Fatrana

Ny fatrana dia vondron-javamaniry iva, miendrika bozaka sy kirihitra madinika, maniry amin' ny toerana tery na midadasika, izay mety makitroka na miparitadritaka, tsy ahitana hazo maniry, amin' ny toetany antonony hatramin' ny toetanin-jana-pehin-tany anjakan' ny haintany, mitangorona na mifanelanelana.

Ahitana fatrana ny sahalava misy bozaka fohy eny amin' ny havoana avo ny ao amin' ny tapany andrefana amin' i Amerika.

Fatrana
Fatrana any Okraina

Misy betsaka any an-tsisiny avaratry ny tany efitra manana toetany antonony ny fatrana, ka misolo miandalana ny sahalava, sy any amin' ny sisiny atsimon' ny tany efitra an-toetanin-jana-pehin-tany ka ao izy no lasa tetezamita mankamin' ny hivoka. Ahitana azy koa ny faritra mediteraneana misy toetany maina indrindra. Ny fahasamihafan' ny toetany sy ny fahasamihafan' ny nofon-tany sy ny fitongilan' ny velaran-tany dia miteraka fatrana isan-karazany.

Fatrana
Alfa
Fatrana
Karazan-tsongosongo

Ny tena fantatra dia:

  • ny fatrana misy zavamaniry alfa an-tany fasehana eny amin' ny tany lemaka avo ao Afrika Avaratra;
  • ny fatrana misy artemisia maniry amin' ny tany dilatra ao amin' ny faritanin-dranon' i Amerika Avaratra;
  • ny fatrana misy karazan-tsongosongo ao amin' ny solampin-karambato amin' ny tapany atsimon' i Marôka;
  • ny fatrana misy hazomadinika any Arizona;
  • ny fatrana misy karazan-draketa any California sy any Meksika.

Na samy manana ny endriny aza ny fatrana tsirairay dia mpiavaka azy ny fahatantezany haintany, noho izy fahita an-tanibe (toy ny fatrana ao Azia Afovoany, ny fatrana ao amin' ny lempona anelanelan' ny tendrombohitra ao amin' ny Rocky Mountains any Amerika Avaratra) sy noho izy ireo miaritra ny fiakaran' ny hafanana amin' ny fahavaratra. Ny fatrana maniry amin' ny toetany antonony dia mizaka ririnina mamirifiry.

Fatrana
Ny faritra misy fatrana mampitohy an' i Eorôpa sy i Azia: ny Fatrana Eoraziana (nolokoana manga tanora)
Fatrana
Artemisia botry

Jereo koa

Tags:

AmerikaBozakaHaintanyHavoanaHazoSahalavaToetanin-jana-pehin-tanyToetany antonony

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Zebra an-tendrombohitraBaiboly samaritanaMediaWikiRanomasin' i AzovOsyRazana (finoana malagasy)Fanabeazana aizanaFonohasinaOmbilahy (fanandroana)SahabaFo Masin'i JesoaFanahy Masina (kristianisma)BTafi-Piarovan' i IsraelyFrantsaBôtsoanaRanomasimbe PasifikaAlikaHernando de SotoForyFivavahanaNofyRy Tanindrazanay malala ôFahaleovantenaZezoitaEtazonia1200Fanjakana MitambatraFilazantsaraRepoblika Demôkratika AlemànaEmirata Arabo MitambatraTontolo iainanaFahefana mpitsaraSrilankaArabo (vahoaka)Fanahin' ny vatanaMatioBen' ny tanànaPôliteismaVoromaheryAntesakaVavolombelon' i JehovahVirginia Beach, VirginiaRosiaHenri RatsimbazafyMasikoroDistrikan' i Betioky-AtsimoMarovatoTetiandro gregôrianaJirafaMatoantenyIrànaMianmaraAdy Mangatsiaka1800Volana (fotoana)Andry dimin' ny finoana silamoFamoronana (finoana sy fedrà)Malezia1990Didy Folo2009IndiaFiangonana Loterana MalagasyFifohazana AnkaramalazaFikambanana Iraisam-Pirenen' ny FrankôfôniaMozilla Firefox🡆 More