Frantsa

I Frantsa na Repoblika Frantsay dia any Eorôpa Andrefana, mpikambana amin' ny Vondrona Eorôpeana.

Manana zanatany maromaro i Frantsa, ny ngeza indrindra amin' izy ireo dia i Guyane Française. Atao hoe France na République Française izy amin' ny teny frantsay. Ny renivohiny, Paris, dia anisan' ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan' ny mpitsidika mandeha any isan-taona. Manam-belarana mirefy 675 417 km2 i Frantsa raha heverina koa ny velaran' ny zanataniny. Ny isan' ny mponiny dia 65,1 tapitrisa tamin' ny 1 Janoary 2009.

Frantsa
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

République française ((fr))
Repoblika frantsay ((mg))
Sainan'i Frantsa Faneva an'i Frantsa
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Liberté, Égalité, Fraternité
Frantsa
Teny ofisialy frantsay
Renivohitra Paris
48°52′N 2°19.59′E / 48.867°N 2.32650°E / 48.867; 2.32650
Tanàna ngeza indrindra Paris
Fitondrana sy governemanta
 - filoha
 - Praiministra
Repoblika
Emmanuel Macron
Jean Castex
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 41
675 417 km²
0,26%
Isam-ponina
 - Tontaliny (Janoary)
 - hakitroka
faha 21
65 073 482 mpo.
96,3 mpo./km²

Endrika:Formation pays

Anaran'ny mponina Frantsay
IDH (2006) 0,955 (ambony be) faha 11
Sandam-bola Euro sy Franc CFP, (EUR)
Faritr'ora UTC +1 (CET) ;

hora fahavaratra : UTC+2 (CEST)

Hiram-pirenena 'La Marseillaise'
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+33

Ny fiteny frantsay no tenim-pirenen' i Frantsa. Ny fiteny hafa tenenina any Frantsa dia miisa dimy ambin' ny folo raha isaina ny fiteny tenenin' ny vahiny. Any Frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian' i Repoblika Demokratikan' i Kôngô.

Ny fivavahana be mpanaraka any Frantsa dia ny katôlisisma, 51 % hatramin' ny 64 %n' ny Frantsay no vita batemy. Fa milaza ho agnôstika ny 32 % amin' ny Frantsay.

Ny endriky ny toekarenan' i Frantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan' ny firenena taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin' ny toekareny. Tamin' ny taona 1980 kosa dia nisy fanavaozana be dia be natao mba hivarotana ny orinasam-panjakana amin' ny tsy miankina. Tamin' ny taona 2008 i Frantsa no firenena matanjaka fahadimy eo an-tany, eo aorian' i Etazonia sy i Japana sy i Sina ary i Alemaina.

Tantara

Fiavin' ilay anarana hoe Frantsa

Ny anarana hoe Frantsa dia fanagasiana avy amin' ny teny frantsay hoe France izay avy amin' ny teny latina hoe Francia. Tamin' ny voalohany dia natao hoe Francia ny faritta avaratra any Eorôpa misy mponina jermanika mitondra anarana hoe Franka. Fizaran-tany latina tamin' ny taonjato faha-3 i Francia, avy amin' ny teny franka hoe franko(n) izy io; io anarana io dia anaran' i Flandre Belzianina ankehitriny.

Jeôgrafia

Sisintany

Ny tany frantsay any Eorôpa dia voafaritry ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana, voafaritry Ranomasina Manche (ranomasina manasaraka azy amin' ny Angletera) sy ny Ranomasina Avaratra any avaratra, voafaritr' i Belzika, i Luxembourg, i Alemaina, i Soisa sy i Italia any atsinanana, ary ny Ranomasina Mediteranea, i Andôra, Mônakô sy Espaina any atsimo.

Ny tany frantsay amin' ny kôntinanta dimy hafa dia voafaritr' i Brezily sy Sorinama any amin' i Guyane Française, voafaritr' i Kanada any Saint-Pierre sy Miquelon ary voafaritry ny Fanjakan' i Hôlandy any amin' ny Nosy Saint Martin, voafaritry ny ranomasina koa ny tany frantsay: ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika ny nosy Pôlinezia, any amin' ny Ranomasimbe Indianina i Mayotte sy i La Réunion, any amin' ny Ranomasina Karaiba i Guadeloupe sy i Martinique sy ny Nosy Saint Martin ary ny Nosy Saint Barthelemy.

Any andrefan' i Eorôpa no misy ny tanin' i Frantsa metrôpôlitana. Manana (zana)tany koa i Frantsa any ivelan' i Eorôpa: any Amerika Avaratra, any Antilia, any Amerika Atsimo, any Afrika (Ranomasimbe Indianina) any avaratra sy any atsimon' ny Ranomasimbe Pasifika sy any Antarktika. 2 970 km ny halavan' ny sisin-taniny amin' ny firenena valo any Eorôpa: amin' i Espaina (650 km), amin' i Beljika (620 km), amin' i Soisa (572 km), amin' i Italia (515 km), amin' i Alemaina (450 km), amin' i Luxembourg (73 km), amin' i Andora (57 km) ary amin' i Mônakô (4,5 km). Any Amerika Atsimo dia mizara sisin-tany amin' i Brezily (720 km) sy amin' i Sorinama (520 km) i Guyane Française. Misy sisin-tany manana halavana 10,2 km (tsy tena hita maso) eo amin' ny nosy Saint Martin manasaraka ny tanin' ny Repoblika Frantsay sy ny tanin' ny Fanjakanan' i Hôlandy. Farany, ny Tany Adelia (ao amin' ny TAAF), lazain' i Frantsa fa azy, dia tany be ao amin' ny Ranomasimbe Antarktika lazain' i Aostralia fa azy.

I Fantsa dia manana velarana 543 965 km2 (655 688 km2 miaraka amin' ny zanatany), mivelatra 1 000 km i Frantsa amin' ny teza avaratra-atsimo sy amin' ny teza atsinanana-andrefana. Izy no firenena ngeza indrindra ao aorian' i Rosia sy i Okraina; ary izy no firenena ngeza indrindra ao amin' ny Vondrona Eorôpeanina. Ny halavan' ny morontsirany dia miirefy 3 427 km. (raha tsy isaina ny morontsirak' i Kôrsa mahatratra 1 000 km).

Mponina

Isan' ny mponina

Frantsa 
ny hakitroky ny mponina isaky ny departemanta frantsay

Miisa 65 073 482 ny olona monina any Frantsa tamin' ny 1 Janoary 2009. 62 448 977 no miaina any amin' ny metrôpôly. Misy fanisam-bahoaka atao isan-taona tamin' ny taona 1801 hatramin' izao, fa tamin' ny fanombohan' ny taona 2004, atao lalandava ny fanisam-bahoaka.

Frantsa 
Ny isan' ny mponin' i Frantsa

Anisan' ny ambony indrindra any Eorôpa ny fitombon' ny mponina any Frantsa, ambony noho ny salanisa eorôpeanina ny isan' ny teraka any Frantsa (830 900 ny teraka ary 531 200 ny maty), ary miakatra elanelan' isan' ny mpifindra monina miditra amin' ny mpifindra monina mivoaka (olona 100 000), noho izany dia niakatra 0,61 % ny isan' ny mponina any Frantsa.

Fahasalamana

Kolontsaina

Fiteny

Ny fiteny frantsay izay fehezin' ny Akademia Frantsay no be mpiteny indrindra any Frantsa, ary "fitenin' ny Repoblika" hatry ny lalàm-panorenan' ny 25 Jiona 1992. I Frantsa no firenena miteny frantsay faharoa lehibe indrindra aorian' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, fa voalohany amin' ny lafiny isan' ny mpiteny. Firenena ao amin' ny Frankôfônia i Frantsa.

Ankoatry ny teny frantsay izay ôfisialy dia fiteny miisa 75 no tenenina any Frantsa, miaraka amin' ny fiteny hafa isam-paritra, ny fiteny avy amin' ireo mponina vahiny ary ny fiteny any amin' ny DOM-TOM, araky ny tatitry ny mpahay fiteny Bernard Cerquiglini.

Jereo koa

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Rohy Ivelany

Tags:

Frantsa TantaraFrantsa JeôgrafiaFrantsa MponinaFrantsa KolontsainaFrantsa Jereo koaFrantsa Rohy IvelanyFrantsaEorôpa AndrefanaFiteny frantsayParisVondrona Eorôpeana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny japôney74Faritra eto MadagasikaraTanalaEvan'ny zodiakaFanonganam-panjakanaAngatra (aretina)RangitaRalamboBaibolySoratra MasinaMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraFanekem-pinoana nikeanaConteville-lès-BoulogneMurah Andrialalaina FlorlysFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014Evanjelin' i BarnabàMediaWikiISO 4217AndrianjakaTom KilburnRakibolanaDrônaBezanozanoAntsirabeRakotozandry DanielAsan' ny ApôstôlyLloyd KaufmanWashington D.C.PôlôniaBareinaFitiavanaSilamoFilazantsara araka an' i MarkaPoaceaeFanatontoloanaFanandroanaPôlitika eto MadagasikaraVadin' i MohamadySakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaSakarahaHKofi AnnanBoky voalohan' ny MakabeoRalaimongo JeanAziaMpandrindra milinaTailandyFanjakan' ImerinaIVolaWayback MachineFanambadianaMandravasarotraFitsipi-pitenenanaWellington PointEtikaAfrikaJFanjanahantanyWikiWuhanAmerikaApôkalipsin' i StefanaSombin-tantaraFivavahan-drazana afrikanaFanekem-pinoanaPlotoAndriantompokoindrindra (foko)Zavaboary🡆 More