Pneomatôlôjia

Ny pneomatôlôjia dia taranja teôlôjika ao amin' ny fivavahana kristiana izay iresahana sy ianarana ary ampianarana ny amin' ny Fanahy Masina.

Iresahana ny amin' ny personan'ny Fanahy Masina ao amin' ny Trinite sy ny asan'ny Fanahy Masina ny pneomatôlôjia. Taty aoriana dia tafiditra ao amin' io taranja io koa ny hoe fahateraham-baovao, ny fanomezan' ny Fanahy (karismata), ny batisan' ny Fanahy, ny fanamasinana, ny tsindrimandrin' ny mpaminany, ary ny filatsahan' ny Fanahy Masina. Ny antokom-pinoana kristiana samihafa dia samy manana ny fomba anaovany pneomatôlôjia.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe pneomatolojia dia avy amin' ny teny grika hoe πνεῦμα / pneuma "fanahy" sy λόγος / logos "fampianarana" na "fianarana".

Ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina, araka ny finoana jiosy sy kristiana, dia ny herin' Andriamanitra anatanterahany ny zavatra kasainy hatao, hatramin' ny Famoronana izao tontolo izao ka hatramin' izao.

Persôna fahatelon' Andriamantra ny Fanahy Masina

Tsy mitovy tanteraka anefa ny fampianaran' ny fiangonana samihafa. Hita izany tsy fitoviana izany eo amin' ny fanekem-pinoana. Ny Fanekem-pinoana nikeana-kônstatinôpôlitana dia manamafy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny Fanekem-pinoana nikeana dia nisy tovana natao taty aoriana ka nampidirin' ny Fiangonana Tandrefana miteny latina ny teny hoe "sy tamin' ny Zanaka" (grika: καὶ τοῦ Υἱοῦ / kai tou Uiou; latina: Filioque) izay nanova ny tokony hinoana momba ny fifandraisan' ny Fanahy Masina sy ny Zanaka ka lasa mivoaka avy amin' ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Tsy eken' ny Fiangonana Tatsinanana (isan' izany ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana armeniana) anefa ny nampitsofohan' ny Fiangonana Tandrefana ilay hevitra hoe "nivoaka tamin' ny Zanaka koa ny Fanahy Masina" izay nomena ny anarana latina hoe Filioque (grika: καὶ τοῦ Υἱοῦ / kaὶ toū Uioū). Amin' ny Fiangonana Tatsinanana dia nivoaka avy amin' ny Ray fotsiny ny Fanahy Masina fa tsy tamin' ny Zanaka koa.

Herin' Andriamanitra ny Fanahy Masina

Misy ny fiangonana milaza fa hery entin' Andriamanitra manatateraka ny sitrapony ny Fanahy Masina fa tsy persônan' Andriamanira. Amin' ny Vavolombelon' i Jehovah sy ny Kristadelfiana dia hery miasa an' Andriamanitra ny fanahy masina, tsy mitambatra ho Trinite ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Andriamanitra mahaleo tena ny Fanahy Masina

Ankehitriny dia misy ny fiangonana izay manaiky fa Andriamanitra mahaleo tena fa tsy persônan' Andriamanitra tokana ny Fanahy Masina, tsy iza izany fa ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra telo samy manana ny persônany sy ny natiorany avy nefa mifameno.

Ny asan' ny Fanahy Masina

Ny fidinan' ny Fanahy Masina

Nidina tamin' ireo Apôstôly ny Fanahy Masina 50 andro taorian' ny nitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty, araka ny efa nolazain' i Kristy fony izy tety an-tany (jereo: parakleto)

Ny fanilovan' ny Fanahy Masina

Ny tsindrimandry na fanilovana na teôpneostia dia fomba entin' Andriamanitra na ny fanahy iray mampanao zavatra, indrindra mampita ny hafany amin' ny alalan' ny fampitenenana na ny fampanoratana ny olona izay manatanteraka izany tsy araka ny sitrapony. Ao amin' ny fivavahana kristiana dia lazaina fa dia vokatry ny tsindrimandry na fanilovana avy amin' Andriamanitra tamin' ny alalan' ny asan' ny Fanahy Masina ny Soratra Masina. Tsy mitovy anefa ny fandraisan' ny fiangonana tsirairay izany teny izany fa ao ireo mihevitra azy ho toy ny sora-tononina mivantana avy amin' Andriamanitra nefa ao koa ireo izay manaiky ny fandraisana anjaran' ny mpampandry an-tsoratra ny Soratra Masina ka manavaka ny zavatra nentin' ny maha olombelona ilay olona voatsindimandry na voatsilo sy ny hafatr' Andriamanitra ao anatin' izany Soratra Masina izany.

Ny fahateraham-baovao

Amin' ny kristianisma evanjelika, ny fahateraham-baovao dia zavatra tsapan' ny olona iray izay milaza fa niaina fiterahana ara-panahy noho ny asan' ny Fanahy Masina taorian' ny fibebahany amin' ny fahotany ka nahatonga azy hihavana indray amin' Andriamanitra. Aorian' ny fahateraham-baovaon' ny fanahiny dia atsoina hoe "zanak' Andriamanitra" io olona io.

Ny fanomezan' ny Fanahy Masina

Ny fanomezan' ny Fanahy dia fanomezana hery mahagaga avy amin' ny Fanahy Masina. Izany dia fahasoavana avy amin' Andriamanitra izay ilain' ny Kristiana tsirairay sady nilain' ny Apôstôly koa tamin' ny andron' izy ireo mba hahafahana manatanteraka ny iraka ampanaovina ny Fiangonana. Ireo fanomezana ireo dia avy amin'ny Fanahy Masina ka atolony ny isam-batan' olona, nefa ny tanjony dia ny hampahatanjaka ny Fiangonana manontolo. Resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao ireo fanomezana ireo, ka hita izany ao amin' ny Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana (1Kôr. 12. 8-10; 12.28), ao amin' ny Epistily ho an' ny Rômana (Rôm. 12. 6-8) ary ao amin' ny Epistily ho an' ny Efesiana (Efes. 4. 11). Miresaka momba ny fanomezan' ny Fanahy koa ny Epistily voalohany nosoratan' i Petera (1Pet. 4).

Maro ny fikambanana sy ny hetsika nandray anjara tamin' ny fanomezan-danja ny fanomezan' ny Fanahy Masina ka ny andiany voalohany dia ny pentekôtisma tamin' ny taona 1906, ny andiany faharoa dia ny fihetsiketsehana karismatika tamin' ny taona 1960 ary ny andiany fahatelo dia ny fihetsiketsehana karismatika vaovao tamin' ny taona 1980.

Ny batisan' ny Fanahy Masina

Ny batisan' ny Fanahy Masina dia ny fiainana ny fanavaozam-panahy izay anaovan' ny Fanahy Masina batisa na batemy ny olona iray. Ny hoe "batisan' ny Fanahy Masina" dia mampahatsiahy ny voalaza ao amin' ny Baiboly, araka ny ambaran' i Joany mpanao batisa sy i Jesoa ary ny Apôstôly izay milaza fa ny fiainana izany fahatsapana izany dia fanavaozana avy amin' ny Fanahy Masina ka mampanakaiky bebe kokoa ilay olona miaina izany an' Andriamanitra. Ao amin' ny Filazantsara araka an' i Matio dia voasoratra fa nanao batisa tamin' ny rano i Joany nefa nanambara io evanjely io fa ho avy ny fotoana izay hisian' ny batisan' ny Fanahy Masina, izay hotanterahin' ny olona lehibe noho izy. Ny Asan' ny Apôstôly dia nanambara ny fahantomotr' izany batisa izany ho an' ireo Apôstôly. Azon' izy ireo tokoa tamin' ny andro Pentekôsta izany batisan' ny Fanahy Masina izany, araka io boky io ihany. Noho io zava-nitranga io dia nidera an' Andriamanitra tamin' ny fiteny maro azon' ny Jentilisa na Jentily ny Apôstôly.

Jereo koa

Tags:

Pneomatôlôjia Fiforonan-tenyPneomatôlôjia Ny Fanahy MasinaPneomatôlôjia Ny asan ny Fanahy MasinaPneomatôlôjia Jereo koaPneomatôlôjiaBatisan' ny Fanahy MasinaFahateraham-baovao (kristianisma)Fanahy MasinaFanomezam-pahasoavan' ny Fanahy MasinaTeôlôjia kristianaTriniteTsindrimandry (fivavahana)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny rosianaA. J. P. TaylorSiansaAmbongoKevin DurantKalandrie litorjika katôlika rômaninaKabary tera-baoSokajin-tenyFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraBetsiboka (renirano)AntandroyAndriamahatindriarivoFiteny malagasyRaki-pahalalanaWayback MachineAsorotanyChéronvilliersIndôneziaAlahamadyListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysLarry BirdEsther RandriamamonjyFahafatesan'i Baby PMandravasarotraTestamenta TalohaLeBron JamesArjentinaJodeaDidy FoloIndiaTestamenta VaovaoKobe BryantDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)FanabeazanaMpampiankinaWikibolanaMaromiantoana1995AnjelyBrennilisKota TanjungbalaiFanekem-pinoana ekiomenikaAntemoroFoko eto MadagasikaraRazana (finoana malagasy)Fiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraFlorent BezaraFiaran' ny FanekenaEorôpaSeptambraMediaWikiAndron'ny Fetin'i PatrisyFivoahan' ny Zanak' i Israely avy any EgiptaKapreôloAudeloncourtRepoblika Fahefatra (Madagasikara)AterinetoKanaana (zanak' i Nôa)GottesheimFiraisana ara-nofoDenis BègueMpampiankina fehezankevitraFahaleovantenaDr. DreFiaramanidinaFanekem-pinoana apôstôlikaFiangonan' i AngleteraAndriamandisoarivoFahaterahanaSikidy malagasy🡆 More