Andro Farany

Ny Andro farany na ny Faran' andro dia ny fahataperan' izao tontolo izao na ny olombelona eto amin' izao tontolo izao.

Ny Andro farany dia tsy afa-misaraka amin' ny fiheverana ny tontolo vaovao izay inoana fa efa vonona hisolo ny tontolo taloha. Ampahany iray lehibe amin' ny zavatra dinihina ao amin' ny taranja teôlôjika atao hoe eskatôlôjia ny amin' ny Andro farany.

Andro farany, araka ireo fivavahana abrahamika

Hita ao amin' ny fivavahana kristiana sy jiosy ary silamo izany finoana izany. Amin' izy ireo dia midika ho fitsarana farany ny fanahin' ny olombelona, izay misy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ho an' ireo mpino tsy nivadika, ka noho izany dia tsy fotoana natao hatahorana ny Andro farany na ny Fitsarana farany fa natao hantenaina.

Andro farany araka ny jodaisma

Ao amin' ny jodaisma dia atao hoe Andron' ny Tompo izany fotoana izany, izay hisehoan' ny fitsarana farany ka izay tsy nanaraka ny fampianaran' ny fivavahana jiosy dia hosazina. Ireo voafidy kosa dia hateraka indray ao amin' ny tontolo vaovao. Voaresaka ao amin' ny Bokin' i Daniela ny amin' ny Andro farany (ohatra: Dan. 1.41-45; 12.4).

Andro farany araka ny kristianisma

Ho an' ny Kristiana dia ny Fitsarana farany no tena mampiavaka ny Andro farany izay voavelabelatra ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsa ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ireo hetsika milenarista kristiana na jiosy na "Andro vaovao" dia mivaofy an' izany ho fanambaràna ny faharavan' izao rehetra izao mba hahafahana manolo azy amin' ny tontolo vaovao mifanaraka amin' ny fandaharan' Adriamanitra.

Amin' ny fotoana hiverenan' i Jesoa Kristy ety an-tany dia hitsara ny olona rehetra, na ny velona na ny maty, izay hatsangana izy. Izy no hifidy izay hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka aminy.

Andro farany araka ny silamo

Araka ny fivavahana silamo dia hivoaka avy ao amin' ny fasany avy ny maty mba hotsaraina, ka izay nitondra tena araka ny fototry ny finoana silamo dia ho any am-paradisa.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Andro Farany Andro farany, araka ireo fivavahana abrahamikaAndro Farany Jereo koaAndro Farany LoharanoAndro FaranyEskatôlôjiaTeôlôjia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

(106689) 2000 WW157Fiteny alemànaBodo (mpihira)(103906) 2000 DJ58RasendrasoaTrimôrfika PrôtenôiaArabia SaoditaIsa voasainaZanak' OlonaBokin' i IsaiaKolontsaina malagasyAntefasyFifohazana (kristianisma malagasy)Fiangonana zandrinyAlahamadyWiki CommonsKôntinentaMir Alisher NavoïHeresiôlôjiaSalavantanin' i GazaFiteny malaiô-pôlineziana andrefanaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Fiteny soedoàPoopyNForyFandraisanaAdizaozaDon TaylorFanambaràna ny hevitry ny nofyMenalambaFiteny antankaranaTalataFaritra Amoron' i ManiaFaritra SofiaApôkalipsy faharoan' i JakôbaHerinaratraTsindrimandry (fivavahana)Toetanin-jana-pehin-tanyEbrahim HatamikiaNoyelles-sur-SelleAntandroyBoky ara-tantara (Baiboly)Filazantsara araka an' i Lioka24 MeyVorombolaFifandraisan-davitraEdmund Burke2007Lisitry ny filohan' i Madagasikara11451982Samuel RatanyBokin' ny SalamoPaoly (apôstôly)PennsylvaniaVoronaFiteny sakalavaFiteny araboArkôntikaFilipinaLee TrevinoMalagasy (vahoaka)ZanadralamboKôrà (zanak' i Esao)19 AogositraIzeharaTsimihetyMpisolo (fitsipiteny)Fomban-drazanaAdimizana1997🡆 More