I Maorisy na ny Repoblikan' i Maorisy dia nosy vitsivitsy aty Afrika Atsinanana, ao amin’ ny Ranomasimbe Indiana, manana velarana mirefy 2 040 km², 900 km atsinanan' i Madagasikara sy 3 943 km atsimo-atsinanan' i India.
Ny nosy St. Brandon sy Rodrigues ary Agalega Islands dia ao anatin' ny Repoblikan' i Maorisy. Anisan' ireo Nosy Maskarena i Maorisy, miampy ny nosy La Réunion 200 km ao atsimo-andrefany.
Maorisy | ||||||||||
---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
| ||||||||||
Nationaly information | ||||||||||
| ||||||||||
Momba Olona | ||||||||||
| ||||||||||
Jeografy / Toerana | ||||||||||
| ||||||||||
Politika / Fitondrana | ||||||||||
| ||||||||||
Toe-karena / Vola | ||||||||||
| ||||||||||
Iraisam-pirenena information | ||||||||||
|
Atao hoe Moris izy amin' ny teny kreôly maorisiana fa Republic of Mauritius kosa amin' ny teny anglisy ary République de Maurice amin' ny teny frantsay.
Atao hoe Maorisiana ny vahoakan' io firenena io.
Nosin’ afotroa ny nosy Maorisy. Ahitana lembalemba rakotra farihy ny eo afovoany fa tany lemaka iva kosa ny faritra avaratra. Be tendrombohitra ny faritra atsimo.
Manam-piaviana indiana ny 2/3n’ ny mponin’ i Maorisy; ny sisa dia safiotra manam-piaviana afrikana. Manaraka ny fivavahana hindo ny antsasany mahery kely amin’ ny vahoaka maorisiana, ny 30 % dia Kristiana katôlika ary ny 15 % kosa Miozolmana. Ambony dia ambony ny hakitroky ny mponina ao Maorisy.
Miankina amin’ ny taozava-baventy momba ny fanenoman-damba ny toekaren’ i Maorisy. Mandroso ihany koa ny sehatry ny raharaham-bola sy ny fizahan-tany. Maro amin’ ny Maorisiana no misahana asa momba ny fambolena, ka anisan’ ny be mpamboly ny fary sy ny dite ary ny voanjo.
Zanatany britanika taloha i Maorisy izay nahazo ny fahakeovan-tenany tamin’ ny taona 1968. Mpikambana ao amin’ ny Commonwealth izy ary ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.
Paperback 160 pages (August 15, 2005) Publisher: Nautilus ISBN 0-9511296-4-3
Paperback 104 pages (December 1990) Publisher: Nautilus ISBN 0-9511296-1-9
Firenena ao Afrika:
Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe
Kôntinenta eto an-tany
Find more about Mauritius on Wikipedia's sister projects: | |
Definitions from Wiktionary | |
Images and media from Commons | |
Learning resources from Wikiversity | |
News stories from Wikinews | |
Quotations from Wikiquote | |
Source texts from Wikisource | |
Textbooks from Wikibooks |
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Maorisy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.