny an' i Daniela (na Daniely) sy ny an' i Estera.

Ny vahoaka jiosy ankehitriny

Iza no Jiosy?

Jiosy 
Jiosy any Sina tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20.

"? מיהו יהודי" / Mihu yehudi ? ("Iza no Jiosy?"). Ankehitriny ny hoe Jiosy na Jody dia teny enti-manondro indrindra ireo mponina tao Jodea (na Jodia) tamin' ny andron' i Jesoa na ireo olona mpivavaka amin' ny jodaisma. Zavatra roa samy hafa ireo, nefa mifampiankina, satria misy ny Jiosy noho ny firenena niaviany, mety ho Kristiana na tsy mivavaka ireo; nefa misy koa ny Jiosy noho ny fivavahany. Ny dikany voalohany anefa no hita ao amin' ny Baiboly. Ny Lalàna israeliana ankehitriny dia mamaritra ny atao hoe Jiosy ho olona nateraka reny jiosy na olona niova finoana ho amin' ny jodaisma.

Tsy afangaro izany ny hoe Jiosy (na Jody) sy ny hoe Israelita ary ny hoe Israeliana.

Ny foko jiosy lehibe ankehitriny

Ny Jiosy sefarada

Jiosy 
Jiosy tao Aljeria tamin' ny taona 1890

Ny Jiosy sefarada dia ireo Jiosy tamin' ny Andro Antenatenany nonina tao amin' ny Saikanosy Iberika (Espaina indrindraindrindra) sy tao Afrika Avaratra ary ny taranak' izy ireo. Nitsoaka avy ao amin' ny Saikanosy Iberika izy ireo tamin' ny taona 1492 noho ny fanenjehan' ny Kristiana, nankany Afrika Avaratra sy tany amin' ireo fari-tany any atsinanana amin' ny Empira Ôtômàna, avy eo nisy koa ny nifindra fonenana tany tany Frantsa, tany Hôlanda, tany Angletera, tany Italia, tany amin' ny Balkàna, sns. Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia fiteny vokatry ny fifangaroan' ny fiteny hebreo sy ny fiteny kastilàna, atao hoe fiteny ladino.

Anondroana ireo Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy any Atsinanana Akaiky miteny arabo sy persàna sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin' ireo Jiosy ao amin' ny faritra eorôpeana koa ny teny hoe Sefarada. Ireo Jiosy avy any India dia kilasina ho Sefarada koa.

Ny Jiosy askenazy

Ny Jiosy askenazy dia ireo Jiosy tamin' ny Andro Antenantenany nonina tao Eorôpa Avaratra, sy ny taranak' izy ireo na dia tsy mipetraka amin' io faritra io aza. Rehefa noroahina sy nenjehina ny Jiosy askenazy dia nifindra fonenana mankany atsinanana, any Pôlônia sy any Litoania ary any Rosia tamin' ny taonjato faha-15 sy faha-16. Maro amin' ny Jiosy askenazy ny nifindra monina any Amerika Avaratra sy any Israely tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20. Miteny amin' ny fiteny vokatry ny fifangaroan' ny fiteny hebreo sy ny fiteny alemàna atao hoe fiteny idisy ny Askenazy.

Ny foko jiosy hafa

Jiosy 
Samaritana mankalaza ny Paska eo amin'ny tendrombohitra Gerizima

Ny Jiosy samaritana

Ny Samaritana dia isan' ireo vahoaka milaza fa taranaky ny foko verin' i Israely. Misy ny Jiosy mitsipaka izany nefa ao koa ireo Jiosy mihevitra ny maha azo ekena an' izany. Be mpanaraka ny petra-kevitra manohana fa ny 80 %n' ny mponina tao amin' ny Fanjakan' i Samaria dia nanohy ny fonenany tao ihany fa tsy natao sesitany (jereo: Fahababoana asiriana), ka ireo no nanjary Samaritana (amin' ny dikan' io teny io ara-pivavahana) araka ny ambaran' ny Bokin' ny Mpanjaka.

Jiosy 
Fanambadiana Bene Israely

Ny Bene Israely

Ny Bene Israely dia Jiosy nifindra monina any India efa hatry ny ela. Araka ny lovantsofin' ny Bene Israely, ny razamben' izy ireo dia nifindra tany India ka nifangaro tsikelikely tamin' ny vahoaka manodidina, nefa nihazona ny fomba mampiavaka ny Jiosy. Tamin' ny taona 1964 dia nanambara ny fikambanan' ny raby ao Israely fa Jiosy tanteraka ny Bene Israely . Ireo Jiosy avy any India ireo dia kilasina ho Sefarada; nikambana tsara tamin' ny vahoaka sefarada ao Israely izy ireo.

Jiosy 
Jiosy etiopiana

Ny Beta Israely

Ny Beta Israely, izay atao hoe Jiosy etiôpiana koa, dia ireo vahoaka jiosy ao Etiôpia. Neken' ny Fanjakana israeliana ho Jiosy izy ireo sady afaka nifindra monina any Israely noho ny faneken' i Ovadia Yossef, raby lehibe sefarada ao Israely, azy ireo tamin' ny taona 1973 ho taranaky ny fokon' i Dana.

Ny Bney Menase

Ny Bney Menase dia vondron' olona aziatika monina any amin' ny sisin-tany birmana any avaratra atsinanan' i India, sady nanambara, efa hatramin' ny taona 1950, fa taranaky ny fokon' i Manase izay nitady fialokalofana tany amin' ny faritra faran' izay lavitra any Azia. Tamin' ny Marsa 2005, rehefa avy nanadihady ny amin' ny mety mbola hahitana ny taranaky ny foko folo very ny raby lehibe sefarada Rabbi Shlomo Amar ao Israely, dia nanaiky ny Bney Menase ho taranaka jiosy[38]. Ny 1 000 amin' izy ireo dia monina ao Israely amin' izao fotoana izao, sady efa niova finoana ho amin' ny jodaisma.

Ireo vahoaka hafa mitaky ny maha Jiosy azy

Maro ny vahoaka eto an-tany izay milaza fa Jiosy na Hebreo (ohatra ny foko sasany ao Etiôpia sy any Sina ary ny mainty hoditra sasany any Etazonia) na dia tsy fantatry ny olona maro sady mety tsy hinoany na mety ho diso tokoa aza izany, ka isan' izany ny Malagasy sasany (na rehetra), dia ireo olona na foko na fikambanana miaiky ny tenany na heverin' ny sasany fa taranaka jiosy na jody eto Madagasikara.

Vahoaka any Azia

Jiosy 
Pastona avy any amin'ny fritra atsimon'i Afganistàna

Ny Pastona ao Afghanistàna sy Pakistàna

Ny Pastona (Pashtun) dia vahoaka iraniana betsaka miozolmana avy any Afganistàna sy Pakistàna, izay manaraka kolontsaina sy fomba fivavahana azy manokana sady efa nisy talohan' ny fidiran' ny finoana silamo, dia ny pastoaly (pashtuwali). Ny fiheverana ny Pastona ho taranaky ny foko folon' i Israely very dia tsy mbola voaporofo ara-tantara azo tsapain-tanana . Ny anarana hoe Ysef Zai amin' ny fiteny pastô dia midika hoe "zanak' i Josefa" .

Nisy fikarohana sasany momba ny foto-tarazo mitsipaka ny mety hisian' ny fifandraisan' io vahoaka io amin' ny Jiosy nefa ny fikarohana ara-poto-tarazo hafa dia miaiky ny mety hisian' izany fifandraisana izany.

Ny Jiosy korda

Araka ny lovantsofina dia tonga voalohany tao amin' ny faritr' i Kordistàna ny Israelita tamin' ny fokon' i Benjamina taorian' ny fahazoan' ny Asiriana ny Fanjakan' i Israely tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Avy eo izy ireo nipetraka tao amin' ny renivohitry ny Asiriana. Tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. dia niova finoana ho amin' ny jodaisma ny fianakavia-mpajakan' i Adiabene, izay lazain' i Flavio Josefa fa asiriana ara-poko sady nanao renivohitra an' i Erbil (arameana: Arbana; korda: Hewlêr).

Ny Jiosy kasmiriana

I Al-Biruni, ilay manampahaizana miozolmana persana tamin' ny taonjato faha-11 no voalohany nanolo-kevitra ny amin' ny fisian' ny taranak' ireo foko verin' i Israely ao Kasimira. I François Bernier, mpitsabo frantsay tamin' ny taonjato faha-17, sy i Sir Francis Younghusband, izay nizaha ity faritra ity tamin' ny taonjato faha-19, dia niresaka ny amin' ny ny toe-batana mifanahaka eo amin' ny Kasimiriana sy ny Jiosy, indrindra ny fihodirany mazava, ny orony somary lava, ny lohany somary mitovitovy. I Baikunth Nath Sharga dia nilaza fa na dia misy aza ny fifanahafana eo amin' ny fiforonan' ny anaram-pianakaviana kasimirita sy jiosy dia taranaka indô-ariana ny Pandita ao Kasimira, fa ny Jiosy kosa dia taranaka semita.

Vahoaka ao Afrika

Ny foko sefoy ao Ganà

Ny foko sefoy (sefwi) ao Ganà dia nanaraka fanao jiosy mandrakariva, indrindra ny fitandremana ny Sabata, ny famorana ny zazalahy amin' ny fahavalo andro nahaterahany (brit milah), ny fomba fampidirana ny zazalahy ho isan' ny lehilahy amin' ny faha-13 taonany, ny fitandremana ny lalàn' ny fahadiovan' ny fianakaviana (taharat mishpcha na niddah). Mihevitra ny manampahaizana sasany fa ny fomban-drazana jiosy dia mety nampidirin' ny Jiosy voaroaka avy any Espaina tao Ganà tamin' ny taona 1492 ka nifindra monina nankany atsimon' i Marôka. Lasa fantatra amin' ny anarana hoe "Tranon' i Israely" Io foko io.

Jiosy 
I Rabbi Howshua Amariel maneho an'i Rabbi Hi Ben Daniel, filohan'ny vahioaka jiosy igbo miaraka amin'ny takelaka iray

Ny Jiosy igbô

Ny Jiosy igbô ao Nizeria dia milaza ny tenany fa avy amin' ny Israelita. Tsy voamarin' ny fandinihana tsara ny tantara anefa izany. Ny mpahay tantara dia nandinika ny literatiora ara-tantaran' i Afrika Andrefana tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahantany sady nanao izay hampazava tsara ny anjara asa sahanin' io petrakevitra io ho an' ireo olona nanoratra izany .

Ny Lemba

Ny Lemba dia foko mainty hoditra ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika, ao Afrika Atsimo, ao Zimbaboe, ao Malaoy, ary ao Môzambika. Izy ireo dia mitandrina fanao ara-pivavahana tahaka izay fahita amin' ny fivavahana jiosy, sy fomban' ny vahoaka mpifindrafindra monina izay heverina fa mety avy any Afrika Avaratra na avy any Atsinanana Akaiky. Ny fandinihana ny foto-tarazo dia mampiseho fitoviana amin' ny an' ny ampahan' ny vahoaka jiosy taranaky ny mpisorona (atao hoe Kôhena).

Jereo koa

Vahoaka

Fiteny sy soratra

Faritra sy tany

Azo anovozan-kevitra

Momba ny Jiosy any Amerika sy aty Afrika

Momba ny Jiosy malagasy manokana

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Jiosy Ny anarana hoe jiosy na jodyJiosy Ny fivavahana jiosy: ny jodaismaJiosy Ny vahoaka jiosy ankehitrinyJiosy Ireo vahoaka hafa mitaky ny maha azyJiosy Jereo koaJiosy Azo anovozan-kevitraJiosy Loharano sy fanamarihanaJiosyAndriamanitraBaibolyFahababoana tany BabilônaIsiraelyJodaismaYahwehZanak'i Israely

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

David CameronFiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto MadagasikaraMpizara tosikaVohitr' andrianaVarotraAnglikanismaSikidyZanak' i IsraelyAdy Lehibe FaharoaSektaThe SimpsonsBritaina LehibeTorontoAndriamasinavalonaTsirintenyAnaranaIsaaka zanak' i AbrahamaAlahamadyKobe BryantRenyKabary am-panambadianaPôlinezia FrantsayHypertext Markup LanguageHasina (hery tsy hita maso)Ravalomanana MarcJared CohonBokin' ny Mpaminany 12AsorotanyAdriamandazoalaRaminiaWikibolanaZanak' AndriamanitraZôdiakaStephen CurryTsofokaLeBron JamesAndevilleTestamenta TalohaMellacEspainaBrennilisZanaka' Andriamanitra (maro)Bokin' i HenôkaHermann LeyVolana (fotoana)Baolina kitraFahaterahanaMpampiankina fehezankevitraEpistily katôlikaAterinetoAliaksei KuchukDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)MazdeismaFoko eto MadagasikaraÔseaniaPaskaCarl Friedrich GaussLambamenaFanjanahantanyAsaramanitra (volana malagasy)FamakyShaktoolik, AlaskaAnjara (finoana)SodànaFiteny jeôrjianaHITA (orinasa)Fanjakan' ImerinaFiteny rosianaAntemoro🡆 More