Fiteny Sinoa

Sinoa
Isan'ny mpiteny 1,31 miliara erak'izao tontolo izao
Faritany
Sata Ny teny mandarina no teny ofisialy amin'ny firenena izay manana teny sinoa ho teny ofisialy.

Ny fiteny sinoa dia fiteny voasokajy ao amin' ny fiteny sinô-tibetaina. 1,3 lavitrisa mahery ny isan' ny olona miteny sinoa eto an-tany. Ny teny sinoa dia ao amin' ny vondrom-piteny sinitika, izay antsona hoe "sinoa".

Fiteny Sinoa
Ny tontolo miteny sinoa

Sampan' ny fiteny sinoa

  • fiteny sinoa mandarina: izay manana sata ôfisialy any amin' ny Repoblika Entim-bahoakan' i Sina sy any Taiwan. Io fiteny io dia ny endrika nampanarahim-penitry ny fiteny sinoa avaratra izay nomena sata ôfisialy.
  • fiteny wu, izay ampiasaina ao amin' ny faritanin' i Jiangsy ary ao Zhejiang (mpiteny 77 tapitrisa eo ho eo)
  • fiteny kantôney, tenenina ao amin' ny faritanin' i Guangdong, i Guangxi; manana sata ôfisialy any Hong Kong, Macao, Azia Atsimo-Atsinana ary tenenin' ny ankamaroan' ny Sinoa nifindra monina (71 tapitrisa no isan' ny mpiteny).
  • fiteny gan izay tenenina ao amin' ny faritanin' i Jiangxi, ary manana isa-mpiteny eo amin' ny 31 tapitrisa eo ho ao.
  • fiteny hakka tenenina ao amin' ny tapany avaratr' i Guangdong sy Fujian ary Taiwan (manana mpiteny miisa 34 tapitrisa).
  • fiteny min izay hita ao amin' ny faritanin' i Guangdong, ny Fijian ary Taiwan (manana mpiteny miisa 60 tapitrisa).
  • fiteny xiang ao Hunan (36 tapitrisa no miteny azy).
  • fiteny jin any amin' ny tapany avaratr' i Sina, karazany amin' ny fiteny sinoa avaratra (ary noho izany amin' ny fiteny mandarina).
  • fiteny hui karazany amin' ny fiteny wu.
  • fiteny ping karazany amin' ny fiteny kantôney.

Fanoratana

Ny soratra anoratana ireo teny sinoa ireo dia tokana ihany, fa ny fanononana azy fotsiny no samihafa. Ny soratra ampiasaina amin' ny teny sinoa dia mifototra amin' ny kisarisary, izay nivoatra hatranihatrany noho ny fanatsorana azy ireo. Ankehitriny dia roa no isan' ny vondron' endri-tsoratry ny teny sinoa, ny tarehin-tsoratra sinoa nentin-drazana (ampiasaina ao Taiwan sy ao Hong kong) izay tsy nanatsotra ny endriky ny sinôgrama, sy ny tarehin-tsoratra sinoa notsorina (ampiasaina ao Sina Entim-Bahoaka), nipoitra tamin' ny taona 1956 tany Sina Entim-Bahoaka.

Misy ihany koa ny soratra antsoina hoe nüshu, ampiasain' ny vehivavy tsy mahazo manoratra.

Any amin' ny faritra mizaka-tena dia ampiasaina ihany koa ny soratra teratany toa ny dongba na ny dai.

Dikan-tsoratra amin' ny abidy latina

Maro ireo dikan-tsoratra amin' ny abidy latina izay ampaisaina ho an'ny teny sinoa:

Jereo koa

  • Fiteny ao Sina
  • Fiteny ao Taiwan

Tags:

Fiteny Sinoa Sampan ny fiteny sinoaFiteny Sinoa FanoratanaFiteny Sinoa Dikan-tsoratra amin ny abidy latinaFiteny Sinoa Jereo koaFiteny Sinoa

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Angatra (aretina)Ady an-tranoPelikanaSoson-drivotry ny tanyBootjack, KaliforniaKharg (nosy)AljeriaAveloBetsimisaraka1942Fifandraisan-davitra1963Tebay (Ejipta)Sokajin-teny1960KolontsainaBokin' i Daniela1200Hasanabad, ReyHavatsa-UPEMFanjanahantanyRabatLisbonFiraisana ara-nofoFahitalavitraSolombavambahoakaMasoandroOnjan-dranoFehezantenyKalsiômaFiteny japôneyTsekôslôvakiaBatismaPoaceaeAzerbaijànaRy Tanindrazanay malala ôKor'anyFiteny finoàFloridaTsipi-panohizanaFanahin' ny vatana748FanahyDanemarkaTetiandro malagasyLouis PasteurAurangzebToetanin-jana-pehin-tanyTononkira FanaperanaKodiaranaHypertext Markup LanguageFahefana Avon' ny TetezamitaSivilizasiona mikenianaAntananarivoBlaogyTetiandro gregôrianaEorôpa AtsimoTeôlôjia dôgmatikaTBatisaFiteny araboBokyTantaran' i AlemainaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)FamoranaApôlinariôsy avy any LaôdikeaBolgariaLalànaSoavaly🡆 More