Baiboly

Ny Baiboly dia bokibe, izay fitambaram-boky maromaro, nosoratan' olona maro nandritra ny taonjato maro, niharan' ny fanovanana sy fisivanana, izay inoan' ny Kristiana fa Soratra Masina mirakitra ny tenin' Andriamanitra.

Lazaina hoe Baiboly koa ny Soratra Masin' ny Jiosy, izay tsy ahitana afa-tsy ampahan' ny Baiboly kristiana, dia ny Testamenta Taloha, atao hoe Tanakh. Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka ny fizaràna voalohany, izay fitambaran' ireo boky voasoratra talohan' i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Taloha, fa ny fizaràna faharoa kosa, izay fitambaran' ireo boky voasoratra taorian' ny nahaterahan' i Jesoa Kristy, dia atao hoe Testamenta Vaovao. Ny fiangonana tsirairay dia mety hampiditra amin' ny fomba samy hafa ny boky ao amin' ny Baiboly.

Baiboly
Baiboly

Fiforonan-teny

Ny teny hoe Baiboly dia avy amin' ny fanononana amin' ny teny anglisy ny hoe Bible, izay avy amin' ny teny latina hoe Biblia. Io indray dia avy amin' ny teny grika hoe βιβλία / biblía, teny milaza maro avy amin' ny hoe βιβλίον / biblíon izay midika hoe "boky". Amin' ny heviny voalohany, ny Baiboly izany dia fitambaram-boky maro.

Ireo dikan-teny tranain' ny Baiboly

Dikan-teny tranain' ny Baiboly jiosy

Ny Baiboly hebreo na Tanakh

Ny Baiboly hebreo na ny Tanakh (hebreo: תנ"ך) dia voasoratra amin' ny teny hebreo izay ahitana andalana sasany voasoratra amin' ny teny arameana (na aramianina na aramaika). Ny Baiboly hebreo araka ny kanôna masôretika dia hafa satria manasokajy ireo boky ireo ho telo: dia  ny Lalàna (hebreo: תּוֹרָה / Torah) sy ny Mpaminany (hebreo: נְבִיאִים / Nevi'im) ary ny Soratra (hebreo: כְּתוּבִים / Ketuvim).

Ny Baiboly samaritana

Ny fivavahan' ny Samaritana dia miorina amin' ny dikantenin' ny Tôrah azy manokana, atao hoe Baiboly samaritana, izay tsy ahitana boky hafa ao amin' ny Tanakh afa-tsy ny Lalàna (Tôrah) na ny Pentateoka. Voasoratra amin' ny fiteny hebreo samaritana sy amin' ny abidy samaritana (karazan' ny abidy hebreo taloha izay tsy ampiasain' ny Jiosy intsony) ny Baiboliny.

Misy fahasamihafan-botoatiny ny Torah hebreo sy ny Torah samaritana. Ny lehibe indrindra amin' izany dia ny fiheveran' ny Samaritana fa tsy i Jerosalema fa ny tendrombohitra Garizima no toerana masina. Ny Didy folo ao amin' ny Torah samaritana dia ahitana ao amin' ny didy faha-10 ny fanajana an' i Garizima ho ivon-toeran' ny fanompoam-pivavahana. Narindrany hitovy ny Didy folo ao amin' ny Bokin' ny Eksôdosy sy ao amin' ny Bokin' ny Deoterônômia. Mba hitazomany ny isan' ireo didy, ny didy voalohany ("Izaho no IHVH Andriamanitrao, izay nitondra anao avy any amin' ny tanin' i Ejipta, niala tamin' ny tranon’ny fanandevozana") dia heveriny ho fampahafantarana fotsiny. Ny didy voalohany ao amin' ny Torah samaritana dia ny didy faharoa ao amin' ny Torah jiosy. Amin' ny Samaritana, "ny olon-kendry jiosy dia namadika io fampahafantarana io ho didy mba haha folo ny isan' ny didy raha nahitsian' izy ireo ny Torahny tamin' ny nanesorany ny didy fahafolo" mifanandrify amin' ny tendrombohitra Gerizima. Ny isan' ireo didy ireo dia voalaza ao amin' ny Bokin' ny Eksôdosy 34.28.

Ankoatr' ireo fahasamihafana lehibe ireo, dia misy koa ny fahasamihafana maivana momba ny fanoratana ny Torah samaritana sy ny Torah jiosy, izay mampifanakaiky ny Baiboly samaritana amin' ny Septoaginta toy izay amin' ny Torah masôretika.

Ny Septoaginta

Ny Baiboly atao hoe Septoaginta na Septanta (latina: Septuaginta midika hoe: "fitopolo"), izay fantatra amin' ny tarehimarika rômana hoe LXX (midika hoe "70"), dia dikan-tenin' ny Baiboly hebreo nampanaovin' i Ptôlemaiôsy II amin' ny teny grika kôine izay natao ho an' ireo Jiosy any am-pielezana efa tsy mahay teny hebreo. Amin' ny teny grika dia Ἡ μετάφρασις τῶν Ἑβδομήκοντα / metafrasis tôn Hebdomêkonta (izay midika hoe "Dikan-tenin' ny Fitopolo") ny anaran' io Baiboly io.

Misy tsy fitoviana anefa ny isan' ny boky (kanôna) sy ny zavatra voasoaratra ao amin' ny boky tsirairay raha ampitahaina ny Baiboly masôretika (amin' ny teny hebreo) sy ny Septoaginta. Ny fizaràna ny boky ho toko koa dia tsy mitovy. Amin' ny ankapobeny ny fanasokajiana ao amin' ny Septoaginta no arahina ao amin' ny Testamenta Taloha kristiana. Ny Septoaginta dia misokajy ny boky ao amin' ny Testamenta Taloha ho efatra, dia ny Boky dimy (Pentateoka), ny Bokin' ny mpaminany, ny Bokim-pitantarana ary ny Bokim-pahendrena.

Ny Pentateoka (fanangonana ireo boky dimin' ny Torah) dia nadika tamin' ny teny grika tao Aleksandria tamin' ny taonjato faha-3 tal. J.K. Araka ny tantara miendrika angano notaterin' ny Tararasin' i Arstea izay niitatra miandalana hatramin' izay. Ny fandikana amin' ny teny grika ny Torah izay atao hoe "Torahn' ny Fitopolo" na "Torah aleksandrina", dia asa nataona manam-pahaizana Jiosy miisa 72, ka ny foko roa ambin' ny folon' i Israely, hono, dia nanana solontena enina avy. Ny manampahefana grika tao Ejipta no naniraka azy ireo hanao izany fandikàn-teny izany, araka ilay tantara miendrika angano. Io dikan-teny io dia noheverin' ny mpampiasa azy tamin' izay ho mitovy lanja amin' ny Tanakh amin' ny teny hebreo nandikana azy ireo voalohany, na dia nisy ihany ny zavatra azo notsikeraina tao. Notehirizina tao amin' ny fitehirizam-bokin' i Aleksandria niaraka tamin' ireo "Lalàna" ny Septoaginta: tsy natokana ho an' ny fivavahana fotsiny izy fa lasa fehezan-dalàna nentin-drazana ho an' ny vahoaka Jiosy.

Niitatra ny zavatra tondroina amin' ny anarana hoe Septoaginta ka nahafaoka ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika manontolo. Ny boky hafa rehetra ao amin' ny Baiboly hebreo dia nadika tamin' ny teny grika tamin' ireo taonjato manaraka. Nisy anefa boky sy andalana izay nosoratana mivantana tamin' ny teny grika nefa tsy hita ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny hebreo. Ireo no ataon' ny Prôtestanta sy Jiosy hoe soratra apôkrifa.

Ny Jiosy miteny grika tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. sy ny Apôstoly ary ireo Kristiana voalohany dia nandray tsy nisy fanovana sy nampiasa betsaka ny Septoaginta, ka io (afa-tsy boky sasany) no natao hoe Testamenta Taloha taty aoriana. Na dia misy ireo mihevitra fa misy zavatra diso ao amin' ny Septoaginta, dia izao no lazain' i Pierre Gilnert: "Ny ankamaroan' ny soratry ny Testamenta Taloha tsiahivina ao amin' ny Testamenta Vaovao dia nalaina avy ao amin' ny dikan-teny grika Septoaginta izay misy tsy fitovizany amin' ny soratra fototra hebreo".

Tamin' ny nanamafisana indray ny jodaisma rabinika, mba hiavahany amin' ny kristianisma izay vao niforona, dia navela ny lahatsoratra grika fa ny lahatsoratra hebreo no noraisin' ny Jiosy, ary nampiasa ny fiteny hebreo ny jodaisma rabinika fa ny kristianisma kosa nampiasa ny fiteny grika. Taorian' ny nanjakan' io dikan-teny grika io teo amin' ny Jiosy helenista dia nanjary Testamenta Taloha ho an' ny Kristiana ny Septoaginta. Noho izany dia nitombo ny tsy fitiavan' ny jodaisma io dikan-teny io nanomboka tamin' ny fiafaran' ny taonjato voalohany. Teo amin' ireo Kristiana tany amin' ny Fiangonana tandrefana kosa dia nitohy ny maha boky fototra azy ka maro ny dikan-teny latinan' ny Baiboly avy aminy. Tsy voasolon' ny Volgata izy raha tsy tamin' ny taonjato faha-8. Tao amin' ny Fiangonana Tatsinana kosa, izay mampiasa ny fiteny grika amin' ny sorona masina, dia mitoetra ho lahatsoratra fototra ho an' ny fandikan-teny samihafa ny Septoaginta.

Ny dikan-teny tranain' ny Baiboly kristiana

Ny Vetus Latina

Tamin' ny voalohany dia tamin' ny teny grika ny Baiboly kristiana, dia ny Septoaginta sy ny Testamenta Vaovao. Nampiasa ny dikan-teny latinan' ireo boky ireo ny Kristiana any amin4 ny tany miteny latina taty aoriana. Ka ireo dikan-teny ireo no atao hoe Vetus Latina, izany hoe "Latina Tranainy". Tamin' ny taonjato faha-4 dia hita fa tsy tongalafatra ireo Baiboly amin' ny teny latina ireo ka dia nanao dikan-teny vaovao amin' ny teny latina i Hierônimo, dia ny Volgata.

Ny Volgata

Dikantenin' ny Baiboly amin' ny teny latina ny Volgata (latina: Vulgata). Voalohany indrindra dia niainga tamin' ny Heksapla nosoratan' i Ôrigenesy i Hierônimo (atao hoe Zerôma na Jerôma koa), avy eo nampiasa ny soratra tamin' ny fiteny hebreo izay heveriny fa hany vokatry ny tsindrimandry avy amin' Andriamanitra. Efa nandika ampahany tamin' ny Testamenta Vaovao koa i Hierônimo tamin' ny taona 382, telo taona talohan' ny nandikany ny Testamenta Taloha. Nadikany avy tamin' ny soratananam-piraketana grika ny Evanjely efatra. Fa ny fandikana ireo boky hafa ao amin' ny Testamenta Vaovao kosa dia tsy nataon' i Hierônimo: olona niara-niaina taminy no nanao izany ka isan' izany i Rofino Siriana. Vita ny fandikana ny Volgata tamin' ny taona 405.

Ny Peshitta

Ny Peshitta dia dikan-teny tranain' ny Baiboly kristiana amin' ny teny siriaka. Nadika avy tamin' ny teny hebreo ny Testamenta Taloha fa ny Testamenta Vaovao kosa dia mety avy tamin' ny teny grika.

Dikan-teny amin' ny fiteny andavanandron' ny olona

Tsy nalalaka hatrany akory ny fahazoana mandika na mamaky na mitahiry ny Baiboly kristiana amin' ny fitenin' ny olona andavanandro fa nisy fotoana nandaràna izany ka ny Baiboly amin' ny fiteny latina ihany no nankatoavina. Izany no isan' ny zavatra notapahina tamin' ny Kônsily tao Tôlôsa tamin' ny taona 1229.

Ny fizaràn' ny Baiboly kristiana

Mizara roa lehibe ny Baiboly kristiana ka izao avy ireo fizaràna ireo. Ny voalohany dia atao hoe Testamenta Taloha, izay tsy inona fa ny Tanakh jiosy, raha tsy isaina ireo fahasamihafana mety hisy. Ny faharoa dia ny Testamenta Vaovao. Fitambaram-boky maromaro izay nofidina ho fototra, ho kanôna, ny fizaràna tsirairay.

Ny boky ao amin' ny Testamenta Taloha

Ny Testamenta Taloha (grika: ἡ Παλαιὰ Διαθήκη / hê Palaià Diathếkê) dia ahitana ireo Boky dimin' i Mosesy (na Pentateoka), ireo Bokim-pitantarana (na boky ara-tantara), ireo Bokim-pahamasinana, ireo Bokin' ny mpaminany.

Ny Pentateoka

Ny Pentateoka dia ny fitambaran' ny Genesisy (na Jenezy), ny Eksôdosy (na Eksaody), ny Levitikosy (na Levitika), ny Nomery (na Fanisana) ary ny Deoterônômia (na Deoterônômy). Araka ny lovantofina jiosy dia i Mosesy na Môizy no nanoratra azy ka izany no iatsoana azy hoe Boky dimin' i Mosesy na Boky dimin' i Môizy.

Ny Bokim-pitantarana na Boky ara-tantara

Ny Bokim-pitantarana dia ny Jôsoa (na Jôsoe), ny Mpitsara, ny Rota, ny Samoela voalohany, ny Samoela faharoa, ny Mpanjaka voalohany, ny Mpanjaka faharoa, ny Tantara voalohany, ny Tantara faharoa, ny Ezra (na Esdrasa), ny Nehemia ary ny Estera.

Ny Baiboly katôlika dia misy boky hafa atao hoe deoterôkanônika avy ao amin' ny Septoaginta dia ny Tobià, ny Jodita, ny Makabeo voalohany ary ny Makabeo faharoa. Ny Estera ao amin' ny Baiboly katôlika dia misy fanampiny izay tsy hita ao amin' ny Baiboly prôtestanta na ny Baiboly hebreo.

Ny Bokim-pahamasinana na Bokim-pahendrena

Ny Bokim-pahamasinana dia ny Joba (na Jôba), ny Salamo, ny Ohabolana, ny Mpitoriteny (na Kôhelety), ary ny Tononkiran' i Solômôna (na Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana).

Ny Baiboly Katôlika dia ahitana boky fanampiny deoterôkanônika: ny Fahendrena sy ny Ekleziastika (na Siràka).

Ny Bokin' ny Mpaminany

Ny Bokin' ny Mpaminany dia ny Isaia (na Izaia), ny Jeremia, ny Ezekiela, ny Daniela (na Daniely), ny Fitomaniana, ny Hôsea (na Ôsea), ny Jôela (na Jôela), ny Amôsa (na Amôsa), ny Obadia (na Abdiasa na Hôbadia), ny Jôna(na Jônasa), ny Mika (na Mikea), ny Nahoma, ny Habakoka (na Habakòka) ny Zefania (na Sôfônia), ny Hagay (na Akjea), ny Zakaria ary ny Malakia (na Malaký).

Ny Daniela na Daniely ao amin' ny Baiboly katôlika dia misy tohiny izay tsy hita ao amin' ny Baiboly prôtestanta na ny Baiboly hebreo. Ahitana ny Bokin' i Baròka koa ao amin' ny Baiboly katôlika.

Ny boky ao amin' ny Testamenta Vaovao

Mizara efatra ny boky ao amin' ny Testamenta Vaovao (grika: Καινὴ Διαθήκñ / Hê Kainề Diathếkê), dia ny Filazantsara (na Evanjely na koa Vaovao Mahafaly), ny Epistily (na Epistolà), ny Asan' ny Apôstôly ary ny Apôkalypsy (na Apôkalipsa). An' ny Kristiana manokana ny Testamenta Vaovao fa tsy misy ao amin' ny Tanakh.

Ny Filazantsara na Vaovao Mahafaly

Ny Filazantsara dia ahitana ny Matio, ny Marka, ny Lioka ary ny Jaona (na Joany).

Ny Epistily na Epistola na Taratasy

Ireto avy ireo Epistily na Epistola na Taratasy: ny Rômana, ny Kôrintiana voalohany, ny Kôrintiana faharoa, ny Galatiana, ny Efesiana (na Efezianina), ny Filipiana, ny Kôlôsiana, ny Tesalôniana voalohany (na Tesalônisianina voalohany), ny Tesalôniana faharoa (na Tesalônisianina faharoa), ny Timôty voalohany (na Timôte voalohany), ny Timôty faharoa (na Timôte faharoa), ny Titosy, ny Filemôna, ny Hebreo (na Hebrio), ny Jakoba, ny Petera voalohany, (na Piera voalohany) ny Petera faharoa (na Piera faharoa), ny Joany voalohany (na Jaona voalohany), ny Joany faharoa (na Jaona faharoa), ny Joany fahatelo,(na Jaony fahatelo) ary ny Joda (na Jodà).

Ny Asan' ny Apôstôly

Tokana fa tsy maro ny Asan' ny Apôstôly ao amin' ny Baiboly kristiana. Tohin' ny Evanjelin' i Lioka izy.

Ny Apôkalipsy na Apôkalipsa na Fanambaràna

Tokana koa fa tsy maro ny Apôkalipsy (na Apôkalipsa na Apokalypsy) ao amin' ny Baiboly kristiana.

Jereo koa

Rohy ivelany

Baiboly amin' ny teny frantsay

Wikisource:

Baiboly amin' ny teny anglisy

Wikisource:

Baiboly amin' ny teny malagasy

Baiboly amin' ny teny tanana malagasy

Loharano

Tags:

Baiboly Fiforonan-tenyBaiboly Ireo dikan-teny tranain ny Baiboly Ny fizaràn ny kristianaBaiboly Jereo koaBaiboly Rohy ivelanyBaiboly LoharanoBaibolyAndriamanitra (tokana)JesosyJiosyKristianinaSoratra MasinaTanakhTestamenta TalohaTestamenta Vaovao

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fitenim-paritra malagasyTanyLarry BirdKatharine HepburnRainay any an-danitraFamakafakana ny BaibolyAntandroyVohitr' andrianaLambamenaKareem Abdul-JabbarFararanoAlfred LoeddingSalamo faha-82Mpizara tosikaAdimizanaTamotamoVanimpotoan' ny Tempoly FaharoaZanak' i IsraelyKalanoroGdańskBiaudosToriteny teo an-tendrombohitraDiônisôsyTendrombohitra GarizimaFaritra ItasyTestamenta TalohaCWordPressAndriamanitra ZanakaFanambaràna ny hevitry ny nofySektaJulius ErvingHermann LeyKarl MaloneKanaana (zanak' i Nôa)Fanjakan' ImerinaFanjanahantanyLes MartysFinlandy1990BrennilisGottesheimRavinalaAsorotanyGeorges AndriamanantenaAdriamandazoalaKurówMalagasy (vahoaka)Baiboly katôlikaAlahasatyJari LitmanenHasina (zavamaniry)3 JonaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraMpampiankina fehezankevitraMa Ying-jeouFanekem-pinoana apôstôlika1992MpampiankinaRavoahangy-Andrianavalona JosephFiteny anglisyArjentinaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraHypertext Markup LanguageTetiandro malagasyJapàna🡆 More