Adizaoza

Ny Adizaoza no vintana fahatelo ao amin'ny fanandroana malagasy.

Ny Adaoro no eo alohany ary ny Asorotany no manaraka azy. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran' ny sinibe ao an-trano.

Adizaoza
Sinibe

Fiavian'ilay anarana

Fiavian' ilay anarana

Adizaoza 
Antokon-kintan'ny Kambana

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اجوزاء / Al-Djuza ("kambana") ny hoe Adizaoza. Amin'ny faritra sasany eto Madagasikara dia atao hoe Alijoza na Alizoza io teny io.

Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Gemini na amin'ny teny frantsay hoe Gémaux ny hoe Adizaoza. Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Jauza na Mapacha io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Jauza na Kembar ihany koa izy.

Ny antokon-kintana Kambana sy ny zôdiaka

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Kambana dia miantomboka amin' ny 21 Jona hatramin' ny 20 Jolay. Ny fari-potoan' ny Kambana araka ny zôdiakan-kintana kosa dia eo hatramin' ny 16 Jona hatramin' ny 15 Jolay. Ny Kambana ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia avy eo amin'ny 21 Mey ka miafara amin'ny 21 Jona. Ny Adaoro amin' ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.

Ny vintana Adizaoza

Toerany

Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahatelo ny Adizaoza ka ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano antsinanana no toerana omena azy. Zanabintana ny Adizaoza. Ny Alakaosy no mifandratra amin' ny Adizaoza sady miarina eo amin'ny Adijady. Baben'ny renivintana Asorotany ny zanabintana Adizaoza. Mitondra tonon'andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza (na vavan' Adizaoza) sy ny vody Adizaoza (na vodin' Adizaoza).

Fombany

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" na "sahozanina" raha tsy alam-bintana.

Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao. Amin'ny ankapobeny dia vintana mahery ny Adizaoza

Vava Adizaoza

Tonon'andro mahery ny vava Adizaoza ka ny olona teraka aminy dia miozanozana sy sahozanina raha tsy alam-bintana, ka ho lasa mahantra rehefa lehibe.

Vody Adizaoza

Ny vody Adizaoza dia malefaka kokoa ka ny vehivavy teraka amin'izany dia ho maro anaka nefa malahelon-karena, fa ny lehilahy kosa tsy hambinina amin'ny fihariana.

Volana Adizaoza

Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Adizaoza ho volana fahatelo amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Adizaoza ka miafara amin' ny vody Adaoro ny volana Adizaoza raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adaoro dia miafara amin' ny vava Adizaoza ny volana Adizaoza izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adizaoza io dia mifarana amin' ny vody Adizaoza ny volana izay misy 30 andro.

Ombilahy na Adaoro Kambana na Adizaoza Foza na Asorotany
Antokon-kintana 13 Mey - 21 Jona 21 Jona - 20 Jolay 20 Jolay - 10 Aogositra
Zodiakan-kintana 16 Mey - 15 Jona 16 Jona - 15 Jolay 16 Jolay - 15 Aogositra
Zodiaka mikisaka 21 Avrily - 20 Mey 21 Mey - 21 Jona 22 Jona - 22 Jolay

Jereo koa

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Tags:

Adizaoza Fiavianilay anaranaAdizaoza Ny vintana Adizaoza Volana Adizaoza Jereo koaAdizaozaAdaoroAsorotanyFanandroana malagasy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Apôkalipsa Gnôstikan' i PieraTwitterAdimizanaGoavyMpampiankin-tenyWikiFahefana mpanatanterakaEndrika araka anjara asaNew YorkFanomezana fiton' ny Fanahy MasinaAnganoKofi AnnanMpiandry tsaraTom KilburnFifohazana FarihimenaTanalaAndriantompokoindrindra (foko)SokelaAndriantompokoindrindraIowaOmbyPaoly (apôstôly)Britaina LehibeSakafo malagasyAljeriaFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014Tantaran' i Etazonia03 janvier 2016Faritra AnosyAntsirananaSakramenta ao amin' ny prôtestantismaRadama VoalohanyBokin' i HenôkaFiteny malagasyFiraisana ara-nofoDidy Folo1912Roberto VaccaBaskin-RobbinsTiffany MynxAsan' ny ApôstôlyKristianisma eto MadagasikaraFianarantsoaKolontsainaFanjakana MitambatraApôstôly roa ambin' ny foloApôkalipsin' i StefanaFasanaWuhanFiteny kantôneyWayback MachineAndriamandisoarivoMisiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara13 desambra 1991Ratsiraka DidierDistrikan'i Fianarantsoa1853Epikan' i GilgamesaRalamboKabarySilamo eto MadagasikaraFivavahan-drazana afrikanaFanalan-jazaHaikyuBatisaFaritra DianaFiteny tamilyAngatra (aretina)BaibolyVadin' i MohamadyDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)🡆 More