Voaniho

Ny voaniho na voanio dia hazo fihinam-boa miely amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany eto amin’ izao tontolo izao.

Ny voaniho dia isan' ny fianakavian' ny hazo palma (Arecaceae) ary izy ihany no hany karazana miaina, ilay karazana Cocos. Cocos nucifera no anarana ara-tsiansany.

Voaniho
Ravina sy voam-boaniho

Endriky ny voaniho

Ny vatany sy ny raviny

Voaniho 
Voaniho

Miendrika varingarina manana savaivo 45 sm izy ary mety mahatratra 30 m ny haavony. eny amin’ ny tampony no misy ny raviny misandrahaka entin’ ny tahon-draviny miisa 20 any ho any, maniry miakatra avy eo mibiloka mianambany, izay manana halava eo anelanelan’ ny 3 m sy 4,5 m.

Ny voany

Voaniho 
Voam-boaniho mbola kely
Voaniho 
Vatan' ny voanio

Ny voany dia maniry mitangorona miisa 10 hatramin’ ny mihoatra ny 20. Mirefy 30 sm eo ho eo ny voan’ ny voaniho rehefa lehibe. Miendrika boribory lavalava izany sady misy hodiny mafy toy ny vato voafono hodiny matevina be tsiratsiraka.

Fampiasana ny voaniho

Fampiasana ny voany

Voaniho 
Voam-boaniho voala hodiny

Miloko fotsy sady mitahiry menaka azo hanina na anaovana zavatra hafa (savony, labozia) ny nofom-boany poaka aty ao anatin’ izany hodiny izany. Ao anatin’ io nofony fihinana io dia misy ranony toy ny ronono sady mamimamy. Sakafo mahavelona ny nofom-boan’ ny voaniho any amin’ ireo faritra aniriany eto amin’ izao tontolo izao. Azo anamboarana doberam-boanio ny nofom-boany.

Fampiasana ny taova hafa

Azo anamboarana rindrina, tafo, tsihy, harona, satroka, sahafa, sns ny ravim-boanio maina. Ny tsiraka amin’ ny hodim-boan’ ny voaniho dia azo anamboarana tady sady azo aparitaka amin’ ny zaridaina hampahazo rivotra ny nofon-tany.

Jereo koa

Tags:

Voaniho Endriky ny voanihoVoaniho Fampiasana ny voanihoVoaniho Jereo koaVoanihoHazoToetanin-jana-pehin-tany

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SetianismaFiteny estônianaWiki FoundationRanoAbraham TrembleyLembalemba IranianaPisaEtazoniaMaleziaZone FrancBaiboly amin' ny teny malagasyAhidamboAdy an-tranoQaemiyehBetsimisarakaUlan BatorJôbaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraIreneo avy any LogdanomaFambolenaVaryFahasalamanaIamblikôsy1923Vohitr' andrianaMpamaritra (fitsipiteny)Fanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaAnjelyBokin' i IsaiaBetsileoTetiandro malagasyMatioTorkia1940Aostralia1870AntananarivoHerinaratraDokotraMisterin' ny PaskaHaitsikerafiteny1982LôndônaSaretyJodasyBibilavaFiteny malayApôkalipsy kôptan' i PaolyTalataArkôntikaPentateokaRoger ByrneMosesyFamadihanaRepoblika Demôkratikan' i KôngôNy Avana RamanantoaninaJapànaTetiandroAndriamanitra (tokana)Fianakaviam-pitenyBatismaNormandiaMosavy (finoana malagasy)Kôrà (zanak' i Esao)Norman BorlaugJames Dewey WatsonApôkalipsy Gnôstikan' i PeteraBaibolyRy Tanindrazanay malala ôAbbas Ibn Firnas🡆 More