Vary

Ny vary (Oryza amin' ny teny latinina) dia zava-maniry ambolena na eny an-tanimbary mando mandavan-taona, na volena maina an-tanety.

Ny vary no zavamaniry manana voamadinika mitana ny laharana faharoa eto an-tany amin' ny voly ho sakafon' olombelona, aorian' ny katsaka, raha ny lanja vokarina no resahina. Fototra amin' ny nahandro malagasy sy aziatika ary indianina izy. Mamboly vary ihany koa ny firenena sasantsasany ao Eorôpa toa an' i Italia, i Espaina, i Rosia, i Gresy, i Pôrtogaly, i Frantsa, i Okrainina ary i Bolgaria.

Vary
Vary

Ahitana karazany maro arakaraka ny habeny, lokony, tsirony ny vary. Maro koa ny fomba afaka ahandroana azy. Ho an' ny Malagasy dia ny vary maina sy ny vary sosoa no ampifandimbiasina, fa ny firenena hafa dia manao azy ho paty na lasopy na atao tsindrin-tsakafo koa aza (vary amin-dronono).

Karazany

Vary 
Salohim-bary
Vary 
  • Oryza alta Swnllen
  • Oryza australiensis Domin
  • Oryza barthii A. Chev.
  • Oryza brachyantha Chev.
  • Oryza eichingeri Peter
  • Oryza glaberrima Stend.
  • Oryza grandiglumis (Don.) Prod.
  • Oryza granulata Nees.
  • Oryza latifolia Beauv.
  • Oryza longiglumis P. Jansen
  • Oryza longistaminata Chev. & Roch.
  • Oryza meyeriana (Zoll. & Mon.) Baill
  • Oryza minuta Presl
  • Oryza nivara ?
  • Oryza officinalis Wall.
  • Oryza punctata Kotschy ex Stend.
  • Oryza ridleyi Hook. f.
  • Oryza rufipogon Griff.
  • Oryza sativa Linn.
  • Oryza sativa f. spontanica auct.
  • Oryza schlechteri Pilqer

Tantara

Tombanana ho eo amin' ny 6 500 hatramin' ny 8 500 taona eo ho eo izay no efa nanaovan' ny zanak' olombelona ny fambolem-bary. Ny tany Azia no efa namboly vary hatramin' ny 8 500 taona, raha hatramin' ny 3 500 taona kosa no namboly vary ny teto Afrika. Tamin' ny taona 800 tal JK no nahatongavany tao Eorôpa. Ny tapaky ny taonjato faha-15 no nihanaka tao Italia sy Frantsa ny fambolem-bary ary niitatra tamin' ny kaontinanta iray manontolo. Tany Etazonia indray dia tamin' ny taona 1694 no tonga tao Carolina Atsimo izy, ary inoana fa avy taty Madagasikara no niaviany tamin' izany. Ary tamin' ny taonjato faha-18 no nentin' ny Espaniôla tany Amerika Atsimo ny fambolem-bary.

Ny 16 desambra 2002, dia nofidian' ny fivoriambe ara-potoanan' ny Firenena Mikambana ho Taona Iraisam-pirenena ho an' ny Vary ny taona 2004. Ireto avy ireo firenena nanohana izany: Bangladesy, Broney Darosalama, Borkina Fasô, Kambôdia, Kioba, Kipra, Kôrea Avaratra, Ekoadôra, Fijy, Gabôna, Grenady, Guyana, India, Indônezia, Japana, Kazakstàna, Kôrea, Kôeity, Kirgizstàna, Laôsy, Madagasikara, Maly, Malezia, ny Nosy Marshall, Maoritania, Mianmara, Naoro, Nepaly, Nikaragoa, Nizera, Nizerià, Papoazia-Ginea-Vaovao, Pakistàna, Pero, ny Filipina, Santa-Vinsanta-sy-Grenadina, Singaporo, Srilanka, Sodàna, Tajikistana, Tailandy, Tôgô, Vietnamy, ary Zambia.

Voly vary

Vary 
Asa amin' ny fambolem-bary ao Bangladeshy

Miisa 2 000 eo ho eo ny karazam-bary volena eran-tany. Amin' ny ankapobeny dia isan-taona no miakatra ny voka-bary, amin' ny vanim-potoanan' ny fararano. Any amin' ny firenena vitsy (faritr' i Mékong ohatra) anefa dia mety miakatra hatramin' ny in-3 ny vary ao anatin' ny taona iray.

Eto Madagasikara dia mety ho indroa izany ho an' ny tantsaha izay mamboly vary an-tanety. Vao miresaka fambolena vary eto Madagasikara dia ny faritra Alaotra izay misy ny Sihanaka no mitazona ny laharana voalohany. Sompitra faharoa manaraka azy i Marovoay. Mifamatotra amin' ny kolontsaina sy ny fiainana andavanandron' ny Sihanaka ny fambolena vary. Araka ny lovantsofina dia nolovaina tamin' ny razambe fahiny ny fambolena vary ao Alaotra. Ny Sihanaka araka ny fantatra dia taranaky ny Indiana sy ny Vazimba. Ireo faritra ireo dia miavaka amin' ny fambolem-bary amin' ny velarana midadasika tokoa. Ho an' ny faritra Alaotra manokana dia manana an' ilay antsoina hoe valabe tsy taka-basy izy, izany hoe tany lemaka midadasika tokoa ka ny fara-vodilanitra no fetrany. Tsy mora araka izany ny fambolena vary fa misy fepetra sy dingana tsy maintsy arahina.

Mandalo dingana maro ny vary ao anatin' ny fambolena azy:

  • Ny voany, izay antsoina hoe akotry na paddy, no sady iaingan' ny fambolem-bary no iantefany ihany koa. Ny akotry tokoa mantsy no volena indray hitombo isa, ary ny ampahany dia hamainina sy totoina hohanina.
  • Rehefa avy totoina ny akotry avy nahahy dia azo ny atao hoe vary fotsy, izay efa vonona handrahoina sy hohanina. Amin' ny ankapobeny dia manome vary fotsy 600 g eo ho eo ny akotry 1 kg rehefa totoina. Marihina fa ny hoditry ny akotry izay avy nototoina, izay antsoina hoe ampombo dia mbola azo ampiasaina ho sakafom-biby ihany koa.
  • Ahazoana kobam-bary ihany koa ny vary fotsy raha mbola totoina ho lasa vovoka, ny kobam-bary dia ahafahana manao mofo toy ny mofogasy na ramanonaka.
  • Ketsa: Apetraka ao amin' ny toerana somary mandomando ny akotry ka mitsiry. Alentika anaty tanin-ketsa izay efa mando tsara ireo vary akotry mitsiry ireo ka rehefa maniry eo amin' ny 10 hatramin' ny 50 sm eo ho eo no atao hoe ketsa.
  • Afindra mankany amin' ny tanim-bary indray ireo ketsa ireo, io no atao hoe manetsa.

Maro samihafa ny teknika fambolem-bary, arakaraky ny toerana sy ny karazam-bary volena, eto Madagasikara dia ezahin' ny ministera apariaka izao ny voly vary maro anaka sy ny ketsa valo andro.

Sarotra ny fambolem-bary ka vitsy ihany ny firenena mamboly vary. Ny voka-barin' i Sina sy India dia efa mihoatra ny antsasaky ny voka-bary eran-tany manontolo. Ny anton' izany dia mila hafanana sy hamandoana ary hazavana ny fambolem-bary. Ny faritry ny zana-pehin-tany sy ny faritra ambanin' ny zana-pehin-tany, izay tany mafana sy mando, no tena ahafahana mamboly vary mandavantaona. Tsy dia sarotiny loatra kosa ny vary raha momba ny nofon-tany. Ny rano kosa no tena tsy afa-misaraka aminy satria dia mila hatramin' ny 100 mm isam-bolana ny vary anankiray. Araka izany dia miteraka fanjifana rano goavana tokoa ny fambolem-bary.

Mbola manasarotra ny fambolem-bary ihany koa ny asa takian' ny fijinjam-bary. Tsy mety ampiasaina amin' ny vary ny milina toy ny moissonneuse fampiasa amin' ny voly hafa toy ny varimbazaha. Noho izany dia mitaky asan-tanan' olombelona ny fijinjam-bary. Amin' izay lafiny izay dia kilasiana ho fambolena any amin' ny tany mahantra ny fambolem-bary noho ny lanjan' ny asan-tanan' olombelona izay mavesatra tokoa. Ny fitarihan-drano, ny asa tany, ny fanetsana, ny fikobahana, ary ny ala fakofako na fiavana dia asa mitaky herim-batana avokoa. Misy ihany ny fambolem-bary tsy mitaky hamandoana mandavantaona fa miandry ny orana fotsiny, nefa dia kely ny vokatra azo amin' izany.

Fomba sy voambolana malagasy momba ny vary

Santa-bary

Fomba malagasy anankiray ny santa-bary, izay anateran' ny valalabemandry ny voaloham-boka-bariny ho an' ny mpitondra na mpanjaka na manamboninahitra mifehy azy amin' ny taom-pijinjana. Anomanana lanonana lehibe io fotoana io. Hatramin' ny fahagola no efa nanaovan' ny Malagasy io fomba iray io, ary amin' izao fotoana izao dia mbola mampihatra izany ny tantsaha manatitra ny santa-bary any amin' ny filoham-pirenena.

Fomba fiteny

  • Solon-dranom-bary tsy masaka. Amin' ny famangiana manjo, izany hoe rehefa misy maty, dia mitsapa alahelo sy mampionona ny fianakaviana mana-manjo ny mpiara-monina sy havana, ary manolotra vola kely ho an' ny fianakaviana miaraka amin' izay fampiononana izay. Io no atao hoe "solon-dranom-bary tsy masaka", satria raha tsy nisy ny nanjo dia mbola tokony ho nahavita raharaha toy ny manamasa-bary ilay havana nodimandry.
  • Vary lena voatoto; ka samy te ho lohany. Raha ny tokony ho izy dia hamainina ny vary alohan'ny hitotoana azy. Noho izany, raha totoina lena ny vary dia tapatapaka sy lasa lohany daholo ny ankabeazany fa tsy maventy na matsiraka toy ny vary totoina maina. Ity ohabolana ity dia fampiasa amin' ny fifaninana rehetra.
  • Aza miantsabotsambotra toy ny vary kely an-daona. Ny laona dia fitaovana fitotoam-bary amin' ny tanana, vita amin' ny hazo, ampiasain' ny ny Malagasy. Raha tsy ampy antsasaky ny laona ny vary totoina dia mitady lalana hivoahana isaky ny milatsaka ny fanoto. Ity dia ohateny enti-mandrara ny olona mba ho tony hatrany fa tsy ho taitaitra na hiantsambotsambotra lava.
  • Ny hevitra dia toy ny ketsa, raha lava loatra maningo-tena; ary raha fohy loatra, afatotry ny sasany. Ny atao hoe ketsa dia tsy inona fa zana-bary ambolena. Misy ny zana-bary fohy ary misy ny lava, arakaraka ny tany naniriany. Ny hevitr' izany dia hoe: rehefa miteny na maneho hevitra manoloana ny hafa dia tokony lanjalanjaina sy fakafakaina tsara ary atao amin' ny antonony.

Famokaram-bary sy tsena iraisam-pirenena

Somary niakatra ny famokaram-bary eran-tany taona vitsivitsy izao, noho ny fihatsaran' ny teknika fambolem-bary indrindra indrindra, nefa tato ho ato dia hita ho somary marindrano ny taham-bokatra azo amin' ny fambolem-bary (manodidina ny 3,8 taonina isaky ny hekitara). Araka ny FAO, dia nahatratra 585 tapitrisa taonina ny akotry vokatra eran-tany tamin' ny taona 2003.

Firenena mpamokatra vary
2003 Velaran-tany novolena (MHa) Taham-bokatra (taonina/Ha) Vokatra (Mt)
Sina 27,40 6,12 167,62
Inde 44,00 3,03 133,51
Indônezia 11,60 4,47 51,85
Bangladesh 11,10 3,43 38,06
Vietinamy 7,44 4,65 34,61
THA 11,00 2,45 27,00
Birmania 5,60 3,91 21,90
Filipinina 4,10 3,22 15,35
Brezila 3,16 3,24 10,22
Japana 1,68 5,87 9,86
Etazonia 1,21 7,45 9,03
Pakistan 2,21 3,05 6,78
Kôrea Atsimo 1,01 5,99 6,07
Egypta 0,62 9,43 5,80
  • Eo ho eo amin' ny 600 tapitrisa taonina eo ihany, izany hoe 4 % amin' ny vokatra eran-tany no atokana ho amin' ny tsena iraisam-pirenena. Eo amin' ny 7 % eo ho eo isan-taona kosa no fiakaran' io taha io.
  • I Tailandy no mpanondrana vary voalohany eran-tany tamin' ny taona 2004 (10,13 tapitrisa taonina). I Viêt Nam (3,9 tapitrisa taonina) sy India (2,8 tapitrisa taonina) no manarakaraka.
  • I Filipina (0,985 tapitrisa taonina tamin' ny 2004) sy Sina no mpanafatra vary betsaka indrindra.

Fampiasana ny vary

Sakafo sy nahandro

Vary 

Ireto no karazan-tsakafo vitsivitsy azo amin' ny vary :

Ho an' ny fahasalamana

Mitondra vitamina A betsaka ny vary mena. Ahafahana miady amin' ny aretin-kibo ihany koa ny vary sy ny rano ahandroana azy.

Organismes génétiquement modifiés

Araka ny voalazan' ilay gazetiboky Science dia mikasa hamokatra sy hampiditra eo amin' ny tsena vary OGM manomboka ny taona 2006 i Sina izay mpamokatra sy mpanjifa vary voalohany eran-tany. Karazany roa vaovao vokatry ny fikarohan-dry zareo Sinoa izy ireo, dia ny vary Xianyou 63 (maharesy ny pyrale du riz) sy ny Youming 86. Voalaza fa mampihena ny fampiasana poizina famonoana bibikely hatramin' ny 80 % izy ireo, mahatsara ny fahasalaman' ny mpamboly, sady manatsara ny tamberina ihany koa (6,36 taonina/hekitara). Tsy mbola nisy anefa fikarohana ara-tsiansa nanaporofo ny tsy fisian' ny voka-dratsiny na amin' ny tenan' ny olombelona na amin' ny sehatra hafa. Marihina fa ankoatra io tetikasa momba ny vary OGM io dia ny sôza ihany aloha hatramin' izao no sakafo OGM tena efa miparitaka amin' ny tsena.

Voka-dratsin' ny fambolem-bary amin' ny tontolo iainana

Ny fambolem-bary dia manana ny lafy ratsiny eo amin' ny toetany sy ny tontolo iainana, noho izy mamokatra metanina betsaka loatra. Ny metanina moa dia etona iray tafiditra ao anatin' ny sokajin' ny etona mampihiboka hafanana izany hoe miteraka fitomboan' ny hafanana eto amin' izao tontolo izao. Misy bakteria anankiroa miasa amin' ny fambolem-bary dia ny bakteria mivelatra amin' ny toerana tsy misy ôksizena (anaerôbia) izay miteraka metanina; sy ny bakteria mivelona amin' ny toerana misy ôksizena (aerôbia) izay mampihena ny matanina kosa. Ny teknikam-pitarihan-drano ampiasaina ankehitriny amin' ny fambolem-bary dia manome vahana ny bakteria anaerôbia, ary ny vokatr' izany dia betsaka kokoa ny metanina miforona sy mihanaka amin' ny rivotra iainana. Misy teknikam-pitarihan-drano hafa anefa azo ampiasaina hampihenana io voka-dratsy iray io.

Ny famokarana vary iray kilôgrama dia miteraka metanina 120 g. Ny fambolem-bary noho izany no antony faharoa miteraka metanina eto an-tany (60 tapitrisa taonina isan-taona) aorian' ny fiompiana biby mamadika hota (80 tapitrisa taonina isan-taona).

Mitaky rano betsaka ihany koa ny fambolem-bary. Any Etazonia sy Aostralia ohatra dia mahalany ny 7 % amin' ny rano ampiasain' ny firenena iray manontolo ny fambolem-bary, kanefa dia tsy mitondra afa-tsy 0,02 % amin' ny PNB fotsiny ihany. Any amin' ny firenena manana rano betsaka kosa dia tsara ny ateraky ny fambolem-bary satria miaro amin' ny tondra-drano izy.

Jereo koa

Loharano sy tonon-tsiahy

Lahatsoratra mifandray

Rohy ivelany

Tags:

Vary KarazanyVary TantaraVary Voly varyVary Fomba sy voambolana malagasy momba ny varyVary Famokaram-bary sy tsena iraisam-pirenenaVary Fampiasana ny varyVary Organismes génétiquement modifiésVary Voka-dratsin ny fambolem-bary amin ny tontolo iainanaVary Jereo koaVaryAziatikaBolgariaEorôpaEspainaFiteny latinaFrantsaGrisyIndiana (vahoaka)ItaliaKatsaka (zavamaniry)Malagasy (vahoaka)OkrainaPôrtogalyRosiaSakafoTanimbaryVoamadinikaZava-maniry

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Rebecca MillerLisitry ny gazety ao MadagasikaraVoahangyJapànaKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaBokin' i EsteraBritaina LehibeRanavalona IIIAlton, TexasRSSSaint-Jean-sur-ReyssouzePapaPrôtestantisma eto MadagasikaraFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaSora-tsikidyFahaterahanaMpanoritraJean-Joseph RabeariveloFanjanahantanyKaody baraMahafalyTokyoh09xkBokin' ny SalamoSôsiôlôjiaFizakan' i Andry Rajoelina zom-pirenena frantsayFilazantsaraMosesyKalandrie hindoaRalamboEmirata Arabo MitambatraTsirinteny sara-droaFiteny tsirkasianaFangitra ara-jeografiaTazomokaFanahy (kolontsaina malagasy)ZomaAfrika atsimon' i SaharàRindrankajyAmontanaOniversiteFianarantsoaGazela indianaAlahamadyFilazantsaran' i MarkiônaFiovaovan' ny toetanyFiteny frantsayFoko eto MadagasikaraMari-panaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)RômaaterinetoLalàmpanorenan' ny Repoblikan' i MadagasikaraVolahavana GermaineTim BurtonFanahy MasinaKrimeaFiraisana ara-nofoToeraBokin' i IsaiaZavamananainaAlaniaFetin'ny RenyAdy Lehibe FaharoaPôlitikaRazana (finoana malagasy)1997HaitsikerafitenyTriniteNosy FalyEpistily ho an' ny GalatianaVola🡆 More