Kabary Am-Panambadiana

Tompokolahy sy tompokovavy : Ny andro iray izay hihaonana hono toy andro zato, izay iray donak’afo iray dinidinika na inona anefa fahamaizana na inona fahamaikana ny ravintoto hono tsy mba fitetika ny varavaran jozoro tsy azo asiana karetsaka ary na mahay manihi-bolo sy manimbola aza ny zavatra tsy hay tsy hibitabitahana , izany akory tompoko, tsy midika fa ny ntaolo maranitra amin’ ny teny aho izay miatrika etoana ! fa kosa , ilay zanak’ antitra asesi- pitia ; tsy ny olon’ela tompon’ny kabary, fa ilay zandry zanaka nahadidy , tsy ny zokiny tompon-draharaha e ! fa ilay molotra malefadefaka, tsy ny tandroka mirangaranga fa ny sofina mifitsapitsaka koa anefa! tsy dia hoe: zatovon’ambohitradala, ka miera dia hitotorebika, na hanao toy ny, zatovon’Ambohimiangitra ka sanatriavina ny hamingavinga ray aman-dreny! fa izao kosa e! tovolahin’Ambohimihaja ka mijoro manana hitsiny; ary zatovon' Ambohimilamina ny aty, ka miondrika vao mandroso, koa raha mijoro eto ny tena! tsy hoe mandeha tsy voizina toy ny lakan-jejo akory na manora-tena toy ny voatango, tsy midoka-tena toa papelika; fa noho ny teny tahaka ny tanana ka izay havanambanana no mandray, tahaka ny antsy ka izay maranitra andidy, ary tahaka ny vato ka izay maivana atoraka, ka dia notendren’ ny fianakaviana ny tena hitondra izany fitenenana izany, voninahitra omena ny tena izany, ka ampanetre-tena lehibe tokoa no andraisako izany ary tsy ho antotako ivato tsy havalako iranoniny,adidy natolotra ahy, ka ho tanako hatramin’ny farany misaotra tompokolahy sy tompokovavy

ALASARON-TENY

Ala tsiny

raha te ho voka–bary misahirana manala tsiparifary raha te ho tsara famindra savaina ny lalan-kaleha, ary raha tiana hirindra ny resaka, ny tsiny tsy maintsy akaretraka koa ndeha ialana ny tsiny, fa ireo razantsika hendry fahizay.

« ny tsiny dia tsy mivongovongo tahaka ny rahona, tsy mitomandavana tahaka ny vodivona, tsy mipetraka atao mbay lalana, tsy mitsidika atao mandrosoa, fa avy misoko toa ranom-panala, ka an-koditra vao mahangoly, ary tahaka ny rivotra an-kady lalana, tsinjovin-tsy hita fa mipoaka vao mahataitra »

Ka raha izany ahoana no ialana amin’ ity tsiny ity ahona no atao mba tsy hananan-tsiny

Eny tompoko « fa hisy mpatsa ka natao tsy ho lena akory tsy hisy mpanefy natao tsy ho may tsy hisy hazo natao tsy hivoana ary tsy hisy olombelona natao tsy ho diso fa izay mikiribiby amin’ny hevi–disony, ireny no manan-tsiny!

Izany no ela tompokolahy sy tompoko vavy! Ambohimanambola hono no voka-tsaramaso Ambohimanarina no mizihi - kibo! vakinakaratra no mpamokatra ovy zanak’ iarivo no bolangilangina; ary izy roa ireto no ndeha hanambady isika mirahalahy mitsanga mitoetra kanefa! tsy mampaninona akory izany satria efa isika no efa voatso-drano hitondra ny tenin’izy ireo ka ny amin’izany fanontaniana mifono fahendrena napetrakareo izany, tompoko! toa gaga sy talanjona ihany izahay satria tovolahy hangata–bady ve no anontaniana tokim-pitiavana; izany ve tompoko! tsy ohatra ny hoe « manontany ny misy mpaka afo manontany sora amin’alasora manontany voay amin’ i marovoay manontany vilany amin’Ambohitrandriana kanefa vazivazy izany: fa hoy izahay manao hoe ny fitiavan’ ny zanakay ny zanakareo dia mba misomitika ivelany tahaka ny menaka, fa ho latsaka anaty tahaka ny tsoka tsy mba tsikoko ivelan’ ny hoditra ary ataony toy ilay mpiandry omby tsara sarotro raha tsy sarotro no rovitra tsy lena ny lamba, fitia latsaka anaty, tompoko! ka raha tsy ny aina no tapitra tsy ho foana ny fitiavana koa ny amin’ izany indrindra tompoko! no mbola hamerenanay indray ny fangatahana ny zanakareo ho vadin’ ny zanakay:

Radram-pito mahazaka iray: vodiondry: solon’ala volo fotsy solon’ny maka kitay solon–tsaka rano hasim-boasarin-jaza niara nihira ny zara-pangadin’anadahy:

Kely dia kely tokoa izy io tompoko !kanefa rehefa nalainay ambany nalainay ambony, dia tapaka tany an-tanana, fa ireo no zaka dia natolotra anareo « tsintsina mitondra vonin-tenona ka izay zakan’ny vava no nentina mason-tsokina ka izay an’ny tena no ahiratra valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza, ary ny rano fotsy tsy azo ho vary tantely tapa-bata ka ny vava no mameno ary tsy ny atolotra no hoe ahoana, fa ny fo manome, koa dia sahazanay manome io tompoko fa tsy sahaza anareo tolorana mananjary samy olona izahay raha tonga teto aminareo, fa ny haja sy ny voninahitra natolotrareo anay eo ihany koa: ny zanaka nomenareo anay tomban-dahiny fotsiny ary hamaranana azy

Raha midona ny oran’ankaratra vaky tsipelina ny eny anjafy Fa raha midona kosa ny oram-pitiavana mitsanga mitoetra ny mani-kavana Fa maniry ny hiara hitosy sola-bato ka tian-janak’osy Koa ny anay eto fitia bakobako ny anareo kosa any fitia belabelaka I andry eto te hively lamako i Soa any te hitokelaka Ka aza avela hitokelaka irery, fa antsoy hiaraha –mijery hafatra farany : Aza manao toy fanambadim-boalavo ka samy manao izay rembiny: fa manaova toy ny tsipohy mifamelona: sandra rony miara-misotro tojo ventiny miara-mitsako fa satria mpivady natao hifampitsimbina sy hifamelona aza dia mitsipa-doha laka nitana koa mba tsiditsidio ireo nahitana masoandro sy ireo havana fa raha ny vary no tian-ko masaka ny kitay no atao tsara sorona iredahan’ ny afo iketrehany koa raha rano tsy hanala hetaheta hono aleo ho ritra am-pitoerana: raha tantely tsy hanala ngidim-bava: ario any fa zava-doza ary raha ny fanambadiana no tsy andraisana adidy: foano tsotra fa tsy fomban-tany ary ampahafantarina anareo dieny izao fa tahaka ny kotrok’orana ny fanambadiana, ka ny voalohany ihany mazana no mahamanina, fa ny sisa: varatra sy tselatra be ihany; tahaka ny tahom-bohirana anaty rano, mahitsy teo am-pakana, fa nony tonga any an-trano melomeloka ary tahaka ny lamba jiafotsy: vao tsy ialana kasokasoka, tonta tsy ialan-dromborombo koa sao tonga ny kasokasoka, tonga ny romborombo, tonga ny tsy fifanarahana , dia tandremo ny « may hisaraka, fa tadidio sy ataovy ao an-tsaina, fa ny vady ialam-botsiny, ny randram bao mahataitra, ny mitafy soa, mahajamba, ny maso mahita ny vao tsy manaja, ary ny zanak’ olon-tsy vadina toa hendry, ka sao matoky ka tsy mivimbina manan-kitapo, matoky lamba vinidy, ka hivarotra lamba natao sao taitran’ny soamaharavo, ka hanary ny masaka ifotony: MAHITA NY AKANGA TSARA SORATRA KA HANARY NY AKOHO MAVON-DRAZANA

«NY TENY, HONO MANTSY, TOY NY KITOZA, KA IZAY TSARA FITSAKO NO MAHATELINA NY TSIRONY » «ARY VAVAN- KISOA MISY SIRA IO KA TOKINAREO HIHINANA »

Tags:

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Testamenta VaovaoVondrona EorôpeanaFivavahan-drazana malagasyMadagasikaraHasina (zavamaniry)AdimizanaRanomasimbe PasifikaPreux-au-SartSøren KierkegaardTetiandroAndrianampoinimerinaAurangzebSorona masinaHazo fijalianaVorompirembyHivokaRosia1850Andy MurrayTorkiaFiteny betsileoRotaka tamin' ny taona 1972Bokin' i IsaiaAveloCarl HoefkensTiberiadaFiangonana Jesosy MamonjyTrondroMatoanteny mpanampyRafael NadalJoko WidodoRocourt-Saint-MartinMataróKônsilyDokuWikiListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysFrederick the GreatMpaminanyRanomasin' i AzovAlfonso GuerraAlakaraboFiteny latina8Saint Paul, MinnesotaHaranita-tsaina voatrolombelonaFikambanan'ny Firenena any Azia Atsimo-AtsinananaCroutelleMichał PazdanFiangonana zandrinyAndriamasinavalonaEkolojiaMichał ZielińskiFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraAdama sy EvaGliosidaRamadanyPaska jiosySaint-Maurice-d'ArdècheGidroLagoa d'AntaFilazantsara araka an' i MarkaRadama VoalohanyBen' ny tanànaEvanjelismaKapveraBeosyZaburAngatra (lolo)Boky faharoan' i SamoelaSalem, OregonAlakaosySilamo eto MadagasikaraÎle-de-FranceBokyBokin' i Ôbadia🡆 More