Fivavahana

Ny fivavahana dia ny fitambaran' ny fanao sy finoana mampifandray ny fiainan' ny olombelona amin' ny masina, izay hery ambony noho ny olombelona, ka izany finoana izany dia ifampizaran' ny fianakaviamben' ny mpino.

Fivavahana
Eva famantarana ny fivavahana sasany

Miteraka fanao ara-pitondrantena, fomba fijery manokana ny zava-misy, toerana masina, faminaniana, fandaminana ary lahatsoratra, izay heverina fa mampifandray ny olombelona amin' ny fisiana mihoa-draha na ara-panahy, ny fivavahana. Tsy mitovy anefa ny isa sy ny fisehon' ireo singa mpamaritra ireo ao amin' ny fivavahana tsirairay. Misy ny fivavahana mampianatra ny fisian' ny andriamanitra izay tokony hinoana, misy koa ireo tsy mampianatra sady tsy mino ny fisian' ny andriamanitra.

Ny fivavahana iray dia mety hiavaka amin' ny fisiana fombafomba, fahatsiarovana sy fitantarana zava-nitranga manana ny lanjany, fanazavana ny finoana, fanazavana ny fiavian' ny fiainana sy izao tontolo izao, fitsaohana ny andriamanitra na ny olo-masina, fanaovana sorona, firavoravoana, fanatanterahana fomba fandevenana manokana, fandinihan-tena, zavakanto (hira, mozika, sary, dihy, sns), vavaka, famantarana manokana, fedrà, ary singa maro momba ny kolontsaina.

Tombanana ho 10 000 any ho any ny isan' ny karazam-pivavahana maneran-tany, ka ny 84 % amin' izany dia ao amin' ny kristianisma, ny finoana silamo, ny hindoisma, ny bodisma ary ny fivavahan-drazana sasany.

Ankapobeny amin' ny fivavahana

Singa amaritana ny fivavahana

Ny fivavahana dia finoana arahim-panao sady ampiharina. Ny finoana ao amin' ny fivavavahana iray dia mitaky fanajana ny fanao voafehin-dalàna, ka izany fanao izany dia mety tanterahin' olona iray na tanterahin' olona maro miaraka. Ohatra, ny fanompoam-pivavahana (fanajana omena ny andriamanitra) dia mety ho tanterahina amin' ny alalan' ny vavaka sy ny fivahiniana masina. Ny toeram-pivavahana dia mety an' ny olona isan-tokantrano na itambarana, toy ny sinagôga jiosy sy ny fiangonana ary môskea miozolmana.   

Ny fanao sasany ao amin' ny fivavahana dia hita taratra avy hatrany eo amin' ny fiarahamonina: ny fitafiana (ny kippa izay manafy lohan' ny lehilahy jiosy, ny akanjo lava miloko volom-boasary itafian' ny moanina bodista), ny sakafo (ohatra: ny fifadian' ny Mozilmana sy ny Jiosy ny fihinanana kisoa), ary koa ny dingana maro andalovan' ny olombeona mandritra ny fiainany na mialoha na aorian' izany aza (fankalazana ny fahaterahana, ny maha vanto-jaza, ny fanambadiana, ny fandevenana aorian' ny fahafatesana).

Mamorona fianakaviambe ny fivavahana

Ny fianakaviambe miforona manodidina ny fivavahana iray dia manorina ny fombafombany manokana, ny fehezan-dalàny, ny tenim-pinoany ary ny fomba amam-panaony. Mety manana ny fandaminana ao aminy ahitana antanan-tohatra ny fivavahana iray.

Amin' ireo mpino ao amin' ny fivavahana iray dia misy ireo mpino vitsy anisa kokoa izay manokana ny androny amin' ny fanompoana ilay fanahy ivavahany ka tsy misahana asa hafa ankoatra izany (ireo no mpitondra fivavahana), ao koa ny mpino maro anisa izay mitoetra ao amin' ny fiarahamonina mahazatra (ireo no atao hoe mpivavavaka tsotra na lahîka).

Akon' ny fivavahana eo amin' ny fiarahamonina

Misy akony eo amin' ny fiarahamonina nipoirany na ivelarany koa ny fivavahana. Ohatra, ny mozika, ny hosodoko, ny sarisikotra, ny sarivongana, ny maritrano ary ny asasoratra dia enti-manandratra ny fivavahana (ohatra amin' izany ny sary masina nataon' ny moanina ôrtôdôksa hatramin' ny Andro Antenatenany). Misy ny zavakanto jiosy, zavakanto kristiana, zavakanto miozolmana, zavakanto bodista, sns.

Ny sokajim-pivavahana

Fivavahana amin' ny andriamanitra

Ny andriamanitra dia fanahy izay inoana na heverina fa mihoatra ny fisiana sy ny herin' ny natiora ka atao hoe masina sady matetika anehoan' ny olombelona fanajana sy fatahorana manokana sady anaovany fanompoana ara-pivavahana. Mety hinoana ho tokana ny andriamanitra (mônôteisma) fa mety ho maro koa (pôliteisma). Raha maro izy dia mety hinoana ho mifandray amin' izy samy izy sahala amin' ny mpianakavy na misy fandaminana ara-piarahamonina.

Ny pôliteisma

Ny pôliteisma dia finoana ny fisian' ny andriamanitra maro sy fivavahana amin' izy rehetra na amin' ny sasany aminy. Raha ny iray aminy fotsiny no safidina hivavahana dia izay no atao hoe henôteisma. Manana ny anjara toerany ao amin' ny lamina misy ambaratonga ireo andriamanitra ireo araka ny hita ao amin' ny fedrà maro. Ny fandaminana misy eo amin' ny fiarahamonin' olombelona no heverina fa fandaminana misy koa ao amin' ny tontolon' ireo andriamanitra ireo ka misy ny andriamani-dehibe sy ny andriamanitra kely, ny andriamanitra lahy sy ny andriamanibavy, ny andriamanitra ray sy ny andriamanitra reny ary ny andriamanitra zanaka, misy ny andriamanitra mpanjaka sy ny andriamanitra mpanohitra ny andriamanitra mpanjaka, sns.

Ny mônôteisma

Ny mônôteisma dia finoana andriamanitra tokana na finoana ny maha tokana an' Andriamanitra izay namorona ny zavatra rehetra ka tsy mifangaro aminy. Telo ny fivavahana fantatra mazava fa mônôteista, dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo. Ny zôrôastrisma dia fivavahana tany Persia izay azo lazaina koa ho mônôteisma.

Ny panteisma

Ny panteisma dia finoana anambaràna fa ny fitambaran' ny zava-drehetra no atao hoe Andriamanitra. Izany hoe izao tontolo izao dia tsy noforonon' Andriamanitra fa tenan' Andriamanitra ka sady Andriamanitra no fanahiny koa. Ny hindoisma koa dia ahitana endrika panteisma. Mifanakaiky hevitra amin' ny panteisma ny panenteisma.

Ny panenteisma

Ny panenteisma dia finoana ilazana an' Andriamanitra ho sady miely amin' ny faritry ny natiora rehetra, sady mihoatra azy na ara-potoana na ara-toerana. Tsy mpamorona Andriamanitra fa hery mandrakizay manetsika an' izao tontolo izao. Lehibe noho izao tontolo izao io Andriamanitra io ka noho izany dia miaty an' izao rehetra izao izy.

Ny fivavahana amin' ny fanahy hafa

Amin' ny faritra sasany eto amin' izao tontolo izao, misy ny finoana tranainy dia tranainy izay mbola misy mpanaraka.  Ireo fivavahana ireo matetika dia miampita amin' ny alalan’ ny lovantsofina am-bava. Matetika dia tsy misy ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny andriamanitra fa ny fitokavana atao amin' ny fanahy eo amin' ny zavaboary na ny fanahin' ny razana efa maty.

Ny animisma

Ny animisma dia finoana ny fisian' ny fanahy ao amin' ny toerana sasany (loharano, tendrombohitra, sns), ao amin' ny biby, ao amin' ny zavamaniry, na ao amin' ny zavatra heverin' ny tsy mino ho tsy misy aina.

Ny fetisisma

Ny fetisisma dia fivavahana amin' ny zavatra heverina ho manana hery ambonin'  ny ara-boajanahary. Karazana animisma ny fetisisma.

Ny tôtemisma

Ny tôtemisma dia finoana ny fisian' ny razana na fanahy mpiaro ny foko na vondrom-poko iray, izay mitoetra ao amin' ny atao hoe tôtema, izay mety zavatra voasokitra na biby na zavamaniry inoana fa manan-kasina. Karazana animisma koa ny tôtemisma.

Ny samanisma

Amin' ny kolontsaina animista amin' ny faritra sasany dia afaka mifandray sy mifampiresaka amin' ny fanahy tsy hita maso ny velona amin' ny alalan' ny mpanelanelana atao hoe samàna (karazana mpimasy na ombiasa): izany no atao hoe samanisma.

Fivavahana tsy misy andriamanitra mpamorona

Ny fivavahana tsy misy andriamanitra na fivavahana tsy mino andriamanitra dia ireo fombafomba na finoana na fitsipika na tenim-pinoana (dôgma) an' ny olona na vondron' olona tsy misy ifandraisany amin' Andriamanitra na amin' ny andriamanitra na iza na iza. Azo ampitovina amin' ny endrika filôzôfia na fiainam-panahy ny fivavahana toy izany. Ny jainisma sy ny bodisma no fivavahana heverina fa tsy mino ny fisian' ny andriamanitra mpamorona.

Ny karazam-pivavahana misy eto amin' izao tontolo izao

Fivavahana 
Sarin-tanin' izao tontolo izao maneho ireo fivavahana be mpanaraka isam-paritra

Maro isan-karazany ny fivavahana eto an-tany ka ny sasany izay mitovitovy na iray fiaviana dia azo atambatra ho vondrom-pivavahana.

Fivavahana abrahamika

Ny fivavahana abrahamika dia ireo finoana heverina fa nandova tamin' i Abrahama (patriarka hebreo) ny finoana andriamanitra tokana, ka ny tena fantatra amin' izany dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo, izay manorina izany finoany izany amin' ny boky heveriny ho Soratra Masina, dia ny Tanakh sy ny Baiboly ary ny Kor'any. Anisan' ny fivavahana abrahamika koa ny iazdanisma, ny samaritanisma, ny fivavahan' ny Droza, ny babisma, ny finoana bahay, ny rastafarisma, ny mandeisma, ny sabakisma, ny iazdanisma ary ny iazidisma.

Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahan' ny Israelita taorian'ny faharavan' ny Tempolin' i Jerosalema (taona 587 tal. J.K.) sy taorian' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna (587 - 538 tal. J.K.). Ny jodaisma dia finoana an' Andriamanitra tokana antsoina hoa IHVH. Dimy ambin' ny folo tapitrisa no isan' ny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa amin' ireo no mipetraka any Israely. Ny Tanakh no Soratra Masin' ny jodaisma. Araka ny Baiboly dia i Abrahama razamben' ny Hebreo no rain' ny fivavahana jiosy. Ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny Tempolin' i Jerosalema, izay nanatanterahana sorona, dia nosoloana fanompoam-pivavahana ao amin' ny sinagôga, izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana sorona (jodaisma rabinika).

Ankehitriny dia ireto ny sampan' ny jodaisma matanjaka: jodaisma ôrtôdôksa (mihevi-tena ho hany mandray tokoa ny finoana sy ny fanaon' ny Jiosy mandala ny Lalàna voasoratra sy ny Lalàna am-bava nampitain' i Mosesy teo amin' ny tendrombohitra Sinay, miaraka amin' ny fivoasana ireo lalàna ireo), ny jodaisma nohavaozina (mamporisika ny Jiosy handray ny fandrosoana amin' izao andro ankehitriny izao, sady atao hoe jodaisma liberaly) ary ny jodaisma mpitahiry (mandray ny fotokevitry ny fanavaozana nefa tsy manao izany ho lasan-davitra loatra) izay samy ao amin' ny jodaisma rabinika avokoa. Manampy an' ireo sampana ireo ny jodaisma karaita vitsy anisa izay tsy manaiky ny fivoasana ataon' ny raby. Endriky ny jodaisma an' ny Samaritana manokana ny samaritanisma.

Kristianisma

Ny kristianisma dia fivavahana miorina amin' ny fiainan' i Jesoa sy ny fampianarany araka ny voalaza ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ny finoan' ny kristiana dia finoana an' i Jesoa ho Kristy zanak' Andriamanitra sy Mpamonjy ary Tompo. Ny ankamaroan' ny Kristiana dia mino ny Trinite, izany hoe Andriamanitra ahitana persôna telo, dia ny Ray sy ny Zanaka (Jesoa Kristy) ary ny Fanahy Masina. Izany finoana ny Trinite izany dia voarakitra ao amin' ny Fiekem-pinoana nikeana. Miely eran' izao tontolo izao ny fivavahana kristiana sady ahitana mpino maro anisa indrindra. Madray ny Baiboly (dia ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao) ho Soratra Masina sady tenin' Andriamanitra ny Kristiana.

Izao ny sampana lehiben' ny fivavahana kristiana: ireo fiangonana katôlika (izay ahitana ny Fiangonana latina sy ireo fiangonana katôlika tatsinanana miisa 23 toy ny Fiangonana katôlika marônita), ny kristianisma tatsinanana (fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, fiangonana ôrtôdôksa atsinanana, ny Fiangonan' ny Atsinanana), ny prôtestantisma (ahitana ny anglikanisma, ny kalvinisma, ny loteranisma ary ny evanjelisma. Ao koa ireo fiangonana hafa toy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany sy ny Vavolombelon' i Jehovah.

Niisa 2 355 000 tapitrisa ny Kristiana maneran-tany tamin' ny taona 2013, ka ny 1 2000 000 tapitrisa Katôlika, ny 440 tapitrisa Prôtestanta, ny 280 tapitrisa Ôrtôdôksa, ny 92 tapitrisa Anglikana, ny 370 tapitrisa Kristiana tsy miankina, ary ny 38 tapitrisa Kristiana hafa.

Finoana silamo

Ny finoana silamo dia fivavahana mifototra amin' ny finoana an' Andriamanitra tokana mifototra amin' ny Kor'any izay inoan' ny Mozilmana fa boky nandraiketana ny tenin' Andriamanitra (Allah) natao sora-tononina, nambara tamin' i Mohamady mpaminan' Andriamanitra. Maro ny sampan' ny silamo fa ny telo lehibe dia ny sonisma (sampana lehibe indrindra izay ahitana ny 80 % amin' ny Mozilmana maneran-tany, izay atao hoe Mozilmana ôrtôdôksa koa) sy ny siisma (sampan' ny finoana silamo manaiky an' i Ali sy ny taranany ho mpandimby an' i Mohamady) ary ny karijisma (sampan' ny finoana silamo teraka tamin' ny fanelanelanana natao tamin' i Ali sy i Mu'awiya raha avy niady tao Siffin izy ireo tamin' ny taona 657). Niisa 1 635 000 tapitrisa ny Mozilmana tamin' ny taona 2013.

Fivavahana abrahamika hafa

Anisan' ny fivavahana abrahamika ny bahaisma (fivavahana nentin' ny irak' Andriamanitra iray antsoina hoe Baha'u'llah, mitory ny maha iray ara-panahy ny olombelona rehetra, ao Haifa (any Israely) no foibeny), ny babisma (hetsika ara-pivavahana milenarista naorin' i Sayyid ʿAlī Muḥammad Šīrāzī, nipoitra avy amin' ny sampana siitan' ny finoana silamo, izay mampianatra fa fisehoan' Andriamanitra avokoa ny mpaminanany rehetra), ny rastafarisma (hetsika mesianika ara-piarahamonina sy ara-panahy izay nandroso avy ao Jamaika, izay miseho amin' ny lafiny mozika amin' ny alalan' ny reggae) ary ny fivavahan' ny Droza.

Fivavahana any Azia Atsinanana

Ny fivavahana any Azia Atsinanana dia ny taôisma sy ny kônfosianisma (izay filôzôfia koa indrindraindrindra) ary fivavaham-bahoaka maro hafa koa.

Taôisma

Iray amin' ireo andry telon' ny filôzôfia sinoa ny taôisma (ny roa hafa dia ny kônfosianisma sy ny bodisma), izay miorina amin' ny fisian' ny foto-javatra niavian' ny zava-drehetra atao hoe "Taô".

Kônfosianisma

Iray amin' ireo sekoly ara-pilôzôfia sy ara-pitondrantena sy ara-pôlitika ary ara-pivavahana ao Sina ny kônfosianisma. Ny asan' ilay filôzôfa atao hoe Kongfuzi (fantatra amin' ny anarana hoe Kônfosiosy) no niteraka azy. Mifameno amin' ny taôisma sy ny bodisma izy ao amin' ny fiainan' ny vahoaka ao Sina.

Fivavaham-bahoaka any Azia Atsinanana

Maro koa ireo fivavahana nentim-paharazana na fivavaham-bahoaka any Azia Atsinanana ka isan' izany ny fivavahan-drazan' ny Sinoa, ny an' ny Kôreana, ny an' ny Vietnamiana, ny an' ny Japôney, sy ny hafa koa.

Fivavahana darmika

Ny fivavahana darmika dia ireo fivavahana teraka tao amin' ny Zana-kôntinenta Indiana, dia ny hindoisma, ny bodisma, ny jainisma ary ny sikisma mbamin' ireo firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin' izy ireo. Ny fivavahana darmika dia be mpanaraka ao amin' ny Zana-kôntinenta Indiana sy ao Azia Atsinanana ary ao Azia Atsimo-Atsinanana.

Hindoisma

Fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiainana nipoitra ao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana ny hindoisma, anisan' ireo fivavahana tranainy indrindra eran' izao tontolo mbola misy manaraka, mino ny fahefan' ireo boky atao hoe Veda izay nambara tamin' ny olombelona tamin' ny alalan' ilay andriamanitra mpamorona atao hoe Brahmâ. Mampiavaka ny hindoisma ny fanambarany karazana finoana sy fanao avy amin' ny fivavahana samihafa (sinkretisma). Manakaiky ny animisma ny hindoisma. Ao amin' ny Zana-kôntinenta Indiana no tena betsaka mpanaraka ny hindoisma nefa ahitana azy koa ireo toerana ivelan' i India izay misy Indiana mpifindra monina toa an' i Afrika Atsinanana sy Atsimo, i Azia Atsimo-Atsinanana, ireo Antilia ary i Angletera. Ny hindoisma no laharana fahatelo amin' ny fivavahana be mpanaraka indrindra aorian' ny kristianisma sy ny silamo. Niisa 982 000 tapitrisa ny Hindo tamin' ny taona 2013.

Jainisma

Ny jainisma na darma jaina dia fivavahana izay mampianatra fa ny tanjon' ny fiainana dia mitovy ho an' ny hindoisma sy ny bodisma ary ny sikisma. Ny mpanaraka io fivavahana io dia tokony hanao tanjona ny fahatratrarana ny fihazavana izay mitarika amin' ny fitsaharan' ny fifindran' ny fanahin' ny zavamananaina iray amin' ny zavamananaina iray hafa (samsara), atao hoe môska na nirvana. Mandala ny fisainanana tsy misy herisetra (ahimsa) ny jainisma. Amin' ny jainisma dia mifampiankina ny fiainana rehetra ka tokony hifanampy. Ny fandinihan-tena sy ny fifadian-kanina dia fanao ao amin' ny jainisma.

Bodisma

Finoana noforonin' i Siddharta Gautama ny bodisma. Mampianatra ny olona hamarana ny fijaliany amin' ny alalan' ny fanalana ny fankahalana sy ny tsi-fahalalana ary ny fitiavam-bola tafahoatra ny bodisma. Mino ny Bodista fa rehefa manao zava-dratsy ny olona dia hitarika voka-dratsy ho azy izany, rehefa manao zavatra tsara ny olona dia hitarika voka-tsoa ho azy izany. Tsy mifandanja ny zavatra tsara sy ny zava-dratsy. Anisan' ny atao hoe fivavahana tsy misy andriamanitra ny bodisma. Niisa 510 tapitrisa ny Bodista tamin' ny taona 2013.

Sikisma

Fivavahana mônôteista naorin' i Gurû Nanak tao amin' ny tapany avaratr' i India tamin' ny taonjato faha-15 ny sikisma. Mino Andriamanitra tokana Faratampony ny mpino ao aminy, ka izany Andriamanitra izany dia tsy manam-petra, mandrakizay, mpamorona, anton' ny anton-javatra rehetra, tsy manam-pahavalo, tsy misy fankahalana, izay sady ato amin' izao tontolo izao no ao ivelany sy mihoatra azy (mihoa-draha).

Fivavahana iraniana

Fivavahana maro efa nisy hatry ny ela talohan' ny nidiran' ny fivavahana silamo tany amin' ny faritra Iràna Lehibe ny fivavahana iraniana. Ankehitriny dia olom-bitsy no manaraka ireo fivavahana ireo. Anisan' ireo fivavahana ireo ny zôrôastrisma, ny mandeisma ary ireo fivavahana kiorda toy ny iazdanisma.

Ny zôrôastrisma

Fivavahana mônôteista naorin' i Zaratostra (na Zôrôastra) tany Persia tany amin’ ny taonjato faha-7 tal. J.K. ny zôrôastrisma, ka i Ahora Mazda (Ahura Mazda) no anaran' ny andriamaniny. Manindry mafy ny fifanoheran' ny herin' ny tsara amin' ny herin' ny ratsy (doalisma) ny zôrôastrisma nefa tsy mitory fisian' andriamanitra roa mifanohitra.

Ny zervanisma

Tany Persia tamin' ny andron' ny Akemenida no nipoiran' ny zervanisma (na zorvanisma), avy amin' ny anaran' ny zavatra inoany atao hoe Zorvana na Zervana, ary heverina fa nisy talohan' ny zôrôastrisma izay nahazoany ampahany tamin' ny fampianarany, indrindra ny doalisma. I Zorvana dia hevitra fa tsy andriamanitra, foto-javatra tsy voafaritra.

Ny mandeisma

Sady fivavahana abrahamika no fivavahana iraniana, batista (manao batisa), mônôteista ary gnôstika ny mandeisma. Fototry ny fampianaran' ny mandeisma ny fifanoheram-poto-javatra roa (doalisma) izay ahitana ny "tontolo ambony" sy ny "tontolo ambany", ny "toeran' ny fahazavana" sy ny "toeran' ny haizina". Araka ny lovantsofina mandeana dia i Joany mpanao batisa no iraky ny lanitra sady sady mpaminany lehibe ho an' izy ireo. Ny Mandeana dia mitsaoka an' i Adama, an' i Abela, an' i Seta, an' i Henôka, an' i Nôa, an' i Sema, an' i Arama ary indrindra an' i Joany mpanao batisa.

Ny fivavahana amin' i Mitra

Fivavahana misy zava-miafina ny fivavahana amin' i Mitra (Mithra) antsoina hoe mitraisma. Fivavahana niseho tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. tany Persia ny mitraisma. Nivavahana tao amin' ny Empira Rômana izy io tamin' ny taonjato voalohany hatramin' ny faha-4 taor. J.K.

Ny manikeisma

Fivavahana naorin' ilay Persiana atao hoe Manỳ (na Manika) tamin' ny taonjato faha-3 ny manikeisma. Fivavahana mino ny fifamenoan' ny andriamanitra roa mifanohitra ny manikeisma. Fifangaroan' ny zôrôastrisma sy ny bodisma ary ny kristianisma ny manikeisma (sinkretisma). Nandray zavatra be dia be tamin' ny gnôstisisma ity fivavahana ity. Ivon' ny fampianarany ny fizarany izao rehetra izao ho roa (doalisma), ahitana ny fanjakan' ny Tsara (atao hoe fanjakan' ny Fahazavana) izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan' ny Ratsy (na fanjakan' ny Haizina) izay anjakan' i Satana.

Ny mazdakisma

Fivavahana gnôstika izay niavaka tamin' ny fanafoanany ny fananan-tsamirery fa nanandratra ny fananana iombonana (mpialoha lalana ny kômonisma) ny mazdakisma. Ity fivavahana ity dia niseho tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-5 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-6. Nipoitra avy tamin' ny zôrôastrisma ny mazdakisma. Avy amin' ny anaran' ilay mpiaro azy io anarana io, dia i Mazdaka (Mazdak).

Ny iazdanisma

Fivavahana mônôteista efa nisy taloha ny iazdanisma, izay manao fanompoam-pivavahana amin' ny anjely (iazdâny), izay narahin' ny Kiorda talohan' ny niitaran' ny tany fehezin' ny Arabo tamin' ny taonjato faha-7 sy ny talohan' ny nanovana azy ireo ho silamo. Ny iazdanisma dia mampianatra ny fahaterahan' ny zavamananaina indray miaraka amin' ny fanahin' ny zavamananaina hafa efa maty taloha, sahala amin' ny hindoisma, ary mino ny anjely fito izay miaro an' izao tontolo izao amin' ny devoly na demony fito.

Ny iarsanisma

Fivavahana naorin' ilay soltàna atao hoe Sahâk tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-14 tao namin' ny tapany andrefan' i Iràna andrefana ny iarsanisma. Heverina ho sampan' ny iazdanisma ny iarsanisma. Hatramin' izay nisiany ka hatramin' ny taonjato faha-20 dia notorina sy nampianarina ao amin' ny fianakaviambe kiorda ihany sy amin' ireo olona teraka ao amin' io fianakaviambe io ny finona iarsany. Ao Iràna Andrefana sy ao Iràka no tena ahitana azy ireo.

Ny fivavahan-drazana

Fivavahana na finoana an' ny foko na vondrom-poko na firenena iray manokana ny fivavahan-drazana. Avahana amin' ny fivavahana manana fikendrena anjiaby, toy ny kristianisma sy ny finoana silamo (izay tsy voafetra ho an' ny foko na vondrom-poko na firenena iray), ny fivavahan-drazana.

Ny fivavahan-drazana afrikana

Ny fivavahan-drazana afrikana dia fivavahana isan-karazany ahitana fivavaham-poko maro. Matetika dia tsy voasoratra ny fomba sy fanao ao amin' ireo fivavahana ireo fa miampita am-bava, ka ahitana karazan' andriamanitra ambony sy ambany, indraindray ahitana finoana andriamanitra mpamorona, finoana ny fisian' ny fanahy, ny fivavahana amin' ny fanahin' ny maty, ny fampiasana majika sy sikidy sy fitsaboana nentim-paharazana. Ny maro amin' ireo fivavahana ireo dia mananana endrika animista, ny sasany pôliteista ary ny hafa panteista.

Ny fivavahan-drazana sinoa

Ny fivavahan-drazana sinoa dia fivavahana manambatra finona samihafa (sinkretista) sady mino andriamanitra maro (pôliteista) izay arahin' ny ankamaroan' ny Hana any Sina. Tafiditra ao anatin' ny finoany ny fanajana ny shen (fanahy) sy ny razana, ny fandroahana ny herin' ny demony, ny finoana ny filaminana voasaina misy eo amin' ny zavaboary, ny fifandanjana eo amin' izao rehetra izao sy ny zava-misy izay mety hiharan' ny asan' ny olombelona sy ny mpitondra azy, ary koa ny an' ny fanahy sy ny andriamanitra. Angonina ao amin' ny fedrà sinoa ny tantaran' ireo andriamanitra ireo. Tamin' ny tarana-mpanjaka Song (960-1279), ireo fanao ireo dia nifangaro amin' ny foto-pampianarana bodista sy taôista ka namorona ilay fivavaham-bahoaka. Any Sina dia tsy manana sata ôfisialy ilay fivavaham-bahoaka amin' ny ankapobeny.

Fivavahana hafa

Ny satanisma

Vondrona finoana araka ideôlôjia sy ara-pilôzôfia mifototra amin' i Satana ny satanisma. Nanomboka tamin' ny nananganan' i Anton LaVey ny Fiangonan' i Satana tany Etazonia tamin' ny taona 1966 ny fanao ara-pivavahan' ny satanisma ankehitriny. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-19 dia nipoitra ny antokom-pivavahana madinika isan-karazany izay milaza ho satanista na mampiasa sarimasina satanika. Misy karazany roa ny satanisma, dia ny satanisma teista sy ny satanisma ateista. Ny Satanista manaja an’ i Satana ho toy ny andriamanitra dia tsy mihevitra azy ho mahery indrindra fa patriarika (manana fahefana fara tampony). Ny satanista ateista dia mihevitra an' i Satana ho tandindon' ny toetra sasany ananan' ny olombelona fa tsy tena misy.

Ny kaôdaisma

Ny kaôdaisma dia fivavahana mifangaro mino ny fisian' ny Andriamanitra tokana, niforona tamin' ny taona 1921 sady najoron' i Ngô Văn Chiêu (1878 -1932) tany Vietnamy tamin' ny taona 1925. Ny mpino ao amin' io fivavahana io dia manatateraka vavaka, manompo ny razana, tsy tia herisetra, ary mihinana zavamaniry, ka ny tanjona dia ny firaisana amin' Andriamanitra sy fahafahana amin' ny saṃsāra (fifindrafindran' ny fanahy avy amin' ny zavamananaina iray mankamin' ny zavamananaina hafa aorian' ny fahafatesana).

Ny tenrikiô

Fivavahana vaovao japôney izay sady tsy mônôteista tanteraka no tsy panteista ny tenrikiô, izay avy amin' ny fampianaran' ny vehivavy niaina tamin' ny taonjato faha-19 antsoina hoe Nakayama Miki, fantatry ny mpanara-dia azy amin' ny hoe "Oyasama". Ny mpanaraka ny tenrikiô dia mino fa ny Andriamanitry ny Fiaviana, Andriamanitra ao amin' ny Fahamarinana, dia nanambara fikasana tamin' ny alalan' i Nakayama Miki. Ny tanjon' ny tenrikiô eto amin' izao tontolo izao dia ny hampianatra sy hampiroborobo ny "Fiainana feno hafaliana", izay ambolena amin' ny alalan' ny asa fiantrana sy asa fahatsiarovan-tena tanteraka antsoina hoe hinokishin.

Ny neôpaganisma

Hetsika ara-pivavahana nandray singa avy amin' ny paganisma ara-tantara isan-karazany tao amin' ny vahoaka talohan' ny andro ankehitriny ny neôpaganisma. Miantehitra amin' ny loharanon-kevitra talohan' ny kristianisma, miankina amin' ny lovantsofim-bahoaka sy amin' ny fanoritsoritana ny fombam-poko amin' ny fomba samihafa ny mpanaraka azy ireo; maro no manaraka fiainana ara-panahy vaovao tanteraka, fa ny hafa kosa milaza ho manaraka finoana talohan' ny tantara, na koa miezaka ny mamelona indray ny fivavaham-poko araka izay azo atao. Ny pôliteisma, sy ny animisma ary ny panteisma dia mahazatra amin' ny teôlôjian' ny paganisma.

Ny siantôlôjia

Fitambarana finoana sy fomba fanao, izay novolavolain' i L. Ron Hubbard tany Etazonia tamin' ny taona 1952 ny foto-keviny, ny siantôlôjia. Anisan' ireo hetsika ara-pivavahana vaovao izay mampiady hevitra indrindra ny siantôlôjia, izay nipoitra tamin' ny taonjato faha-20. Mampiroborobo fomba pseodôsiantifika antsoin' ny mpanorina azy hoe "dianetika" ny siantôlôjia ary mampianatra fa ny olombelona dia zavatra tsy mety maty nanadino ny tena maha izy azy. Miteraka resabe sy fanakianana ny fanaony, indrindra ny fampiasana teknika fanasan-doha sy fisolokiana, indraindray tonga hatrany amin’ ny fitsarana.

Jereo koa

Loharano sy hanamarihana

Tags:

Fivavahana Ankapobeny amin ny fivavahanaFivavahana Ny sokajim-pivavahanaFivavahana Ny karazam-pivavahana misy eto amin izao tontolo izaoFivavahana Jereo koaFivavahana Loharano sy hanamarihanaFivavahanaFinoanaOlombelona

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

RosiaKabary am-panambadianaIslandyMatoatoaFiaramanidinaMpanoritraPoopyHererô (vahoaka)AngatraMôldaviaRadama II4Mi (Madagasikara)MailakaFibebahanaTetiandro hebreoSakamalaoIndostriaTanalaNôrvezyTolotra sy tinadyAntiôkiaVikram SamvatRova ManjakamiadanaMolièreAdy Lehibe FaharoaBoky deoterôkanônikaJezebelaNy Avana RamanantoaninaTsiatosikaJesoaHôngriaVoamadinikaTorovintanaAlahamadibeEorôpaAdaoroViratyAtenaSouciracBetsileoVoanjoboryFambolenaSoisa19971045Fifandraisan-davitraZôdiakaEstôniaBlaogyLimaFandikan-tenyPentekôstaSeha-pihariana fahateloMôralyAnanamboPôlitikaZanamalataAntigoa sy BarbodaFanomezan' ny Fanahy MasinaSakay (zavamaniry)Fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara 2023VarahinaAmerikaSoavaly (zodiaka)Kabary tera-baoBokin' i RotaFanambaràna ny hevitry ny nofy🡆 More