Fiteny malay
Ny fiteny malay na fiteny maley dia fiteny aostrônezianina izay tenim-pirenen' i Malaizia, Indônezia ary Broney.
Malay Bahasa Melayu | |
Isan'ny mpiteny | 25 tapitrisa (ao Malaizia) 250 tapitrisa (raha atambatra amin'ny fiteny indonezianina) |
Faritany | ![]() ![]() ![]() ![]() ![]() Atsimon'i Tailandy |
Sata | Teny ofisialy any Malaizia, Singapaoro ary Indonezia |
Ny fiteny malay na fiteny maley dia fiteny aostrônezianina izay tenim-pirenen' i Malaizia, Indônezia ary Broney. Anisan' ny teny ôfisialin' i Singapaoro ihany koa ilay fiteny na dia tsy fiteny iombonana intsony aza. 40 tapitrisa ny isan' ny olona mahay miteny malay, izay hita eo amin' ny manodidina ny andilan-dranomasin' i Malacca sy ny morontsiraky ny nosy Bôrneô ary ny faritra atsinanana ao Somatra. Noho ny sata ôfisialiny dia mahery ny 200 tapitrisa ny isan' ny olona mahay miteny malay (raha isaina ao anatin' izay ireo olona mahay miteny indônezianina).
Fiaviana
Mifanaraka amin' ny fiavian' ny fiteny malay ho avy amin' ny morontsiraka andrefan' i Bôrneô ireo mpahay fiteny malay.
Kanefa kosa, ny tahirin-tsoratra tranainy indrindra hita tamin' ny fiteny malay, ny soratra Kedukan Bukit, izay nosoratana tamin' ny taona 700 taor J.K., sy hita teo moron' ny ony Tatang, ao Somatra Atsimo. Ny fiteny nosoratana tamin' izany fotoana izany no nolazaina fa fiteny malay taloha. "Malayu" no anaran' ilay fanjakana taloha teo amin' ny misy ny faritanin' i Jambi ao atsinanan' i Somatra. "Mo-lo-yo" no anaran' izany fanjakana izany anatin' ny tahirintsoratra sinoa.
Vokatry ny fandrantoana ary ny fiorenan' ny Fanjakana Malay silamo eran' ny Tambanosy Malay ny fampiasana ny fiteny malay ho fiteny iombonana. Nampiasa fiteny malay an-tsoratra ny tao Malacca. Taorian' ny fandresen' ny Pôrtogey tao Malacca tamin' ny taona 1511 dia niova ho tany ao amin' ny Soltanàtan' i Johor ny foiben' ny fiteny soratana. Ary antsoina matetika ho fiteny malain' i Johor ny fiteny an-tsoratra, na dia fiteny malain' i Malacca foana aza no ampiasaina. Rehefa voazaran' ny mpanjana-tany ny tany itenenana malay (anglisy ny ao Johor fa nerlandey tao India Atsinanana Nerlandey), dia nomena sata ôfisialy tamin' ireo tany ireo ny fiteny malay.
Rehefa nahaleo tena i Indônezia dia ny fiteny malain' i Riau (Malacca-Johor) no nataony ho fiteny ôfisialiny. Manomboka tamin' ny 1928 dia nolazain' ireo tanora malay sy ireo tia tanindrazana eran' ilay tambanosy fa ho fiteny ôfisialy eran' i Indônezia ny fiteny malay, araky ny nambaran' i Sumpah Pemuda. I Indônezia, noho izany, no firenena voalohany mahaleo tena mampiasa ny fiteny malay ho fiteny ôfisialy.
Any Malaizia, ny andininy faha-152 ny Federasiôna dia manambara fa ho fiteny ôfisialy (Bahasa Malaysia) ny fiteny malain' i Johor (Malacca). Tamin' ny taona 1986 dia navadika ho Bahasa Melayu ny anarana ôfisialin' ny fiteny ôfisialin' i Malaizia, fa niova indray ilay izy nanomboka tamin' ny taona 2007.
Fiteny ôfisialin' i Broney ny Bahasa Melayu araky lalàm-panorenana tamin' ny taona 1959. Mifototra amin' ny fenitra malakanina ilay fiteny.
Mety samihafa ny voambolana ampiasain' ny fiteny malaiziana sy ny fiteny indôneziana noho ny fivoarana misaraka vokatry ny fanjahanan-tany. Ny fitenin' ny mpajana-tany no tena nianjady tamin' ireo fiteny ireo. Ao amin' ny fiteny indôneziana izao ohatra dia ahitana teny maromaro avy amin' ny fiteny nerlandey; ary ahitana teny anglisy maromaro ao amin' ny fiteny malaiziana. Nampiombonina ny tsipelin' ny fiteny malaiziana sy indônezianina tamin' ny taona 1982, ary namorona vaomiera hampiombona ny voambolana siantifika sy teknika miaraka amin' i Broney ireo firenena roa ireo.
Sokajim-piteny
Ny fiteny malay dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny aostrônezianina, vondrona izay ahitana ny fiteny tagalôga sy ny fiteny malagasy koa, ohatra. Na dia tsy mifankahazo aza ny mpiteny malay sy ny mpiteny malagasy, manaitra ny fitoviany. Maro ny vonteny iraisan' ireo fiteny maro ireo, indrindraindridra mikasika ny fahasalamana sy ny vatana ary biby fahita matetika. Betsaka koa ny fitovizana amin' ny anaran' ny isa.
Fomba fanoratana
Mampiasa ny abidy latina (rumi) ny fiteny malay ankehitriny, na dia mbola miasa koa aza ny abidy arabo (jawi), abidy ôfisialin' i Malaizia, Singaporo ary Indônezia. Samy ôfisialy any Malaizia sy any Broney ny rumi sy ny jawi. Nosoratana tamin' ny alalan' ny soratra pallava ary kawi ny fiteny malay taloha, araka ny vato nasian-tsoratra ao amin' ny faritra malay.
Feon-teny
A-molotra | Alveolar | Palatal | Velar | Glottal | |
---|---|---|---|---|---|
An'orona | m | n | ɲ | ŋ | |
Mianona | p b | t d | tʃ dʒ | k ɡ | (ʔ) |
Mikosoka | (f v) | s (z) | (ʃ) | (x) | h |
Manakaiky | w | l | j | ||
Mihararetra | r |
Indran-teny avy amin' ny fiteny arabo
- Mety hotononin' ireo mpahay teny arabo hafa ireo feon' ny teny avy amin' ny fiteny arabo. Raha tsy izany dia mety ho voatonona araky ny fitsipiky ny fiteny malay.
Misongadina | Fanononana manara-pitsipika | Ohatra |
---|---|---|
/x/ | /k/, /h/ | khabar, kabar "vaovao" |
/ð/ | /d/ | redha, rela "tsara sitra-po" |
/zˁ/ | l, z | lohor, zuhur "mitatao vovonana" |
ɣ | ɡ, r | ghaib, raib "miafina" |
ʕ | ʔ | saat, sa'at "segondra" |
Ohatra
Malagasy | Fiteny indonezianina | Fiteny malay |
---|---|---|
Fanambarana Iraisam-pirenena momban'ny Zon'Olombelona | Pernyataan Umum tentang Hak Asasi Manusia | Perisytiharan Hak Asasi Manusia sejagat |
Andininy 1 | Pasal 1 | Perkara 1 |
Teraka afaka sy mitovy zo sy fahamendrehana ny olombelona rehetra. Samy manan-tsaina sy fieritreretana ka tokony hifampitondra am- pirahalahiana | Semua orang dilahirkan merdeka dan mempunyai martabat dan hak-hak yang sama. Mereka dikaruniai akal dan hati nurani dan hendaknya bergaul satu sama lain dalam semangat persaudaraan. | Semua manusia dilahirkan bebas dan sama rata dari segi maruah dan hak-hak. Mereka mempunyai pemikiran dan perasaan hati dan hendaklah bergaul dengan semangat persaudaraan. |
Fitsipi-pitenenana
Teny manaiky ny fitambatambaran' ny voanteny na ny hasinteny ny fiteny malay, ary azo foronina amin' ny alalan' ny fomba telo ny teny vaovao: fanisiana tovona na tovana amin' ny fototeny iray sy fanakambanan-teny ary fanaovana teny verindroa (famerimberenanana fototeny iray). Mety fototeny tsotra ny anarana sy ny matoanteny, fa matetika asiana tovona, tovana na tsirinteny sara-droa izy ireo.
Tsy manavaka ny teny amin' ny alalan' ny kilahivavy ny fiteny malay, ka tsy misy ny kandahy na kambavy. Tsy misy ihany koa ny mpampanavaka ny milaza tokana sy ny milaza maro.
Jereo koa
Rohy ivelany
- ((id)) Kamus Besar Bahasa Indonesia dalam jaringan Archived Desambra 24, 2011 at the Wayback Machine (Rakibolana lehibe amin'ny teny indonezianina)
- ((ms)) Dewan Bahasa dan Pustaka
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiteny malay, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.
In other languages:
- Aceh: Bahsa Meulayu - Wiki Acèh
- Afrikaans: Maleis - Wiki Afrikaans
- Amharika: መላይኛ - Wiki አማርኛ
- Aragonais: Idioma malayo - Wiki Aragonés
- Angika: मलय भाषा - Wiki अंगिका
- Arabo: لغة ملايو - Wiki العربية
- Arabe égyptien: ملايوى - Wiki مصرى
- Asturien: Idioma malayu - Wiki Asturianu
- Azerbaïdjanais: Malay dili - Wiki Azərbaycanca
- South Azerbaijani: مالای دیلی - Wiki تۆرکجه
- Bachkir: Малай теле - Wiki башҡортса
- Balinais: Basa Melayu - Wiki Basa Bali
- Central Bikol: Tataramon na Malay - Wiki Bikol Central
- Bielorosy: Малайская мова - Wiki беларуская
- Belarusian (Taraškievica orthography): Малайская мова - Wiki беларуская (тарашкевіца)
- Biolgara: Малайски език - Wiki български
- Banjar: Basa Malayu - Wiki Banjar
- Bengali: মালয় ভাষা - Wiki বাংলা
- Breton: Malayeg - Wiki Brezhoneg
- Bosniaque: Malajski jezik - Wiki Bosanski
- Catalan: Malai - Wiki Català
- Min Dong Chinese: Mā-lài-ngṳ̄ - Wiki 閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄
- Tchétchène: Малайн мотт - Wiki нохчийн
- Cebuano: Pinulongang Malayo - Wiki Cebuano
- Tseky: Malajština - Wiki čeština
- Gallois: Maleieg - Wiki Cymraeg
- Danois: Malajisk (sprog) - Wiki Dansk
- Alemanina: Malaiische Sprache - Wiki Deutsch
- Zazaki: Malayki - Wiki Zazaki
- Grika: Μαλαϊκή γλώσσα - Wiki Ελληνικά
- Anglisy: Malay language - Wiki English
- Espéranto: Malaja lingvo - Wiki Esperanto
- Espaniola: Idioma malayo - Wiki Español
- Estonien: Malai keel - Wiki Eesti
- Basque: Malaysiera - Wiki Euskara
- Persa: زبان مالایی - Wiki فارسی
- Finnois: Malaijin kieli - Wiki Suomi
- Frantsay: Malais (langue) - Wiki Français
- Frison septentrional: Malaiisk spriak - Wiki Nordfriisk
- Frison occidental: Maleisk - Wiki Frysk
- Irlandais: An Mhalaeis - Wiki Gaeilge
- Galicien: Lingua malaia - Wiki Galego
- Guarani: Malájo ñe'ẽ - Wiki Avañe'ẽ
- Gorontalo: Bahasa Melayu - Wiki Bahasa Hulontalo
- Hakka: Mâ-lòi-ngî - Wiki 客家語/Hak-kâ-ngî
- Hawaïen: ʻŌlelo Malaia - Wiki Hawaiʻi
- Hébreu: מלאית - Wiki עברית
- Hindi: मलय भाषा - Wiki हिन्दी
- Hindi fidjien: Malay bhasa - Wiki Fiji Hindi
- Croate: Malajski jezik - Wiki Hrvatski
- Haut-sorabe: Malajšćina - Wiki Hornjoserbsce
- Hongroà: Maláj nyelv - Wiki Magyar
- Arménien: Մալայերեն - Wiki հայերեն
- Interlingua: Lingua malay - Wiki Interlingua
- Indonezianina: Bahasa Melayu - Wiki Bahasa Indonesia
- Ilocano: Pagsasao a Malayo - Wiki Ilokano
- Ido: Malaya-linguo - Wiki Ido
- Italianina: Lingua malese - Wiki Italiano
- Japoney: マレー語 - Wiki 日本語
- Javaney: Basa Malayu - Wiki Jawa
- Géorgien: მალაიური ენა - Wiki ქართული
- Kazakh: Малай тілі - Wiki қазақша
- Khmer: ភាសាម៉ាឡេ - Wiki ភាសាខ្មែរ
- Koreanina: 말레이어 - Wiki 한국어
- Komi: Малай кыв - Wiki коми
- Latin: Lingua Malaica - Wiki Latina
- Lingua franca nova: Melaiu (lingua) - Wiki Lingua Franca Nova
- Limbourgeois: Maleis - Wiki Limburgs
- Ligure: Lengua maleise - Wiki Ligure
- Lituanien: Malajų kalba - Wiki Lietuvių
- Letton: Malajiešu valoda - Wiki Latviešu
- Madurais: Bhâsa Melayu - Wiki Madhurâ
- Maori: Reo Marēhia - Wiki Māori
- Minangkabau: Bahaso Malayu - Wiki Minangkabau
- Macédonien: Малајски јазик - Wiki македонски
- Malayalam: മലയ് ഭാഷ - Wiki മലയാളം
- Manipuri: ꯃꯂꯦ ꯂꯣꯟ - Wiki ꯃꯤꯇꯩ ꯂꯣꯟ
- Marathi: मलाय भाषा - Wiki मराठी
- Malay: Bahasa Melayu - Wiki Bahasa Melayu
- Birmana: ပသျှူးဘာသာစကား - Wiki မြန်မာဘာသာ
- Bas-allemand: Malaische un indonessche Spraak - Wiki Plattdüütsch
- Holandey: Maleis - Wiki Nederlands
- Norvégien nynorsk: Malayisk - Wiki Norsk nynorsk
- Norvégien bokmål: Malayisk - Wiki Norsk bokmål
- Occitan: Malai (lenga) - Wiki Occitan
- Poloney: Język malajski - Wiki Polski
- Piémontais: Lenga Malay - Wiki Piemontèis
- Western Punjabi: مالے بولی - Wiki پنجابی
- Pachto: مالیزیایي ژبه - Wiki پښتو
- Portiogey: Língua malaia - Wiki Português
- Quechua: Malaya simi - Wiki Runa Simi
- Romanianina: Limba malaieză - Wiki Română
- Rosianina: Малайский язык - Wiki русский
- Iakoute: Малаай тыла - Wiki саха тыла
- Santali: ᱢᱟᱞᱚᱭ ᱯᱟᱹᱨᱥᱤ - Wiki ᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤ
- écossais: Malay leid - Wiki Scots
- Sindhi: ملائي ٻولي - Wiki سنڌي
- Serbo-croate: Malajski jezik - Wiki Srpskohrvatski / српскохрватски
- Simple English: Malay language - Wiki Simple English
- Serbe: Малајски језик - Wiki српски / srpski
- Soundanais: Basa Malayu - Wiki Sunda
- Soisa: Malajiska - Wiki Svenska
- Swahili: Kimalay - Wiki Kiswahili
- Silésien: Malajskŏ gŏdka - Wiki ślůnski
- Tamoila: மலாய் மொழி - Wiki தமிழ்
- Tadjik: Забони малайӣ - Wiki тоҷикӣ
- Taioaney: ภาษามลายู - Wiki ไทย
- Tagalog: Wikang Malayo - Wiki Tagalog
- Tiorka: Malayca - Wiki Türkçe
- Tatar: Малайя теле - Wiki татарча / tatarça
- Ouïghour: مالاي تىلى - Wiki ئۇيغۇرچە / Uyghurche
- Okrainianina: Малайська мова - Wiki українська
- Ordò: مالے زبان - Wiki اردو
- Ouzbek: Malay tili - Wiki Oʻzbekcha / ўзбекча
- Vénitien: Lengua maleze - Wiki Vèneto
- Vietnamianina: Tiếng Mã Lai - Wiki Tiếng Việt
- Waray: Minalayo - Wiki Winaray
- Wu: 马来语 - Wiki 吴语
- Kalmouk: Малаймудин келн - Wiki хальмг
- Mingrélien: მალაიური ნინა - Wiki მარგალური
- Yiddish: מאלייאיש - Wiki ייִדיש
- Sinoa, Mandarin: 马来语 - Wiki 中文
- Minnan: Má-lâi-gí - Wiki Bân-lâm-gú
- Cantonais: 馬來話 - Wiki 粵語
- Zolò: IsiMalay - Wiki IsiZulu