Ny tangena dia poizina vita amin' ny rano sy potiky ny voan' ilay zavamaniry atao hoe tangena nokikisana, izay nampiasaina tamin' ny andro fahiny, indrindra tao amin' ny Fanjakana Merina tao afovoan-tanin' i Madagasikara, mba hitsarana ny olona voampanga ho nanao heloka bevava (indrindra ny famosaviana), anisan' izany koa ny fanarahana ny fivavahana kristiana.
Otazana ny voan' ny hazo tangena, izay maniry any amin' ny ala amoron-tsiraka (ala honko) any avaratra ka hatrany atsimo amin’ i Madagasikara, indrindra any amin' ny morontsiraka atsinanana. Tsy azo ampiasaina ny voa manta fa ny ny voa efa masaka misy tsiraka, izay nianjera amin’ ny tany ihany no mpiasaina. Voan-tangena roa nokikisana no atao afangaro amin’ ny rano. Niovaova be ihany anefa ny fatra nomena, niovaova toraka izany koa koa ny herin’ ny poizina ao aminy arakaraka ny fomba fitehirizana azy. Rehefa voakiky ny voan-tangena dia azo atao ny fampisotroana azy. Mandritra ny lanonana antsoina hoe "fampinomana" no ampisotroana tangena ny olona voampanga na mifampiampanga.
Tamin' ny andron-dRanavalona I dia nampiasaina matetika loatra amin' ny fitsarana ny tangena ka voatery noraran-dRadama II mpandimby azy. Noho izany dia akoho no nampisotroina tangena hisolo sy ny voampanga (sy ny mpiampanga): izany no nantsoina hoe "vono-sotry".
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tangena (fampinomana), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.