Ny Filazantsara araka an' i Marka, na Vaovao Mahafaly araka an' i Marka, na Evanjely araka an' i Masindahy Marka dia faharoa amin' ny filazantsara kanônika ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly.
Ny asa nataon' i Jesoa na Jesosy no tian' ny mpanoratra hampitaina: asehony i Jesoa eo am-panatanterahana ny asany amin' ny fanasitranana ny marary, amin' ny fampitomboana isa ny mofo ho an' ny vahoaka. Izany asa izany dia tantarain' ny mpanoratra mba hanaporofoany ny maha avy amin' Andriamanitra an' i Jesoa. Tsy latsaky ny 18 ny isan' ireo fahagagana tantarainy. Ao amin' ny andininy voalohany fotsiny dia efa milaza sahady ny mpanoratra fa i Jesoa no "Zanak' Andriamanitra" (Mar. 1.1) ary any amin' ny faran' io vaovao mahafaly io dia taterin' ny mpanoratra ny resak' ilay manamboninahitra miaramila rômana teo am-pototry ny hazo fijaliana hoe: "Marina tokoa fa Zanak' Andriamanitra io lehilahy io" (Mar. 15.39).
Asehon' ny mpanoratra koa fa ny fahagagana nataon' i Jesoa dia tsy nataony hitadiavany laza: Fantatr' i Jesoa fa tsy maintsy hijaly izy. Izany no nahatonga ny mpanoratra haneho ny fiainan' i Jesoa ho toy ny fiomanany amin' ny hahafatesany. Imbetsaka i Jesoa no manambara mialoha ny hijaliany sy ny hahafatesany. Amin' ny mpanoratra dia vaovao tsara izany fahafatesany izany satria heveriny fa mahatanteraka ny faminanian' i Isaia (Isaia 53.12): avy izy "hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro" (Marka 10.45) sady araka ny efa nambarany dia hitsangana amin' ny maty izy satria tsy afaka ny hitoetra ao am-pasana ny Zanak' Andriamanitra.
Ny Filazantsaran' i Marka dia nosoratana ho an' ny Kristiana avy amin' ny Jentilisa (na Jentily) izay tokony hanazavana tsara ireo fitenenana avy amin' ny fiteny arameana sy hebreo ary tokony hanazavana ny fomba amam-panao jiosy. Anisan' ireo filazantsara sinôptika ny Filazantsaran' i Marka. Teo anelanelan' ny taona 60 sy 75 no nanoratana azy. Misy toko 16 ity boky ity.
Ny hoe Filazantsara araka an' i Marka, na Evanjely araka an' i Marka, dia fanagasiana ny teny grika hoe Kατὰ Μάρκον εὐαγγέλιον / Kata Markon euangélion. Amin' ny teny latina dia Evangelium secundum Marcum no iantsoana azy.
Ny Prôtestanta malagasy dia manoratra hoe Filazantsara araka an' i Marka na Filazantsara nosoratan' i Marka. Ny Katôlika malagasy kosa dia manoratra hoe Evanjely araka an' i Masindahy Marka na Evanjely nosoratan' i Masindahy Marka. Fiteny ihany koa ny hoe Vaovao Mahafaly araka an' i Marka na Vaovao Mahafaly nosoratan' i Marka.
Ny amin' ny fiforonan' ny boky
Ny mpanoratra
Araka ny lovantsofina dia i Marka, no nanoratra ny Filazantsara araka an' i Marka.
Ny fotoana nanoratana
Teo anelanelan' ny taona 60 sy 75 no nanoratana ny Filazantsara araka an' i Marka.
Ny toerana nanoratana
Araka an' i Klemento avy any Aleksandria dia tao Rôma no nanoratana ny Evanjelin' i Marka. Ny mpikaroka sasany anefa mihevitra fa mety tao Palestina na tao Siria na tany Galilea (na Galilia) no nanoratana azy.
Fizaràn' ny boky
Azo zaraina telo lehibe ny Filazantsaran' i Marka ka ny fizaràna tsirairay dia mbola azo tsinjaraina maro. Mahakasika an’ i Jesoa tany Galilea ny fizaràna voalohany, ny fizaràna faharoa dia mikasika ny asa sy tenin’ i Jesoa tany ivelan’ i Galilea, ary momba ny herinandro farany nandalovan’ i Jesoa tao Jerosalema ny fizaràna fahatelo.
Fifandraisan' ny Filazantsaran' i Marka amin' ny filazantsara sinôptika hafa
Araka ny petra-kevitry ny loharano roa dia manana anjara toerana amin' ny famahana ny "olana sinôptika", dia ny fisian' ny fifanahafana sy ny tsy fitoviana eo amin' ny filazantsara telo, ny Filazantsaran' i Marka. Araka io petra-kevitra io dia ny Filazantsaran' i Marka no tranainy indrindra amin' ny filazantsara sinôptika telo, ary ny mpanoratra ny Filazantsaran' i Matio sy ny Filazantsaran' i Lioka dia naka ampahany avy ao amin' ny Filazantsaran' i Marka.
Ny fifanahafana hita amin' ireo filazantsara sinôptika ireo dia azo aseho amin' ny alalan' ny tarehimarika. Ny 80 %n' ny lahatsoratra ao amin' ny Filazantsaran' i Marka (andininy miisa 523 amin' ny 661) dia miseho koa ao amin' ny Filazantsaran' i Matio ary ny 55 % (andininy 364 amin' ny 661) dia hita ao amin' ny Filazantsaran' i Lioka. Amin' ny andininy 661 ao amin' ny Filazantsaran' i Marka dia 26 ihany no azy manokana, ny 330 dia itambarany amin' ny Filazantsaran' i Matio sy ny Evanjelin' i Lioka, ary ny 325 dia noraisin' ny Filazantsaran' i Matio na ny Filazantsaran' i Lioka. Ny lahatsoratry ny Filazantsaran' i Marka dia hita saika manontolo ao amin' ireo filazantsara roa hafa, izany hoe andininy miisa 635 amin' ny 661.
Ny andalana iraisan' ny Filazantsaran' i Matio sy ny Filazantsaran' i Lioka nefa tsy hita ao amin' ny Filazantsaran' i Marka dia mety notovozina tamin' ny loharano faharoa, izay tsy ananana intsony amin' izao, dia ny Loharano Q (ny Q dia fanafohezana ny teny alemàna hoe Quelle, izay midika fotsiny hoe "loharano"), izay fanangonan-tenin' i Jesoa (atao amin' ny teny grika hoe Logia).
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Filazantsara araka an' i Marka, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses. ®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.