Jesoa Araka Ny Silamo

I Jesoa dia heverin' ny fivavahana silamo ho mpaminany sahala amin' ny mpaminany Mohamady.

عيسى ابن مريم /ʿĪsā ibn Maryam ("Jesoa zanak' i Maria") no anarana iantsoan' ny Mozilmana an' i Jesoa amin' ny teny arabo. Ny Kristiana arabo (any Palestina, any Siria, any Libàna, sns) anefa dia miantso an' i Jesoa hoe يسوع ابن مريم / Yasu' ibn Maryam. Mitantara ny Kor'any ao amin' ny andalana maro ny amin' ny fiteraham-birijiny an' i Jesoa izay noforonina araka ny didin' Andriamanitra hoe: "Misia" sady notorontoronin' ny fofonain' Andriamanitra.

Jesoa Araka Ny Silamo
I Maryam sy i Îsâ

Ny fomba nanehoan' ny Kor'any an' i ʿĪsa dia mifanohitra amin' ny fanekem-pinoana novolavolain' ny Fiangonana kristiana nanomboka tamin' ny Kônsily voalohany tao Nikea sy ny firehena kristiana trinitariana vokatry ny kônsily ekiomenika fito. Ao amin' ny Kor'any, "ny Mesia Jesoa, zanak' i Maria, dia tsy inona fa irak' Andriamanitra, ny Teniny izay nirahiny ho any amin' i Maria, ary fofonaina avy aminy" (Soràta 4.171). Amin' ny maha mpanambara mialoha an' i Mohamady azy dia nitory ny finoana andriamanitra tokana madio izy, nanatanteraka fahagagana, nanasitrana, nanangan-ko velona ny maty ary "mahalala ny zava-miafin' ny fo". I Ibn Arabi dia manome azy ny anaram-boninahitra hoe "tombokasen' ny fahamasinana", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny fo", fa i Mohamady kosa no "tombokasen' ny mpaminany", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny lela".

Jesoa Araka Ny Silamo
Īsā ibn Maryam

Ny fanehoana an' i Îsâ ao amin' ny Kor'any dia manome azy koa anjara asa eskatôlôjika: ny fiverenany eto an-tany, amin' ny maha Mozilmana azy, no famantarana ny fahataperan' izao tontolo izao sy ny andron' ny fitsarana farany, fa hadita maro no maneho azy ho mpiara-dia lehibe amin' i Mahdi, Mpamonjin' ny andro farany.

Ahitana filazana mandà efatra momba an' i Îsâ ny ao amin' ny Kor'any, mba tsy hisian' ny shirk (fampikambanana ny tsy tokony hikambana): sady tsy Andriamanitra, no tsy zanany, no tsy iray amin' ny andriamanitra kamban-telo (triada) (ny Trinite mantsy dia heverin' ny Mozilmana ho famantaran' ny fivavahana amin' andriamanitra maro), sady tsy nohomboana tamin' ny hazo fijaliana izy satria tsy mendrika ny mpaminanany lehibe tahaka azy izany.

I ʿĪsā ao amin' ny Kor'any dia akaiky kokoa ny Nazôreana, hetsika miavaka noho ny fanarahana ny finoana sy ny didin' ny jodaisma sy ny lalàna jiosy ary ny fanekena an' i Jesoa ho Mesia, izay lazain' izy ireo fa "mpanompon' Andriamanitra", izay inoany fa olombelona sady mampita hafatra avy amin' Andriamanitra, nefa tsy manao azy ho Andriamanitra.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fiteny araboFiteraham-birijinyJesoaKor'anyKristiana araboLibànaMohamadyPalestinaSilamoSiria

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TsimihetyRianaratraArintanyJimmy WalesGoogleSambatraGanàMerinaAntandroyFivavahan-drazana malagasyRay aman-drenyAbdônaApôkalipsin' i JoanyKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaKilalaoSorona masinaHartford, ConnecticutFitampohaFanahy (kolontsaina malagasy)Fiteny kantôneyTongolo gasy1899Apôstôly roa ambin' ny foloJobilyMarovatoMpisolo manontanyNikôlà IIIMicrosoft WindowsWikiFanandroana malagasyNosy Lonjo28 DesambraRavelonjanaharyMôsikaoFanalana faditraNizeriaAntokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i MadagasikaraAngovo azo havaozinaPio VOndryBanto (vahoaka)1971Alan TuringOmbyTsirinteny sara-droaJoroFilazantsara araka an' i Matio1940AdaoroAdy Lehibe VoalohanyBaibolyFiteny antandroyMpampitohy (fitsipiteny)TalataAlikaSaolyJohannes Gutenberg20 SeptambraAzia Atsimo-AtsinananaFanjanahantanyZanahary (finoan-drazana malagasy)AntiôkiaTorkmenistànaGeorges AndriamanantenaJainismaAmbositraBill ClintonToekaren' i MadagasikaraMayotteWikipediaHiragasyRSSFokom-pirenen' i DanaMediaWiki🡆 More