Ny Tany (marika: ) dia ny planeta fahatelo raha ny elanelany amin' ny Masoandro no heverina ary izy irery ankehitriny no fantatra fa onenan-java-miaina eo amboniny.
Ny tany dia niforona tamin' ny 4,5 lavitrisa taona lasa; anisan' ny planeta vato eto amin' ny Rafitry ny Masoandro izy io. Ny telo hafa dia i Merkiora sy i Venosy ary i Marsa.
Mampihodina ny Tany amin' ny Masoandro ny lanja lehiben' ny Masoandro, tahaka ny lanja lehiben' ny Tany mampihodina ny Volana manodidina azy. Ny isan' ny andro ihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro dia 365,25 andro eo ho eo. Izay no antsoina hoe herintaona. Ny isan' ny andro ihodinan' ny Volana manodidina ny Tany dia 27,33 andro. Izay no niavian' ny hoe volana anondroana fotoana.
Ny Tany no planeta tena ahitana rano mikoriana eto amin' ny Rafitry ny Masoandro, ary 71 % amin' ny velarany manontolo no misy izany. Izay koa no iantsoana ny Tany ho "planeta manga".
Eto amin' ny Tany dia ahitana karazana zava-miaina eo amin' ny 14 tapitrisa eo ho eo. Eo amboniny no tena iainan' ny ankamaroan' izy ireo, ary misy ihany koa ireo karazan-java-miaina miaina any ambanin' ny tany. Niova be mihitsy ny zava-miaina teto an-tany. Ohatra, tany am-boalohany, ny sianôbakteria dia nanova ny soson-drivotra iainana ary nanome ôksizenina.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tany, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.