Etazonia

Teny ofisialy ny teny anglisy anaty ny staty 30

United States of America ((en))
((en))
Etazonian'i Amerika ((mg))
Sainan' Etazonia Mari-piandrian' Etazonia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra :
(1776 - ankehitriny) E Pluribus Unum
(latina : «Tokana avy amin'ny maro»)
(1956 - ankehitriny) en:In God We Trust
(Anglisy : «Andriamanitra no itokiantsika»)
Etazonia
Teny ofisialy Faritra federaly Anglisy Amerikanina avy hatrany

20 % ny mponina miteny teny afa, ny teny espaniola tena be indrindra

Renivohitra en:Washington, DC
38° 53' N, 77° 02' O
Tanàna lehibe indrindra New York
Fitondrana sy governemanta
 - Filoham-pirenena
Repoblika federaly
en:Joe Biden
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 4
9 833 520 km²
4.66
Isam-ponina
 - Tontaliny (2020)
 - hakitroka
faha 3
331 449 281 mpo.
33,6 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Amerikana
IDH (2019) Mihakatra 0,926 (ambony) faha-12
Sandam-bola Dollar Amerikana (USD)
Faritr'ora UTC -5 -10
Hiram-pirenena en:The Star-Spangled Banner
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+1

I Etazonia dia firenena any Amerika Avaratra izay mizara ho fanjakana mizakatena (states) dimampolo sy distrika federaly iray ary fizaràn-tany ivelany (territory) efatra ambin' ny folo foronina nosy miparitaka manerana ny Ranomasina Karaiba sy ny Ranomasimbe Pasifika. Ny 48 amin' ny fanjakana 50 no mifanila sady mandrafitra ny "Renitany" (anglisy: Mainland), izay faritan' ny Ranomasimbe Atlantika any atsinanana, ny Hoalan' i Meksika any atsimo-atsinanana ary ny Ranomasimbe Pasifika any andrefana, ary mifanefitra amin' i Kanada any avararta sy amin' i Meksika any atsimo-andrefana. Ny fanjakana roa tsy ao anatin' ny Tanibe dia i Alaska, ao avaratra-andrefan' i Kanada, ary ny vondronosy Hawaii, vondronosy ao amin' ny tapany avaratry ny Ranomasimbe Pasifika. Atao amin' ny teny anglisy hoe United States, United States of America, US, USA na America ity firenena ity.

Ny renivohitra federaly, Washington, dia ao amin' ny Distrikan' i Columbia, faritra iray mihidy ao amin' ilay firenena, fa ivelan' ny fanjakana dimampolo. Mampihatra rafitra ara-pôlitika repoblika sady fanjakana federaly misy rafi-pitondrana ananan' ny filoham-pirenena fahefana betsaka i Etazonia. Tsy misy ny fiteny ôfisialy any Etazonia na dia amin' ny fiteny anglisy amerikana aza ny fitenin' ny firenena

Manana velarana 9,8 tapitrisa km2 io firenena io, ka izany no mahatonga azy, arakaraka ny mason-tsivana, ho firenena fahatelo na fahefatra maneran-tany amin' ny velaran-tany, aorian' i Rosia sy i Kanada ary i Sina. Tamin' ny taona 2020 i Etazonia dia nisy mponina eo amin' ny 331 tapitrisa eo ho eo, izay nametraka azy ho firenena fahatelo eran-tany amin'ny habetsahan' ny mponina, aorian' i Sina sy i India.Mitombo ny mponina amerikana noho ny fifandanjana voajanahary miabo sy ny fifindra-monina. Ny mponina ao Etazonia dia fitambarana foko (firenena niaviana) samihafa noho ny fifindra-monina taloha isan-karazany.

Ny jeôgrafia sy ny toetany ao amin' ilay firenena dia tena samihafa, fonenan' ny zavamaniry sy biby isan-karazany, ka mahatonga an' i Etazonia ho isan' ireo firenena 17 manana karazana zavaboary betsaka dia betsaka eto amin' izao tontolo izao.

Talohan' ny fizahana ny tany nataon' ny Eorôpeana sy sy nahazoana an' i Etazonia, dia ny Amerindiana, izay nifindra monina avy any Eorazia tokony ho 15 000 taona lasa izay, no nonina tao. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 ny fanjanahan-tany eorôpeana. Tamin' ny 14 Mey 1607 dia naorina ny zanatany anglisy any Virginia; taorian' izay, zanatany britanika roa ambin' ny folo hafa no naorina teo amin' ny morontsirak' i Atlantika, fa ny firenena eorôpeana hafa kosa dia nisavasava ny ambiny tamin' ny tanin' i Amerika. Nitarika ho amin' ny ady ho an' ny fahaleovan-tea tamin' ny taona 1775 ny fifandonana nifanesy nifanaovan' ny zanatany telo ambin’ny folo tamin' i Britaina Lehibe. Natao tamin' ny 4 Jolay 1776 ny fanambàrana ny fahaleovantena, izay nivondronan' ny zanatany telo ambin' ny folo ka nahaforona an' i Etazonia, izay firenena nanafoana ny fanjanahan-tany ao aminy voalohany eran-tany, neken' i Britaina Lehibe tamin' ny fiafaran' ny ady, tamin' ny taona 1783 izany. Ny tantaran' i Etazonia ankehitriny dia voamariky ny fifandrafiana teo amin' i New York sy i Philadelphia, avy eo ny fakana ny tany any Andrefana, ny ady nifanaovana tamin' ny Indianan' i Amerika ary ny adim-pisaraham-bazana. Ny fiafaran' ny fanandevozana ny Afrô-Amerikana (Amerikana mainty hoditra) tamin' ny taona 1865 dia narahin' ny fanavakavaham-bolon-koditra nandritra ny taonjato iray. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20, i Etazonia dia nanjary firenena mandroso amin' ny sehatry ny taozava-baventy, nanana fitaovana nahafahany miditra an-tsehatra ivelan' ny taniny. Nandray anjara tamin' ny Ady Lehibe Voalohany àry izy, ary avy eo niharan' ny krizy ara-toekarena lehibe tany (frantsay: Grande dépression / anglisy: Great Depression) am-piandohan' ny taompolo 1930. I Etazoniza, izay mpandresy tamin' ny Ady Lehibe Faharoa niaraka tamin' ny firenena mpiara-dia (anglisy: Allies / frantsay: Alliés), dia firenena matanjaka ara-nokleary nanomboka tamin' ny taona 1945. Lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany izy, avy eo niatrika ny rafitra kôminista tao amin' ny Firaisana Sôvietika sy ny mpiara-dia aminy, nandritra ny efapolo taona, ka izany fifanadrinana tsy misy fitaovam-piadiana izany no tondroina amin' ny teny hoe "Ady Mangatsiaka".

Ny toekarem-pirenena, izay kapitalista, no matanjaka indrindra eran-tany, izay manana harin-karena faobe ambony indrindra tamin' ny 2022; izany dia vokary ny fahafahan' ny asa mamokatra ambony dia ambony. Ny seha-pamokarana maneho ny tanjak' i Etazonia  dia ny fambolena, ny indostrian' ny teknôlôjia avo lenta ary ny serivisy. Ny toekarena amerikana koa dia anisan' ny mpanao taozavara lehibe indrindra eran-tany. Io firenena io dia manao fandaniana ara-tafika mitentina 37 % amin' ny totaliny maneran-tany. Hery lehibe ara-pôlitika sy ara-kolontsaina ihany koa i Etazonia ary mpitarika manerantany amin' ny fikarohana ara-tsiansa sy amin' ny fanavaozana ara-teknôlôjia.

I Etazonia dia mpikambana ao amin' ny North Atlantic Treaty Organization (NATO) na Organisation du traité de l'Atlantique nord (OTAN), ao amin' ny Asia-Pacific Economic Cooperation (APEC), ao amin' ny Canada-United States-Mexico Agreement (CUSMA), ao amin' ny Organisation of American States (OAS), ao amin' ny Australia, New Zealand, United States Security Treaty (ANZUS), ao amin' ny Organisation de coopération et de développement économiques (OCDE), ao amin' ny Groupe des sept (G7), ao amin' ny Groupe des vingt (G20), ary mpikambana maharitra ao amin' ny Filankevi-Pilaminan' ny Firenena Mikambana.

Jeôgrafia

I Etazonia dia manana velarana mirefy 9,6 tapitrisa km2 ary milahatra fahefatra amin' ny firenena ngeza indrindra eto an-tany.

Toerana misy azy sy refiny

I Etazonia dia firenena fahefatra ngeza indrindra eto an-tany (9 631 417 km2) eo aorian' i Rosia, i Kanada ary i Sina. Ny hangezan' ny tanim-pirenena amerikana dia saika hangezan' ny Kôntinenta Eorôpeana na in-15-n' i Madagasikara.A ny Amerika Avaratra no misy ny Mainland na ny Renitany, ao amin' io Mainland io ny 48 amin' ny fanjakana mizaka-tenana ao Etazonia miisa 51. Ny endriky ny Mainland moa dia dimilafy ivelaran' ny hasin' ora dimy. 4 500 km ny halaviran' ny morontsirak' i Atlantika sy ny morontsirak' i Pasifika, ary 2 500 km ny halava ny dia tokony atao raha miainga ao Meksika ka raha te-ho any Kanada. Ny totalin' ny sisin-tany ma,asaraka an i Etazonia amin' ny firenena hafa dia mirefy 12 034 km ; 8 893 km miaraka amin' i Kanada, (2 477 km miaraka amin' i Alaska), 3 141 km miaraka amin' i Meksika ary 28 km miaraka amin' i Kioba (any Guantanamo). Ny tontalin' ny halavan' ny morontsiraka dia 19 924 km.

Vohon' ny tany sy rano

Ny lemaka amorontsirak' i Atlantika dia mitondra mankany amin' ny ala mikitroka sy ny havoan' i Piedmont. Ny Tendrombohitra Appalachian sy ny tangoron-tendrombohitra Adirondack dia mampisaraka ny morontsiraka atsinanana amin' ny Great Lakes sy ny velaran-tanin' ahitra (grasslands) any Midwest. Ny onin' i Mississippi–Missouri, izay rafi-drenirano fahaefatra lava indrindra eran-tany, dia mikoriana avy varatra mianatsimo amin' ny ankapobeny eo afovoan' i Etazonia. Ny tany lemaka sy lonaka anirian' ahitra sy zavamaniry fohy ao amin' ny Great Plains dia mipaka any andrefana, ka tapahan' ny faritra avo any atsimo-atsinanana (U.S. Interior Highlands).

Ny Rocky Mountains, ao andrefan' ny Great Plains, dia avy avaratra mianatsimo mamakivaky an' i Etazonia, ary mahatratra 4 300 m any Colorado ny tampony. Any andrefana no misy ny Great Basin be vatolampy sy ny tany efitra toa an' i Chihuahua sy i Sonoran ary i Mojave. Manakaiky ny morontsirak' i Pasifika ny tandavan-tendrombohitra Sierra Nevada sy Cascade Range, ary mahatratra haavo mihoatra ny 4 300 m ny haavon' izy roa ireo. Ny toerana iva sy avo indrindra mifanila any Etazonia dia ao amin' ny Fanjakan' i Kalifôrnia, ary eo amin' ny 135 km eo ho eo ny elanelany.

Amin' ny haavony mirefy 6 190,5 m, i Denali any Alaska no tendro avo indrindra ao amin' ilay firenena sy any Amerika Avaratra. Ny volkano mbola velona dia fahita manerana ny nosy Alexander sy ireo nosy Aleotiana any Alaska, ary i Hawaii dia misy nosin' afotroa. Ny afotroa goavana ao ambanin' ny Yellowstone National Park ao amin' ny Rockies no fiforonana afotroa lehibe indrindra ao amin' ny kôntinenta.

Toetany

Ankapobeny

Etazonia 
Rotsak' orana

Ny toetra mampiavaka an' i Etazonia dia ny maha firenena kôntinenta azy, ahitana elanela-maripana lehibe isan-taona sy rotsak' orana tsy ampy. Na izany aza, i Etazonia dia ahitana toetany isan-karazany, vokatry ny fitambaran' ny anton-javatra ara-jeôgrafia maro: ny hangezan' ny taniny, ny fiavian' ny rivotra (avy any amin' ny tendrontany sy any amin' ny zana-pehintany), ny fikitoantoanan' ny tany izay manaraka ny zotran' ny laharan-jarahasina (ny tendrombohitra Appalachian sy Rockies, sns) ary ny fisian' ny rian-dranomasina mangatsiaka na mafana.

Sakanana' ny tendrombohitra (Tendrombohitra Be Vatolampy) eo amin' ny tokonan' i Amerika Avaratra ny rivo-dranomasina mando avy any Pasifika, izay ampitain' ny tso-drivotra avy any andrefana. Ao ambadiky ny tandavan-tampon-tendrombohitra amoron-tsiraka (ny Coast Ranges, ny Cascade Range), izay mahazo rotsak' orana mihoatra ny 1,5 m isan-taona, no misy ny hain-tany amin' ny ambaratonga samihafa, hatramin' ny laharan-jarahasina faha-100, ka tena ilaina ny fitarihan-drano.

Fanampin' izany, ny tsy fisian' ny fikitoantoanana ao amin' ireo Great Plains afovoany - izay mamela malalaka ny fivezivezen' ny rivotra avy any amin' ny tendrontany sy avy any amin' ny zana-pehintany, avy any avaratra mianatsimo sy mifamadika amin' izany - no anton' ny maha be ny fifanoherana misy eo amin' ny maripana amin' ny fiovana fizaràn-taona. Amin' ny fahavaratra, ny rivotra mafana sy mando avy any amin' ny Hoalan' i Meksika dia miakatra avo be any avaratra, hatrany Manitoba (any Kanada), nefa amin' ny ririnina kosa ny rivotra mangatsiatsiaka any Arktika any avaratra, izay matetika mijanona ao North Dakota, dia miditra indraindray hatrany Florida. Amin' ny faran' ny fahavaratra na ny fararano dia miforona ny hurricanes (rivodoza trôpikaly) any amin' ny morontsiraka atsimo amin' ny Ranomasimbe Atlantika na any amin' ny Hoalan' i Meksika, izay mitondra oram-be sy tondra-drano mahery vaika, indrindra ny any amin’ ny faritra akaiky morontsiraka.

Karazana toetany

Mizara amina faritra enina ny karazana toetany any Etazonia.

  • Ny toetanin-tanibe mando any avaratra-atsinanana (New-England, any afovoany-atsinanana) dia ahitana fifanoherana ara-kafana amin' ny fiovana fizaràn-taona. Mafana ny fahavaratra ary mangatsiaka be ny ririnina noho ny maha akaiky ny Ranomasimbe Atlantika (korian-dranomasin' i Labrador). Be dia be ny rotsak' orana, indrindra amin’ ny ririnina, rehefa mitondra oram-panala be ny fifangaroan’ ny hamandoana sy ny hatsiaka.
  • Ny toetany ambanin-jana-pehintany mando any atsimo-atsinanana dia ahitana ririnina malefaka sy fahavaratra mafana sy mando. Andalovan' ny rivodoza tsy tapaka ny morontsiraka.
  • Ny toetany maina ao amin' ireo Lemaka Lehibe afovoany dia iharan' ny fiantraikan' ny maha firenena kôntinenta an' i Etazonia: ankoatry ny fifanoherana ara-kafana amin' ny fiovana fizaràn-taona, dia mihena tsikelikely ny rotsak' orana raha avy any atsinanana mankany andrefana. Ilaina ny fitarihan-drano any andrefan' ny laharan-jarahasina faha-100, izay mmpitombo ny hain-tany miampy ny tsy fitovian' ny rotsak' orana amin' ny fiovana fizaràn-taona. Indraindray ny lembalemba ao amin' ny "High Plains" dia ahitana rivotra mahery vaika tena mangatsiaka sy misy rambondanitra, indrindra ao ampin' ny Fanjakan' i Oklahoma sy ny Fanjakan' i Kansas, izay miteraka fikao-tany noho ny rivotra mahery vaika.
  • Ny toetany karankaina any amin' ny lembalemban' ny Afovoany Andrefana, indrindra any atsimon' ny Great Basin (lohasahan' ny Fahafatesana, Efitr' i Mojave), izay ahitana fahavaratra tena mafana.
  • Ny toetanin-dranomasimbe any Pasifika Avaratra-Andrefana izay tena mando sady miavaka amin' ny fisiana elanela-maripana kely isan-taona (ririnina malefaka, fahavaratra mangatsiatsiaka). Be dia be ny rotsak' orana any an-tendrombohitra (Olympic Mountains, Range Cascade).
  • Ny toetany mediteraneanan' i Pasifika Atsimo-Andrefana izay maina amin' ny fahavaratra. Ny morontsiraka atsimo dia ahitana ny rivotra mafana sy mainan' i Santa Ana, izay miteraka fahamaizan' ny ala. Somary mangatsiatsiaka ny fahavaratra any amin' ny faritra amorontsiraka, noho ny korian-dranomasin' i Kalifôrnia, miteraka zavona matevina ampian' ny fahalotoan' ny atmôsfera. Mihamafana izany ao arakaraka ny fandrosoana any afovoan-tany izay lasa tany efitra ka ilaina fitarihan-drano.

Zavamaniry sy biby

Zavamaniry

Biby

Toekarena

I Etazonia dia firenena manan-karena indrindra eto an-tany. Betsaka ny otri-karena sy ny harena an-kibon' ny tany misy any, izay kosa dia manazava ny hery ara-toekarenan' i Etazonia.

Mponina sy kolontsaina

Isan' ny mponina

Nihoatra 300 tapitrisa ny isan' ny olona tamin' ny taona 2008, noho izany, anisan' ny firenena be olona indrindra i Etazonia eo aorian' i Sina sy i India.

Foko sy fiaviana

Onenan' olona avy amin' ny foko maro samy hafa i Etazonia. Ny 80 % n' ny mponina ao Etazonia dia taranaky ny mpifindra monina avy any Eorôpa. Olona avy any Alemaina, Angletera, Ekôsy, Irlandy, Afrika, ary Italia. Ny 13 % amin' ny mponina any Etazonia dia Afrikana-Amerikana. Ny ankamaroan' izy ireo taranaka avy any amin' ny andevo afrikana izay nentina tao Amerika. Ny Amerikana Aziatika dia 5 % -n' ny mponina any Amerika, fa lehibe kokoa izany ao amin' ny morontsiraka andrefana. Ohatra ao California, Aziatika-Amerikana ny 13 % -n' ny mponin' izany fanjakana izany. Ny Hispanô-Amerikana, na ny taranaky ny olona miteny espaniôla dia 15 % amin' ilay firenena. Ny Teratanin' i Amerika sy ny Inoita (Eskimô) dia vondrona kely dia kely. Ny 11 % amn' ny mponina any Etazonia dia teraka tany ivelany.

Ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2000 dia ahitana tatitra mikasika ny razamben' ny mponina. Avy amin' izany dia 43 tapitrisa ny Alemana-Amerikana, 30,5 tapitrisa ny Irlandey-Amerikana, 24,9 tapitrisa ny Afrikana-Amerikana, 24,5 tapitrisa ny Anglisy-Amerikana, ary 18.4 tapitrisa ny Meksikana-Amerikana.

Fiteny

Ny fiteny anglisy no be mpampiasa indrindra any Etazonia nefa tsy mbola nisy fiteny ôfisialy amin' ny ambaratonga federaly. Ny 18 % no miteny fiteny hafa ankoatra ny fiteny anglisy ao an-trano. Na izany aza, ny fiteny anglisy dia fiteny ôfisialy any amin' ny fanjakana 32 amin' ny 50. Ankoatr' izany, ny fanjakan' i Hawaii dia nisafidy fiteny ôfisialy faharoa (dia ny fiteny haoaiana), i Alaska sy i Dakota Atsimo dia nanaiky ny fitenin-drazan' ny Amerindiana eo an-toerana ary faritany amerikana maromaro no nandray fiteny ôfisialy faharoa (fiteny espaniôla any Pôrtô Rikô, ny fiteny samôrô any Guam, ny fiteny samôana any Samôa Amerikana). Ny paroasy sasany any Louisiana dia mampiasa ny fiteny frantsay, ary misy tanàna sy distrika any Etazonia miteny espaniôla; na izany aza, tsy nisy tamin' ireo fanjakana dimampolo ireo ny nandray ny fiteny frantsay na espaniôla ho fiteny ôfisialy faharoa.

Fanabeazana

Amin' ny olona 25 taona no ho miakatra, ny 80 % no nahazo diplôma avy amin' ny sekoly ambony raha 25 % no manana ny mari-pahaizana lisansa, na kely na ambony kokoa.

Fivavahana

Ny fivavahana dia mbola be mpanaraka ary ilaina ny fahafantarana azy mba hahatakarana ny fiarahamonina amerikana, izay anana' ny fivavahana anjara toerana lehibe. Na dia eo aza ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana dia hita eny amin' ny toera-malalaka ho an' ny daholobe any Etazonia ny fivavahana ka izany no ampiasana ny andian-teny hoe "fivavahana sivily". Matetika dia ahitana Baiboly ny ao amin' ny efitranon' ny trano fandraisam-bahiny, indrindra ny Baibolin' ny Mpanjaka James (King James Version), ary matetika ny filoha amerikana no mitoka an' Andriamanitra amin' ny kabary ataony.

Araka ny fanadihadiana nataon' ny Pew Research Center tamin' ny taona 2014, dia 70,6 % amin' ny Amerikana no milaza fa Kristianina (ka ny 46,5 % Prôtestanta fa ny 20,8 % kosa Katôlika), 22,8 % no tsy manana fivavahana ary 5,9 % no manaraka fivavahana hafa (jodaisma - 1,9 %, silamo - 0,9 %, bodisma - 0,7 %, hindoisma - 0,7 %, fivavahana hafa - 1,8 %).

Pôlitika

Pôlitika anatiny

I Etazonia dia ahitana fanjakana miazaka tena 50, sy faritany 5 sy distrika 1 (Washington DC). Ny lalàna dia mifehy ny zavatra ao amin' ny fanjakana miezaka tena tsirairay, fa ny lalàna federaly matetika momba ny zavatra mifandray amin' ny fanjakana mihoatra ny iray, na momba ny fifandraisana amin' ny firenen-kafa. Any amin' ny faritra sasany, raha ny governemanta federaly no manao lalàna izay milaza zavatra hafa avy amin' ny lalànan' ny fanjakana mizaka tena, ny olona dia tsy maintsy manaraka ny lalàna federaly, satria tsy manan-kery intsony ny lalàn' ny fanjakana mizaka tena. Samy manana ny lalàm-panorenana avy ny fanjakana mizaka tena, hafa noho ny lalàm-panorenana federaly (nasiônaly).

Ny fankakana federaly sy ny fanjakana mizaka tena, indrindra ny fitondram-panjakana, dia anjakan' ny antoko pôlitika roa: ny Repoblikana sy ny Demôkraty. Misy ihany koa ny antoko kely kokoa maro be; ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Libertarian Party sy ny Antoko Maitso. Ny olona dia afaka manome vola izay tiany ho an' ny fampielezan-kevitra ara-pôlitika, ary miezaka ny mandresy lahatra ny mpanao pôlitika mba hanampy azy ireo. Izany no antsoina hoe lobbying.

Nanomboka tamin' ny taona 2009, ny filoha dia demôkraty, ka demôkraty manana fahefana kely kokoa ao amin' ny governemanta federaly. Na izany aza, dia mbola maro ny repoblikanina izay afaka hisakana ny demôkraty tsy hanao zavatra izay heveriny ho ratsy ho an' ny firenena.

Fitantanana ny tanim-pirenena

Tamin' ny fahaleovan-tenany tamin' ny taonjato faha-17, repoblika federaly misy fanjakana mizakatena dimampolo manam-pahefana i Etazonia. Ny renivohiny dia i Washington D.C, fa i New York no tanàna ngeza indrindra sy manan-karena indrindra.

Tantara

Saika mpiavy ny olona rehetra ao aminy, na ny tera-tany aza. Ny zanatany anglisy 13 izay niforona teo amin' ny sisin-dranomasin' i Atlantika sy nanambara ny fahaleovan-tenany tamin' ny 4 Jolay 1776 no lasa Etazonia amin' izao fotoana izao. Nanomboka teo dia niitatra nankany andrefana ny sisin-tany ka resy tosika ireo foko isan-karazany izay nonina tao talohan' ny Eorôpeana.

Vanimpotoana prekôlômbiana (talohan' ny taona 1492)

Tsy mbola mikatona ny adihevitra momba ny fiaviana sy ny daty nahatongavan' ny Amerindiana any Amerika Avaratra. Hita tamin' ny fikarohana arkeôlôjika fa efa nisy mponina ny faritra atsinanana amin' i Etazonia 12 000 taona mahery izay, fa mety efa 30 000 taona mahery kosa ny fahatongavan' ny mponina voalohany tao amin' ilay kôntinenta. Nanomboka tamin' ny taona 1927, ny rijan-kevitra eken' ny besinimaro indrindra dia ny fifindran' ny vahoaka aziatika 12 000 taona lasa izay namakivaky ny andilan-dranomasin' i Bering. Na izany aza, ny fikarohana arkeôlôjika sasany natao tato anatin' ny taona vitsivitsy dia manome todika vaovao momba ny dingan' ny fiorenam-ponenana talohan' ny tantara tany Amerika Avaratra.

Ny mpahay siansa sasany dia mihevitra fa mety nisy vahoaka hafa tonga tany amin' ny morontsiraka avaratra, 17 000 taona talohan' ny androntsika, nandritra ny faharavan' ny ranomandry tany amin' ny faritra avaratra. Ny manam-pahaizana hafa dia mino fa ny mponina voalohany dia niampita ny Ranomasimbe Pasifika tamin' ny sambo mba ho tonga tany Amerika Atsimo aloha.

Talohan' ny nahatongavan' ny Eorôpeana dia nisy sivilizasiôna maromaro nivoatra teo amin' ny tanin' i Etazonia amin' izao fotoana izao: ny Mound Builders dia nametraka ny dongom-pasana (tumulus) voalohany tamin' ny 3 400 tal. J.K. Tamin' ny taonjato faha-12, ny tanànan' i Cahokia, any akaikin' i Saint-Louis, dia nisy mponina 15 000 ka hatramin' ny 30 000 teo ho eo sy 120 dongom-pasana (tumulus).

Na dia eo aza ny fahasarotana amin' ny fametrahana antontan' isa, ny ankamaroan' ny mpahay tantara dia miombon-kevitra amin' ny fanombanana ny mponina tompontany tany amin' ny faritra misy an' i Etazonia ankehitriny ho 7 ka hatramin' ny 8 tapitrisa, tamin' ny taona 1492. Tamin' ny taonjato faha-16, ny tany ao atsinanan' ny Tendrombohitra Be Harambato (anglisy: Rocky Moutains) dia nonenan' ny Amerindiana: ny Seiena (Cheyena), ny Absarôka (Crow), ny Ôtsety Sakôina (Sioux), ny Oendata (Wendat), ny Irôkoa (Iroquois), ny Tserôky (Cherokee) ary ny Moskôge (Creeks) izay mpihaza ombidia bizôna nefa koa manao fambolena, fiotazana voankazo an' ala, fiompiana ary jono. Ny Irôkoa dia mipetraka ao amin' ny lohasahan' i Saint Lawrence (frantsay: Saint-Laurent), ao amin' ny faritry ny farihy Erie sy Ontario, ao amin' ny lohasahan' ny ony Hudson ary any amin' ny faritra andrefana amin' ny tandavan-tedrombohitra Appalaches. Mizara ho fokom-pirenena (tribu) lehibe enina izy ireo.

Fokon' ny mpiandry omby sy mpamboly, ny Apasy (Apaches), ny Kômantsa (Comanches) na Poeblô (Pueblos), no nonina tao amin' ny Tendrombohitra Be Harambato (Rocky Moutains).

Vanimpotoan' ny fananjahan-tany (1492-1775)

Etazonia 
I Christophe Colomb

Nahita ny Kôntinanta Amerikana i Christohpe Colomb (italiana: Cristoforo Colombo) tamin' ny taona 1492, ary avy eo nizaha ny zava-lisy tany amin' ny faritra misy an' i Porto Rico ankehitriny tamin' ny taona nanaraka. Tamin' ny taonjato faha-16 dia niondrana an-tsambo ny Eorôpeana nitady ny lalana an-dranomasina any Avaratra-Andrefana sy harena ary nanorim-ponenana nanaraka ny morontsirak' i Atlantika. Nifanarakaraka tonga ny voanjo espaniôla, ny voanjo anglisy, ny voanjo frantsay, ny voanjo hôlandey ary ny voanjo skandinaviana izay nitoetra tsy ela na maharitra kokoa. Ny toeram-pandraharahana malaza sy tranainy indrindra dia ny an' i Saint Augustine (Florida, 1565), Jamestown (1607) ary Plymouth (naorin' ireo Ray mpivahiny masina (anglisy: Pilgrim Fathers) poritana tamin' ny taona 1620).

Tany atsimo-andrefana, ny Espaniôla dia nanitatra an' i Espaina Vaovao (espaniôla: Nueva España) tamin' ny fanaovana diabe avy any Meksika. Tany avaratra-andrefana dia nanorim-ponenana teo amin' ny morontsirak' i Pasifika ny Rosiana. Nifandray sy nivarotra amin' ny tompon-tany ny Fotsy Hoditra. Tsy nahatohitra ny areti-mifindra (nendra, kitrotro) nampidirin' ny Eorôpeana, ny fampidirana fomba fiainanana vaovao (toaka, basy), ny fadringanana sy ny ady tamin' ny fanjanahantany anefa ny Amerindiana.

Nandritra ny taonjato faha-17 sy faha-18 dia niforona tsikelikely ny Zanatany Britanika telo ambin' ny folo tany amin' ny morontsiraka atsinanana, izay hikambana ka lasa Etazonia aty aoriana. Ny fanjanahana ny tany dia niantohan' ny kômpania sy ny fametrahana dina. Nizaha zava-misy any amin' ny lohasahan' i Mississippi ny Frantsay ary nanorina an' i Louisiana (frantsay: Louisiane). Vetivety dia nanjary nifaninanana sy niadian' ny firenena mpanjanaka i Amerika Avaratra: nametraka tsikelikely ny fahamboniany ny Fanjakan' i Angletera (izay lasa Britaina Lehibe tamin' ny taona 1707 taorian' ny fanakambanana azy amin' i Ekôsy) tamin' ny fandresena amin' ny ny ady nifanandrinan' ny Anglisy sy ny Hôlandey ary avy eo tamin' ny Ady Fito Taona (1763) tamin' i Frantsa, izay namoizany ny tany fananany any atsinanan' ny Mississippi.

Ny mpifindra monina britanika sy ny varotra andevo no tena nampisy ny mponina. Ny andevo mainty hoditra dia niasa any amin' ny toeram-pambolena paraky any atsimo sy niasa koa tamin' ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa. Manodidina ny taona 1775 dia  niroborobo ny toekaren' ny zanatany telo ambin' ny folo ary nisy mponina maherin' ny roa tapitrisa tao amin' izy ireo.

Revôlisiôna, fahaleovan-tena, andim-panjakana vaovao (1776-1800)

Nandritra ny taompolo 1770 dia nitombo hatrany ny fanoheran' ny voanjo amerikana ny firenena niaviany any Eorôpa: nolavin' i Lôndra tsy nomena azy ireo ny tanin' ny Indiana any andrefan' ny tendrombohitra Appalaches. Nitombo ny hetra nefa tsy nanana solontena ao amin' ny Antenimiera britanika ny olom-pirenena amerikana. Nampijaly ny mpivarotra any amin' ny morontsiraka atsinanana ny fisian' ny ampihimamba amin' ny fividianana sy ny fivarotan' ny firenena mpanjanaka (frantsay: exclusif colonial). Nalefa tany Amerika ny andian-tafika vaovao ary niforona any New England sy any Philadelphia ary any Virginia ny hetsika revôlisiônera. Tamin' ny taona 1770 dia notifirin' ny miaramila britanika (izany ny fandringanana tao Boston) ny mpanao fihetsiketsehana. Tamin' ny Desambra 1773 dia natsipy sy nopotehin' ny voanjo ny entana dite tao anaty sambo (izany no atao amin' ny teny anglisy hoe Boston Tea Party): nipoaka amin' izay ny ady ho an' ny fahaleovantena tamin' ny taona nanaraka.

Ny mpikomy dia nandefa solontena ho any amin' ny Kôngresy Kôntinentaly (anglisy: Continental Congress) izay nankasitraka ny lahatsoratry ny Fanambaràna ny Fahaleovantenan' i Etazonia tamin' ny 4 Jolay 1776. Ity lahatsoratra ity, izay nosoratan' i Thomas Jefferson, dia manambara ny fotopotony momba ny fahafahana, momba ny fitoviana ary momba ny zo hikatsaka fahasambarana. Ny Fanambaràna ny Fahaleovatena amerikana ihany koa no nanorina firenena voalohany afaka amin' ny fanjanahantany, na dia tsy nanaiky izany aza i Britaina Lehibe tamin' ny voalohany. I Marôka no firenena voalohany nanaiky ny fahaleovantenan' i Etazonia, tamin' ny taona 1777. Nandritra ny ady dia olona an' arivony izay tsy nivadika (anglisy: Loyalists) tamin' ny fahefana britanika no nandositra an' ilay firenena. Ny tafika amerikana, izay nampian' i Frantsa (sy i Espaina ary i Nederlandy), notarihin' i George Washington, dia nandresena ny Britanika tamin' ny farany; ny fifanarahana tany Paris (anglisy: Treaty of Paris) dia nosoniavina tamin' ny taona 1783, izay naneken' i Britaina Lehibe ny fahaleovantenan' i Etazonia, sady namarana ny ady.

Ny Kôngresy Kôntinentaly Faharoa, izay nanamafy ny Lalàm-panorenan' ny Kônfederasiôna (anglisy: Articles of Confederation and Perpetual Union) tamin' ny taona 1781, dia namolavola ny Lalàm-panorenan' i Etaznia tamin' ny Fifanarahana tao Philadelphia (anglisy: Philadelphia Convention) tamin' ny taona 1787. Ity lahatsoratra ity, izay nampiana fanitsiana folo (Fanambaràna ny Zo, na Bill of Rights amin' ny teny anglisy) tamin' ny taona 1789 (nankatoavina tamin' ny tamin' ny taona 1791), dia mbola mijanona ho fototry ny demôkrasia amerikana ankehitriny. I George Washington no voafidy ho filoham-pirenena amerikana voalohany tamin' ny taona 1789. Niorina tanteraka tao an-tanànan' i Washington ny andrim-panjakana rehetra tamin' ny taona 1800.

Ny Fanambaràna ny Fahaleovantena (anglisy: United States Declaration of Independence) sy ny Fanambaràna ny Zon' ny fanjakan’ i Virginia (anglisy: Virginia Declaration of Rights), ary ny Fanambaràna ny Zo (anglisy: United States Bill of Rights) tamin' ny taona 1789 dia nisy fiantraikany tamin' ireo izay nampandry an-tsoratra ny Fanambaràna ny Zon'  Olombelona sy ny an' ny Olom-pirenena tamin' ny taona 1789 (frantsay: Déclaration des droits de l'homme et du citoyen de 1789). Tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20 dia nanao môdely an' io lahatsoratra io koa ny mpitarika ny fitakiana fahaleovantena toa an' i Ho Chi Minh tay Vietnamy nandritra ny fanafahana amin' ny fanjanahantany.

Fahazoana ny tany andrefana sy fampandrosoana ny indostria ary fiafaran' ny fanandevozana (1800-1917)

Ny tantara amerikana tamin' ny taonjato faha-19 dia voamariky ny zava-nitranga lehibe efatra: ny fakana ny tany any Andrefana, ny fanandevozana any atsimo, ny fandrosoan' ny indostria ary ny fifindra-monina.

Niitatra tsikelikely niankandrefana ny tanim-pirenena amerikana tamin' ny alalan' ny fividianana (Louisiana tamin' i Frantsa tamin' ny taona 1803, i Alaska tamin' i Rosia tamin' ny taona 1867) sy tamin' ny alalan' ny ady. Noho ny foto-pampianarana "Lahatra Miharihary" (anglisy: "Manifest Destiny") sy ny "petra-kevitra momba ny sisintany" miitatra hatrany (anglisy: "Frontier Thesis"), dia niady tamin' ny Amerindiana ny Amerikana ary niitatra miankandrefana ny taniny. Ny ady tamin' i Meksika (1846-1848) sy ny fifanarahana tao Guadalupe Hidalgo dia nitarika ny fanakambanana an' i Texas sy i Califoria amin' i Etazonia. Ny fifanarahana tao Oregon (1846) dia namaritra ny sisintany eo anelanelan' i Kanada sy i Etazonia any andrefan' ny Tendrombohitra Be Vatolampy. Nanafaingana ny fanjanahan-tany fotsy teo amin' ny tany Andrefana ny firohotana mankany amin' ny itrandrahana volamena (anglisy: Gold rush; frantsay: ruée vers l’or) tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19. Tamin' ny taona 1859, ny fahitana ireo lalam-bolafotsy ambany tany lehibe indrindra teo amin' ny tantara dia niteraka firohotan' ny olona maro tany Nevada, tao amin' ny toeram-pitrandrahana volafotsy ao Comstock Lode.

Farany, ny fanamboarana ny lalamby miampita kôntinenta voalohany (taona 1869) dia nanamora ny fampidirana tany vaovao. Ny fahazoana ny tany Andrefana dia nifarana tamin' ny fandripahana olona tao Wounded Knee (taona 1890), sy ny fampidirana an' i Hawaii (1898) sy an' i Arizona (taona 1912) ho isan' i Etazonia.

Nofoanana teo amin' ny ambaratonga federaly tamin' ny taona 1808 ny varotra andevo mainty hoditra ary nofoanan' ireo fanjakana ao Avaratra ny fanandevozana teo anelanelan' ny taona 1777 sy 1804, nefa nanohy niaro an' io fanao io ny tompon' ny tany fambolena midadasika any Atsimo. Teo anelanelan' ny taona 1801 sy 1815 ny ady roa tamin' ireo fanjakana barbareska (tanin’ ny Ôtômana nefa tsy voafehiny) mba hiarovana ny sambo amerikana amin' ny jiolahin-tsambo barbareska izay misambotra ireo sambo ireo sy nanandevo ny tantsambo, ireo no ady voalohany nataon' i Etazonia ivelan' ny taniny.

Tamin' ny taona 1860, i Abraham Lincoln, kandidan' ny antoko manohitra ny fanandevozana, dia nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena: fanjakana mpanankasitraka ny fanandevozana fito no niala ary namorona ny Confederate States of America. Ny ady tao Fort Sumter (Avrily 1861) dia nanamarika ny fiandohan' ny ady an-trano fisaraham-bazana izay nahafaty olona 970 000 (3 % n' ny mponina amerikana), anisan' izany ny miaramila miisa 620 000. Nifarana ny ady tamin' ny taona 1865, izay nandresen' ny fanjakana any Avaratra, mpiaro ny varotra anatiny sy mpandala ny fitoviana eo anatrehan' ny lalàna, nanoloana ny fanjakana any Atsimo, izay mpankasitraka ny fifanakalozana ara-barotra malalaka sy ny fanandevozana.

Taorian' io fandresena io dia nisy fanitsiana telo tamin' ny lalàm-panorenana nolaniana mba hanafoanana ny fanandevozana, hanafahana ny andevo efatra tapitrisa, hanomezana azy ireo ny zom-pirenena sy ny zo hifidy. Saingy ny "lalàna Jim Crow" (anglisy: Jim Crow Laws) dia nampiditra ny fanavakavaham-bolon-koditra tany Atsimo, izay nanank-kery hatrany amin' ny taompolo 1950 sy 1960. Ny ady fisaraham-bazana koa dia nisy fiantraikany tamin' ny fanamafisana ny fahefana federaly.

Nanomboka tamin' ny taompolo 1850 ny fampandrosoana ny indostria. Niteraka korontana tamin' ny firafitry ny mponina sy ara-toekarena ary ara-tsôsialy izany. Nihamaro sy nihalehibe haingana ny tanàn-dehibe amerikana. Nihafaingana sy niseho amin' ny fomba isan-karazany ny fifindra-monina. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20, ny revôlisiôna indostrialy faharoa dia nisehoan' ny fiarahamonina anjakan' ny fanjifana sy ny fiarakodia. Ny trano mijoalajoala (anglisy: skyscrapers) voalohany dia naorina tao afovoan-tànan' i Chicago sy i New York.

Ny gazety an-tsoratra dia tafiditra tan-tranon' ny tokantrano maro noho ny fanontana lehibe azo natao vokatry ny famoronana milina mihodinkodina.

Nandresy tamin' ny ady nifanaovany tamin' i Espaina i Etazonia tamin' ny taona 1898: lasza teo ambany fifehezan' i Washington i Pôrtô Rikô sy i Filipina, ary i Kiobà dia lasa prôtektôratan' i Etazonia.

Famintinana

Toa izao ny fivoaran' ny fahazoany ny tany[1] Archived Septambra 26, 2007 at the Wayback Machine:

  • 1798 dia teo am-pelantanan' ny Amerikana ny faritra atsinanan' ny ony Mississippi manontolo.
  • 1803 dia novidiny avy tamin' ny Frantsay ny faritra lemaka andrefan' i Mississippi.
  • 1818 notapahina niaraka tamin' ny Britanika ny tokony ho sisin-tany avaratra.
  • 1819 nanome tany vitsy any Louisiana sy any Colorado i Espaina izay resy an' ady.
  • 1845 nahaleo tena avy tamin' i Meksika i Texas ka nitambatra tamin' i Etazonia
  • 1846 nomen' ny Britanika ny faritra Oregon
  • 1848 nomen' i Meksika izay resy an' ady ny faritra misy an' i California ankehitriny
  • 1853 novidina tamin' i Meksika ny faritra atsimon' i Arizona
  • 1857 novidina tamin' i Rosia i Alaska
  • 1898 nozanahina ny nosy Hawaii
  • 1898 nomen' i Espaina izay resy an' ady ny nosy Pôrtô-Rikô
  • 1917 novidina tamin' i Danemarka ny nosy Virgin Islands sy ireo nosy madinika manodidina azy.

Lasa firenena matanjaka (1914-1945)

Taorian' ny Ady Lehibe Voalohany (1914-1918) vao azo lazaina hoe firenena anisan' ny matanjaka eran' izao tontolo izao i Etazonia. Niharan' ny fahantrana mafy anefa izy taorian' ny taona 1929. Tsy nitsahatra izany raha tsy tapitra ny Ady Lehibe Faharoa (1945). Ka nanomboka ny Ady Mangatsiaka nifanoherany tamin' ny Firaisana Sôvietika.

Ny Ady Lehibe Voalohany tokoa no nanangana ny tanjak' i Etazonia; tamin' ny taonjato faha-20, i Etazonia no lasa firenena matanjaka ara-toekarena, ara-kolontsaina, ara-pôlitika ary ara-tafika voalohany eto an-tany. Tamin' ny voalohany dia firenena tsy niandany i Etazonia tamin' ny fiandohan' ny Ady Lehibe Voalohany, nanatevin-daharana ny Triple Entente tamin' ny naha filoham-pirenena an' i Woodrow Wilson ity firenena ity ary niditra an-tsehatra tamin' ny ady tamin' ny 6 Avrily 1917.

Nampitsimbadika ny fifandanjan-kery teo amin' ny ady i Etazonia. Ny Kôngresin' i Etazonia dia nandà ny hanamafy ny fifanarahana tao Versailles (1919) sy ny hampiditra ny Ligin' ny Firenena, ka tsy niala amin' ny fotokevitry ny fitokana-monina (isolationism). Ny vanim-potoana teo anelanelan' ny Ady Lehibe roa dia vanim-potoan' ny firoboroboana ara-materialy sy ara-kolontsaina, fantatra amin' ny anarana hoe "Roaring Twenties". Ny vehivavy ary avy eo ny Amerindiana dia mahazo zo hifidy. Fotoana fandrarana ny toaka (anglisy: Prohibition) sy fametrahana ny asa vaventim-panjakana nataon' ny filoha isan-karazany (indrindra ny Tohodranon' i Hoover sy ny Tetezana Golden Gate tamin' ny taompolo 1930) koa izany.

Etazonia 
I Franklin D. Roosevelt

Ny Fahasahiranana ara-Toekarena Lehibe (anglisy: Great Depression; frantsay: Grande Dépression) tamin' ny taona 1929 taorian' ny fianjeran' ny Wall Street (anglisy: Wall Street Crash of 1929) dia tena nahatonga ny fitomboan' ny tsy fananana asa. Ny rivotra narahim-bovoka mahery vaika (anglisy: Dust Bowl) dia nisy fiantraikany goavana tamin' ny faritra atsimo amin' i Etazonia sady nampitombo ny fahorian' ny tantsaha. Voafidy tamin' ny taona 1932 i Franklin Delano Roosevelt ary nanolotra New Deal ("Fifanarahana Vaovao") hiadiana amin' ny krizy, amin' ny alalan' ny fametrahana ny fototry ny "fanjakana mpiahy" (anglisy: Welfare state; frantsay: Etat providence), tsy tahaka an' i Calvin Coolidge sy i Herbert Hoover filoham-pirenena teo alohany izay nanatanteraka ny pôlitikan' ny Laissez-faire ("avelao hana"), izany hoe tsy fidiran' ny fanjakana amin' ny lamina ara-toekarena. Nihena tanteraka ny tsy fananana asa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Ny fanafihan' ny Japôney tao Pearl Harbor tamin' ny 7 Desambra 1941 dia nahatonga an' i Etazonia hiditra an-tsehatra nanampy ny firenena mpiara-dia (anglisy: Allies; frantsay: Alliés) niady amin' ny firenena ao amin' ny "Teza" (anglisy: Axis; frantsay: Axes), ka namarana ny lalàn' ny tsy fiandanian' ny taona 1930 (anglisy: Neutrality Acts). Ny tafika amerikana dia nanana anjara toerana lehibe amin' ny fanafahana an' i Eorôpa Andrefana sy nandritra ny ady tao Pasifika (nifanaovan' ny Allies tamin' i Japana). Tamin' ny Aogositra 1945, ny filoha Harry S. Truman dia nanapa-kevitra ny handatsaka bômba atômika roa ao amin' ny Empiran' i Japana mba hahatonga an' ity farany tsy hiady intsony. Lasa firenena matanjaka indrindra miaraka amin' ny Firaisana Sôvietika i Etazonia. Ny Dinan' ny Firenena Mikambana, nosoniavina tamin' ny Jona 1945 tany San Francisco, dia nametraka ny fototra ijoroan' ny Firenena Mikambana, izay manatanteraka ny fihaonambeny ao New York.

Ny Ady Mangatsiaka (1945-1991)

Etazonia 
Harry S. Truman

Ny Ady Mangatsiaka dia tsy nahitana fifandonana ara-tafika fa fifandonan-kevitra. Tao anatin' ny taona maro taorian' ny ady, i Etazonia dia lasa mpitarika ny toby kapitalista nanohitra ny Firaisana Sôvietika: nanomboka amin' izay ny Ady Mangatsiaka izay nampifanandrina môdely ara-pôlitika sy ara-toekarena roa. Mba hisakanana ny fiitaran' ny kôminisma amin' ny firenena hafa (anglisy: Containment; frantsay: endiguement) dia niditra an-tsehatra tany Eorôpa ny Amerikana tamin' ny alalan' ny Drafitra Marshall (anglisy: Marshall Plan; frantsay: Plan Marshall) - famatsiam-bola ny fanarenana ny firenena eorôpeana taorian' ny ady, sy amin' ny alalan' ny fametrahana miaramila ao an-drenivohitr' i Alemaina nandritra ny fanakanan' ny Firaisana Sôvietika ny fidiran' ny firenena matanjaka telo (i Etazonia sy i Frantsa ary ny Fanjakana Mitambatra) amin' ny lalana an-tanenty mankao Berlin (anglisy: Berlin Blockade; frantsay: blocus de Berlin) - ary ny fananganana ny Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika Avaratra (frantsay: Organisation du traité de l'Atlantique nord – OTAN, na anglisy: North Atlantic Treaty Organization - NATO) sy fametrahana miaramila any Azia (Ady tao Kôrea sy Ady tao Vietnamy).

Toy izany koa, tamin' ny taona 1949, i Truman dia nanamafy ny fanampiany ny firenena tsy mandroso hampitombo ny fari-piainan' izy ireo amin' ny alalan' ny fampandrosoana ny indostria, amin' ny alalan' ny fandraisana fanampiana ara-teknika avy any Etazonia. Nanomboka tamin' ny taona 1948, ankoatra izany, dia niaro an' i Israely ara-diplômasia sy nanome fitaovam-piadiana ho an' ity firenena ity i Etazonia, dia i Israely izay notohanany tamin' ny fananganana azy ho fialofan' ny Jiosy taorian' ny fandripahana foko (Shoah) nihatra taminy. I Etazonia koa dia nanomboka tamin' ny hazakazaka amin' ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy ho eny amin' ny habakabaka (namorona ny NASA tamin' ny taona 1958, dingana voalohany teny amin' ny volana tamin' ny taona 1969). Tamin' ny taona 1962, ny krizin' ny balafomanga tao Kiobà dia saika nampipoaka ny Ady Lehibe Fahatelo ary nitarika ho amin' ny fanaovan' i Etazonia ankivy tanteraka an' i Kiobà nofaritan' i John Fitzgerald Kennedy, izay mbola manan-kery, na dia nohalefahina aza izany hatramin' izay.

Etazonia 
Richard Nixon

Ny tantara anatin' i Etazonia dia voamariky ny hetsiky ny Afrô-Amerikana momba ny zo sivily (anglisy:  Civil rights movement) tamin' ny taompolo 1950 sy 1960, notarihan' ny Afrikana-Amerikana toa an' i Martin Luther King sy i Malcolm X, sy ny tantara ratsin' i Watergate nahavoarohirohy ny filoha Richard Nixon tamin' ny taona 1974, izay nanery azy hametra-pialana. Ny pôlitika vaovaon' i Ronald Reagan (fantatra amin' ny anarana hoe Reaganomics), voafidy tamin' ny taona 1980, dia nahomby teo amin' ilay firenena sy tany ivelany, izay nankasitraka ny fifandraisana, indrindra amin' ny Firaisana Sôvietika, sy ny fampihenana ny fitaovam-piadiana. I Etazonia dia heverina ho mpandresy tamin' ny Ady Mangatsiaka taorian' ny firodanan' ny Vondrona Kômonista.

Tantarany ankehitriny (1991- ankehitriny)

Etazonia 
Bill Clinton

Hatramin' ny nifaranan' ny Ady Mangatsiaka sy ny faharavan' ny Firaisana Sôvietika teo anelanelan' ny taona 1989 sy 1991 dia i Etazonia no hany firenena matanjaka indrindra eran-tany. Hita izany amin' ny alalan' ny herisetra izay azony atao izay tsy ilany fierana amin' ny Firenena Mikambana. Miditra an-tsehatra amin' ny fiakaran' ny disadisa ara-diplômatika any Afovoany Atsinanana i Etazonia, ary nandray anjara amin' ny Ady tao amin' ny Hoala. Ny vanipotona naha filoham-pirenena an' i Bill Clinton dia voamariky ny ady ao Iogôslavia, ny raharaha Monica Lewinsky, ny firongatan' ny "tapoaka Internet" (frantsay: bulle Internet; anglisy: dot-com bubble) ary ny fitohizan' ny fitomboan' ny toekarena.

Tonga teo amin' ny fitondrana i George W. Bush tamin' ny taona 2001 taorian' ny fifidianana izay anisan’ ny nahabe resaka indrindra teo amin' ny tantaran' ilay firenena, saingy fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampon' i Etazonia no nahafahany nandresy an' i Al Gore. Tamin' ny 11 Septambra 2001 i Etazonia dia niharan' ny fanafihan' ny mpampihorohoro islamista izay namoizana ain' olona efa ho telo arivo. Ho setrin' izany dia nanangana "ady amin' ny fampihorohoroana" tany Afganistàna ary avy eo tany Iràka ny governemanta federaly.

Tamin' ny taona 2005 dia namely ny atsimon' ilay firenena ny rivodoza Katrina, izay iray amin' ireo nandrava indrindra teo amin' ny tantara. Nanomboka tamin' ny taona 2007 dia niharan' ny krizy ara-toekarena sy ara-bola i Etazonia, vokatr' ilay atao hoe subprime mortgage crisis (frantsay: crise des subprimes) ary naneni-tany izany. Bankirompitra ny orinasa lehibe toa an' i Lehman Brothers sy ny General Motors.

Etazonia 
Barack Obama

Tamin' ny taona 2008 dia voafidy ho filoham-pirenena i Barack Obama ary izy no filoham-panjakana afrikana-amerikana voalohany tao Etazonia. Ny pôlitikany dia mifanohitra amin' ny an' ny teo alohany, indrindra teo amin' ny sehatra anatiny, izay nahomby tamin' ny fanavaozana ny lamim-pahasalamana, ny drafitra fanarenana ara-toekarena ary ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian' ny mitovy fananahana taorian' ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony.

Tamin' ny taona 2010, ny Hoalan' i Meksika sy ny morontsiraka atsimon' i Etazonia dia niparitahan' ny solitany izay ratsy indrindra nahazo ilay firenena taorian' ny fipoahan' ny toeram-pitrandrahana solitanin' ny BP. Niady tamin' ny fanjakana islamika tany Iràka sy tany Siria indray tany Afovoany Atsinanana i Etazonia tamin' ny taona 2014; roa taona taty aoriana dia voafidy ho filoha i Donald Trump. I Joe Biden no nandimby azy tamin' ny taoa 2021.

Jereo koa

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Lahatsoratra ilaina

Rohy Ivelany

Tags:

Etazonia JeôgrafiaEtazonia ToekarenaEtazonia Mponina sy kolontsainaEtazonia PôlitikaEtazonia TantaraEtazonia Jereo koaEtazonia Rohy IvelanyEtazonia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

IslandyAnjanandrianaratraSeha-pihariana fahateloMadagasikaraFamadihanaJoseph StalinRomaniaFifohazana (kristianisma malagasy)VoamainaBerlinFitsipi-pitenenanaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)ZazavavindranoZorofirarazanaMailakaTaioànaFahaterahanaRoald AmundsenKabary am-panambadianaBaraFomba fanamboarana toaka gasyAkangaBen' ny tanànan' AntananarivoHaihayPrôteininaFady (malagasy)AtyBokin' i RotaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaTongoloheranaAsa AkiraAlakaosyEmpira RosianaGangela (vahoaka)KaryJapanaAmpembaRongonyAmerika AtsimoTriniteDokuWikiPuy-Saint-Martin600800Sikidy malagasyZhangyeFirenena BaskaAbraham LincolnSoavalyHazoSeranam-piaramanidin'i London Heathrow1946KônfesyKônsilyAntesakaFiainan-tsi-hitaTanakhSakamalaoEmpira ÔtômànaMôldaviaIndostriaFiraisana ara-nofoAmbohimalaza (Sambava)ProsiaAntankaranaFahaleovantena (pôlitika)Baiboly prôtestantaFiteny javaneyAdy Lehibe FaharoaLovantsofinaFizahàn-tanyFanekem-pinoana apôstôlikaDemôkrasiaAdizaoza🡆 More