Ny Bokin' ny Salamo, na Salamo, dia boky ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Testamenta Taloha izay misy amboaran-kira sy tononkalo fiderana an' Andriamanitra miisa 150.
Voasokajy ho bokim-pahendrena izy ao amin' ny Baiboly kristiana. Voasokajy ho isan' ireo atao amin' ny teny hebreo hoe Ketuvim ("Soratra") izy ao amin' ny Tanakh.
Ny teny hoe Bokin' ny Salamo na Salamo dia fanagasiana ny teny grika hoe Βίβλος Ψαλμών / Biblos Psalmôn ("Bokin-kira", "Bokin' antsa") na Ψαλμοί / Psalmoi ("hira, antsa" (milaza maro)). Izany dia nenti-mandika ny teny hebreo hoe ספר תְּהִלִּים / Sefer Tehillim ("Bokim-piderana" na "Bokin-kira fiderana") izay tsorina fotsiny amin' ny hoe תְּהִלִּים / Tehillim ("Fiderana" na "Hira fiderana").
Tsy hira fiderana ranofotsiny no hita ao amin' ny Bokin' ny Salamo fa misy ihany koa ny hira miompana amin' ny lohahevitra hafa. Ireto misy ohatra amin' ireo lohahevitra hita ao:
Rehefa hiresaka momba ny toko sy ny andininy ao amin'ny Salamo dia tsy fiteny, ohatra, ny hoe "Salamo toko faha-10" fa ny hoe "Salamo faha-10" no fiteny. Ny tsirairay amin' izay tokony ho natao hoe "toko" no atao hoe "salamo".
Mizara ho "boky" dimy ny Bokin' ny Salamo:
Ireto ireo Salamo apôkrifa, na deoterôkanônika tsy hita na ao amin' ny Baiboly prôtestanta na ao amin' ny Baiboly katôlika fa hita kosa ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa sasany:
Salamo sasantsasany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Bokin' ny Salamo, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.