Fitsipiteny Mpisolo

Ny mpisolo dia teny (sokajin-teny) izay maka ny toeran' ny anarana na ny tarika anarana nefa misy sasany izay afaka maka ny toeran'ny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa.

Mety misolo ny mpamari-toetra koa izany amin' ny fiteny sasany. Anisan' ny sokajin' ny mpisolo, ohatra: ny mpisolo tena na mpisolo olona, ny mpisolo manondro, ny mpisolo manontany, ny mpisolo mampifandray, ny mpisolo tompon-javatra, ny mpisolo fotoana, ny mpisolo manolotra ary ny mpisolo toerana. Miovaova arakaraka ny fiteny na arakaraka ny fanaovana tsikera amin' ny fiteny iray ny zana-tsokajin' ny mpisolo. Mety miovaova endrika ny mpisolo ka maneho ny filaza isa (tokana na maro sns), ny maha kandahy na maha kambavy sns, arakaraka ny fiteny.

Karazana mpisolo

Ny mpisolo tena

Ny mpisolo tena dia teny enti-manondro ireo sokaji-mpandray anjara telo ara-pitsipiteny ao amin' ny fifampiresahana, dia ny miresaka sy ny iresahana ary ny resahina. Indreto ny mpisolo tena ao amin' ny teny frantsay: je, me, moi, tu, te, toi, il, elle, on, le, la, lui, soi, nous, vous, ils, elles, les, leur, eux, en, y. Indreto kosa ny mpisolo tena ao amin' ny teny anglisy: I, me, you, he, him, she, her, it, we, us, they, them.

Ny mpisolo manondro

Ny mpisolo manondro dia teny enti-mampitodika na mampifantoka ny mpihaino any amin' ny zavatra lazaina na efa voalaza na mbola holazaina, nefa tsy tononina ny tena anarany. Indreto ny mpisolo manondro ao amin' ny teny frantsay: ce, ceci, cela, celui, celui-ci, celui-là, celle, celle-ci, celle-là, ceux, ceux-ci, ceux-là. Indreto kosa ny mpisolo mandro ao amin' ny teny anglisy: this, that, these, those. Betsaka ny mpisolo manondro ao amin' ny teny malagasy ka ohatra amin' izany ireto manaraka ireto: io, ity, ireo, ireto, itony, izao, izany.

Ny mpisolo manontany

Ny mpisolo manontany dia teny enti-manontany. Indreto misy ohatra amin' ny mpisolo manontany ao amin' ny teny frantsay: qui, quoi. Indreto misy ohatra amin' ny mpisolo manontany ao amin' ny teny anglisy: who, what, whose. Manana mpisolo manontany koa ny teny malagasy: iza, inona, zovy.

Ny mpisolo mampifandray

Ny mpisolo mampifandray dia mpisolo afaka mampiditra fehezankevitra vaovao miakina. Ny fiteny malagasy dia ahitana ny mpisolo mampifandray izay. Ny teny frantsay dia manana ny hoe qui, que, dont sns. Ny teny anglisy kosa dia ahitana ny hoe who, that, which.

Ny mpisolo tompon-javatra

Ny mpisolo tompon-javatra dia teny ampiasaina mba tsy hamerenana ny fanononana ny "tompon-javatra" sy ilay "zavatra ananana". Ny teny anglisy dia manana mpisolo tompon-javatra: mine, ours, yours, his, hers, its, theirs. Ny teny frantsay kosa manana ny mien, mienne, miens, miennes, tien, tienne, tiens, tiennes, sien, sienne, siens, siennes, nôtre, nôtres, vôtre, vôtres, leur, leurs. izay matetika ialohavan' ny mpanoritra le, la na les. Ny teny malagasy dia mampiasa ny hoe ahy, antsika, anay, anao, anareo, azy.

Ny mpisolo toerana

Ny mpisolo toerana dia ampiasaina hanoloana ireo anarana na tarika anarana mitana anjara asa fameno milaza toerana. Ny teny malagasy dia manana ny hoe eto, atý, aroa, ato, arý sns. Ao amin' ny teny frantsay dia heverina ho mpisolo milaza toerana ireto teny manaraka ireto: y, en (tsy manontany) où, d'où, dont (manontany na mampifandray).

Ny mpisolo manolotra

Ny mpisolo manolotra dia teny enty manolotra ny olona na zavatra iray izay toy ny aseho. Ny teny malagasy, ohatra, dia manana ny hoe indro, Intỳ, indreo.

Jereo koa

Tags:

Fitsipiteny Mpisolo Karazana mpisoloFitsipiteny Mpisolo Jereo koaFitsipiteny MpisoloAnaranaFehezankevitraFehezantenyFilaza isaFitenyKambavyKandahyMpamari-toetraMpisolo fotoanaMpisolo mampifandrayMpisolo manondroMpisolo manontanyMpisolo tena (fitsipiteny)Mpisolo toerana (fitsipiteny)Mpisolo tompon-javatraSokajin-tenyTarika (fitsipiteny)Teny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

IstanbulAljeriaGambiaAbelaFanambaràna ny hevitry ny nofyFanahin' ny vatanaAsabotsyMpampiankin-tenyFarao ao amin' ny BaibolySoratraNy Avana RamanantoaninaArjentina1970Johann Wolfgang von GoetheKolontsainaAntananarivoTestamenta VaovaoTantaran' ny kristianismaTontolo iainanaOperaRanavalona IIILisitry ny firenenaTononkaloFahitalavitraMahabad, IsfahanFivarotana andevoFirenenaBokin' i EzekielaIranianina (vahoaka)1953Ady Lehibe FaharoaSomatraFiangonana kalkedônianaPalmdale, KaliforniaFaritra AnalamangaFanjakana MitambatraTsipi-panohizanaMozilla FirefoxInternet Explorer6 AogositraZaka17 MartsaAnjara (finoana)FamadihanaJean NarivonyMianmaraMadagasikara zanatany frantsaySeleokosy IVolgataFiteny espaniôlaKataraBezanozanoMalagasy (vahoaka)Nosin'ny PaskaHarin-karena faobeFanahy MasinaRepoblika MalagasyEkoadôraSodànaFambolenaFifohazana (kristianisma malagasy)Fandriam-pahalemanaAndrea ArnoldPer Brinch HansenHosodokoOnjan-dranoFiraisana ara-nofoAfrikaFampihorohoroana1963Fiteny aromanianaHiram-pirenenaTanyIrànaRanavalona IIZezikaFarao🡆 More