Wiki:Fandraisana
Pejy rehetra · Sokajy · Fikambanana · Fanoroana .
Tonga soa eto amin’i Wikipedia ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina | Lahatsoratra 95 558 amin’ny teny malagasy |
Ny abidy rônika dia ireo litera ao amin'ny andiana abidia mifandraika fantatra amin'ny anarana hoe abidia rônika teratany amin'ny vahoaka alemainina. Ny rônika dia nampiasaina hanoratana fiteny alemàna isan-karazany (miaraka amin'ny maningana) talohan'ny nandraisany ny abidy latina, ary ho an'ny tanjona manokana taorian'izay. Ho fanampin'ny fanehoana ny sandan'ny feo (fônema), ny rônika dia azo ampiasaina hanehoana ireo hevitra izay nomena azy ireo. Ny manam-pahaizana dia manondro ny tranga farany amin'ny Begriffsrunen. Ny karazany skandinavianina dia fantatra ihany koa amin'ny hoe futhark na fuþark (avy amin'ny litera enina voalohany amin'ny soratra: F, U, Þ, A, R, ary K); ny karazany anglosajôna dia futhorc na fuþorc (noho ny fiovan'ny feo amin'ny teny anglisy taloha amin'ny anaran'ireo litera enina ireo). Ny soratra rune azo antoka voalohany indrindra dia nanomboka tamin'ny taona 150 tany ho any, miaraka amin'ny soratra mety ho nisy teo aloha tamin'ny taona 50 taorian'i J.K. ary ny mety ho filazalazan'i Tacitus, senatera romanina momba ny fampiasana rune tamin'ny taona 98 tany ho any. Kristianisma, tamin'ny 700 AD tany Eoropa afovoany ary 1100 tany Eoropa avaratra. Na izany aza, ny fampiasana runes dia nitohy ho an'ny tanjona manokana mihoatra io vanim-potoana io. (tohiny...)Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana. Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa. Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19. Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy. Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...) | Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]
![]() ![]() Mbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Sabotsy 27 Mey ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wiki Foundation ireo volavola :
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra | Wikibolana Raki-bolana malalaka | Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | |||||
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka | Wikitanisa raki-pitanisana | Wikifamakiam-boky famakiam-boky | |||||
Wikiversite Komonitia Pedagôjika | Wikispecies Tetikasa iraisana | Wiki Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Wiki:Fandraisana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.