Fanjakan' I Boina

Ny Fanjakan' i Boina na Fanjakan' Iboina (antsoina hoe Iboina) dia fanjakana malagasy niorina teto Madagasikara tamin' ny taona 1690 tany ho any ary nampidirina tamin' ny Fanjakana Merina tamin' ny taona 1840.

Tany amin' ny faritry ny Helodranon' i Boina any avaratra-andrefan' i Madagasikara no nisy azy io. I Mahajanga no tanàn-dehibe tao aminy. Iray amin' ireo fanjakana roa lehibe teo amin' ny Sakalava izy io, ka ny faharoa dia ny Fanjakan' i Menabe.

Fanjakan' I Boina
Sainan' ny Fanjakan' i Boina

Tantara

Niorin' ny mpanjaka Andriamandisoarivo ny Fanjakan' i Boina tamin' ny taona 1690 any ho any. Andrimandisoarivo dia zanak' i Lahifotsy, mpanorina ny Fanjakana Sakalava, ary nahazo izany fanjakana izany taorian' ny ady nifandimby hahazoana ny faritra avaratra, izay nanorenany ny fanjakany. Teo amin' ny Helodranon' i Boina any amin' ny faritra avaratra-andrefan' i Madagasikara no niorenany.

Tamin' ireo taona 1690 dia jiolahin-tsambo eorôpeana 500 teo ho eo no nanangana toby fiasana teny amin' ny morontsiraka avaratr' i Madagasikara. Andrianamboniarivo dia nanendry ho praiminisitra an' i Tom Similaho izay jiolahin-tsambo anglisy ny rainy ary vehivavy malagasy ny reniny.

Fotoana fohy taorian' ny taona 1832 dia nofehezin' ny Merina izy ary tafiditra tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara tamin' ny taona 1840. Ny mpanjakavavy Tsiomeko no nitondra farany ny Fanjakan' i Boina.

Ny mpanjakan' i Boina dia noheverina ho toy ny andriamanitra, manelanelana amin' ny andriamanitra sy ny razana. Azy ny tany. Any amin' ny farany avaratry ny Nosy dia nandoa hetra amin' i Boina ny Fanjakana Antankarana.

Ny mpitondra ny Fanjakan' i Boina

  • Andriamandisoarivo (Tsimanata) (1690-1720)
  • Andrianamboniarivo (Toakafa) (1720-1730)
  • Andriamahatindriarivo (1730-1760)
  • Andrianahilitsy (1760-1767)
  • Andrianiveniarivo (1767-1770)
  • Andrianihoatra (1770-1771)
  • Andrianikeniarivo (1771-1777)
  • Andrianaginarivo (1777-1778), mpanjakavavy
  • Tombola (1778), mpanjakavavy
  • Ravahiny (1778-1808), mpanjakavavy
  • Tsimalomo (1808-1822?)
  • Maka (Andrianaresy) (1808)
  • Andriantsoly (1822-1832)
  • Oantitsy (1832-1836), mpanjakavavy
  • Tsiomeko (1836-1840), mpanjakavavy

Jereo koa

Tags:

Fanjakan' i MenabeFanjakana MerinaMadagasikaraMahajanga

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Volahavana GermaineJobilyManuel GuimarãesLuis E. EchávarriJessica JulinAnais, Charente-MaritimeMpanampy (fitsipiteny)Boky ara-tantara (Baiboly)Mitchell te VredeSiméon RajaonaTerakaFanabeazanaAlan ArkinX-SAMPAEsnesEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Rainay any an-danitraSariela10 DesambraNGC 4088Isa voasaina20 AprilyValalaNGC 1090Viktor SkrypnykTantaran' i MadagasikaraPapaGabônaSigfrid EdströmAlahasatyLisbon, North DakotaTwitterVazimbaBibyFiraisana ara-nofoSaint-Martin-en-CampagneCraintilleux27 JonaFianakaviana (fomba malagasy)Lisitry ny zavatra madinidinika 15001-160001899NikodaSergio MusmeciSoronaMichel FoucaultȘtefan DobayNefertitySrettha ThavisinFamadihanaFiakaran' i Kristy any an-danitraRoazodafyAndrianaOlombelonaChun Doo-hwanKameronaHipôlito avy any RômaDrônaAljeriaAnganoLudwig Wittgenstein19 AprilyBerry-au-Bac28 JanoaryBessaFianarana ny fanatontoloanaTantaraFiteny finoà1523Faritanin'i Chachoengsao🡆 More