Palestina

I Palestina na ny Fanjakan' i Palestina dia fanjakana manana ny fiandrianany ara-dalàna (lalàna palestiniana).

Any amin' ny faritra Afovoany Atsinanana no misy azy. Milaza io fanjakana io fa miorina ao amin' ny fari-tany palestiniana voabodo izy, ka anisan' izany i Jerosalema Atsinanana. Atao hoe دولة فلسطين / Dawlat Filastin izy amin' ny teny arabo.

Palestina
Sainan' i Palestina
Palestina
Sarintanin' i Palestina (miloko mena antitra)

Tafiditra tao amin' ny Empira Ôtômàna taloha, avy eo teo ambany fahefan' ny Britanika izy. Ny fipoiran' i Palestina ho fanjakana mahaleo tena dia nohafainganina noho ny Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948-1949. Notazonin' ny Fanjakan' i Palestina ho fanambaràny ny fahaleovantenany ny fanambaràna tamin' ny 15 Nôvambra 1988 nataon' ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina izay nisesitany any Alger ary eken' ny Ligy Arabo sy ny Fikambanan' ny Fiaraha-Miasa Islamika. Tamin' ny taona 2011 dia niditra tao amin' ny UNESCO i Palestina. Tamin' ny 29 Nôvambra 2012 dia nanatevin-daharana ny Firenena Mikambana ny Fanjakan' i Palestina nefa tsy nanana afa-tsy ny satan' ny firenena mpanatrika fa tsy mpikambana.

Palestina
I Yitzhak Rabin sy i Bill Clinton ary i Yasser Arafat nandritra ireo fifanarahana tany Oslo (Nôrvezy) tamin' ny 13 Septambra 1993.
Palestina
Sarintany maneho an' i Palestina eo anivon' izao tontolo izao
Palestina
Toerana misy an' i Palestina

Ny fiandrianam-pirenena, ny fankatoavana iraisam-pirenena, ny mpitsoa-ponenana palestiniana, ny fari-tany sy ny sisin-taniny, ny renivohitry ny Fanjakan' i Palestina: ireo no lohahevitry ny adihevitra sy ny disadisa. Tamin' ny taona 2017 neken' ny firenena miisa 136 (70,5 % amin' ny firenena miisa 193 mpikambana ao amin' ny Firenena Mikambana) ny Fanjakan' i Palestina. Ny sisin-tanin' ny Fanjakan' i Palestina dia ny an' ny Jôrdania Andrefana, izay fehezin' ny Fahefana Palestiniana nanomboka tamin' ny taona 1994, sy ny Salavantanin' i Gaza, izay eo ambany fifehezan' i Hamas nanomboka tamin' ny taona 2007. Ny renivohitry ny Fanjakan' i Palestina dia i Jerosalema. Ao Ramallah no misy ny foiben' ny governemanta palestiniana.

Tantara

Tamin' ny Andro Taloha

Ny tapany atsimo amin' Ampiposahana ao amin' ny fari-tanin' i Palestina ankehitriny dia nofehezin' ny Filistina tamin' ny taonjato faha-12 tal. J.K. Nanorim-ponenana teo amin’ ny morontsiraka hatrany Gaza ka hatrany Jaffa izy ireo, ary niray nifangaro tamin’ ny Kanaanita teo an-toerana.

Raha nanjavona i Filistia amin' ny maha firenena azy tamin’ ny faran’ ny taonjato faha-6 tal. J.K., ny anarana novana ho amin' ny teny grika hoe Palaistinê dia hita ao amin’ ny asa soratr’ i Herôdôtôsy tamin’ ny taonjato faha-5 tal. J.K. Miresaka momba an' i "Palestina ao Siria" izy raha manondro ny faritra ao Ampiposahana manakaiky an' i Ejipta.

Tatỳ aoriana, teo ambany fanapahan’ ny Rômana, ny emperora Diôkletiano dia nanao ny faritany mifanitsy amin’ ny faritra atsimo amin' Ampmiposahana hoe Palestina.

Tamin' ny andron' ny Empira Ôtômana

Tamin' ny fandresen' ny Tiorka Ôtômana ny Mameloka Ejipsiana tamin' ny taona 1517 dia teo ambany fahefan' ny Tiorka ilay faritra ary tafiditra tgao amin'ny Empira Ôtômana nandritra ny 400 taona, mandra-pahatongan' ny ririnin' ny taona 1917-1918. Ny faritr' i Palestina dia ampahany manan-danja tao amin' ny "Faritanin' i Damaskôsy" (Dimashq al-Shâm), nofehezin' ny tanànan' i Istanbul ary voafaoka ao anatin' ireo distrika mandrakotra ny faritra Atsinanana Afovoany. Ny fiteny tiorka no fiteny ôfisialin' ny fitantanan-draharaha, fa ny fiteny arabo siriana-libaney kosa no fitenin' ny ankamaroan' ny mponina. Ny faritanin’ i Damaskôsy dia nantsoin’ ny Tiorka hoe Arzi Filistin tsikelikely mba hilazana ny faritra eo anelanelan’ ny Mediteranea sy ny ony Jordana.

Na dia teo aza ny fifehezana ny Tiorka sy ny Mozilmana an' ilay faritra, ny Kristiana sy ny Jiosy dia nanana fizakan-tena manokana: ny fifanarahana nifandimby teo amin' ny Empira Ôtômana sy ny firenena eorôpeana dia nanome fiarovana ny pretra kristiana sy ny Kristiana rehetra tao amin' ilay empira ary ny Jiosy tao Jerosalema dia notarihin' ny lehiben' ny raby (raby lehibe), antsoina amin’ ny teny hebreo hoe ראשון לציון / Rishon LeTzion (izay midika "Voalohany ao Ziôna") nanomboka tamin’ ny taonjato faha-17. Nahazo tombony tamin’ ny firoboroboan’ ny Empira Ôtômana i Palestina nandritra ny taonjato voalohany nanjakan’ ny Ôtômana, saingy nihena tsikelikely nanomboka tamin’ ny taonjato faha-17 izay. Nisy fiatraikany tamin’ ny varotra sy ny fambolena ary ny mponina izany fihenana izany izay nitohy hatramin’ ny taonjato faha-19. Teo am-piandohan’ ny taonjato faha-19 dia nihena ho antsasa-manilany ny mponina tany Palestina tamin’ ny taonjato faha-16; 280 000 eo ho eo monja no sisa tavela, nitombo ho 470 000 izany tamin’ ny taona 1880, rehefa nanomboka nitombo ny fifindra-monina jiosy tao sy ny fividianana tany.

Nandritra ny taompolo 1880 dia nitondra milina môderina sy renivola ilaina amin' ny fampandrosoana ny firenena ny voanjo alemàna sy jiosy mpifindra monina. Tombanana ho nisy Jiosy miisa 24 000 eo ho eo i Palestina, ary 470 000 eo ho eo ny fitambaran’ ny mponina tao Jerosalema; ny fiteny be mpampiasa indrindra dia fiteny arabo sy ny fiteny tiorka. Ny governemanta ôtômana dia nametraka famerana henjana momba ny fifindrà-monina sy ny fividiana tany nataon' ny Jiosy. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 dia nizara ho distrika telo ilay faritra, dia ny an' i Acre, ny an' i Balqa ary ny an' i Jerosalema, ny roa voalohany an' ny vilaiàn' i Beyruth (faritra na faritany).

Fipoiran' ny fanindrahindram-pirenenana palestiniana

Ny firodanan' ny Empira Ôtômàna tamin' ny taona 1923 dia niaraka tamin' ny fipoiran' ny fanindrahindram-pirenena tany amin' ireo faritany arabo, indrindra fa tany Siria, izay nahafaoka an' i Libàna sy ny tapany avaratra amin' i Palestina tamin' izany fotoana izany. Tamin’ ny taona 1917, ny "Fanambarana Balfour" dia nanome alalana ny fananganana "akanim-pirenena ho an’ ny vahoaka jiosy". Tamin' ny taona 1919, ny Fifanarahana Faisal-Weizmann dia nosoniavina ho ampahany amin' ny Fihaonambe momlba ny Fandriampahalemana tao Paris.

Nanomboka tamin' ny taona 1920, ny mufti Mohammed Amin al-Husseini dia lasa iray amin' ireo mpitarika ny nasiônalisma palestiniana. Nanohitra tamim-pahavitrihana ny ziônisma izy ary noheverina ho mpamporisika ny rotaka tao Palestina hatramin' ny 1921 ka hatramin' ny 1937, anisan' izany ny fandripahana tao Hebrôna tamin' ny taona 1929. Tamin' ny taona 1925, i Izz al-Din al-Qassam dia nanohana ny tolona mitam-piadiana amin' ny hetsika ara-pôlitika; tamin' ny taona 1930 dia nanangana fikambanana miaramila ivelan' ny fanjakana izy, dia ny "Tanana Mainty" (arabo: الكف الاسود / al-Kaff al-Aswad), izay nanafika ny Jiosy sy ny Britanika.

Hatramin' ny 1921 ka hatramin' ny 1935, ny hetsika nataony dia narindra miaraka amin' ny an' i Mohammed Amin al-Husseini. Ny fanindrahindram-pirenena palestiniana dia nohamafisin' ny fanambaràna manohitra ny ziônisma any amin' ny faritra arabo manodidina rehetra nandritra ny Fihaonambe tao Bloudan tamin' ny taona 1937.

I Palestina teo ambany fitantanan' ny Britanika

Ny hoe "Palestina tantanan' ny Britanika" dia i Palestina sy i Transjôrdania nanana sata ara-pôlitika napetraky ny Fikambanan' ny Firenena nanomboka tamin' ny taona 1920. Ny andinindininy marina sy ny famaritana azy no fototry ny fifampiraharahana teo amin' ny Britanika, ny Frantsay, ny Arabo ary ny Jiosy tamin' ny sehatry ny fifanarahana sy ny fampanantenana isan-karazany nifanaovan' izy ireo. Io no sehatra ahitana fifandonana mahery vaika teo amin' ny Arabo sy Jiosy palestiniana izay tsy azon' ny Britanika nampihavanina ny fitakiana nasiônalista andaniny sy ankilany. Noho izany, natolotry ny Britanika farany ny Firenena Mikambana ny olana momba an’ i Palestina sy ny fahefana napetraka amin' izy ireo tamin’ ny Febroary 1947.Ny tanjona dia ny hananganana “akanim-pirenena ho an’ ny vahoaka jiosy” ao Palestina satria mazava fa tsy hisy na inona na inona atao izay mety hanitsakitsaka ny zo maha olom-pirenena sy ara-pivavahana amin’ ireo vondrom-paritra tsy jiosy misy ao Palestina.” araka ny voafaritry ny Fanambaràna Balfour tamin’ ny taona 1917 ary hita taratra ao anatin’ ny fepetran’ ny fanomezana fagefana hitantana. Nitombo ny mponina tao aminy dia nahitana Jiosy 55 000 raha 560 000 ny Arabo tamin' ny taona 1918 ka hatramin' ny Jiosy 600 000 raha ny 1 200 000 Arabo tamin' ny taona1948.

Taorian' ny fikomian' ny Arabo (nahafatesan' olona 5 000 mahery) ary mba hampitoniana ny fikomian' ny Arabo ao Palestina tantanan' ny Britanika, ary noho ny tahotra ny hanosika ny Arabo hiaraka amin' i Alemaina ialoha kelin' ny Ady Lehibe Faharoa, dia namoaka Boky Fotsy fahatelo ny Britanika tamin’ ny taona 1939, izay nampihena be ny fifindra-monina jiosy ho ao taloha kelin' ny Ady Lehibe Faharoa, nametra ny fivarotana tany vaovao ho an’ ny Jiosy ary nanambara fa ao anatin’ ny 10 taona dia mety ho lasa fanjakana tokana mahaleo tena i Palestina, araka ny takin’ ny mpitarika arabo palestiniana

Tamin' ny Febroary 1947, ny Britanika dia nanolotra ny raharaha momba an' i Palestina sy ny andraikitra momba ny fitantanana ho an' ny Firenena Mikambana. Ity fikambanana ity dia nifidy ny fizarana an' i Palestina ho fanjakana roa, fanjakana jiosy sy fanjakana arabo. Nolavin' ny firenena arabo sy ny Arabo palestiniana izany drafitra izany.

Drafitra fizaràna an' i Palestina sy ady tamin' ny taona 1947-1948

Ny disadisa teo amin' ny Jiosy sy ny Arabo palestiniana dia nahatonga ny Britanika handao ny fahefana nomena azy hitantana an' i Palestina ka namerina izany ny Firenena Mikambana. Manapa-kevitra ny hampanao latsa-bato hizara ny fari-tany mba hananganana fanjakana jiosy sy fanjakana arabo ny Firenena Mikambana ary hanao an' i Jerosalema sy ny manodidina azy ho hanana sata manokana tsy azo zaraina sy iraisam-pirenena. Nolanina tao amin' ny fivoriamben' ny Firenena Mikambana ny drafitra fizaràna tamin' ny 29 Nôvambra 1947.

Ny Arabo palestiniana sy ny firenena arabo mifanila aminy dia nanohitra izany drafitra izany ary nitaky fahaleovantena ho an' i Palestina iray tsy mivaky. Nolanin' ny Firenena Mikambana anefa io drafitra io tamin' ny 29 Nôvambra 1947. Ity drafitra ity dia nanome alalana ny fananganana fanjakana arabo sy fanjakana jiosy. Nolavin' ny Arabo io drafitra io fa neken' ny Jiosy. Tamin’ ny 14 Mey 1948, andro iray talohan’ ny nifaranan’ ny fahefan' ny Britanika hitantana an' i Palestina, dia nanambara ny fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely i David Ben-Gurion. Ny Ligy Arabo dia nandà ny drafi-pizaràna natolotry ny Firenena Mikambana ary manambara ny zo handaha-tena ho an' ny Arabo ao Palestina. Firenena arabo dimy no nanambara ady tamin' ny Fanjakan' i Isiraely avy hatrany taorian' ny fanambaràna ny fahaleovantenany ary nisy antokon-tafika avy amin' ny efatra amin' ireo firenena fito mpikambana ao amin' ny Ligy Arabo tamin' izany fotoana izany (i Ejipta, i Iràka, i Jôrdania ary i Siria) ary ny Tafi-Panafahana Arabo (Jaysh al-Inqadh al-Arabi) dia nanafika ny fari-tanin' i Palestina notantanan' ny Britanika taloha.

Niafara tamin' ny faharesen' ny tafika arabo sy ny milisy palestiniana ilay ady. Namaritra io faharesena io ho "Naqba" ("ilay loza") ny Palestiniana.

Tamin' ny taona 1949 dia nanao sonia fifanarahana misaraka tamin' i Ejipta sy i Libanona sy i Jordania ary i Siria i Israely. Araka ireo fifanarahana fampitsaharana ny ady ireo, ny fari-tanin' i Israely dia ny 78 % eo ho eo amin' ny an' i Palestina notantanan' ny Britanjka taloha (18 % mihoatra noho ny nofaritan' ny drafi-pizaràn' ny Firenena Mikambana). Ireo tsipika fampitsaharana ady ireo dia nantsoina hoe "Tsipika Maitso". Ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana dia samy nobodoin' i Ejipta sy i Jôrdana izay mampiditra an' io faritra io sy ny Tanàna Tranain' i Jerosalema ho anisan' ny taniny. Nankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tanim-pirenen' i Israely ao anatin' ireo sisintany vaovao ireo fa tsy nankatoaviny ny fanakambanany ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana ary i Jerosalema Atsinanana ho ao amin' izany. Vokatr' io fifandonana io dia manodidina ny 700 000 eo ho eo amin' ny Arabo palestiniana 900 000 no nandositra na noroahina hiala avy amin' ny faritra lasa Fanjakan' i Israely.

Tamin' ny 20 Septambra 1948 dia nanambara ny fananganana governemanta palestiniana ny Ligy Arabo, ary tamin' ny 22 Septambra dia nisy governemanta arabo ho an' i Palestina manontolo naorina tao amin' ny Salavantanin' i Gaza nobodoin' ny Ejipsiana. Io fanapahan-kevitra io dia tsy neken' i Jôrdania izay manambatra ao amin' ny taniny ny fari-tany nobodoiny.

Andro vitsy taty aoriana dia nivory ny Antenimieram-panorenana, nifidy ny mufti Mohammed Amin al-Husseini ho filoha ary nitondra ny anarana hoe Filankevi-Pirenena Palestiniana (arabo: المجلس الوطني الفلسطيني, / Almajlis Alwataniu Alfilastiniu). Io Antenimiera io ihany koa dia mifidy ny lalàm-panorenana vonjimaika saingy tsy arahin’ ny fankatoavana iraisam-pirenena io fanambarana io.

Jereo koa

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Palestina 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Palestina TantaraPalestina Jereo koaPalestinaFiteny araboJerosalema Atsinanana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SodànaTeddy TetzlaffFiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)Lauderdale, MinnesotaFiteny betsileoBully-les-MinesMataróAlemainaRanomasimbe PasifikaTestamenta TalohaKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaFaribolana SandratraFodySambofiaran' i NôaCharles S. FairfaxMinnesotaFilôzôfiaWilliam KamkwambaEduard ShevardnadzeArtesia, KaliforniaApôkrifan' ny BaibolyZanahary (finoan-drazana malagasy)El Dorado, ArkansasJay Wright ForresterLozan’ny fananana iombonanaWikibolanaTetiandro malagasyKiboboFatidraPaskaBaraSektaNovak DjokovicHerinandro MasinaMatoanteny mpanampyVarahinaBeosyKristianisma eto MadagasikaraFiteny persanaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFoko eto MadagasikaraAdama sy EvaRené DescartesRindrankajy malalakaVoronaTerny-SornyFiteny malagasyTamba-nosin' i KômôroJiosyMichał ŻyroFamoronana (araka ny Baiboly)Hermosa Beach, KaliforniaPaska jiosyKofi AnnanAmalonaMisoriaMiguel de IcazaRanomasin' i AzovFlamingôKilamba-KiaxiAdijadyPaoly (apôstôly)EtazoniaTakelak' i Abrahama sy i MosesyHaranita-tsaina voatrolombelonaFady (malagasy)Filazantsara araka an' i LiokaOrlando, Florida🡆 More