Famadihana

Isan'ny fomban-drazana iray mampiavaka ny Malagasy ny famadihana, izay antsoina koa hoe famonosan-damba.

Ny famadihana dia fety atokan'ny Malagasy hahatsiarovana ireo efa maty. Anehoana ny fifandraisana mbola misy eo amin'ny velona sy ny maty izy, izany hoe anehoana ny fanajàna sy fanomezana hasina ny razana. Atao amin'izany ihany koa ny fangataham-pitahiana amin'ny razana. Tsy vitan'ny hoe hahatsiarovana izy io, fa indrindra ahazoana miverina mikasika ireo efa maty. Fotoana ahazoan'ny fianakaviana mifankahita koa izy io.

Famadihana
Famadihana

Ny fomba atao mandritra ny famadihana

Fomba fikarakarana ny razana

Betsaka ny fomba atao mandritra io famadihana io:

  • famerenana ny famonosana ireo maty, izany hoe averina fonosina lambamena izy ireo
  • fampidirana anaty fasana ireo faty nalevina anirotra (ny zazakely ohatra, satria raha zaza no maty dia tsy sokafana ny fasana fa alevina anirotra, izany hoe eo akaikin'ny fasana).

Fanatanterahana ny lanonana

Mampiavaka ny famadihana dia ny fisian'ny ny mozika, ny sakafo, ny kaho-drazana ary ny fihaingona.

Ny mozika

Matetika dia manakarama mpanao mozika mihitsy ny tompon-draharaha mba hampandihizana ny olona

Ny sakafo

Asaina ny mpiray tanana sy ny manodidona rehetra amin'ny sakafo. Any amin'ny toerana sasany dia antsoina mihitsy hoe "vary be menaka" na "vary be saosy" izy io, noho ny atiny: mamono omby na kisoa iray na maromaro mihitsy ny tompon-draharaha hamokisana ny olona, ary atao izay hampatavy ny sakafo, mba hahatsiarovan'ny olona ny tsirony

Ny kaho-drazana

Ny kaho-drazana dia vola omen'ny olona nasaina ho an'ny tompom-pety.

Ny fihaingona

Fahiny ihany koa dia,ny fotoanan'ny famadiana no fotoana ahitana ny fihaingona isankarazany (izany hoe manao akanjo vaovao daholo ny rehetra ka mampidera izay)

Fotoana anaovana ny famadihana

Ny tompon'ny fanapahan-kevitra

Tsy tena misy daty voatokana hanaovana famadihana fa arakaraka ny hevitry ny raiamandreny ao amin'ny fianakaviana. Matetika dia ny iray amin'ireo raiamandreny no milaza hoe: "Nanonofy an-dranona (olona efa maty) aho halina, ka niteny izy hoe Mangatsiaka izahay"

Ny daty anaovana ny famadihana

Volana Jolay ka hatramin'ny Septambra no fotoana fanaovana famadihana. Ho an'ny Malagasy dia manomboka amin'ny vanim-potoana fararano no fanaovana famadihana, handaniam-bola aman-karena mihitsy mantsy ny famadihana ka dia nosafidian'ny Malagasy hanaovana izany ny vanimpotoana fiakaran'ny voka-bary (fararano, main-tany). Mila andro tsara ny famadihana ka nosafigina ny main-tany izay tsy misy orana, maina rahateo ny andro amin'io vanimpotoana fararano io.

Kiana

Fomba fijerin' ny Kristiana

Fomba fijerin' ny Prôtestanta

Ny fivavahana kristianina sasany, indrindra indrindra ny prôtestanta dia manambara ny famadihana ho fomba iray mifanipaka amin' ny fanompoana an' Andriamanitra. Heverin' izy ireo ho isan' ny fanompoan-tsampy ny famadihana noho izy ataony hoe fivavahana amin' ny razana. Ny karazana mpivavaka sasany toy ny mpiandry dia tsy mahazo mandray anjara amin' ny famadihana mihitsy.

Fomba fijerin' ny Katôlika

Etsy andaniny anefa ny fivavahana katôlika dia tsapa ho mandefitra kokoa ity fomba iray ity.

Jereo koa

'

Tags:

Famadihana Ny fomba atao mandritra ny famadihanaFamadihana Fotoana anaovana ny famadihanaFamadihana KianaFamadihana Jereo koaFamadihanaFomban-drazanaRazana (finoana malagasy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny latinaRanavalona IINovak DjokovicKapveraAveloLitorjiaAlakaraboMisoriaKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Fiteny betsileoRobin WilliamsFasanaTeddy TetzlaffAndriamangariraAfrika AtsimoOrlando, FloridaSaint Paul, MinnesotaSalem, OregonEokaristiaAlemainaTandrok' Osy (fanandroana)MataróRanavalona IIIFlamingôKônsilyAviavyFanekem-pinoana nikeanaLionaFilazantsara araka an' i MarkaAndriamanitra ZanakaMahafalySilamo eto MadagasikaraTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôAdy Lehibe FaharoaGoogleStatistikaBaraFivavahan-drazana malagasyÎle-de-FranceSokajin-tenyVondrona EorôpeanaRazakatsitakatrandrianaFahotanaOlombelonaFanisanaFiangonana zandrinyBoky fahefatr' i EsdrasaLed ZeppelinSodànaFiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)St. Louis, Missouri26 AprilyToniziaDokuWikiTsirintenyBiraom-panisan'i EtazoniaMozilla FirefoxCruzyGeorges AndriamanantenaEvanjelismaAnganoGisa ejiptanaJoko WidodoFady (malagasy)Hypertext Markup LanguageFanandroana malagasyTwitterFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito🡆 More