Epistily

Ny hoe Epistily na Taratasy na Epistola dia sokajin-dahatsoratra miendrika taratasy ifandefasana ka ilazana indrindra ireo boky ao amin' ny Baiboly izay manana izany endrika izany mba hifampiresahan' ny mpanoratra amin' ny olona na fiangonana iray na ny olona rehetra tsy an-kanavaka.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe epistily na epistola dia avy amin' ny teny grika hoe επιστολη / epistolê izay midika hoe "taratasy ifandefasana". Ny hoe επιστολη / epistolê dia anarana avy amin' ny matoanteny hoe επιστελλειv / epistellein izay midika hoe "mandefa", izany hoe "mandefa taratasy". Tsy fanagasiana mivantana ny teny grika ny hoe epistily ao amin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy sy ny literatiora prôtestanta amin' ny teny malagasy fa nandalo tamin'ny teny anglisy hoe epistle. Tsy fanagasiana mivantana ny teny grika koa ny hoe epistola ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy sy ny litaratiora katôlika amin' ny teny malagasy fa nandalo tamin' ny teny latina hoe epistula. Ny Baiboly katôlika vaovao amin' ny teny malagasy (2011) dia mampiasa ny teny hoe taratasy hanoloany ny hoe epistola tao amin' ny Baiboly katôlika tranainy amin'ny teny malagasy (1938).

Epistily tsy mahakasika ny fivavahana

Tsy ny literatiora kristiana ihany no ahitana epistily fa ireo literatiora hafa koa tany alohan' i Jesoa Kristy izay tsy voatery ho soratra masina. Ohatra amin' izany ireo Epistilin' i Horace. Mety ho resaka fanasana, filôzôfika, môraly (fitondran-tena) na momba ny fanaovan-tononkalo sy haisoratra no ho hita ao amin' ny epistily iray.

Epistily kristiana

Epistily ao amin' ny Baiboly

Epistily 
Manoratra an'ireo epistiliny i Paoly, nataon'i Valentin de Boulogne na i Nicolas Tournier (taonjato faha-16) 

Ahitana epistily iraika amby roapolo (21) ao amin' ny Baiboly ka ny 14 dia heverina, araka ny lovantsofina, ho nosoratan' ny apôstôly Paoly fa ny 7 sisa kosa nosoratan' olona hafa. Marihina fa misy fisalasalana ny ilazana fa i Paoly no nanoratra ny Epistily ho an' ny Hebreo, nefa izany no nandraisan' ny Kristiana azy tany am-boalohany.

Ireo epistilin' i Paoly

Mitondra ny anaran' ny mponina kristiana na an' olon-tokana nanoratany azy ny epistilin' i Paoly. Ireto avy izany ao amin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy:

Epistily tsy nosoratan' i Paoly

Miisa fito ny epistily eken' ny mpikaroka maro fa tsy nosoratan' i Paoly izay mitondra ny anaran' ny mpanoratra azy. Isan' ny atao hoe Epistily katôlika ireo epistily ireo noho izy tsy natokana ho an' olona na fiangonana voatondro fa ho an' ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Araka ny lovantsofina dia i Paoly ihany no nanoratra ny Epistily ho an' ny Hebreo nefa ny mpikaroka ankehitriny dia manohitra an' izany ka manao azy ho nosoratan' olon-tsy fantatra.

Ireo epistily very sy tsy kanônika

Misy ireo epistily tsy eken' ny Fiangonana Kristiana ho isan' ny boky kanonika ao amin' ny Baiboly. Heverin' ireo nanapakevitra tamin' ny fisafidianana ny boky kanonikan' ny Baiboly fa tsy ireo apôstôly no nanoratra azy. Atao hoe apôkrifa izy ireo, izany hoe "miafina". Isan' izany ny Epistily nosoratan' i Barnabà izay misy mihevitra fa nosoratan' ilay Rain' ny Fiangonana tompon' io anarana io. Ao koa ny Epistilin' ny Apôstôly izay soratra apôkaliptika raha ny tena marina.

Ireo epistily very

Misy koa ireo epistily voaresaka ao amin' ny Baiboly nefa heverina fa very ka isan' izany:

  • ny Epistily taloha ho an' ny Kôrintiana (izay tsahivina ao amin' ny 1Kor. 5.9);
  • ny Epistily fahatelo ho an' ny Kôrintiana atao hoe Epistilin-dranomaso (resahina ao amin' ny 2Kor. 2.4 sy 2Kor. 7.8-9);
  • ny Epistilin' ny Kôrintiana ho an' i Paoly (izay resahina ao amin' ny 1Kor. 7.1);
  • ny Epistily taloha ho an' ny Efesiana (ampahatsiahivina ao amin' ny Efes. 3.3-4);
  • ny Epistily ho an' ny Laodikeana (izay resahina ao amin' ny Kol. 4.16);
  • ny Epistily taloha nosoratan' i Joda (izay ampahatsiahivina ao amin' ny Joda 1.3);
  • ny Epistily taloha nosoratan' i Joany (izay tsahivina ao amin' ny 3Joa. 1.9).

Na dia misy voatahiry amin' ny ampahany aza izy ireo dia tsy heverin' ny Fiangonana kristiana ho kanônika, dia ny Epistilin' ny Kôrintiana ho an' i Paoly sy ny Epistily ho an' ny Laodikeana ary ny Epistily fahatelo ho an' ny Kôrintiana. Ity farany ity dia nekena ho kanônika tao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa armeniana sasany tany aloha.

Epistily nosoratan' ny Rain' ny Fiangonana

  • Epistily nosoratan' i Barnabà;
  • Epistily voalohany nosoratan' i Klemento;
  • Epistily faharoa nosoratan' i Klemento;
  • Epistilin' i Ignatio ho an' ny Smirniana;
  • Epistilin' i Ignatio no an' ny Traliana;
  • Epistilin' i Pôlikarpa ho an' ny Filipiana;
  • Epistily ho an' i Diôgneto.

Epistily apôkrifa hafa

  • Epistily ho an' i Seneka Zandriny
  • Epistily nosoratan' i Petera ho an' i Filipo.
  • Epistily ho an' i Lentolo
  • Taratasin' i Jesoa Kristy ny amin' ny Alahady

Jereo koa

Tsiahy:

Tags:

Epistily Fiforonan-tenyEpistily tsy mahakasika ny fivavahanaEpistily kristianaEpistily Jereo koaEpistily Tsiahy:EpistilyBaiboly

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Tesalônika5 AprilyAndriamasinavalonaMeyRalaimongo JeanFokon' i DanaMôsikaoBretagne-d'ArmagnacSlôvakiaFivavahana iranianaLavarsAlakaosyOzbekistànaOtrikaretinaFiteny aromanianaBiriky1954Palmdale, KaliforniaPaoly (apôstôly)MusianBatisaLatakiaLouis PasteurAsa Akira2004David N'GogZhuge LiangFilazantsaraFitampohaTantaran' i MadagasikaraFikambanana Iraisam-pirenena ny Frankôfônia2007Fanandroana malagasySeha-pihariana faharoaSolombavambahoakaMadagasikara zanatany frantsayFanjanahantanyFandraisanaSikidy malagasy1971PôlitikaMandravasarotraPôlitika eto MadagasikaraFisoronana sy fanalana vintanaEglizy katôlika rômaninaListrin'ny Farihy eto MadagasikaraFatrana1035Hasanabad, ReyAngatra (lolo)AntemoroAntankaranaMatyFiteny espaniôla1826TanzaniaAhidamboFamoronana (finoana sy fedrà)Zanahary (finoan-drazana malagasy)ForyHavatsa-UPEMJerosalemaVintana (finoan-drazana malagasy)MontanaGregoriosy avy any NisaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Tsipi-panohizanaFiteny grikaAlakamisy AnativatoTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFiteny japôney🡆 More