Eskatôlôjia

Ny eskatôlôjia dia lahateny na fandinihana momba ny fiafaran' izao tontolo izao izay atao hoe koa andro farany.

Ny teôlôjia sy ny filôzôfia dia samy ahitana firesahana momba ny andro farany sy ny zavatra hiseho amin' ny tantaran' izao tontolo izao na ny fiafaran' ny taranak' olombelona. Maro ireo fivavahana miresaka ny amin' ny andro farany ka samy manana ny eskatôlôjiany izy ireo. Ny fantatra indrindra amin' izany dia ny an' ny kristianisma sy ny jodaisma ary ny finoana silamo. Mahakasika ireo lohahevitra mifandray amin' ny andro farany toy ny amin' ny Mesia na ny vanim-potoana mesianika sy ny zavatra hiseho aorian' ny fahafatesana ary ny amin' ny fanahin' olombelona koa ny eskatôlôjia.

Ny ankamaroan' ireo fivavahana mônôteista dia misy foto-pampianarana milaza fa ny mpivavaka voafidy na mendrika ny finoana marina dia hovonjena na hafahana amin' ny fitsaran' Andriamanitra sy ny fahatezerany amin' ny ho avy. Ho any am-paradisa izy ireo aloha na mandritra na aorian' io fitsarana io, arakaraka ny fampianarana.

Ny eskatôlôjian' izao rehetra izao (eskatôlôjia kôsmika) dia iresahana ny andro farany, sy koa indraindray ny fitsarana farany ary ny fitsanganana amin' ny maty. Ny eskatôlôjia isam-batan' olona kosa no iresahana ny fiainana aorian' ny fahafatesana, ny hiafaran' ny fanahin' olombelona aorian' ny fahafatesan' ny vatana (izay hiseho amin' ny endrika maro samihafa: fandalovana ao amin' ny Hadesy ho an' ny finoana grika taloha na ao amin' ny Sheôla ho an' ny Jiosy, ny fahatongavana ho nofo indray sns.)

Fiforonan-teny

Ny teny hoe eskatôlôjia dia fanagasiana ny teny frantsay hoe eschatologie na ny teny anglisy hoe eschatology izay avy amin' ny teny grika hoe ἔσχατος / eskhatos, "farany", sy hoe λόγος / lógos, "teny", "resaka" na "fandalinana".

Ny eskatôlôjian' ny jodaisma

Ny eskatôlôjia ao amin' ny Testamenta Taloha

Ahitana andalana momba ny eskatôlôjia ny ao amin' ny Testamenta Taloha, indrindra ny ao amin' ny Bokin' i Isaia (Is. 24-27; 56-66), ao amin' ny Bokin' i Jôela (na Jôely) ary ny Bokin' i Zakaria (Zak. 9-14), ao amin' ny Bokin' i Daniela (na Daniely) ary ao amin' ny Bokin' i Mika (na Mikea) sy ny Bokin' i Amôsa sy ny Bokin' i Zefania (na Sôfônia) ary ny Bokin' ny Salamo.

Ao amin' ny Testamenta Taloha, ny eskatôlôjia dia miompana amin' ny fiandrasana ny Mesia. Ny fiverenany ety an-tany dia hiaraka amin' ny fitsarana farany sy ny famonjena an' i Israely sy i Jodà. Hisy famaizan' Andriamanitra hahazo ireo tsy nanaraka ny didiny. Hitsara ny vahoakany Andriamanitra (Salamo 96.13; Mikà 6.1-3; Isaia 43.1-6) nefa izy ihany koa no mpanjakany (Isaia 51.11) sy mpiandry (Mikà 4.6) ary mpanavotra azy (Isaia 51.11). Amin' ny Andron' i Iahveh (na Andron' i Jehovah na Andron' ny Tompo) (Zefania 1.14-16) no hanovana izao rehetra izao sady hiavian' ny paradisa. Izany Andron' i Iahveh izany dia andro maizina (Amôsa 5.18-49). Misy olo-marina vitsy ho vonjena amin' ny fahatezeran' Andriamanitra izay ho mponina ao amin' i Israely vaovao (Amôsa 3.12; Isaia 28.5). Amin' ny lahatsoratra hafa dia amin' io Andron' i Iahveh io no hiverenan' i Mosesy (na Môizy) na i Davida na i Elia indray.

Ny eskatôlôjia ao amin' ny jodaisma

Ny faran' andro (na andro farany) dia voaresaka ao amin' ny Bokin' i Daniela sady atao amin' ny teny hebreo hoe אחרית הימים / A'harit HaYamim ("fiafaran' ny andro") ka ny dingana lehibe amin' izany dia ny atao hoe ימות המשיח / Yemot HaMashia'h ("ny Andron' ny Mesia"). Izany finoana izany dia hita ao amin' ny lohahevi-dehiben' i Maimônida, izay lazainy ho ny fototry ny maha isan' ny vahoakan jiosy ny Jiosy tsirairay araka ny fivoasana nataony ao amin' ny Mishna Sinedriona izay nanehoana voalohany io petra-kevitra io.

Ny andro farany, araka ny lovantsofina, dia mizara vanim-potoana maromaro:

  • ny Hevlei HaMashia'h (חבלי משיח) sy ny Ikbata deMeshi'ha (na Ikvot HaMashia'h / עקבתא דמשיחא) (famantarana ny Mesia). Izany fotoan' ny fahoriana eran-tany mialoha ny hahatongavan' ny Mesia, izay hisehoan' ny adin' i Gôga sy Magôga, izany hoe ny adin' i Israely amin' ny firenana jentilisa, araka ny faminanian' i Ezekiela sy Zakaria. Io ady apôkaliptika io dia fantatra koa amin' ny anarana hoe Hara-magedôna.
  • ny Fiverenan' ny mpaminany Elia, izay hitondra ny Mesia,
  • ny fiantombohan' ny fotoana mesianika:
    • T'hiyat hamètim ("fitsangan' ny maty ho velona");
    • Yom HaDin ("andron' ny fitsarana");
    • fametrahana ny Olam Haba ("tontolo hoavy") mandrakizay.

Eskatôlôjia ao amin' ny kristianisma

Ny eskatôlôjia ao amin' ny Testamenta Vaovao

Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia betsaka ihany koa ny andalan-tsoratra masina mahakasika ny eskatôlôjia, indrindra ny ao amin' ny Vaovao Mahafaly araka an' i Matio sy ao amin' ny Apôkalipsan' i Joany. Isan' izany ny fanoharana ny amin' ny Ondry sy ny Osy (Mat. 24). Ireo epistily koa dia miresaka ny amin' ny andro farany.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia miendrika fiambenana ny fiandrasana eskatôlôjika. Tokony hiambina sy hivavaka ny mpanara-dia an' i Jesoa Kristy satria akaiky ny fitsarana. Ao amin' ny Testamenta Vaovao amin' ny teny grika dia fampiasa ny teny hoe ἔσχατος / eskhatos hiresahana ny fiavian' i Kristy ety an-tany fanindroany izay ho fanombohan' ny farany. Nampianatra i Jesoa nandritra ny fotoana nanatanterahany ny asany sy tamin' ny fotoana niakarany tany an-danitra fa hiverina indray ka hitsara ny velona sy ny maty. Ny Apôkalipsan' i Joany dia manoritsoritra tanteraka ny fiafaran' izao tontolo izao, ny adin' ny Tsara amin'ny herin' ny Ratsy, sy ny hiverenan' i Jesoa Kristy ary ny fitsarana farany.

Mbola miafina amin' izao ny Fanjakan' Andriamanitra (Matio 13). Hoavy indray i Jesoa hitsara ny velona sy ny maty ka izany no atao hoe parosia (fisehoana fenon' Andriamanitra amin' ny olona rehetra). Handrasana izany andro hiavian' ny mpamonjy sady Tompo izany (Filipiana 3.20).

Fivoasan' ny fiangonana kristiana ny voasoratra ao amin' ny Baiboly

Ho an' ny Kristiana dia misy zava-mitranga telo izay tokana ihany amin' Andriamanitra, dia:

  • ny fahafatesan' ny olona tsirairay sy ny fiainana aorian' ny fahafatesana: izany no atao hoe eskatôlôjia isam-batan' olona;
  • ny fiafaran' ny fiarahamonin' ny olombelona na ny fiafaran' ny taranaka (fiafaran' izao tontolo izao): eskatôlôjian' ny taranak' olombelona;
  • ny fiafaran' izao rehetra izao (zava-mitranga amin' ny andron' ny taranak' olombelona farany eto ambonin' ny tany): eskatôlôjian' izao rehetra izao na eskatôlôjia kôsmika.

Hita ao amin' ny Testamenta Vaovao izany hevitra maron' ny andro farany izany. Ohatra ny ao amin' ny Filazantsaran' i Matio (Mat. 24.37-42) izay iresahan' i Jesoa ny hiverenany amim-boninahitra any amin' ny andro farany. Voaresaka ao koa ny fahafatesan' ny lehilahy sy vehivavy iray.

Voaresaka ao amin' ny Filazantsaran' i Lioka ny amin' ny hahatongavan' i Jesoa toy ny mpangalatra amin' ny andro farany (Lio. 12.39-40).

Ireo Kristiana tamin' ny taonjato voalohany dia nihevitra fa hitranga fahavelon' izy ireo ny fiafaran' izao tontolo izao. Ampitahain' i Jesoa amin' ny fahararian' ny vehivavy efa hiteraka ny fiafaran' izao tontolo izao, izay midika fa efa bevohokan' ny fandravana azy izao tontolo, nefa Andriamanitra irery ihany no mahalala ny hisehoan' izany, araka by voasoratra ao amin' ny Evanjelin' i Marka (Marka 13.8). Rehefa nenjehin' ny Rômana ny Kristiana tao Tesalonika dia nino fa tonga ny andro farany. Nefa ny tsy fahafantarana ny tena marina dia nitohy hatramin' ny taona 90 taor. J.K. ka nanambara i Jostino Maritira fa nahemotr' Andriamanitra ny fiafaran' izao tontolo izao mba hahatonga ny fivavahana kristiana hahenika an' izao tontolo izao. Tamin' ireo taona 250 dia nanoratra i Kipriano avy any Kartago fa ny fahotan' ny Kristiana tamin' izany andro izany dia fambara mialoha lalana ny fahantomotry ny andro farany.

Araka ny tantara dia tsy nitovy hevitra ireo teôlôjiana ny amin' ny fisian' ny fanjakana arivo taonan' ny Kristy eto an-tany mandritra ireo andro farany.

Tamin' ny taonjato faha-3 anefa dia nino ny ankamaroan' ny Kristiana fa ny andro farany dia hitranga aorian' ny taranaka misy azy ireo; nihevitra izy ireo fa tsy neken' i Jesoa ireo fanandroana hamantatra ny hoavy, hamantarana "ireo fotoana sy fizaràn-taona", ary izany fanao izany dia norarana na dia nisy daty voafaritra mazava fa hitrangan' ny andro farany araka ny lovantsofina jiosy araka ireo fetrandro enin' izao tontolo izao. Ireo izay nampiasa izany fanisana izany dia nahita fa amin' ny taona 202 ny andro farany. Nefa rehefa lasa io fotoana io dia novana ho amin' ny taona 500.

Taorian' ny taona 500 dia noheverina fa tsy zava-dehibe ho an' ny finoana kristiana ny andro farany, na dia misy ireo izay mbola manamafy izany amin' ny fotoan' ny Advento.

Eskatôlôjia silamo

Iray amin' ny andrin' ny finoana silamo ny finoana ny andro farany. Andinin-tsoratra masina sy hadita maro an' i Mohamady no mifandray amin' ny famantarana ny andro farany, ny fandringanana an' izao rehetra izao ary ny andro fitsarana. Ny marimaritra iraisana eo amin' ny manam-pahaizana mozilmana dia manaiky fa hisy famantarana lehibe sy miavaka alohan' ny fiafaran' izao tontolo izao. Ny fotopampianarana taorian' ny Kor'any dia mitanisa karazana famantarana roa: famantarana kely sy famantarana lehibe. Anisan’ izany ny vanim-potoan’ ny fitsapana sy ny fahoriana, ny fotoanan’ ny fahalotoam-pitondrantena arahin’ ny ady mahery vaika, ny fisehoan-javatra tsy voajanahary maneran-tany ary ny fiverenan’ ny rariny eo amin’ izao tontolo izao. Anisan' ny hitranga koa ny fiverenan' ny Mahdi sy ny fiverenan' i Jesoa (na Isa) izay hitondra fandresena any an-danitra hanoherana ny Antikristy (na Dajjal) izay hifarana amin' ny famoahana an' i Gôga sy Magôga (Yajūj wa-Majūj) eto amin' izao tontolo izao. Rehefa tapitra mitranga avokoa izany rehetra izany dia ho rava izao rehetra izao ary ny olombelona rehetra dia hatsangana mba hotsaraina amin' ny asany.

Eskatôlôjian' ny finoana Bahay

Ao amin' ny finoana bahay dia tsy fonombohana na fiafarana ny Famoronana. Fanoharana ihany ireo eskatôlôjia hita ao amin' ny fivavahana hafa. Ny andron' ny olombelona dia voamariky ny fifanarakaraham-panambaràna miandalana izay ahitana mpitondra hafatra avy amin' Andriamanitra.

Ny fotoana iavian' ny mpitondra hafatra na iraka tsirairay dia heverina ho ny andro fitsarana ho an' ny mpinon' ny fivavahana teo aloha, izay mety misafidy ny hanaiky ny mpitondra hafatra vaovao sady hiditra ao amin' ny lanitry ny finoana, na handà ny iraka vaovao ka hiditra ao amin' ny helon' ny fandavana.

Ny teny hoe "lanitra" sy "helo" dia manana heviny am-panoharana ilazana ny fandrosoana ara-panahin' ny olona sy fanakekezany na ny fanalavirany an' Andriamanitra. Ny fiavian' i Baha'u'llah mpitondra ny finoana bahay dia manambara ny fahatanterahan' ny fiandrasana eskatôlôjikan' ny finoana silamo sy kristiana ary ireo fivavahana lehibe hafa teo aloha.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Eskatôlôjia Fiforonan-tenyEskatôlôjia Ny eskatôlôjian ny jodaismaEskatôlôjia ao amin ny kristianismaEskatôlôjia silamoEskatôlôjia n ny finoana BahayEskatôlôjia Jereo koaEskatôlôjia LoharanoEskatôlôjiaAndro faranyFanahin'olombelonaFilôzôfiaFinoana silamoFivavahanaJodaismaKristianismaMesiaTeôlôjia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny kikôngôEvanjelisma26 AprilyAlahamadyFodyFiteny hindỳLauderdale, MinnesotaFiteny malagasyFanisanaAmbiroaWikimaniaHaisoratraVoltora eorazianaRasendrasoaGreen Camp, OhioHaranita-tsaina voatrolombelonaFiteny eto MadagasikaraTawratFaritany eto MadagasikaraKofi AnnanBokin' ny GenesisyAdama sy EvaVoronaMichael FinckeTwitterFerber EnterprisesFanandroana malagasyAnganoFady (malagasy)Testamenta VaovaoFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraAdimizanaAndriamanitra RayHenri RatsimbazafyMpaminany lehibeFanatitraAdy Lehibe FaharoaVanovolondavenonaFanahySakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaPapelika (vorona)RosiaBiraom-panisan'i EtazoniaJean-Joseph RabeariveloVondrona EorôpeanaAlohotsyAfrikaMichał ŻyroArtesia, KaliforniaVarennes-JarcyFivavahanaAlahasatySiméon RajaonaPaskaAbdul KizmazFanahy Masina (kristianisma)Søren KierkegaardVoltora be volombavaAndramasinaRanomasin' i AzovAfrika AtsimoSheshtomadKolontsaina ao GabônaRafael NadalFiteny ordòTabernakelyMpaminanyKabary🡆 More