Jiosy Malagasy

Ny Jiosy malagasy na Jody malagasy dia ireo Malagasy mihevitra fa manam-piaviana jiosy (na jody) ka manandratra izany bebe kokoa noho ny fiaviany hafa na mandà tanteraka ny fananany fiaviana hafa tsy jiosy (Jiosy na Jody ara-pirazanana) an-daniny, sy ireo Malagasy niova finoana ho amin' ny jodaisma (Jiosy na Jody ara-pivavahana) an-kilany.

Maro tokoa ny Malagasy lazaina fa manam-piaviana jiosy.

Jiosy malagasy ara-pirazanana

Fanamarinana ny fisian' ny Jiosy malagasy

Zavatra isan-karazany no entin' ny mpomba izany hevitra izany manohana ny fanambaràna ny maha Jiosy ny Malagasy sasany na ny ankamaroan' ny Malagasy. Betsaka amin' izany ny porofo miorina amin' ny filazana fa misy fitoviany ny zavatra sasany momba ny Malagasy sy ny Jiosy:

  • ny voambolana malagasy sy ny voambolana hebreo,
  • ny kolontsaina malagasy sy ny an' ny Jiosy,
  • ny lovantsofina momba ny fiavian' ny foko sasany eto Madagasikara na ny fianakaviana sasany,
  • andalan-tsoratra na singan-teny ao amin' ny Baiboly heverin' ny teôlôjiana malagasy sasany fa miteny mivantana na ankolaka ny fahafantaran' ny Hebreo na ny Jiosy tany aloha an' i Madagasikara ,
  • ny fitantarana fahitana vato sy zavatra hafa heverina fa voasoratra amin' ny litera hebreo.
  • ny fisian' ny lovantsofina milaza fa misy Malagasy manam-piaviana jiosy.

Olana momba ny fanamarinana

Na dia azo heverina ho marina fa misy manam-piaviana jiosy ny Malagasy, noho ny fifaneraseran' ny mponina eran' izao tontolo izao hatramin' ny Andro Taloha na talohan' izany aza, dia betsaka ny olana ara-tantara, ara-kolontsaina, ara-pivavahana, ara-piteny sns izay mahasarotra raisina avy hatrany ny porofo anohanana ny maha Jiosy na Hebreo ny razan' ny Malagasty sasany na ny Malagasy rehetra. Anisan' ireo:

  • ny tsy nahalalan' ny Malagasy ny teny hoe יְהוּדִים / Yehudim ("Jiosy" na "Jody") sy עברים /'ʿIvrim ("Hebreo" na "Hebrio") izany talohan' ny nahatongavan' ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Marihina fa ny Arabo dia manao ny Jiosy hoe يهود / Yahudi sy ny Hebreo hoe عبرانيون / Ibrani;nefa tsy hita taratra ao amin' ny fiteny malagasy izany.
  • ny tsy fahafantarana tamin' ny vanimpotoan' ny tantaran' ny Malagasy ny sinagôga sy ny Sabata izay anisan' ny fototra eo amin' ny kolontsaina jiosy;
  • ny fanompoana sampy tafahoatra tamin' ny vanimpotoana faha mpanjaka izay tsy nisy fihenany raha tsy taorian' ny nidiran' ny finoana kristiana teto Madagasikara, nefa misy milaza fa nenjehina noho ny fifikirany tamin' ny fivavahany ny Jiosy sasany na izy rehetra izay nifindra monina aty Madagasikara;
  • ny tsy fifanandrifiana ara-potoana misy eo amin' ny lovantsofim-piaviam-poko sy ny tantara iarahan' ny mpahay tantara manaiky momba ny tontolo jiosy (sy semita, amin' ny ankapobeny);
  • ny fifanoheran' ny porofo aroson' ny antokon' olona samy hafa izay samy milaza ny tenany fa Jiosy,
  • ireo lovantsofina sy tantaran-drazana izay tokony ho raisina amim-pandanjalanjana noho izy ireo mifangaro angano na fedrà.

Ny foko malagasy lazaina fa manam-piaviana jiosy

Ireto ireo foko eto Madagasikara ahitana olona lazaina fa manam-piaviana jiosy:

Jiosy malagasy ara-pivavahana

Jiosy ara-pivavahana

Amin' izao fotoana izao dia misy ny Malagasy izay tsy azo iadian-kevitra ny maha Jiosy azy amin' ny alalan' ny fiovana finoana ho amin' ny fivavahana jiosy. Tsy ny fananana razambe na ray aman-dreny jiosy ihany fa ny fiovana ho amin' ny jodaisma dia ampy haha Jiosy ny olona iray araka ny lalçna israeliana. Io fepetra io no mampalalaka ny fitomboan' ny isan' ny Jiosy malagasy ara-pivavahana. Nanomboka tamin' ny taona 2010 no tena nahafantarana ny fisian' ny Malagasy manaraka ny jodaisma. Ny maro amin' izy ireo anefa dia ao amin' ny ny jodaisma mesianika , izay tsy eken' ny Jiosy any Israely ho firehan' ny jodaisma sady sokajîn' ny mpahay tantaran' ny fivavahana ho ao amin' ny kristianisma. Vao tamin' ny 2016 no nisy Malagasy noraisina ho amin' ny jodaisma mahazatra sady eken' ny Jiosy.

Jodaisma eto Madagasikara

Ny jodaisma eto Madagasikara dia fantara amin' ny fomba ôfisialy ny fisiany tamin' ny taona 2016. Amin' izao fotoana izao dia mitombo isa ny Malagasy miova finoana ho amin' ny fivavahana jiosy . Nanomboka tamin' ny taompolo 2010 no tena nahafantarana ny fisian' ny Malagasy heverina fa manaraka ny jodaisma. Ny maro amin' izy ireo anefa dia ao amin' ny ny jodaisma mesianika , izay tsy eken' ny Jiosy ho firehan' ny jodaisma. Ny mpikambana amin' ireo fikambanana ireo dia nifandray tamin' ny Kulanu any New York, Etazonia. Vao tamin' ny 2016 no nisy Malagasy noraisina ho amin' ny jodaisma araka ny fomba jiosy mahazatra, niseho eo anatrehan' ny vondrona raby tao amin' ny trano fandraisam-bahiny Le Pave ao Antananarivo, sady nasaina nilona amin' ny renirano mba hadio ara-pivavahana . Raby telo avy amin' ny jodaisma ôrtôdoksa no nitarika izany. Manakaiky kokoa ny Jiosy sefarada ireo Malagasy nisafidy hanaraka ny jodaisma rabinika ireo.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Jiosy Malagasy Jiosy malagasy ara-pirazananaJiosy Malagasy Jiosy malagasy ara-pivavahanaJiosy Malagasy Jereo koaJiosy Malagasy Loharano sy fanamarihanaJiosy MalagasyJiosyJodaismaMalagasy (vahoaka)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Apôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyMWellington PointTsinyTwitterRioAlemainaEorôpaTantaran' ny kristianismaRavinalaFanambaràna ny hevitry ny nofyFiteny anglisyTodyTestamenta Taloha1200Asan' ny ApôstôlyZairaAveloAlohotsyRepoblika MalagasyAntananarivoRTovona (fitsipiteny)Radama VoalohanySilamoAndriamanitra (ankapobeny)Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Fitsarana faranyBokin' ny MakabeoFiteny antandroyFahaterahanaSilamo eto MadagasikaraJeôgrafian' i MadagasikaraEndrika araka anjara asaAbidy araboJodaismaAndriamanitra (tokana)Miora Andrialalaina FlorlysFehezantenyOniversiteRangitaKolontsainaKolontsaina malagasy(28353) ChrisnielsenHovaMenalambaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraAntalaotraFiteny tsovasaLalànaFamoranaAndriamasinavalonaShanghaiWikimaniaApôkalipsy faharoan' i JakôbaBaskin-RobbinsSiliaNatalie PortmanVolaIndiaFahefana mpanatanterakaThe Coca-Cola CompanyFacebookWuhanNew YorkBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraBède le VénérableTontolo iainanaTokyoKabaryISO 3166-1🡆 More