Antrôpôlôjia Kristiana

Ny antrôpôlôjia kristiana dia sampan' ny teôlôjia kristiana izay andalinana ny amin' ny olombelona manontolo araka ny fanambaràn' Andriamanitra ao amin' ny Baiboly sy amin' ny fijerena ny fifandraisany amin' Andriamanitra.

Halalinina ao ny amin' ny toetra sy ny fomban' ny olombelona: ny vatan-tenany sy ny ainy ary ny fanahiny izay mitambatra ka mamorona ny atao hoe olombelona, araka ny anoritsoritan' ny Baiboly azy. Fandalinana momba ny olombelona amin' ny fampifandraisana azy amin' Andriamanitra izany.

Anisan' ny lohahevitra dinihina ao ny fiavian' ny olombelona (famoronana azy) sy ny toetrany (fahalavoany, fahotany, fahalalahan' ny safidiny na tsia, sns). Halalinina koa ny fifandraisan' ireo zavatra mitambatra ho olombemlona, araka ny famariparitan' ny Baiboly azy: misy karazany telo ny fomba fiheverana ny zavatra mitambatra ho olombelona: ny fiheverana azy ho foronin-javatra telo (trikôtômisma: vatana / fanahy-aina / fanahy) sy na foronin-javatra roa (dikôtômisma: vatana / fanahy) na zavatra iray tsy mivaky (mônisma). Halalinina koa ny fahafatesan' ny olombelona sy ny zavatra miandry azy aorian' ny fahafatesana (fitsanganan-ko velona, sns) ary ny feteza-maty na tsy feteza-matin' ny fanahin' olombelona.

Jereo koa

Tags:

Andriamanitra (tokana)BaibolyFanahyOlombelonaTeôlôjia kristiana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MandravasarotraRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)JibotỳMusianPaoly (apôstôly)19421953TeôlôjiaRepoblika Demôkratika MalagasyListrin'ny Farihy eto MadagasikaraAbidy grikaKolontsaina malagasyIranianina (vahoaka)KyivFiarahamoninaKodiaranaLimboFilazantsara439BetsimisarakaZhuge LiangFanavaozana prôtestantaAmbiroaAdy an-tranoFanjanahantanySokajin-tenyDokuWikiSlôvakiaEglizy katôlika rômaninaFanahyBetsileoTorkiaFiraisana ara-nofoKharg (nosy)Zanahary (finoan-drazana malagasy)JerosalemaVolana (fotoana)Fiangonana Loterana MalagasySeleokosy IFifandraisan-davitraLouis-Claude VincentTranombakokaTestamenta TalohaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Johann Wolfgang von GoetheFanjakana MitambatraTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôZavakantoWikipedia amin'ny teny malagasyZezikaAntesakaFibebahana1960MasoandroKôngô-BrazzavilleFinlandyZairaQasr-e QandChah BaharFanahy MasinaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraRepoblika Demokratika MalagasyAzôtaISO 4217Tanora Malagasy VononaVolanaRômaFambolenaPaskaMadagasikara zanatany frantsayMarovatoTantaran' i Alemaina🡆 More