Alarobia

Ny Alarobia dia andro fahatelo ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahefatra kosa raha ny Alahady no andro voalohany.

Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro fahafito izy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.

Fiforonan-teny

Ny teny malagasy hoe Alarobia na Larobia dia avy amin'ny teny arabo hoe الأربعاء / al-’arbi‘ā’ izay midika hoe "ny fahefatra".

Ny andro Alarobia eo amin' ny kolontsaina malagasy

Laharan' ny andro Alarobia

Andro fahafito ao amin' ny herinandro ny Alarobia teo amin' ny Ntaolo malagasy nanao ny Alakamisy ho andro voalohany.

Finoana momba ny andro Alarobia

Andro ratsy ny Alarobia satria tsy miverina. Andro natokana amin' ny fanaovana famoizana, fandevenana, fanaovana afana, famadihan-drazana, fitomaniana ny maty, famangia-manjò, ary fialan-tsaona.

Tsy azo atao ny miainga handeha lavitra na manao zavatra tiana hanan-danja lehibe amin' ny andro Alarobia fa tsy ho tafody an-tanindrazana fa ho faty any, nefa ny fanaovana izany amin' ny andro Alarobia mifoha Alakamisy (harivan' ny Alarobia), toy ny Asabotsy mifoha Alahady, dia mety tsara. "Alarobia tsy miverina" no nilazan' ny Ntaolo malagasy ny Alarobia. Tsy mety ny manao hasoavan-jaza amin' ny andro Alarobia. Andro tsara hakana vohitra na hanaovaa kabary ny Alarobia. Ny lahim-bahona (tamba-bonin' ny vahona) no faditry ny Alarobia.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Alarobia Fiforonan-tenyAlarobia Ny andro eo amin ny kolontsaina malagasyAlarobia Jereo koaAlarobia Loharano sy fanamarihanaAlarobiaAlahadyAlakamisyAlatsinainyAndroHerinandro

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Ady an-tranoFiraisana ara-nofoFanonganam-panjakanaKonsily voalohany tao KonstantinopolyBodo (mpihira)VezoSavoaIndiaSteam (serivisy)EtazoniaSvante August ArrheniusAmbohidrabibyEpistilin' i PaolySora-tsikidy malagasyEpistily ho an' ny RômanaPontio PilatoMichael JacksonSamaritanisma267HazokesikaZavakantoEtikaCulètreGeorge WeahFiteny penjabyAdalo1536AntankaranaAntisemitismaKabaryDubaiTanakhLvivMerinaBibyÔseaniaAterinetoSakramentan' ny filaharanaLisitry ny filohan' i MadagasikaraKleôpatra VIIFaritra BetsibokaFiangonana zandrinyFisoronana sy fanalana vintanaSavyCrespin, NordMaltaJean-Joseph Rabearivelo1917ZanabintanaWikipediaCharles William OatleyAziaFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaAngatra (lolo)EjiptaMpampiankinaLongueville, Pas-de-CalaisKônsily tao Clermont tamin' ny taona 1095Tohu wa-BohuKiantenyAviréFanjakan' ImerinaTetezana1820DemôkrasiaFaingo mihantonaGovernemanta MalagasyMakoa🡆 More