Tobilehibe

Ny tobilehibe dia tobim-pifohazana izay foiben' ny fifohazana sasany eto Madagasikara.

Efatra ny tobilehibe malaza, dia ny Tobilehibe Soatanàna naorin' i Rainisoalambo, ny Tobilehibe Manolotrony naorin-dRavelonjanahary, ny Tobilehibe Farihimena naorindRakotozandry Daniel, ary ny Tobilehibe Ankaramalaza naorin' i Volahavana Germaine. Samy manana ny toby mianina aminy ireo tobilehibe ireo.

Ireo tobilehibe efatra

Ny Tobilehibe Soatanàna

Ny Tobilehibe Soatanàna no foiben' ny fifohazana Soatanàna izay naorin' i Rainisoalambo. Mirafitra amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ity toby ity sy ny toby hafa miankina aminy. Isaky ny 17 Septambra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taonan' io tobilehibe io.

I Rainisoalambo

Teraka tao Ambalavato Ambatoreny tamin' ny taona 1839 i Rainisoalambo. I Rainilavo, izay mpitaiza zanak' andriana (atao hoe marambasia) tao Isandra, no rainy, ary i Renimavo no reniny. Mpamboly sy mpiompy izy. Nandimby ny asan-drainy i Rainisoalambo taty aoriana. Ninoan' ny olona ho nanam-pifandraisana tamin' ny Zanahary, araka ny finoana nentim-paharazana malagasy, izy.

Nisy fiangonana ny tanànan' i Rainisoalambo ka niditra tao koa izy mba hianatra mamaky teny. Natao batisa tao i Rainisoalambo ary tonga katekista na "mpitandrina" taty aoriana. Tsy nanary ny odiny anefa izy na dia efa Kristiana. Nanao vavaka fitarainana izy tamin' ny alin' ny 14 Ôktôbra 1894 rehefa tratran' ny aretina tsy hay sitranina. Taorian' izany vavaka izany dia nahita fahazavana lehibe sy lehilahy miakanjo fotsy lava teo akaikiny izy, izay nampanary ny odiny. Ninoany fa i Jesoa izany lehilahy izany. Nandoro ny odiny izy ary sitrana.

Nanomboka nitory ny Filazantsara sy nanangana ny fifohazana i Rainisoalambo taorian' ilay fahasitranana. Niely ka henon' ny maro ny fiovany ho kristiana hany ka lasa feno mpandala ny finoan-drazana niova ho Kristiana ny tao an-tranony. Nitarika mpino maro hafa naira-niasa taminy izy, izay atao hoe Mpianatry ny Tompo, mba hitory ny Filazantsara sy hiasa ho an' ny tsy Kristiana ("Jentilisa") na ho an' ireo Kristiana mbola manaraka ny fivavahan-drazana malagasy (sinkretisma). Niala avy tao Ambatoreny nankany Soatanàna ny fifohazana notarihin' i Rainisoalambo tamin' ny taona 1901. Tamin' io taona io ihany dia efa tonga hatrany Imerina sy any amin' ny tanin' ny Sakalava ny fifohazana. Nisy ny fanaovana "tafika masina" tamin' ny mponina amin' ny tanàna manodidina.

Ny Tobilehibe Manolotrony

Ny Tobilehibe Manolotrony no foiben' ny fifohazana Manolotrony izay naorin-dRavelonjanahary. Isaky ny 15 Aogositra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taonan' ity tobilehibe ity. Miankina amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny Tobilehibe Manolotrony.

Ravelonjahary

Ravelonjanahary dia teraka tamin' ny taona 1850. Notezaina tao amin' ny fiangonana naorin' ny London Missionary Society izy nefa nanana ody. Nilaza ho nisehoan' i Jesoa matetitetika tao an-tanàna sy tany an-tsaha izy rehefa antitra, tamin' ny fahenimpolo taonany. Nahita zavatra mamirapiratra izy indray hariva sady nahare feo nanasa azy mba hijery ny rantsan-tanany folo izay nisy ny soratry ny Didy folo, sady nampanantena azy fa izay rehetra mino an' Andriamanitra noho ny teny izay hambarany dia ho sitrana rehefa amin'ny alalan' ny fametrahan-tanana.

Lazaina fa "maty" nandritra ny enina andro izy ka "nitsangana" tamin' ny andro fahafito; nakarina any an-danitra ny fanahiny ary nomena fanahy hafa izy mba tsy hahafaty azy. Voalaza koa fa tsy nisakafo izy nandritra ny telo volana fa nisotro rano mangatsika fotsiny tamin' ny fotoana nampinarana azy tany an-danitra. Nisy fotoana "nahafatesany" mandritra ny telo andro hafa indray nefa nitsangan-ko velona ihany izy. Tamin' ny taona 1970 Ravelonjanahary vao tena maty.

Ny Tobilehibe Farihimena

Ny Tobilehibe Farihimena no foiben' ny fifohazana Farihimena izay naorin-dRakotozandry Daniel. Mirafitra amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ity toby ity sy ny toby hafa miankina aminy. Isaky ny 26 Aogositra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taonan' io toby io.

Rakotozandry Daniel

Rakotozandry Daniel dia teraka tamin' ny 16 Aogositra 1919. Ny ray aman-dreniny dia nipetraka akaikin' i Soavina any Betafo Antsirabe izay toerana nisy ny Misiona Nôrveziana. Taizan' aretina hatry ny fahazazany izy, torantorana matetika, ka nentin' ny ray aman-dreniny tany amin' ny mpimasy sy ny mpisikidy. Tamin' ny fahafolo taonany izy no niditra nianatra tao amin' ny sekolin' ny Misiona Nôrveziana tao Betafo ary naharitra dimy taona monja ny fianarany tao. Tsy nahomby tamin' ny fianarana nataony izy ka nihevitra fa miangatra Andriamanitra, noho izany dia tsy niangona intsony izy. Isaky ny Alahady anefa, rehefa matory ao an-tranony izy, dia miseho aminy amin' ny nofy i Jesoa. Mbola tao anatin' ny fandalana ny fivavahan-drazana ny ray aman-dreniny tamin' izany fotoana izany.

Nitantara Rakotozandry Daniel fa nandritra ny fahatoranany dia nahita olona miakanjo fotsy lava nijoro teo anilany izay izay niteny taminy fa ho sitrana izy raha matoky an' io olona io. Ninoany fa i Jesoa io olona io. Nanaiky ny teniny izy ka sitrana taorian' izay raha saika handevina azy ny olona. Indray andro dia nanasitrana zaza iray izay tsy sitran' ny ombiasy izy. Nalefa tany Tsaratanana i Rakotozandry ho katekista. Tamin' ny taona 1943 dia niteny taminy ny Tompo fa ho pastora any Farihimena izy afaka telo taona ka hilaza mialoha izany any. Nandehana tany Ivory ihany izy hianatra ho pastora mandritra ny telo taona, izay nifarana tamin' ny taona 1946. Voatendry ho pastoran' i Farihimena izy.

Tamin' ny 25 Aogositra 1946 dia nijanona tao am-pandriana tsy namonjy fiangonana Rakotozandry fa nihombo ny aretiny ka dia nanapa-kevitra ny hamangy azy ny mpiangona. Tonga ny mpamangy ka nitsangana i Rakotozandry nanambara ny fahotan' izy ireo. Izany no nahatonga ny 25 sy ny 26 Aogositra ho tsarovana isan-taona satria teo no nanomboka ny fifohazana tany Farihimena. Nandeha nitety ny tanàna manodidina i Rakotozandry, nitondra lakolosy kely hanairana ny olona. Maro ireo olona avy mihaino azy no babo tanteraka ka manolotra ny fiainany ho an' i Jesosy.

Ny Tobilehibe Ankaramalaza

Ny Tobilehibe Ankaramalaza no foiben' ny fifohazana Ankaramalaza izay naorin' i Volahavana Germaine. Mirafitra amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ity toby ity sy ny toby miankina aminy rehetra. Isaky ny 2 Aogositra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taona niorenany.

Volahavana Germaine

Notezaina tao amin' ny fianakaviana mpandala ny fivavahan-drazana i Volahavana Germaine. I Malady no rainy, izay taranaka mpanjaka sady ombiasa. I Vao kosa no anaran-dreniny. Tao Mandronda, ao amin' ny distrikan' i Manakara, no noneran' izy ireo. Rehefa feno folo taona i Volahavana dia nanonofy olona ranjanana miakanjo fotsy nitondra azy tao amin' ny tranovato lehibe iray. Nosasan' io lehilahy io ny tongony. Amin' ny nofy iray hafa dia nakarina any an-danitra izy. Niverimberina matetika ireo nofy roa ireo. Tamin' ny faha-15 taonany dia maro no nangataka azy ho vady izay nolaviny. Araka ny sikidin-drainy dia misy fanahy lehibe mipetraka amin-janany. Tamin' ny faha-17 taonany dia nanambady an' i Mosesy Tsirefo, izay katekista efa antitra (60 taona) sady efa maty vady, i Volahavana. Natao batisa i Volahavana. Taorian' ny fitsofan-drano ny fanambadiany dia nifindra tany Ankaramalaza izy mivady. Tsy niteraka Volahavana ka nanangan-jaza ho zanany.

Tamin' ny faha-21 taonan' i Volahavana Germaine dia narary sy noheverina fa nitoeran' ny fanahy ratsy ny iray tamin' ny zanakavavim-badiny. Nisy feo nandidy azy handroaka ilay fanahy ratsy. Sitrana ilay zazavavy tamin' ny Alarobia 1 Aogositra 1941. Izany no fahagagana voalohany nataon' i Volahavana. Araka ny fitantaràny dia nampianatra teny tsy fantatra i Jesosy sy nampianatra azy Soratra Masina nandritra ny telo volana tety an-tany sy tany an-danitra. Nitondra an' i Nenilava any an-danitra impito i Jesosy tao anatin' ny telo andro, ka tsy maintsy "maty" nandritra ny telo andro izy hahatanteraka izany. Nilaza ho niady tamin' ny dragona mandritra ny telo andro koa i Nenilava.

Taorian' ny fanomanana sy ny asany tao Ankaramalaza sy ny manodidina dia namangy fiangonana amin' ny faritra samihafa i Nenilava. Tamin' ny taona 1952 no nivoahany voalohany ivelan' ny faritra atsimo-atsinanana, ka tao Antsirabe no nanombohany. Toerana maro no notetezin' i Nenilava tany ivelan' i Madagasikara: tany Kômôro tamin' ny taona 1958, tany Etazonia sy tany Nôrvezy tamin' ny taona 1973, ary tany Frantsa tamin' ny taona 1980. Nonina tao Antananarivo i Volahavana nanomboka tamin' ny taona 1969 ka hatramin' ny 1997. Izany no nahatafaorina ny fiangonana loterana ao amin' ny 67ha. Taorian' ny taona 1975 dia nihanahalana ny fitetezam-paritra nataony ary tao amin' ny tobin' Ambohibao ao Antananarivo no nandaniany ny ampahany be amin' ny androny sisa. Maty tamin' ny taona 1998 tao amin' io toby io izy nefa nalevina tany tany Ankaramalaza.

Jereo koa

Tags:

Tobilehibe Ireo tobilehibe efatraTobilehibe Jereo koaTobilehibeFifohazana (kristianisma malagasy)MadagasikaraRainisoalamboRakotozandry DanielRavelonjanaharyTobilehibe AnkaramalazaTobilehibe FarihimenaTobilehibe ManolotronyTobilehibe SoatanànaTobim-pifohazanaVolahavana Germaine

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

3000KatôlisismaLalànaISO 3166-1Tantaran' i MadagasikaraTaolanaMandanTsaramandroso FCIndiaSoisaFanekem-pinoana nikeanaAkoranafoMponina ao NizeraFianakaviana (fomba malagasy)WikipediaOraNeptiona (planeta)2001Dniepr15341198Ovy1996GoogleSantiago de CompostelaFiompiana ombyLisitry ny gazety ao MadagasikaraTontolo iainanaMangahazoBalahazoHenryk JanikowskiAntsirananaVampira8 Febroary1973Pierre-Simon GirardTratraFanomezan' ny Fanahy MasinaHannoverAFI's 100 Years...100 MoviesNicolaï Roukavichnikov4931874Joany Paoly IIThomas Ignatius Maris ForsterVoambolanaAndro faranyFanambadianaWisconsinAzerbaijànaAndriamanitra (tokana)Atlanta, GeorgiaFinoanaFiteny eorôpeanaSrilankaAntónio CâmaraHasina (hery tsy hita maso)17 AogositraWordPressFaritra DianaVomangaLahatraPôntio PilatoTranomaroTaboryLitorjiaRainilaiarivonyFilazantsara araka an' i MarkaAndroFitombenanaPlatônaVoanembaRanomasina TirenianaRy Tanindrazanay malala ô🡆 More