Fitsipiteny Mpamaritra

Ny mpamaritra dia teny (sokajin-teny) akambana amin' ny anarana ao amin' ny andian-teny na tarika iray mba hilazana ny toetran' ny zavatra tondroina amin' ilay anarana na ny fifandraisany amin' ny zavatra hafa ivelan' ny fitenenana (mpamari-toetra) na ahafahana mampiasa io anarana io (mpamaritra isa, mpamaritra manondro, ny mpamaritra manontany, ny mpamaritra mampifandray, ny mpamaritra tompon-javatra, sns.).

Arakaraka ny fiteny dia mety hiovaova endrika ny mpamaritra iray arakaraka ny toetra ara-pitsipiteny ananan' ilay teny ikambanany na ifandraisany ka isan' izany ny fiovana endrika noho ny maha tokana na maro, ny maha lahy na vavy, sns. Afaka ialohavana na arakarahin-teny (na andian-teny) mameno azy ny mpamaritra ka ahazoana ny atao hoe "tarika mpamaritra", ary ireo teny maneno azy ireo no atao hoe "famenon' ny mpamaritra".

Karazana mpamaritra

Indreto ny karazana mpamaritra: mpamaritra milaza toetra, mpamaritra isa, mpamaritra filaharana, mpamaritra manondro, mpamaritra malala-kevitra, mpamaritra manontany, mpamaritra matoanteny, sns.

Mpamari-toetra

Ny mpamari-toetra dia teny ampiraisina amin' ny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetran' ny zavatra tondroina amin' ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran' ny zavatra tondroina amin' ny lazaina. Zana-tsokajin' ny mpamaritra ny mpamari-toetra. Ao amin' ny fehezanteny iray dia afaka misahana ny anjara asan' ny entimilaza ny mpamari-toetra ka mety mila matoanteny andry izany na tsia arakaraka ny fiteny.

Mpamaritra isa

Ny mpamaritra isa dia teny ao amin' ny sokajin' ny mpamaritra izay ampiraisina amin' ny anarana mba hilazana ny isa na ny laharan' ny zavatra lazaina amin' io anarana iraisany io.

Mpamaritra manondro

Ny mpamaritra manondro dia teny kely ao amin' ny sokajin' ny mpamaritra izay enti-mampitodika ny mpihaino any amin ny zavatra lazain' ny teny iraisany na anantitranterana ny fampahatsiahivana izany zavatra lazaina izany. Ampiraisina amin' ny anarana matetika ny mpamaritra manondro nefa arakaraka ny fiteny koa dia mety hampiraisina amin' ny teny ao amin' ny sokajy hafa koa izy. Mitovy lenta amin' ny mpisolo manondro ny fikambanan' ny mpamaritra manondro amin' ny anarana faritany.

Mpamaritra manontany

Ny mpamaritra manontany dia teny ao amin' ny sokajin' ny mpamaritra izay ampiraisina amin' ny anarana mba hoenti-manontany ny mombamomba ilay zavatra tondroina amin' io anarana io. Mitovy lenta amin' ny mpisolo manontany ny fikambanan' ny mpamaritra manontany amin' ny anarana faritany.

Mpamaritra mampifandray

Ny mpamaritra mampifandray dia teny ao amin' ny sokajin' ny mpamaritra izay misahana ny asa fampifandraisana fehezankevitra. Mitovy lenta amin' ny mpisolo mampifandray ny fikambanan' ny mpamaritra manontany amin' ny anarana faritany.

Mpamaritra tompon-javatra

Ny mpamaritra tompon-javatra dia teny ampiraisina amin' ny anarana mba hilazana ny fifadraisan' ny olona na zavatra tondroin' io anarana io amin' ny olona na zavatra hafa manam-pifandraisana manokana aminy nefa tsy tononina ny anaran' ity farany (fa efa soloan' ilay mpamaritra). Tsy voatery mahakasika ny fananana izany fa mety ho fifandraisam-pifamenoana (ny asa sy mpanatanteraka ny asa, ny asa sy ny iharan' ny asa, ny toetra sy ilay manana io toetra io, ny toerana sy izay hita amin'io toerana io, sns) izay azo naseho ara-pitsipiteny amin' ny alalan' ny anjara asa mifameno (ny mpanao sy ny iharana, ny mpanao sy ny toe-javatra, sns). Mifandray akaiky amin' ny mpisolo tompon-javatra ny mpamaritra tompon-javatra. Mitovy lenta amin' ny mpisolo tompon-javatra ny fikambanan' ny mpamaritra tompon-javatra amin' ny anarana faritany.

Famenon' ny mpamaritra

Ny famenon' ny mpamaritra dia teny na andianteny mameno ny mpamaritra ka mety misy na tsy misy mpampiankin-teny manakambana azy amin' ny mpamaritra fenoiny, arakaraka ny fiteny. Ny andian-teny foronin' ny mpamaritra sy ny famenony no atao hoe "tarika mpamaritra".

Jereo koa

Tags:

Fitsipiteny Mpamaritra Karazana mpamaritraFitsipiteny Mpamaritra Famenon ny mpamaritraFitsipiteny Mpamaritra Jereo koaFitsipiteny MpamaritraAnaranaFiteny (heviny mivelatra)Mpamari-toetraMpamaritra isaMpamaritra mampifandrayMpamaritra manondroMpamaritra manontanyMpamaritra tompon-javatraTarika mpamaritraTeny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FehezantenyHasina (zavamaniry)ZairaPaska jiosyFivavahan-drazana malagasyFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaFifohazana (kristianisma malagasy)Fanonganam-panjakanaRepoblika Malagasy1970Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)SimiaGregoriosy avy any NisaAzia andrefanaFiteny aromaniana1603Masedônia AvaratraPôlinezia Frantsay21 MeyFivarotana andevoFivavahana amin'ny razanaEspainaFanenomanaFahefana mpanao lalànaAngatra (aretina)TriniteISO 3166-1Fampihorohoroana1737SokyIstanbulFanjanahantanyMôsikaoRaki-pahalalanaNosin'ny Paska16 JolayBetsileoDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)San FranciscoLimboMadagasikaraIranianina (vahoaka)Isam-poninaFilazantsara araka an' i MarkaSamuel RatanyJerosalema AndrefanaAnjara (finoana)Fahefana Avon' ny TetezamitaTorkiaBokin' ny SalamoToetanin-jana-pehin-tanyHoditraBokin' i DanielaFahasalamanaDemonySokajin-tenyAmbohimangaAhidamboAdizaozaAntambahoakaMôraly1237PenguinBiôgrafiaKolontsainaTsekiaSakalavaFilôzôfiaAbbasabad, MazandaranFamoronana (finoana sy fedrà)Ranavalona IAdy an-tranoOtrikaretinaTantaraAdimizana🡆 More