Baiboly Boky Ara-Tantara

Ny boky ara-tantara na bokin-tantara dia fitambarana boky ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly izay mirakitra amin' ny ankapobeny ny tantaran' ny Zanak' i Isiraely tao amin' ny tany Kanaana hatrany amin' ny fahababoany tany Babilôna.

Baiboly Boky Ara-Tantara
Ny Tempolin' i Sôlômôna, 2010.

Ireto avy ireo boky ireo: Jôsoa, ny Mpitsara, ny Rota, ny Samoela voalohany, ny Samoela faharoa, ny Mpanjaka voalohany, ny Mpanjaka faharoa, ny Tantara voalohany, ny Tantara faharoa, ny Ezra (na Esdrasa) ny Nehemia ary ny Estera. Ny Baiboly katôlika dia ahitana boky deoterôkanônika dia ny Tobià, ny Jodita ary ny Makabeo voalohany sy ny Makabeo faharoa.

Ao amin' ny Baiboly hebreo dia sokajina ho isan' ny "Mpaminany taloha" (hebreo: Nevi'im aharonim) ny hatramin' ny Bokin' i Jôsoa ( na Jôsoe) ka hatramin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka. Ny boky ara-tantara sisa dia voasokajy ao amin' ny atao hoe "Soratra" (hebreo: Ketuvim), ka isan' izany ny Boky voalohan' ny Tantara sy ny Boky faharoan' ny Tantara.

Ao amin' ny Baiboly kristiana sy ao amin' ny Tahakh

Tsy misy ny sokajy boky ara-tantara ao amin'ny Baiboly jiosy amin' ny teny hebreo (Tanakh) fa voatsinjara amin' ny atao hoe "Mpaminany" (na Nevi'im) sy "Soratra" (Ketuvim) ny boky ara-tantara ao amin' ny Baiboly kristiana.

Ny Bokin' i Rota, ny Boky voalohan' ny Tantara, ny Boky faharoan' ny Tantara, ny Bokin' i Nehemia ary ny Bokin' i Estera dia isan' ny Ketuvim. Ny Bokin' i Jôsoa, ny Bokin' ny Mpitsara, ny Bokin' i Rota, ny Boky voalohan' i Samoela, ny Boky faharoan' i Samoela, ny Boky voalohan' ny Mpanjaka, ny Boky faharoan' ny Mpanjaka, ny Boky voalohan' ny Tantara ary ny Boky faharoan' ny Tantara dia isan' ny Nevi'im.

Famintinana ny boky tsirairay

Boky ara-tantara (prôtôkanônika)

Baiboly Boky Ara-Tantara 
Ilay ady tao Jeriko, nataon'i Julius Schnorr von Carolsfeld.

Ireo boky ireo dia hita amin' ny Tanakh sy ny Baibolin' ny fiangonana kristiana rehetra na katôlika na prôtestanta na ôrtôdoksa.

Bokin' i Jôsoa na Jôsoe

Ny Bokin' i Jôsoa na Bokin' i Jôsoe dia mitantara ny nahazoan' ny Zanak' i Israely ny tany nampanantenain' Andriamanitra ny razambeny, dia i Kanaana.

Maneho ny tsy fivadihan' Andriamanitra ny fampanantenana nataony io boky io. Asehony koa anefa fa ho resim-pahavalo izay mivadika amin' Andriamanitra.

Bokin' ny Mpitsara

Baiboly Boky Ara-Tantara 
I Samsona sy i Dalila, nataon'i Francesco Morone, taonjato faha-16.

Ny Bokin' ny Mpitsara dia mitantara ny zava-bitan' ireo mpitsara voatendrin' Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak' i Israely tao amin' ny tany Kanaana taorian' ny nahafatesan' i Jôsoa. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan' ireo mpitsara ireo sy ny fangejan' ny firenena hafa ny Zanak' i Israely noho ny fialany an' Andriamanitra ary ny fiverenany amin' Andriamanitra indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana.

Bokin' i Rota

Ny Bokin' i Rota dia mitantara ny fiainan' ny fianakaviana iray tamin’ ny andron’ ny mpitsara, ka manasongadina ny fifikiran' ny vehivavy môabita iray, atao hoe Rota, amin' ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan' ireo olona manan-danja indrindra eo amin' ny tantaran' ny Israelita i Rota, na dia avy amin' ny firenena hafa (jentilisa) aza, noho ny niterahany ny razamben' i Davida mpanjaka.

Boky voalohan' i Samoela

Baiboly Boky Ara-Tantara 
Namaly an' i Gôliata i Davida, nataon' i Gustave Doré.

Ny Boky voalohan' i Samoela dia mitantara ny fanombohan' ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin' ny Israelita sy ny adiny tamin' ny firenena fahavalony. Resahiny koa ny fahotana nataon' i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin' ny fitondrany sy ny fireneny.

Boky faharoan' i Samoela

Ny Boky faharoan' i Samoela dia mitantara ny momba an' i Davida, mpanjaka israelita isan' ireo malaza indrindra. Resahin' io boky io koa na ny heriny sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany, ary ny vokatr' izany rehetra izany. Ambaran' io boky io fa na dia tsy fanaperana aza ny toetr' i Davida dia tsy niala amin' Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i lahveh izy.

Boky voalohan' ny Mpanjaka

Ny Boky voalohan' ny Mpanjaka na Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an' i Sôlômôna (na Salômôna) ho mpanjaka, ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan' ny firenena ho fanjakana roa (ny Fanjakan' i Jodà sy ny an' i Israely), ny fahotan' ireo mpanjaka ary ny fandraisana anjaran' ireo mpaminany manoloana izany. Nanao fahotana lehibe i Sôlômôna tamin' ny naha mpanjaka azy ka ho setrin' izany dia nivaky roa ny firenena taorian' ny nahafatesany. Tsaraina amin' ny fifikirany na tsia amin' Andriamanitra ny mpanjaka tsirairay voatantara ao amin' ny boky.

Boky faharoan' ny Mpanjaka

Baiboly Boky Ara-Tantara 
Ny fanaovana sesitany ireo babo, sary nataon' i James Tissot (1896-1902)

Ny Boky faharoan' ny Mpanjaka na Mpanjaka faharoa dia manohy ny tantaran' ny Fanjakan' i Jodà sy ny an' i Israely izay niantomboka tao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka. Mitantara ny nanjakan' ireo mpanjaka tsirairay hatramin' i Ahôzia (na Ahazia) ka hatramin' ny faharavan' ny Fanjakan' i Jodà io boky io. Asehon' ny boky fa navela ho rava ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà noho izy ireo nanjakan' ny tsy finoana an' Andriamanitra.

Boky voalohan' ny Tantara

Ny Boky voalohan' ny Tantara na Tantara voalohany dia manazava ny tantaran' ny Fanjakan' i Isiraely sy ny Fanjakan’ i Jodà hatramin' ny famoronana an' i Adama. Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao. Izy no nanao an' i Jerosalema ho ivontoeran’ ny fivavahana amin' i Iahveh Andriamanitra. Ao amin' io boky io dia aseho ho modely amin' ny fanompoana amim-pinoana sy fanajana an’ Andriamanitra i Davida.

Boky faharoan' ny Tantara

Ny Boky faharoan’ ny Tantara na Tantara faharoa dia manomboka amin' ny tantaranan' ny fanjakan' i Sôlômôna izay fotoana nanorenana ny Tempoly voalohany tao Jerosalema. Avy eo mitantara ny nivakisan' ny fanjankana ho roa ny boky: Fanjakan' i Jodà any atsimo sy Fanjakan i Israely any avaratra. I Hezekia sy i Jôsia no mpanjaka nalaza indrindra tamin' ny fanompoana an' Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn' Andriamanitra. Asongadin' ny boky fa vahoaka mpanota sady tsy niverina tamin' Andriamanitra nefa tsy nafoin' Andriamanitra ny vahoakan' i Israely.

Bokin' i Ezra na Esdrasa

Baiboly Boky Ara-Tantara 
Kisarin'ny Tempoly faharoa

Ny Bokin' i Ezra na Bokin' i Esdrasa dia mitantara ny didim-panjakana navoakan' i Persia, dia i Kirôsy, tamin' ny taona 537 tal. J.K., sy ny fiverenan' ny Jiosy afaka tamin' ny fahababoana an-tanindrazana teo ambany fifehezan' i Zorobabela ary ny nanorenana ny Tempoly. Avy eo ny boky mitantara ny nodian' i Ezra (na Esdrasa) tany Jerosalema ho any amin' ireo sakaizany izay niara-nifady hanina sy niara-nivavaka taminy mba hahazoany fiarovana avy amin' Andriamanitra alohan' ny hankanesany any Jerosalema. Tao Jerosalema dia naheno i Ezra fa betsaka ny Jiosy nanambady vehivavy tsy Jiosy, ka midika ho fandotoa-tena izany. Nivavaka ho azy ireo i Ezra sady nandresy lahatra azy ireo mba hanary ny vady aman-janany.

Bokin' i Nehemia

Ny Bokin' i Nehemia mitantara ny fikasan’ i Nehemia hanangana ny manda efa nirodana indray. Nanendry an' i Nehemia ho governoran' i Jodà ny mpanjakan' i Persia mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka ny fananganana ny manda, dia ireo governeran' ny tanàna mpifanolo-bodirindrina amin' i Jodà. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsôsialy sy ara-pivavahana koa i Nehemia. Rehefa niverina tao Jerosalema indray i Nehemia dia nahita fa niharatsy ny fiainan’ ny Jiosy tamin’ ny fahotana maro toy ny fanambadiana vehivavy hafa firenena, ka nitoetra tao Jerosalema izy mba hampihatra indray ny Lalàn' i Mosesy.

Bokin' i Estera

Baiboly Boky Ara-Tantara 
I Estera eo anatrehan' i Ahasoerosy, sary nataon' i Konrad Witz, taona 1434-1435)

Ny Bokin' i Estera dia mitantara ny amin' ny vehivavy Jiosy iray atao hoe Estera izay lasa vadin’ i Ahasoerôsy (na Kserksesy I) mpanjakan' i Persia, sady nanavotra ny mpiray tanindrazana izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin' i Hamàna piraiministra ary ny amin' ny fetin' ny Porima izay ankalazana izany fahafahana izany. Niseho tao Persia ny tantara, ao amin'ny tanànan' i Sosa (na Soza na koa Sosàna) tamin' ny nanjakan' i Ahasoerôsy. Maneho ny fanandratana ny osa sy ny famaizana ny mpiavonavona io boky io.

Ireo boky ara-tantara deoterôkanônika

Tsy hita ao amin' ny Tanakh sy amin' ny ankamaroan' ny Baiboly prôtestanta ireto boky ireto fa hita kosa ao amin' ny Baiboly katôlika. sy amin' ireo Baiboly ôrtôdôksa.

Bokin' i Tôbià

Ny Bokin' i Tôbià na Bokin' i Tôbita dia boky mitatitra ny tantaran' ny Israelita iray atao hoe Tôbia sy ny rainy atao hoe Tôbita anisan' ireo natao sesitany tany Ninive. Lasa jamba raha nilatsahan' ny taim-borona i Tôbita. Nentin' ny anjely Rafaela tany Ekbatana i Tôbia hanjono trondro halaina fo sy aty ary afero. Nahasitrana ny mason-drainy sy nandroaka ny devoly nampijaly an' i Sara, vehivavy ampahorin' ny demony Asmôdea, ny aferon' ilay trondro.

Bokin' i Jodita

Ny Bokin' i Jodita dia mitantara ny nampitsaharan' i Jodita, vehivavy jiosy, ny horohoro nahazo ny Jiosy noho ny hanafihan' ny Asiriana azy ireo, tamin' ny nanapahan' i Jodita ny lohan' ilay jeneraly asiriana atao hoe Hôlôferna. Nitsahatra noho izany ny tahotra sady velona indray ny finoan' ny Jiosy an' Andriamanitra.

Boky voalohan' ny Makabeo

Ny Boky voalohan' ny Makabeo dia mitantara ny zavatra nataon' ny fianakaviana hasmôneana nandritra ny tolona nataon' ireo Jiosy ho an' ny fahaleovantenany teo anelanelan' ny taona 175 sy 135 tal. J.K. Nandray ireo lohahevitra hita ao amin' ny tantaran' ny Jiosy tany aloha ny mpanoratra, indrindra ny amin' ny fitandremana ny Lalàna izay zava-dehibe indrindra amin' ny zavatra rehetra. Amin' ny mpanoratra dia fanompoana an' Andriamanitra ny fanompoana ny tanindrazana.

Boky faharoan' ny Makabeo

Ny Boky faharoan' ny Makabeo dia mitantara ny fanoherana nataon' ireo Makabeo nefa maneho izany amin' ny fomba fijery teôlôjika kokoa fa tsy ara-tantara. Loharano ahafantarana ny niantombohan' ny ady teo amin' ny Jodeana sy ny Seleokida io boky io. Ahitana zavatra manakaiky ny lovantsofin' ny Fariseo koa ao, dia ny finoana ny tsy feteza-matin' ny fanahin' olombelona sy ny fitsanganan-ko velona.

Jereo koa

Fanasokajiana ny boky ao amin' ny Testamenta Taloha (kristiana):

Fanasokajiana ny boky ao amin' ny Baiboly jiosy:

Tags:

Baiboly Boky Ara-Tantara Ao amin ny Baiboly kristiana sy ao amin ny TahakhBaiboly Boky Ara-Tantara Famintinana ny boky tsirairayBaiboly Boky Ara-Tantara Jereo koaBaiboly Boky Ara-TantaraBaibolyFahababoana tany BabilônaKanaana (faritra)Testamenta TalohaZanak' i Israely

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Fahoriana lehibeNsukkaBonneval, Eure-et-LoirHelodranon' Ampasindava9 DesambraISO 4217Razana (finoana malagasy)Atôma31 MartsaSão José da VarginhaHerinandroFrancis DrakeArphyTômasy avy any Akoino283Tetiandro malagasyWoodie FlowersSana'a1922Horatio Herbert KitchenerSunan Abu Dawud29 Desambra22 NovambraPaskaLouisianaWikibolanaLazaina (fitsipiteny)Sahih al-TirmidhiVanim-potoana mesianikaRaúl AlbiolIndostriaFivavahana abrahamikaTeôlôjian' ny hazo fijalianaAlexander PushkinPentekôtisma eto MadagasikaraSipra AvaratraL'Express de MadagascarPalestinaFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraRalamboSambainaBokin' ny GenesisyTestamenta TalohaSaolyZelandy VaovaoAndry dimin' ny finoana silamoBetsileoFiangonana Jesosy MamonjyAndroFiteny irlandeyJohn LockeFederico PescettoAndriamangariraCourbevoieAnjara asa (fitsipiteny)Ted LyonsDurrësMpandrindra milina17 MartsaThe BeatlesEstera (ao amin'ny Baiboly)Marshall LeffertsAndriantomponimerinaMcMechen, West VirginiaNiassaDidy FoloFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyShen KuoFiteny indô-eorôpeanina🡆 More