Lovantsofina

Ny lovantsofina dia fampitana mitohy ny singan-kolontsaina iray na maro mandritra ny tantara hatramin' ny zava-mitranga mpanorina na hatramin' ny zava-nitranga tamin' ny fotoana lasa lavitra dia lavitra.

Izany lova tsy azo tsapain-tanana izany dia mirakitra ny maha izy azy ny vondron' olona iray, ka mety ho izany no namorona ny foko na vondrom-poko iray. Ny lovantsofina dia fitadidiana ny zavatra izay nisy ka tokony hampitaina amin' ny taranaka mandimby sady hohatevenin' izy ireo. Ny lovantsofina dia mety am-bava na efa voasoratra.

Ao amin' ny fivavahana kristiana dia atao hoe lovantsofina (hoy ny Prôtestanta malagasy) na lovam-pampianarana (hoy ny Katôlika malagasy) ny fanambaràna mitohy ny Vaovao Mahafaly amin' ny Fiangonana amin' ny alalan' ny fifandimbiasan' ny apôstôly (lovam-pampianarana apôstôlika). Raha mampitovy lanja ny lovam-pampianarana amin' ny Soratra Masina ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa, ny Prôtestanta kosa dia tsy mandray ho tenin' Andriamanitra afa-tsy izay voasoratra ao amin' ny Baiboly (jereo: Sola scriptura).

Jereo koa:

Tags:

Kolontsaina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TrombaToetanin-jana-pehin-tanyTantaran' ny kristianismaLavarsAmerika AtsimoFanahy (kolontsaina malagasy)Wikipedia amin'ny teny malagasyRômaJesoaLetôniaRanoAbkaziaPenguinFokon' i DanaBezanozanoFiteny latinaAlakamisy AnativatoAl-BiruniFanahy Masina (kristianisma)Fiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraKolontsaina malagasyAbidy grikaFilazantsara araka an' i Lioka1237MozikaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraPersiaFifohazana AnkaramalazaLimaTononkaloMalagasy (vahoaka)TsekôslôvakiaFisaraham-pahefanaNosin'ny PaskaMosesy MaimonidaHypertext Markup LanguageZanahary (finoan-drazana malagasy)Apôstôly roa ambin' ny foloAsa AkiraFaraoZezikaKabary famangianaListrin'ny Farihy eto MadagasikaraAmbohimangaAntemoroHindoismaFiteny siriakaFilazantsara sinôptikaTerakaVolana (fotoana)Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fiteny alemànaKristianismaTorkiaFanandroana malagasyLambamenaFitsapan-kevi-bahoakaHazoPontianakFitampohaVanim-potoana kristianaAntevatoLloyd KaufmanMaorisy439VolgataRôma TalohaFahefana mpanao lalànaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara24 FebroarySabelioMesôpôtamiaFanahy1974🡆 More