Betsimisaraka

Ny Betsimisaraka dia vondrom-poko lehibe eto Madagasikara, ao amin' ny lemaka manaraka ny morontsiraka atsinanana, manomboka any atsimo amin' ny faritr' i Mananjary ka hatrany Sambava sy Antalaha any avaratra.

Sahala amin' ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefana, ny Betsimisaraka dia vondrom-poko maromaro izay nampiraisin' ny toe-javatra ara-tantara ao anatin' ny anarana iray.

Betsimisaraka
Betsimisaraka manao lanonana

Ny Betsimisaraka no foko faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara aorian'ny Merina ary mahatratra 15 %n' ny Malagasy.

Efa ela ny Betsimisaraka no nifanerasera tamin' ireo tantsambo sy mpivarotra eorôpeana izay nitaranaka vahoaka eorôpeana-malagasy, antsoina hoe Zanamalata. Ny fiantraikan' ny kolontsaina eorôpeana dia miharihary amin' ny karazana mozika valsa sy basesa, izay matetika atao amin' ny angorodao. Ny tromba dia misongadina amin' ny kolontsaina Betsimisaraka.

Nandritra ny faramparan'ny taonjato faha-17, ireo foko isan-karazany tany amin'ny faritra amorontsiraka atsinanana dia nofehezin'ny mpiadidy izay mazàna nitondra tanàna iray na roa. Nipoitra ny Zanamalata antsoina hoe Ratsimilaho mba hampiray ireo foko ireo teo ambany fitondrany tamin' ny taona 1710. Naharitra 50 taona ny nanjakany ary nametraka ny maha-izy azy sy ny fitoniana rehetra manerana ny fanjakana, saingy nalemy tsikelikely io fitambarana io tamin' ny fitondràn' ireo mpandimby azy, ka mora niharan’ny fitaomana sy ny fisian'ny Eorôpeana, fa indrindra ny Frantsay, ny mpivarotra andevo, ny misionera ary ny mpivarotra.

Efa nahafeno fepetra ho kônfederasiôna io fampivondronana io, satria tsy natao hifidy olona iray ho lohany, fa mba hisian’ ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-pôlitika eo amin’ ireo vondrom-piarahamonina samihafa mandrafitra azy. Ilaina ireo fiaraha-mientana ireo amin' ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ireo fiaraha-monina ireo satria ny tontolon' ny faritra tamin' ny taonjato faha-18, voavolavolan' ny varotra lehibe teo amin' ny Eorôpeana sy ny Malagasy, dia mety hanakorontana ny fikambanany. Ratsimilaho dia filohabe malata izay nahavita namory ireo vondrom-piarahamonina amin’ ny ankamaroan’ ny morontsiraka atsinanan’ i Madagasikara, nitondra ny anarana tokana iombonana, dia ny hoe Betsimisaraka, izany hoe "ireo maro tsy misaraka", "ireo izay miray hina".

Ny Fanjakana Betsimisaraka efa nivakivaky dia nofehezin-dRadama I, mpanjakan' Imerina, tamin’ny 1817, izay nanjaka teo amin’ny renivohiny teto Antananarivo, any amin’ny faritra afovoan' i Madagasikara. Ny fanandevozana ny Betsimisaraka tamin'ny taonjato faha-19 dia nahatonga ny mponina ho nahantra; teo ambany fanjanahan' ny Frantsay (1896-1960), dia nisy ezaka nifantoka tamin'ny fampitomboana ny fidirana amin'ny fianarana sy ny asa fikaramana amin'ny fambolena frantsay. Ny famokarana ny voly taloha toa ny lavanila, ny ilangilangy, ny menaka voanio ary ny kafe dia mijanona ho asa fivelomana lehibe indrindra ao amin' io faritra io ankoatra ny fambolena hohanina sy ny jono, na dia loharanom-bola ihany koa aza ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany.

Ara-kolontsaina dia azo zaraina ho vondrona avaratra sy atsimo ny Betsimisaraka. Ny singa maro amin'ny kolontsaina dia mahazatra amin'ny vondrona roa, anisan'izany ny fanajana ny razana, ny tromba, ny sorona omby, ary ny rafitra ara-tsôsialy entin-draibe. Io zana-bondrona tsirairay dia miavaka amin'ny fananany fitenim-paritra azy manokana sy ny fady isan-karazany, ary koa ny fomba fandevenana sasany sy ny fomba hafa. Ny Betsimisaraka dia manao famadihana sy sambatra (famorana) ary mino ny asan' ny ombiasa sy ireo hery mihoatra ny ara-boajanahary. Maro ny fady sy angano momba ny gidro sy ny voay, izay samy fahita manerana ny faritanin' ny Betsimisaraka.

Ny tanin' ny Betsimisaraka dia voafaritry ny reniranon' i Bemarivo ao avaratra sy ny onin' i Mananjary any atsimo. Ireto ny tanànan' ny Betsimisaraka: Maroantsetra, Fenerivo, Soanierana-Ivongo, Toamasina, Vatomandry, Mahanoro ary Andevoranto.

Ny maha izy azy ny Betsimisaraka

Betsimisaraka 
Ny fitsinjaran' ny vondrom-poko eto Madagasikara

Manodidina ny 15 %n' ny mponina eto Madagasikara ny Betsimisaraka ary nahatratra 1 500 000 mahery izy ireo tamin' ny taona 2011. Ny Zanamalata dia misy ampahany amin' ny fiaviana eorôpeana vokatry ny fanambadiana teo amin' ny Malagasy eo an-toerana sy ny jiolahin-tsambo sy tantsambo ary mpivarotra eorôpeana izay niantsona na nanorim-ponenana teo amin’ ny morontsiraka atsinanana. Tahaka ny Sakalava any andrefana, ny Betsimisaraka dia ahitana vondrom-poko maro izay namorona kônfederasiôna tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-18. Sahala amin' ny Malagasy rehetra, ny Betsimisaraka dia avy amin' ny foko afrikana sy aziatika aostrôneziana. Na izany aza, ny Betsimisaraka dia iray amin' ireo foko malagasy izay ny maro an' isa aminy no manana razambe banto avy ao Afrika Atsinanana, amin' ny salan' isa manodidina ny 70 %. Ny Betsimisaraka dia monina amin' ny faritra mitomandavana sy tery izay mamakivaky ny morontsiraka atsinanan' i Madagasikara, manomboka any Mananjary any atsimo ka hatrany Antalaha any avaratra, anisan' izany ny seranan-tsambo lehibe eto amin' ny Nosy ao Toamasina sy ireo tanàn-dehibe ao Fénérive Est sy Maroansetra. Matetika izy ireo dia mizara ho Betsimisaraka Avaratra (Antavaratra) sy Betsimisaraka Atsimo (Antatsimo), misaraka amin' ny foko Betsimisaraka Betanimena (antsoina hoe Tsikoa talohan' ny taona 1710 tany ho any).

Tantara

Ny Fanjakana Betsimisaraka

Ny fitondran' ny mpanjaka nifandimby

Hatramin' ny fiandohan' ny taonjato faha-18, ireo vahoaka izay ho fototry ny Betsimisaraka dia nalamina ho foko maro teo ambany fahefan' ny filoha izay samy nitondra vohitra tsy mihoatra ny iray na roa. Ireo manodidina ny helodranon' Antongila any avaratra dia nitana toerana ara-panjakana kokoa, ka efa nahatsapana fahaiza-mitarika nanomboka tamin' ny taona 1500 farafahakeliny.

Ny fisian’ny helodrano voajanahary manamorona ny morontsiraka avaratra izay lasa tanànan' ny seranan-tsambon' Antongila, Titingue, Foulpointe, Fenerive ary Tamatave dia nanome vahana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-pôlitikan’ ny Betsimisaraka Antavaratra; ny faritra atsimon' io morontsiraka io kosa dia tsy nanana faritra sahaza ho an' ny seranana.

Nanondrana vary, omby, andevo ary entana hafa tany amin’ ireo nosy Maskarena ny mponina teny amin’ ny faritra manodidina ny seranana. Ny toerana stratejikan' ny seranana atsinanana ho an' ny varotra isam-paritra dia nahasarika Eorôpeana maro indrindra hanorim-ponenana amin' ity faritry ny Nosy ity, indrindra fa ny jiolahin-tsambo britanika sy amerikana izay nitombo isa nanomboka tamin' ny taona 1680 ka hatramin' ny taona 1720 tamin' ny morontsiraka manomboka any Antsiranana ankehitriny any avaratra ka hatrany amin' ny Nosy Boraha sy Foulpointe (na Mahavelona) any atsinanana. Ny fifanambadian' ireo jiolahin-tsambo eorôpeana ireo sy ny zanakavavin' ny filohan-tanàna dia niteraka mponina maro mifangaro antsoina hoe Zanamalata.

Ramanano

Tamin' ny taona 1700 tany ho any no nanomboka nivondrona teo amin' ireo andiana mpitarika matanjaka ny Tsikoa. Tamin' ny taona 1710 no voafidy ho lehiben' ny Tsikoa i Ramanano, lehiben' i Vatomandry, ary nanafika ireo seranana any avaratra. Araka ny lovantsofina am-bava, dia nanangana milisy mitam-piadiana tao Vohimasina i Ramanano, izay nalefany tamin’ ny fanafihana nandoro tanàna manodidina, nanazimbazimba ny fasana teo an-toerana ary nanandevo ny zaza amam-behivavy, ka nahatonga ny lazany ho mpitondra lozabe sy tsy tian’ ny olona.

Betsimisaraka 
Ratsimilaho dia nanapaka ny Betsimisaraka avy eto amin' ny renivohiny, Foulpointe (na Mahavelona).

Ratsimilaho

Nisy Zana-malata betsimisaraka avaratra antsoina hoe Ratsimilaho, izay nateraky ny zanakavavin' ny filoha eo an-toerana sy jiolahin-tsambo britanika antsoina hoe Thomas Tew tamin' ny taona 1694 tany ho any ary nandeha vetivety niaraka tamin' ny rainy tany Angletera sy India, no nitarika ny fanoherana ireo fananiham-bohitra ireo ary nampiray soa aman-tsara ireo mpiray tanindrazana aminy na dia teo aza ny fahatanorany. Nalainy i Fénérive tamin’ ny taona 1712, ka nandositra ny Tsikoa namakivaky ireo tanimena izay niraikitra amin’ ny tongony, ka nahatonga azy ireo hahazo anarana vaovao hoe Betanimena. Voafidy ho mpanjakan' ny Betsimisaraka rehetra i Ratsimilaho ary nomena anarana vaovao hoe Ramaromanompo tao Foulpointe renivohiny. Nomeny ny anarana hoe Betsimisaraka ireo mpiray tanindrazana tany avaratra mba hanamafisana ny firaisankinany manoloana ny fahavalony. Nanao fifampiraharahana tamin’ ny Betanimena izy avy eo, tamin’ ny fanolorana ny mpanjakany hanara-maso ny seranan-tsambon’ i Tamatave, saingy rava io tanàna io rehefa afaka enim-bolana ka nitarika an-dRatsimilaho haka an’ i Tamatave indray ary nanery ny mpanjakan' ny Betanimena handositra nianatsimo. Nametraka fifanarahana tamin’ ny Betsimisaraka Atsimo sy ny Bezanozano mifanila aminy izy, ka nanitatra ny fahefany tamin’ ireo faritra ireo tamin’ ny alalan’ ny famelana ny lehiben’ ny faritra hitana ny fahefany sady nanome hetra vary sy omby ary andevo; tamin' ny taona 1730 dia anisan' ny mpanjaka natanjaka indrindra teto Madagasikara izy.

Tamin' ny fotoana nahafatesany tamin' ny 1754, ny fitondrany izay voalanjalanja sy nilamina dia nigazona firaisankina nandritra ny efa-polo taona teo amin' ireo foko samihafa tao anatin' ny Firaisambe Betsimisaraka. Nampifandray ny Betsimisaraka tamin’ ny fanjakana hafa natanjaka indrindra tamin’ izany fotoana izany koa izy, dia ny Sakalava any amin’ ny morontsiraka andrefana, tamin’ ny alalan’ ny fanambadiany an' i Matave, zanakavavy tokan' Andrianbaba, mpanjakan’ i Iboina.

Ny fananganana ny Firaisambe Betsimisaraka

Teo anelanelan’ ny faran’ ny taonjato faha-17 sy ny fiandohan’ ny taonjato faha-18, dia nifandona ny Antatsimo sy ny Antavaratra noho ny fifehezana ireo foibe ara-barotra. Tamin' ny taona 1710 teo ho eo, Ratsimilaho, izay Antavaratra sy Malata, dia nahomby tamin' ny fitondrana ny tenany ho lohan' ny vahoaka any avaratra, rehefa avy nanohitra ny fanafihan' ny vahoaka avy any atsimo, dia ny Tsikoa sy ny Anteva, notarihin-Ramanano izay filoha natanjaka.

Niray hina tokoa ireo mponina nipetraka teo anelanelan’ i Irangy sy Manampontany (faritra Betsimisaraka atsimon' i Toamasina) teo ambany fitarihan’ ny filoha Ramanano, ka tanjona ny handresena an’ i Toamasina, i Fénérive, i Foulpointe ary i Sainte Marie, mba hifehezana ireo toeram-pivarotana lehibe misy vahiny; noraisin’ izy ireo tamin’ io fotoana io ny anarana hoe Tsikoa, izay midika hoe "tsy aongana". Nikambana mba hahazo fitaovam-piadiana, vanja, bala… ilaina amin' ny ady ireo lehilahy ireo, ary mba hanohitra ireo mpiara-dia amin-dRatsimilaho, izay manana an' izany ihany koa. Marihina kosa anefa fa tsy sarintsariny ny fampiasana fitaovam-piadiana, fa ny basy dia tena misy ary tandindonin’ ny hery sy ny fahefana, izany hoe tsy nampiasaina handatsahan-dra, fa mba hampanaiky. Farany dia nahomby i Ratsimilaho tamin’ ny fandreseny an-dRamanano, ary taorian’ io fifandonana farany io dia nantsoina hoe Betanimena ny olon’ity filoha ity, teny izay mbola mitoetra mandraka ankehitriny, entina ilazana ny Betsimisaraka any atsimo (avy any Mananjary ka hatrany Tamatave).

Raha ny nandresen-dRatsimilaho azy ireo dia nanohitra hatrany ny Betanimena ka nanosika an-dRatsimilaho hanatevina ny tanjany amin’ ny fiarahana amin’ ny vahoaka hafa. Dia naka ny zanakavavin' ny lehiben' ny Sakalava iray ho vadiny izy, ary avy eo dia nasainy niady taminy ny Betanimena. Nanohy ny ady Ratsimilaho, izay mpitarika pôlitika marani-tsaina momba ny firaisana amin' ny mpiara-miombona antoka isan-karazany, Ratsimilaho dia niafara tamin' ny fananany fahefana amin' ny morontsiraka atsinanana izay nanangonany indray ny vahoaka tao anatin' ny kônfederasiona lehibe antsoina hoe Betsimisaraka. Naharitra ela io ady io, ary araka ny filazan’ i Alfred Grandidier dia ho "iray amin’ ireo naharitra sy nahafary olona maro ary namokatra indrindra tamin’ ny zava-nitranga" tany amin’ ny morontsiraka atsinanan’ i Madagasikara izy.

Taorian’ ny fahafatesan-dRatsimilaho tamin’ ny tapatapaky ny taonjato faha-18, ny fanjakany izay tanatin’ ny firaisankina namboamboarina, dia niverina tsikelikely amin' ny fisaraham-bazana teo amin’ ireo lehibe isan-karazany, ka anisan’ izany ny Malata izay nifaninana tamin’ izy samy izy. Izany no manazava ny fahamoran’ ny fandresen’ ny tafi-dRadama I an’ ilay faritra nanomboka tamin’ ny taona 1817. Nanomboka teo, ka hatramin’ ny andron’ ny fanjanahan-tany frantsay, dia vitan’ ny Merina ny nitana ny fahefany tao.

Zanahary

I Zanahary, zana-dRatsimilaho, no nandimby azy tamin’ ny taona 1755. Mpitarika nanao didy jadona i Zanahary, izay nanao fanafihana nisesisesy tamin’ ireo tanàna teo ambany fahefany ary novonoin’ ny olom-peheziny tamin’ ny taona 1767 izy.

Iavy

Nandimby an’ i Zanahary i Iavy zanany, izay halan' ny olona noho ny fanohizany ny fanaon-drainy, nanafika ireo tanàna teo ambany fahefany, sy noho ny fananany harena tamin' ny fiaraha-miasa amin' ireo Frantsay mpivarotra andevo. Tamin' ny andron' i Iavy dia nisy mpitsangatsangana Eorôpeana tatsinanana antsoina hoe Maurice Benyowsky nanorina tanàna tao amin' ny tanin' ny Betsimisaraka ary nanambara ny tenany ho mpanjakan' i Madagasikara, ary nandresy lahatra ireo lehiben-tany maro mba tsy hanaja ny Fanjakan' i Boina intsony. Niteraka fahatezerana tamin’ ny Sakalava izany fihetsika izany, ary tamin’ ny taona 1776 dia nanafika an' io faritra io ny miaramila sakalava mba hanasazy ny mponina betsimisaraka sy hamono an’ i Benyowsky, saingy tsy nahomby izany.

Zakavolo

I Zakavolo, zanak' i Iavy, no nandimby an-drainy tamin' ny nahafatesany tamin' ny taona 1791. Ny fitantarana eorôpeanina dia manaratsy an' i Zakavolo noho izy nanizingizina ny hanolorana azy fanomezana sy noho ny faniratsirany azy ireo rehefa tsy nety nanome ny fitakiany ny Eorôpeana. Nesorin’ ny olom-peheziny izy tamin’ ny taona 1803 noho ny fanampian’ ny governora jeneraly frantsay Magallon tamin’ izany fotoana izany, izay nitantana ny faritanin’ ireo nosy frantsay; novonoin’ ireo olom-peheziny taloha i Zakavolo. Tao anatin’ ny am-polony taona maro taorian’ ny nahafatesan-dRatsimilaho dia nametraka ny fifehezany ny nosy Sainte Marie sy nametraka seranan-tsambo nanerana ny tanin’ ny Betsimisaraka ny Frantsay. Tamin' ny taona 1810 dia nisy masoivoho frantsay iray antsoina hoe Sylvain Roux nifehy ara-toekarena ny tanàna misy seranan-tsambo, na dia i Tsihala dadatoan' i Zakavolo aza no nifehy azy io. Ny fifandirana teo amin' ny havan' i Tsihala momba ny fifehezana ny tanàna dia nitarika ho amin' ny fahapotehan' ny firaisankina ara-pôlitikan' ny Betsimisaraka ka nampihena ny fahafahan' ny Betsimisaraka hiray hina hanohitra ny firongatry ny fidiran' ny vahiny. Very fahefana izy tamin' ny taona manaraka, noho ilay Zana-malata hafa, Jean Rene, izay nihazona ny fiaraha-miasa akaiky tamin' ny Frantsay.

Ny fiarahamonina sy fanao faha-mpanjaka

Ny varotra andevo

Hatramin' ny fiandohan' ny taonjato faha-18 dia samy antsoina hoe Antatsimo ny fokontany atsimon' ny faritra, Varimo ny afovoany ary Antavaratra ny any avaratra. Samy nanana ny mampiavaka azy ny kolontsaina sy ny fiteniny ny tsirairay amin’ ireo vahoaka ireo, ka nahatonga azy ireo hifandona. Raha ny marina, ireo fifanolanana ireo dia namporisika ireo mpivarotra Eorôpeana (mpivarotra andevo, mpivarotra, governoran' ny zanatany toy ny an' ny Ile de France…), izay nitombo hatrany teo anelanelan' ny taonjato faha-17 sy faha-18.

Nitety faritra izy ireo mba hividy andevo sy vary ary omby, ho takalon’ ny fitaovam-piadiana, vakana, lamba sy ny hafa. Io varotra io no nahafahan’ ny sasany nahazo vatsy, ary ny sasany kosa nahazo asa an-terivozona ho an’ ny famboleny, toy ny an’ ny zanatany frantsay any Ile de France (Maorisy ankehitriny). Aleo ampiana fa tamin’ ny taonjato faha-18 dia Frantsay no tena mpivaro-mandeha any amin’ ny morontsirak’ i Madagasikara, na dia mbola misy ihany aza ny Anglisy, ny Hôlandey ary Pôrtogey izay nitety azy io, saingy kely kokoa. Ny tena toerana fiantsonana sy fifanakalozam-bola dia ny helodranon' i Antongil, ny nosy Sainte-Marie (Nosy Boraha), i Foulpointe, i Tamatave, i Fenoarivo, i Mahambo ary i Mananara.

Teo anelanelan’ ny taonjato faha-16 sy faran’ ny taonjato faha-18, dia tsy nanorim-ponenana araka ny tokony ho izy ireo vahiny tonga teny amin’ ny morontsirak’ i Madagasikara ary tsy nanandrana niray amin' ny vahoaka tompon-tany, fa ny jiolahin-tsambo ihany no maningana.

Betsimisaraka 
Fasan-jiolahin-tsambo ao amin'ny Nosy Boraha

Teo anelanelan’ ireo taona 1680 sy ireo taona 1710, dia niorina teo amin’ ny morontsiraka atsinanan’ ny nosy any avaratra-atsinanana, eo anelanelan’ i Tamatave sy Vohémar, ny asan' ny jiolahin-tsambo, mamakivaky ny helodranon' i Antongil sy Foulpointe ary ny nosy Sainte-Marie (Nosy Boraha). Io toerana io dia nahafahan' ny jiolahin-tsambo nametraka paikady tsara mba hifehezana ireo sambo mandalo amin' ny lalana mankany India sy ho afaka haka ny zavatra ilainy dia be sy hijanona fotoana fohy. Amin' ny ankapobeny, nifandray tsara tamin' ny mponina teo an-toerana ireo jiolahin-tsambo na dia mazava ho azy fa nisy ady tombontsoa ka noho izany dia nisy fifandonana. Matetika izy ireo no niara-nipetraka tamin’ ny vehivavy malagasy izay niteraka tamin' izy ireo. Namorona vondronna vaovao teo anivon' ireo vondrom-piarahamonina malagasy hafa ireo safiotra ireo, antsoina hoe Malata na Zanamalata ("safiotra" na "taranaky ny safiotra").

I Hubert Deschamps ao amin' ny boky Histoire de Madagascar nivoaka tamin' ny taona 1972, dia mihevitra fa tsy tena nifandray tsara tamin' ny mponina teo an-toerana ny jiolahin-tsambo satria masiaka loatra sy nampiseho ny hareny loatra; tohanany io petra-kevitra io amin' ny fandravana sy fandrobana an' i Libertalia - ilay antsoina hoe governemanta repoblikana izay azo lazaina ho mampitovy zo, izay nipetrahan' ny jiolahin-tsambo sy ny Malagasy tao Diego-Suarez (Antsiranana). Amin' ny ankapobeny, ny mpikaroka dia mino fa ny jiolahin-tsambo dia nanana fifandraisana tsara tamin' ny mponina, toa an' i Filliot ao amin' ny boky La Traite des Esclaves vers les Mascareignes au Mascarene au xviiie navoaka tamin' ny taona 1974, i Guillaume Grandidier ao amin' ny boky Histoire physique, naturelle et politique de Madagascar, histoire politique et coloniale, vol V, t. III, fascicule 1, navoaka tamin' ny taona 1958, na i Yvette Sylla, tao amin' ny lahatsorany "Les malata : cohésion et disparité d'un groupe" nivoaka tao amin' ny Omaly sy Anio tamin' ny taona 1985-86, izay mihevitra ny mifanohitra amin' izany, ary manome azy ireo toerana manan-danja mihitsy aza eo amin' ny fiaraha-monina eo an-toerana. Nihavana tamin’ ireo mpifehy eo an-toerana ny jiolahin-tsambo izay nifampidinika tamin’ izy ireo ombieniombieny mba hahazo ny fangorahany sy ny mety ho fahasoavan’ izy ireo. Ny fanajan' ny jiolahin-tsambo ny ambaratonga sy ny fahefana henjana ary ny firaisan-kinana no ahafahana mahafantatra, araka ny nambaran’ i Yvette Sylla, ny hatsaram-panahin’ ny Malagasy amin’ izy ireo sy ny fahombiazan’ ny firaisankinany. Azo antoka fa nahay nanaja kokoa izy ireo raha mitaha amin' ireo mpandraharaha eorôpeana, satria tsy nitovy ny fomba fiasany hatrany am-boalohany, na ny tanjon’ ny fifampiraharahana tamin’ ny mponina. Ny jiolahin-tsambo dia liana tamim-pahatsorana kokoa tamin' ny Malagasy, niezaka nianatra ny fiteniny, ny fomba amam-panaony, nihinana toa azy, ary nifangaro tamin' izy ireo. Nanao fifanekena ara-panambadiana tamin’ ny mponina izy ireo, namorona fiaraha-miombona antoka tamin’ ireo lehibe eo an-toerana ary indraindray niditra an-tsehatra tamin’ ny fifandraisan’ ny samy mpiara-belona, ​​indraindray nifanohitra.

Ratsimilaho, mpanorina ny kônfederasiona Betsimisaraka, dia anisan’ ireo Malata ireo; ny rainy - Tom Tew araka an' i Guillaume Grandidier, izay nanao ny fikarohana tamin' ny faran' taonjato faha-19, ary i Thomas White, araka ny voalazan' i Eugène Mangalaza sy Filliot, mpikaroka tamin' ny taonjato faha-20 - dia jiolahin-tsambo avy amin' ny Anglisy; tamin' ny taona 1695 izy no nanambady an-dRahena, andriambavy Anteva avy amin’ ny fianakavian’ i Zafindramisoa, avy any Foulpointe; izy ireo dia nanan-janaka ny filohabe Ratsimilaho, izay nantsoina tamin' ny fotoana nanjakany hoe Ramaromanompo.

Ny jiolahin-tsambo

Betsimisaraka 
Fasan-jiolahin-tsambo ao amin'ny Nosy Boraha

Teo anelanelan’ ireo taona 1680 sy ireo taona 1710, dia niorina teo amin’ ny morontsiraka atsinanan’ ny nosy any avaratra-atsinanana, eo anelanelan’ i Tamatave sy Vohémar, ny asan' ny jiolahin-tsambo, mamakivaky ny helodranon' i Antongil sy Foulpointe ary ny nosy Sainte-Marie (Nosy Boraha). Io toerana io dia nahafahan' ny jiolahin-tsambo nametraka paikady tsara mba hifehezana ireo sambo mandalo amin' ny lalana mankany India sy ho afaka haka ny zavatra ilainy dia be sy hijanona fotoana fohy. Amin' ny ankapobeny, nifandray tsara tamin' ny mponina teo an-toerana ireo jiolahin-tsambo na dia mazava ho azy fa nisy ady tombontsoa ka noho izany dia nisy fifandonana. Matetika izy ireo no niara-nipetraka tamin’ ny vehivavy malagasy izay niteraka tamin' izy ireo. Namorona vondronna vaovao teo anivon' ireo vondrom-piarahamonina malagasy hafa ireo safiotra ireo, antsoina hoe Malata na Zanamalata ("safiotra " na "taranaky ny safiotra").

I Hubert Deschamps dia mihevitra fa tsy tena nifandray tsara tamin' ny mponina teo an-toerana ny jiolahin-tsambo satria masiaka loatra sy nampiseho ny hareny loatra; tohanany io petra-kevitra io amin' ny fandravana sy fandrobana an' i Libertalia - ilay antsoina hoe governemanta repoblikana azo lazaina ho mampitovy zo, izay nipetrahan' ny jiolahin-tsambo sy ny Malagasy tao Diego-Suarez (Antsiranana). Amin' ny ankapobeny, ny mpikaroka dia mino fa ny jiolahin-tsambo dia nanana fifandraisana tsara tamin' ny mponina, izay mihevitra ny mifanohitra amin' izany, ary manome azy ireo toerana manan-danja mihitsy aza eo amin' ny fiaraha-monina eo an-toerana . Nihavana tamin’ ireo mpifehy eo an-toerana ny jiolahin-tsambo izay nifampidinika tamin’ izy ireo ombieniombieny mba hahazo ny fangorahany sy ny mety ho fahasoavan' izy ireo. Ny fanajan' ny jiolahin-tsambo ny ambaratonga sy ny fahefana henjana ary ny firaisan-kinana no ahafahana mahafantatra ny hatsaram-panahin' ny Malagasy amin' izy ireo sy ny fahombiazan' ny firaisankinany. Azo antoka fa nahay nanaja kokoa izy ireo raha mitaha amin' ireo mpandraharaha eorôpeana, satria tsy nitovy ny fomba fiasany hatrany am-boalohany, na ny tanjon’ ny fifampiraharahana tamin’ ny mponina. Ny jiolahin-tsambo dia liana tamim-pahatsorana kokoa tamin' ny Malagasy, niezaka nianatra ny fiteniny, ny fomba amam-panaony, nihinana toa azy, ary nifangaro tamin' izy ireo. Nanao fifanekena ara-panambadiana tamin’ ny mponina izy ireo, namorona fiaraha-miombona antoka tamin’ ireo lehibe eo an-toerana ary indraindray niditra an-tsehatra tamin’ ny fifandraisan’ ny samy mpiara-belona, ​​indraindray nifanohitra.

Ratsimilaho, mpanorina ny kaônfederasiona Betsimisaraka, dia anisan’ ireo Malata ireo; ny rainy - Tom Tew (araka an' i Guillaume Grandidier, izay nanao ny fikarohana tamin' ny faran' taonjato faha-19) na i Thomas White (araka ny voalazan' i Eugène Mangalaza sy Filliot, mpikaroka tamin' ny taonjato faha-20) dia jiolahin-tsambo avy amin' ny Anglisy; tamin' ny taona 1695 izy no nanambady an-dRahena, andriambavy Anteva avy amin’ ny fianakavian’ i Zafindramisoa, avy any Foulpointe; izy ireo dia nanan-janaka ny filohabe Ratsimilaho, izay nantsoina tamin' ny fotoana nanjakany hoe Ramaromanompo.

Fandaminana ny fiarahamonina faha mpanjaka

Manodidina ny 72 000 km2 ny velaran-tanin' ny Betsimisaraka izay misy mponina manodidina ny 1,5 tapitrisa eo ho eo miparitaka amin’ ny renivohitra 15. Mipetrapetraka fa tsy mifindrafindra monina ny Betsimisaraka ary mpamboly sy mpanjono ny ankamaroany. Efa hatramin’ ny ela no nanaovan’ ny tantsaha ny tavy. Ny governora frantsay voalohan' ny Nosy tao Fort-Dauphin, Etienne de Flacourt (1648-1655) dia nanao ny fitantarana voalohany fantatra: Ny tavy, izay feno hevitra ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina, dia nofaritan' i Flacourt voalohany. "Mamboly vary eny an-tendrombohitra sy eny an-dohasaha izy ireo (Betsimisaraka), rehefa avy nokapaina ny ala ... rehefa may ireo hazo ireo, dia feno lavenona ny tany rehetra izay difotry ny ranonorana, ary nony afaka kelikely dia afafin' izy ireo ny vary".

Ny Betsimisaraka dia nalamina araka ny rafitra misy filoha antsoina hoe tanky, voazara avy any atsinanana ka hatrany andrefana ary ny mifamadika amin' izany. Mampiasa fahefana atao hoe vaky tany amin’ ny faritany voafetra teo aloha sy amin’ ny mponina monina ao izy ireo. Ny tanky dia mampivondrona tarika maromaro, atao hoe fehitry, mitambatra fasana lehibe atao hoe lônjobe. Ireo tarika ireo dia mety mizara ho zana-tarika maromaro antsoina hoe taranaka, tahaka ny fasana izay azo zaraina ho fasana faharoa atao hoe tranomanara - mamondrona olona eo anelanelan' ny 700 sy 1 500 izay ireo.

Isaky ny tany fehezin' ny filoha iray, ny tarika tsirairay dia samy milaza ny tenany ho tompin-tany na tompon-tany, izay miseho amin' ny alalan' ny fifanarahana ataon' ny samy iray tarika, ny vahoaka ao amin' ny fokontany sy ny manodidina azy. Izy ireo dia ampiharina amin' ny alalan' ny fady izay hajain' ny vondrona manontolo; fady ohatra ny miasa ny tany amin' ny andro talata. Ny tarika tsirairay dia arovan’ ny ody atao fiaro (vôlohazo), izay hazonin' ny filoha satria izy irery no nanao fifanarahana tamin’ ny "fanahin' ny lohasaha". Miseho amin' ny alalan' ny fanambaràna iombonana ataon' ny fitambaran' ny zokiolona (atao hoe lohandriana) sy amin' ny alalan' ny "fahefana ara-panahy azony avy amin' ny razana" ny fahefan’ny mpitondra. Tsapa mivaingana izany fanehoan-kevitra iombonana izany rehefa, ohatra, ny fanapahan-kevitra na ny zava-dehibe, ka ny filoha no mamory ny filankevitra (atao hoe jery).

Ny fanjakazakan' ny Merina

Ny Fanjakan' Imerina ao afovoan’ ny Nosy dia nivondrona sy nivelatra haingana hatramin’ ny faramparan’ ny taonjato faha-18. Tamin’ ny taona 1817, Radama I, mpanjakan’ ny Merina, dia nitarika miaramila miisa 25 000 avy tao Antananarivo mba haka an’ i Toamasina. Na dia tsy niray tsikombakomba aza i Jean René ary tsy nomena fampitandremana mialoha momba ny fanafihana ara-miaramila, rehefa tonga Radama dia tsy voaroaka ny Eorôpeana sy ny Zanamalata; Radama kosa dia niara-niasa tamin’ izy ireo mba hampandrosoana ny fifandraisana ara-diplômasia sy ara-toekarena amin’ ny Frantsay tahaka ny efa nataony nandritra ny folo taona lasa niaraka tamin’ ireo misionera britanika tany amin’ ny tanin’ ny Merina any amin’ ny faritra afovoan-tany. Voazanaka tsara ny faritra, ary nisy toby miaramila merina napetraka teny amin' ny seranana sy manerana ny tanin' ny Betsimisaraka. Nankahala ny fanjakazakan' ny Merina ny Betsimisaraka, ary noho ny tsy nahazoany fanampiana avy amin' ny Frantsay araka ny nantenainy, dia nikomy izy ireo tamin’ ny taona 1825 nefa tsy nahomby. Rehefa nitombo ny fahefan' ny Merina tao amin' ny fanjakan' ny Betsimisaraka teo aloha, dia maro ireo tantsaha teo an-toerana no nifindra monina tany amin' ny faritra ivelan' ny fari-panjakazakan' ny Merina na nitady asa tamin' ireo Eorôpeana mpanjanaka tany amin' ny toeram-pambolena izay mety hahazoany fiarovana.

Ny sisa tavela tamin' ny mpitondra tao amin' ny Betsimisaraka dia nesorina tamin' ny andron' ny mpanjakavavy merina Ranavalona I, izay nanome baiko ny andriandahy maro hiatrika ny fitsarana amin' ny alalan' ny finomana tangena mahafaty. Nandritra ny fotoana nanjakany dia voarara ny fanao ara-kolontsaina nifandray tamin' ny Eorôpeana, anisan' izany ny fivavahana kristiana sy ny zavamaneno tandrefana; tamin' ny farany dia noroahina hiala teto amin' ny Nosy ny Eorôpeana rehetra nandritra ny fotoana nanjakany.

Nesorin-dRadama II, zanaka lahin-dRanavalona I, ireo fameperana ireo ary nipoitra tsikelikely tao amin' ny tanin' ny Betsimisaraka indray ny fisian' ny Eorôpeana rehefa nanangana toeram-pambolena ho an' ny voly fanondranana toy ny lavanila, ny kafe, ny dite ary ny voaniho ny mpandraharaha frantsay.

Ny fitomboan' ny isan' ny mpanjanaka merina nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 sy ny Eorôpeana nanomboka tamin' ny taona 1860 dia niteraka fifaninanana amin' ny fampiasana ny seranan-tsambo mahazatra teo ambany fifehezan' ny Betsimisaraka, hany ka voarara tsy hivarotra ny mponina ao an-toerana mba hahazoan' ny Merina sy ny Eorôpeana tombony betsaka. Io teritery ara-toekarena mafy io, niampy ny fanompoana (asa tsy aloa vola ho solon' ny hetra), dia nampihena be ny firoboroboan’ ny mponina ao an-toerana, izay nanohitra tamin’ ny alalan' ny fandavana ny fambolena vary betsaka izay vao mainka hampanan-karena ny mpivarotra ivelany. Ny sasany kosa nandositra avy amin' ny tanàna nipetrahan' ny razambeny mba hialokaloka any anaty ala ka hipetraka ivelan' ny fahefan' ny Merina. Ny sasany tamin' izy ireo dia niforona ho andian-jiolahy nandroba ny mpivarotra merina teny amin' ny morontsiraka atsinanana ary nanafika tsindraindray nankany amin' ny tanin' ny Merina; nanafika tsindraindray koa ireo mpanjanaka merina, ny misiônera eorôpeana, ny tobin' ny governemanta ary ny trano fiangonana.

Faha fanjanahan-tany

Rehefa nanomboka nanjanaka an' i Madagasikara ny Frantsay tamin' ny taona 1896, ny fahafaham-pon' ny Betsimisaraka voalohany tamin' ny fianjeran' ny governemanta merina dia nivadika haingana ho tsy hafaliana tamin' ny fifehezan' ny Frantsay. Niteraka fikomiana teo amin' ny Betsimisaraka tamin' io taona io ihany izany, indrindra fa ireo jiolahy sy olon-dratsy hafa izay niaina ela araka ny lalàny tany amin' ny ala atsinanana; niitatra hatrany amin' ny Betsimisaraka maro ny hetsika, izay nanohitra mafy ny fitondrana frantsay tamin' ny taona 1895, hetsika izay nantsoina hoe Menalamba. Resy ihany izany ezaka izany. Taorian' ny nahazoan' ny Frantsay indray ny fifehezana dia nandray fepetra ny mpanjana-tany mba hamahàna ny voka-dratsin' ny fanandevozana ny Betsimisaraka nataon' ny Fanjakana Merina, ka nampitombo ny fahafahana miditra amin' ny fanabeazana fototra ary koa ny fahafahana mikarama eny amin' ny toeram-pambolena, fa matetika any amin' ny tanin' ny Betsimisaraka taloha izay nalain' ny Frantsay an-keriny tamin' ny mponina teo an-toerana izay noroahana handao ny taniny ho an' ny mpanjana-tany.

Tamin' ny taona 1947 dia nisy fikomiana nanerana ny firenena nanohitra ny fanjanahantany frantsay tao Moramanga, tanàna ao amin' ny faritanin' ny Bezanozano mifanila amin' ny Betsimisaraka. Nandritra izany fifanandrenana izany dia niady tamin' ny miaramila frantsay sy senegaley ny Betsimisaraka tia tanindrazana mba haka indray ny fifehezana ny seranan-tsambon' i Toamasina, nefa tsy nahomby izany. Ireo mpiady sy sivily betsimisaraka dia niharam-pahavoazana be sady niharan' ny fanitsakitsahana ny zon' olombelona ratsy indrindra, anisan' izany ny famonoana tamin' ny alalan' ny fanipazana velona avy any anaty fiaramanidina.

Taorian' ny nahazoana ny fahaleovan-tena

Nahazo fahaleovantena i Madagasikara tamin' ny taona 1960. Nitondra ny firenana nandritra ny Repoblika faharoa (1975-1992) ny Amiraly Didier Ratsiraka, izay avy amin' ny foko betsimisaraka. Voafidy ho filoham-pirenena tamin' ny fomba demôkratika izy ary nitondra ny firenena indray tamin' ny taona 1995 ka hatramin' ny 2001 nandritra ny Repoblika fahatelo talohan' ny nanesoran' ny mpanara-dia an' i Marc Ravalomanana azy teo amin' ny fitondrana taorian' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2001. Mbola olo-malaza ara-pôlitika sy mahabe resaka eto Madagasikara izy. Anisan' ny olo-malaza ara-pôlitika ihany koa ny zanak' anabavin-dRatsiraka, atao hoe Roland Ratsiraka, izay nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ary ben' ny tanànan' i Toamasina.

Fiarahamonina

Mihodina manaraka ny taom-pambolena ny fiainam-piarahamonina betsimisaraka, ka ny fanomanana ny saha manomboka amin' ny volana Oktobra, ny fijinjana ny vary amin' ny volana Mey, ary ny ririnina amin' ny volana Jona ka hatramin' ny Septambra natokana ho an' ny fanompoam-pivavahana amin' ny razana sy ireo fomba amam-panao lehibe hafa.

Misy ny fisarahan' ny lahy sy ny vavy eo amin' ny Betsimisaraka. Rehefa mandeha an-tongotra miaraka amin' ny vondron' olona mifangaro lahy sy vavy, dia voarara ny vehivavy mandeha eo anoloan' ny lehilahy. Ny vehivavy rahateo no mpitondra entana, ka ny maivana lolohaviny fa ny mavesatra kosa babeny; raha misy vehivavy manatrika dia heverina ho mampihomehy ny lehilahy mitondra entana. Rehefa misakafo dia mampiasa sotro tokana ny lehilahy mba hamenoana ny loviany avy amin' ny vilia baolina iombonana sy hihinanana ny sakafo eo amin' ny loviany, fa ny vehivavy kosa dia tsy maintsy mampiasa sotro roa misaraka ka ny iray hamenoana ny loviany ary ny iray hafa hihinanany. Amin’ ny ankapobeny dia ny lehilahy no tompon’ andraikitra amin’ ny fikarakarana ny tanimbary, ny fitadiavana sakafo, ny fanangonana kitay sy ny fanamboarana ny trano sy ny fanaka ho an' ny fianakaviana, ary mifanakalo sy miady hevitra momba ny raharaha mpmba ny fiainam-bahoaka. Ny andraikitry ny vehivavy dia ny fambolena, ny famafazana tanimbary sy ny fijinjana sy ny fanodinana ny vary, ny fanondrahana rano, ny fandrehetana afo sy ny fandrahoana sakafo isan' andro ary ny fanenomana. Miely patrana amin' ny Betsimisaraka ny fanompoana tromba; na lahy na vavy dia samy itoeran' ny tromba sy mpanatrika amin' izany.

Fivavahana

Ny fombam-pivavahana sy ny fomba amam-panao dia tarihin' ny tangalamena. Ny Betsimisaraka dia mino ny fisian' ny hery tsy hita maso ao amin' ny zavaboary isan-karazany, anisan' izany ny angatra, ny zazavavindrano (zazavavy an-drano) ary ny kalanoro.

Nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 ny ezaka natao ho hahatonga Kristianina ny mponina ao an-toerana, saingy tsy nahomby izany tamin' ny voalohany. Nandritra ny vanim-potoanan' ny fanjanahantany dia nitombo ny fitaoman' ny kristianisma teo amin' ny mponina teo an-toerana. Ny fampifanarahana ny finoana kristianina sy teratany dia nahatonga ny hevitra manao ny Masoandro (na ny Volana) no toerana voalohany nisy ny Saha Edena.

Kolontsaina

Na dia misy aza ny tsy fitoviana eo amin' ny Betsimisaraka avaratra sy ny Betsimisaraka atsimo, dia mitovy ny lafiny lehibe amin' ny kolontsainy. Anisan' ny fanao lehibe eo amin' ny Betsimisaraka ny sambatra (famorana), ny folanaka (ny fahaterahan' ny zaza fahafolo), ny sorona omby ho an' ny razana, ary ny fankalazana ny fitokanana trano vao vita. Ny fanambadiana, ny fahafatesana, ny fahaterahana, ny taom-baovao ary ny fetin' ny fahaleovantena dia ankalazain' ny rehetra.

Ny rofia no akora fototra amin' ny fanamboarana ny akanjo nentim-paharazana fanaon' ny Betsimisaraka. Ny ravin-drofia dia saratsarahina mba hahazoana ny tsiraka, izay ampifanohizan-tendro mba ho lasa kofehy azo tenomina ho lasa lamba. Tao anatin' ireo vahoaka samihafa nivondrona tao amin' ny Kônfederasiôna Betsimisaraka, dia nanao karazana zipo fohy (atao hoe simbo) ny vehivavy, matetika misy akanjo ambony, fa ny lehilahy kosa nanao akanjo lava. Ny fitafy rofia nentim-paharazana dia mbola anaovan' ny Betsimisaraka sasany ankehitriny.

Ny Betsimisaraka dia manaja ny gidro ary mitantara angano maromaro izay nahatonga ny gidro hanampy ireo olo-malaza betsimisaraka.Araka ny fitantarana iray dia nisy gidro iray nanavotra ny ain' ny razambe betsimisaraka tamin' ny loza. Ao amin' ny tantara iray hafa, nisy andiana Betsimisaraka nitady fialofana tany anaty ala mba tsy ho azon' ny fahavalo mpandroba. Nanaraka azy ireo tany anaty ala ny fahavalony, nanara-dia an' ireo Betsimisaraka tamin' izay amin' ny alalan' izay heveriny ho feon' izy ireo. Rehefa tonga tany amin' ny loharano nipoiran' ny feo izy ireo dia nahita andiana gidro miendrika matoatoa, ary noho ny finoana fa niova ho biby tamin' ny hery miafina ny Betsimisaraka, dia nandositra amin-tahotra izy ireo. Ny fanahin' ny razambe betsimisaraka dia heverina fa mitoetra ao anatin' ny vatan' ny gidro. Noho izany, amin' ny ankapobeny dia fady amin' ny Betsimisaraka ny mamono na mihinana gidro, ary tsy maintsy manafaka ny gidro voafandrika sy mandevina ny gidro maty miaraka amin' ny fombafomba mitovy amin' ny fanao amin' ny olona.

Ny voay koa dia hanajaina sy atahorana. Eo amin' ny moron-drenirano izay fantatra fa fivorian' izy ireo, dia matetika anipazan' ny Betsimisaraka vodihena, gisa manontolo sy fanatitra hafa isan' andro. Matetika no iravahana na atsipy ao anaty rano ny ody fiaro amin' ny voay, any amin' ny toerana ivorian' ireo biby ireo. Mazàna no inoana fa mifandray akaiky amin' ny voay ny mpamosavy, ka afaka mandidy azy ireo hamono olona sy afaka mandehandeha eo anivon' izy ireo nefa tsy misy mandramatra. Ny Betsimisaraka dia mino fa ny mpamosavy dia mampitony ny voay amin' ny famahanana azy ireo vary amin' ny alina, ary misy ireo voampanga ho mitondra mandehahandeha ny voay mamakivaky ny tanàna amin' ny misasak' alina na manambady voay koa aza, izay andevozin' izy ireo hanao ny sitrapony avy eo.

Fady

Amin' ny Betsimisaraka sasany dia fady ny amin' ny mpianadahy sy mpianabavy ny mifampikasika tanana. Fady amin' ny tovolahy ny manao kapa raha mbola velona ny rainy. Amin' ny Betsimisaraka maro dia masina ny amalona. Fady ny mikasika sy ny manjono ary ny mihinana amalona. Na dia maro amin' ireo foko malagasy amorontsiraka aza no fady kisoa, dia tsy fahita amin' ny ankamaroan' ny Betsimisaraka izany fady izany, ka matetika izy ireo no miompy kisoa ao an-tanànany.

Fady sy fombafomba sarotra no mifandray amin' ny fiterahan' ny vehivavy voalohany. Rehefa akaiky hiteraka izy dia mitoka-monina ao amin' ny trano fiterahana manokana atao hoe komby. Tehirizina ao anaty fitoeran-javatra manokana mandritra ny fito andro ny ravina nohaniny sy ny zavatra avy amin' ny zaza vao teraka, ka dorana. Ny lavenona avy amin' izany dia kosehina amin’ ny handrina sy ny takolaky ny reny sy ny zaza ary tsy maintsy atao mandritra ny fito andro. Amin' ny andro fahadimy ambin' ny folo dia samy ampandroina amin' ny rano izay nolaroana sokay na nasiana ravina voasarimakirana. Ity fombafomba ity dia antsoina hoe ranom-boahangy. Miangona hisotro toaka sy hifety amin' ny ady totohondry ny vahoaka, ​​nefa tsy maintsy mijanona ao anaty komby ilay renim-pianakaviana. Tsy mahazo mihinana afa-tsy ny anana saonjo sy akoho nomanina manokana ho azy izy. Aorian' io fankalazana io dia tsy maintsy miala avy ao amin' ny komby izy ary afaka miverina amin' ny fiainana mahazatra andavanandro.

Ao amin' ny Betsimisaraka, toy ny foko malagasy maro hafa, dia misy ny fady amin' ny fanononana ny anaran' ny lehibe aorian' ny fahafatesany na ny teny rehetra mandrafitra ilay anarana. Omena anarana vaovao aorian' ny fahafatesana ilay mpitarika nodimandry, izay tsy maintsy nampiasain' ny rehetra, ary nofantenana ireo teny mitovy hevitra amin' izany mba hanoloana ny teny mandrafitra ny anarany mba hampiasaina amin' ny resaka andavanandro; izay rehetra manonona ireo teny voarara ireo dia sazina mafy na vonoina amin' ny tranga sasany.

Fombafomba fandevenana

Ny Betsimisaraka sasany, indrindra ireo monina manodidina an' i Maroantsetra, dia manao ny lanonana famadihana, na dia amin' ny endrika tsotra kokoa noho ny any amin' ny faritra afovoan-tany aza. Any amin’ ny faritra atsimo amin' ny Betsimisaraka ihany no misy vatam-paty apetraka any am-pasana; any avaratra dia apetraka ao ambanin' ny fialofana ao ivelany ny vatam-paty. Amin' ny fisaonana, ny vehivavy dia manala ny volony ary mitsahatra tsy manao akanjo, fa ny lehilahy kosa tsy manao satroka intsony; matetika maharitra roa na efa-bolana ny fisaonana, arakaraka ny fifandraisan' ny mpisaona amin' ny maty.

Dihy sy mozika

Ny karazana mozika fandihizana an-danonana mifandray akaiky indrindra amin' ny tromba eo amin' ny Betsimisaraka dia ny basesa izay atao amin' ny angorodao. Ny basesa nentim-paharazana natao ho an' ny lanonana tromba dia mampiasa kaiamba mba hanamafisana ny gadona; ventesina amin' ny fitenim-paritra betsimisaraka hatrany ny tononkira. Ny dihy miaraka dia atao amin' ny sandry manakambina ny vatana sy amin' ny fanetsehana ny tongotra. Ny basesa amin' izao fotoana izao, izay malaza manerana ny Nosy, dia atao amin' ny alàlan' ny amponga maro anaka môderina sy gitara elektrika ary gitara baso miaraka amin' ny kitendry na angorodao, ary ny fomba fandihy mifandraika amin' izany dia niantraikàn' ny sega avy amin' ny nosy La Réunion sy kwassa kwassa avy ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Karazana mozika lehibe iray hafa manokana amin' ny faritra dia ny valsa, izay fandikana malagasy ny valse nentin-drazan' ireo tantsambo eorôpeana natao tamin' ny angorodao; tsy atao mandritra ny lanonana tromba mihitsy ity karazana mozika ity.

Fiteny

Ny Betsimisaraka dia miteny fitenim-paritra maromaro izay endriky ny fiteny malagasy, avy amin' ny fiteny baritô (tenenina any amin' ny tapany atsimon' i Bôrneô), sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana, izay mizara ho fiteny betsimisaraka avaratra sy fiteny betsimisaraka atsimo.

Fiharian-karena ankehitriny

Betsimisaraka 
Tran' akoho sy trano fitoeram-bary betsimisaraka

Ny toekaren' ny Betsimisaraka dia mbola miompana amin' ny sehatry ny fambolena ihany, ary betsaka ny mamboly lavanila sy vary. Matetika koa no ambolena ny mangahazo, ny vomanga, ny tsaramaso, ny saonjo, ny voanjo ary ny anana isan-karazany. Volena any koa ny fary, ny kafe, ny akondro, ny mananasy, ny zavoka, ny soanambo (na tsirapay), ny manga, ny voasary ary ny litisia.

Tsy ompiana betsaka any ny omby; matetika kokoa ny Betsimisaraka no mihaza sy mivarotra fozan-dranomamy sy makamba ary trondro, sokina madinika, ary bibikely isan-karazany eo an-toerana, hazainy koa ny lambo sy ny vorona any anaty ala.

Ny Betsimisaraka koa dia mamokatra sy mivarotra betsa (vita amin' ny fary) sy toaka. Mijanona ho asa fihariana lehibe ny famokarana zava-manitra ho an' ny fandrahoan-tsakafo sy hanaovana ranomanitra, ka ao Fenoarivo Atsinanana ny famokarana izany. Trandrahina ao amin' ny faritra misy ny Betsimisaraka koa ny volamena sy ny grenà ary vatosoa hafa koa sady aondrana avy ao.

Jereo koa

Ny foko eto Madagasikara

Ny vahoaka hafa eto Madagasikara

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

  • Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. ISBN 978-1-84162-197-5.
  • Condra, Jill (2013). Encyclopedia of National Dress: Traditional Clothing Around the World. Los Angeles: ABC Clio. ISBN 978-0-313-37637-5.
  • Edward A. Alpers, "Madagascar and Mozambique in the nineteenth century: the erce of Sakalava raids (1800-1820)", in Omaly sy anio, 5-6, 1977, p. 37–53
  • Ellis Stephen Randrianja Solofo, Madagascar. A short history, London, Hurst & Company, 2009
  • Ellis, Stephen (2014). The Rising of the Red Shawls. Cambridge, MA: Cambridge University Press. ISBN 9781107634893.
  • Emoff, Ron (2002). Recollecting from the Past: Musical Practice and Spirit Possession on the East Coast of Madagascar. Middletown, CT: Wesleyan University Press. ISBN 9780819565006.
  • Étienne de Flacourt, Histoire de la grande isle de Madagascar, Karthala, Paris, 1995, 655 p.
  • Eugène Régis Mangalaza, Vie et mort chez les Betsimisaraka de Madagascar : essai d'anthropologie philosophique, L'Harmattan, 1998, 331 p. (ISBN 9782738473035)
  • Gennep, A.V. (1904). Tabou Et Totémisme à Madagascar. Paris: Ernest Leroux. ISBN 978-5-87839-721-6.
  • Guillaume Grandidier, Histoire physique, naturelle et politique de Madagascar. Histoire politique et coloniale, vol V, t.3, fasc 1, Tananarive, 1958, par A. et G. Grandidier.
  • Hubert Deschamps, Histoire de Madagascar, Mondes d'Outre-Mer. Histoire, Berger-Levrault, Paris, 1972, 358 p.
  • Hubert Deschamps, Les pirates à Madagascar, Berger Levrault, Paris, 221 p.
  • Ignace Rakoto, La Route des esclaves. Système servile et traite dans l'Est malgache, Paris, Harmattan, 2000
  • Jean-Michel Filliot, La Traite des esclaves vers les Mascareignes au xviiie siècle, ORSTOM, Paris, 1974, p. 273.
  • Nielssen, Hilde (2011). Ritual Imagination: A Study of Tromba Possession Among the Betsimisaraka in Eastern Madagascar. Leiden, The Netherlands: Brill. ISBN 9789004215245.
  • Ogot, Bethwell A. (1992). Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century. Paris: UNESCO. ISBN 9789231017117.
  • Olga Razanatsoazaka, L'Éducation en pays Betsimisaraka, université de Paris-5, 1986, 201 p. (thèse de 3e cycle)
  • Shoup, John (2001). Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia. New York: ABC-CLIO. ISBN 9781598843620.
  • UNESCO, Histoire générale de l'Afrique, vol. 3 (viie – xie siècles), 4 (xiie – xvie siècles) et 5 (xvie – xviiie siècles).
  • Yvette Sylla, "Les malata : cohésion et disparité d'un groupe", in Omaly sy Anio, 1985-86.
  • Yvette Sylla, L'Expérience catholique en terre Betsimisaraka (1933-1950) : les débuts de l'implantation montfortaine, université de Paris-1, 1985, 384 p. (thèse de 3e cycle)

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Betsimisaraka Ny maha izy azy ny Betsimisaraka TantaraBetsimisaraka FiarahamoninaBetsimisaraka KolontsainaBetsimisaraka FitenyBetsimisaraka Fiharian-karena ankehitrinyBetsimisaraka Jereo koaBetsimisaraka Boky azo anovozan-kevitraBetsimisaraka Loharano sy fanamarihanaBetsimisarakaAntalahaFoko eto MadagasikaraMananjarySakalavaSambava

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Foko eto MadagasikaraJari LitmanenTorontoFilôzôfiaMpampiankinaLouisianaEorôpaKanaana (zanak' i Nôa)AndriamandisoarivoRenyRasoherinaVohitr' andrianaKahiraZanak' AndriamanitraAlahamadibeLeBron JamesAlakaraboFiteny betsileoEvekaBill RussellAndrianampoinimerinaAfrikana-AmerikanaBaiboly1990HITA (orinasa)AndrianamboniarivoIsa haroSiansaFokon' i IsraelyTanyFilazantsara araka an' i LiokaKapveraOlombelonaMazdeismaBetsiboka (renirano)WordPressFlorent BezaraISO 3166-1Fitodika mpifanaoHasina (zavamaniry)Mpizara tosikaSodànaBronchioliteTestamenta VaovaoZanaka' Andriamanitra (maro)SakalavaWout HolverdaSôdômaJared CohonAllahMpampiankina fehezankevitraFaritany eto MadagasikaraNina HartleyFitenim-paritra malagasySalamo faha-82Fiangonana Batista Biblika eto MadagasikaraBrennilisOkrainaZanak' i IsraelyEspainaFaritra eto MadagasikaraKônsily Vatikàna IIVanimpotoana Fiavian'ny Tompo (katolika)Sola ScripturaTorkiaJeôgrafian' i MadagasikaraFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraDisney🡆 More