mombamomba

Wiki dia marika napetraky ny fikambanana amerikanina Wiki Foundation (WMF).

Wiki amin'ny ankapobeny, ary ny Wikipedia amn'ny teny malagsy

Izy io dia manan-tanjona ny hanangona ny fahaizan'ny olona manerana izao tontolo izao ary mizarazara azy araka ny lisansa hahafahana mizarazara azy am-pahalalahana: ny lisansa Creative Commons fanomezana ny lisitra manontolon'ireo mpamorona ilay votoatiny notsongaina ary fizarana azy amin'ny lisansa mitovy ho an'ny lahatsoratra vao nitranga vao haingana ary ny lisansa GFDL (GNU Free Documentation License) ho an'ireo lahatsoratra izay nitranga talohan'ny nampiharana ny lisansa CC-by-SA.

I Wikipedia dia tetikasa iray an'i Wiki Foundation izay manan-tanjona ny hanangona ny fahaizan'ny olombelon'izao tontolo izao amin'ny teny malagasy.

Eto amin'i Wikipedia, azon'ny tsirairay atao ny manova, mamorona ny fampahalalana am-pahalalahana. Azy zon'ny tsirairay mpitsidika ny manova ary manatsara ny votoatiny ato amin'i Wiki Malagasy.

Ny Wikipedia dia avy amin'ny fiteny hawaianina wiki izay midika maika ary pedia izay avy amin'ny teny anglisy Encyclopedia izay teny azo dikaina "raki-pahalalana". Ny fotokevitry ny sehatra mampiasa mpanangom-botoatiny (web software) wiki dia fahafahana manova ary mamorona votoatiny amin'ny alalan'ny mpitety tranonkala.

Ny isan'ny fiteny manana ny wikipedia-ny manokana dia 270 (tsy isaina ireo Wikipedia izay nakatona noho ny tsifisiana fikambanana maharitra). Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy amin'izao fotoana izay ahitana lahatsoratra 96 941. Ny isan'ireo mpikambana nisoratra anarana teto dia 32 739. Samihafa mazava ho azy ny fandrosoan'ny Wiki tsirairay : misy ireo Wiki amin'ny teny lehibe (teny eoropeanina izay teny ofisialin'ny Firenena Mikambana), ary misy ireo Wiki amin'ny fitenim-paritry ny firenena be fiteny. Ny isa manontolon'ny mpandray anjara mavitrika (mpikambana nisoratra anarana izay nanova indray farafahakeliny eo amina wiki iray) eo amin'i Wikipedia dia eo amin'ny 1,5 tapitrisa eo ho eo isam-bolana.

Ny tetikasa Wiki

Ny fikambanana WIkimedia dia fikambanana tsy manan-tanjona ny hanangombola izay iharan'ny 501(c)(3) ny kaodin-ketra (code fiscal) an'i Etazonia. Izy io no mampiantrano ireo tetikasa manam-botoatiny malalalaka toa i Wiki Malagasy. Ka noho izy mpampiantranon'ny tetikasa Wiki dia tsy manana zo fanontana na inona na inona izy eo amin'ny votoatin'i Wiki Malagasy.

Azonao atao ny manao fanomezana an'ny tetikasa Wiki amin'ny alalan'ny rohy Fanomezana eo amin'ny sidebar.

Mandray anjara amin'i Wikipedia

Na iza na iza dia afaka mandray anjara amin'i Wikipedia, amin'ny alalan'ny fanindriana ny ongler Hanova ao aminà lahatsoratra. Alohan'ny mandray anjara dia tsara vakiana ny fitsipika mifehy ny fanoratana lahatsoratra. Betsaka ny tombontsoa azo avy amin'ny famoronana kaonty. Tsara ihany koa ny mahalala fa rehefa mandray anjara eto amin'i Wikipedia dia ilaina mahalala fomba sy manana fijery tsy miandany, izany hoe manaja ny fomba fijery rehetra, ary manampy fampahalalana avy amin'ny zava-misy fa tsy hevitry ny tena.

Tsiahy

Tags:

mombamomba Wikipedia aminny ankapobeny, ary ny Wikipedia amnny teny malagsymombamomba Ny tetikasa Wikimediamombamomba Mandray anjara amini Wikipediamombamomba Tsiahymombamomba

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Rocourt-Saint-MartinSokajin-teny1850Voltora eorazianaTorkiaAurangzebAngatra (lolo)AndriamisaraIndiaFiteny latinaFikambanan'ny Firenena any Azia Atsimo-AtsinananaFanahyAdama sy EvaAveloKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaKainaKabarySihanakaPapelika (vorona)AmbiroaMinnesotaMa'anshanTantaran' i MadagasikaraTrondroHenri RatsimbazafyFilazantsara sinôptikaFifohazana (kristianisma malagasy)Repoblika Fahefatra (Madagasikara)WikiMatioGeorges AndriamanantenaLouisianaFaribolana SandratraRobin WilliamsFariseoLehilaly NeanderthalStatistikaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito(194602) 2001 XR129PaskaKristianisma eto MadagasikaraFitsaboana nentim-paharazanaBoky faharoan' i SamoelaHivokaZhuge LiangFiteny jeôrjianaVictoire RasoamanarivoAhmadismaMpisolo tena (fitsipiteny)VarahinaSorona masinaHasina (zavamaniry)Hermann HesseVoronaSamuel RatanySodànaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fanekem-pinoanaBetsimisarakaFiraisana ara-nofoWayback MachineFiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara(9915) PotaninZakaiosyFahotanaFasanaMichał ZielińskiMahafalyEtazoniaMpandrindra milinaFivavahana eto Madagasikara🡆 More