Malagasy Fady

Ny fady na faly, eo amin' ny kolontsaina malagasy, dia ireo zavatra raràna tsy azo tanterahina araka ny fepetra napetraky ny fomba amam-panao.

Mety hisy fady momba azy ny olona na ny toerana na ny asa atao na ny zavatra iray, ka miovaova isam-paritra eto Madagasikara izany. Araka ny finoana dia vokatry ny hery tsy hita maso sady mifandray amin' ny fivavahana amin' ny razana ny fady. Na dia misy ny fady iraisan' ny Malagasy rehetra dia misy ny fady tsy mahakasika afa-tsy faritra na tanàna na fianakaviana sasany ihany. Isan' ny maha malagasy ny Malagasy ny fananana fady sady mandray anjara amin' ny fiforonan' ny fiarahamonina sy ny maha izy ny tena. Ny fady fahita matetika dia momba ny fonondroana amin' ny fanondro ny fasana, ny fihinanan' ny vehivavy bevohoka amalona.

Misy fady mipoitra hatrany hatrany. Rehefa misy zavatra vaovao atomboka dia tsy maitsy manao joro (fanatitra) mba hanalana ny fady. Izay manota fady dia heverina ho maloto sy manohintohina ny filaminana ara-panahin' ny fiarahamonina, na tanteraka ny fanotam-pady na tsy tanteraka. Ny vahiny avy any ivelan' i Madagasikara dia asaina koa mba hanaja ny fady isan-toerana sady hanova ny fitondrany ny fiainany hifanaraka amin' izany.

Hita taratra amin' ny lafin-javatra momba ny kolontsaina malagasy ny fady. Izany no andrenasana ny Malagasy manao hoe "aza fady".

Ny mpanoratra sasany milaza fa ny fady dia mitovy amin' ny zavatra andraràna nefa tsy voasoratra ao amin' ny kolontsaina tandrefana, izay miteraka tsy firaharahan' ny fiarahamonina ilay mpandika lalàna.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe fady na faly dia avy amin' ny teny daiàka (fiteny aostroneziana) hoe pali.

Karazana fady

  • Fady momba ny fifandraisan' ny olona samy olona
  • Fady momba ny sakafo
  • Fady momba ny fotoana
  • Fady momba ny toerana
  • Fady momba ny fiharian-karena
  • Fady arakaraka ny sokajin' olona

Jereo koa

Lohahevitra momba ny finoan' ny Ntaolo malagasy

Fady isam-poko

Loharano

Tags:

Malagasy Fady Fiforonan-tenyMalagasy Fady Karazana fadyMalagasy Fady Jereo koaMalagasy Fady LoharanoMalagasy FadyAmalonaFivavahana amin' ny razanaKolontsaina malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Wellington PointItaliaFatranaBareinaPort-au-PrinceAlakaraboFiteny tamilyFaritanin' i MahajangaMediaWikiAntefasyRazana (finoana malagasy)Epikan' i GilgamesaFanekem-pinoana nikeana13 desambra 1991Fiangonana Loterana MalagasyNizeriaFizaràn-taonaMarshall LeffertsBokin' i EzekielaFanonganam-panjakanaBokin' i HenôkaBayer 04 LeverkusenBokin' ny MakabeoAnjelyAbidy araboAmerikaFehezantenyBezanozanoEvanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloFitsipi-pitenenanaDistrikan'i FianarantsoaTodyWashington D.C.Fiteny anglisyDokuWikiFiraisana ara-nofoRazafinimanjaka RaketakaRGoavyAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaJean-Joseph RabeariveloWikipediaFiteny sakalavaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Conteville-lès-BoulogneEndrika araka anjara asaFanatontoloanaLalan-jazaJFaritra eto MadagasikaraRirininaToetanin-jana-pehin-tanyAlahamadyRalamboRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)GovernemantaAndevo (teto Madagasikara)Baiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraBoky fahadimin' ny MakabeoRioTokyoTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaBaiboly amin' ny teny malagasyEvanjelin' ny Roa ambin' ny foloBoky faharoan' i HenôkaHaikyuAdimizanaFiainana aorian' ny fahafatesanaFiteny kôreaninaFoko folo veryTsinyKabary famangianaMandravasarotraNew York🡆 More