Amerika: Kontinenta

I Amerika dia anisan' ny kôntinenta dimy, ny ranomasina mamaritra azy dia ny Ranomasimbe Pasifika any andrefany, ny Ranomasimbe Atlantika any atsinanany, ny Ranomasimbe Arktika any avarany ary ny Ranomasimbe Atsimo any atsimony.

Ny faritany tena misongadina dia i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo. Ireo faritra roa ireo dia voasaraky ny andilan-tanin' i Panama.

Amerika: Jeôgrafia, Jereo koa
Amerika

Amin' ny lafiny ara-jeôgrafia, ny velarantaniny dia 42 tapitrisa km2 ary ny isan' ny mponina dia 930 tapitrisa eo ho eo araka ny fanakekezana natao tamin' ny taona 2009.

Jeôgrafia

I Amerika Avaratra avy amin' ny farany avaratra hatramin' ny farany atsimo dia mirefy 15 000 km. Raha isaina avokoa ny velarantany manontolon' i Amerika Avaratra sy ny velarantany manontolon' i Amerika Atsimo dia kôntinenta faharoa lehibe indrindra eto an-Tany i Amerika (velarantany manontolo: 42,44 tapitrisa km²). Avy amin' ny lafiny andrefana hatrany amin' ny lafiny atsinanana dia ahitana karazan' endri-paritra telo:

  • Ny morontsiraka andrefana dia ahitana tendrombohitra avo (mahatakatra hatrany amin' ny 6 959 m ny tendrombohitra Aconcagua): ao Amerika Atsimo no ahitana ny tangorom-bohitra lava indrindra ivelan-dranomasina (6 000 km ny avy any atsimo mianavaratra).
  • Eo amin' ny morontsraka atsinanana indray no ahitana tany lemaka. Misy ihany ny tendrombohitra nefa ny haavony dia tsy mihoatra ny 3 000 m mihitsy; ohatra izao ny tangorombohitr' i Appalaches any avaratra, na ny Lembalemba Breziliana any atsimo.
  • Ny faritra afovoan' ny kôntinenta amerikanina roa indray dia ahitana na tany lemaka (eo amin' ny faritra afovoan' i Amerika Avaratra), na alabe rehefa manakaiky ny Fehibe (alan' i Amazônia, any Amerika Atsimo). Ny toerana misy an' ireo tany lemaka sy alabe ireo dia tany lemaka iva ikambanan' ny renirano (bassin).

Ny mponina

Ny isan' ny mponin' i Amerika dia marikitra ny 930 tapitrisa eo tamin' ny 2009. Ny isan' ny mponiny amin' izao fotoana izao dia injaton' ny isan' ny mponiny vao zato taona lasa izay. Izy io dia noho ny fifindra-monina ary ny fitomboan' ny isan' ny mponina ao amin' ny faritra atsimo amin' i Amerika ary eo amin' ny faritra Karaiba.

Ny toerana ipetrahan' ny ankamaroan' ny mponina ao Amerika dia ireo tanàna eo amin' ny faritra amorontsiraka, ahitana ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany (São Paolo, Rio de Janeiro, Buenos Aires, na New York, Boston, Los Angeles...)

Ny mponina tonga voalohany tao Amerika, izay antsoina hoe "Teratanin' i Amerika" na Amerindianina dia miisa eo amin' ny 50 tapitrisa eo ho eo. Izany hoe mahery kelin' ny 5 %n' ny isan' ny mponina manontolo. Ny fiteny tenenina indrindra ao Amerika fiteny eorôpeanina avokoa. Ny fiteny amerindianina be mpiteny indrindra dia ny fiteny ketsoà izay arahin' ny fiteny nahoatla.

Fizaràn' i Amerika

Mizara telo i Amerika, dia i Amerika Avaratra sy i Amerika Afovoany ary i Amerika Atsimo.

Amerika Avaratra

I Amerika Avaratra dia zana-kôntinanta fikambanan' ny firenena telo: i Etazonia, i Kanada ary i Meksika. Ny Ranomasimbe Pasifika dia any andrefany, ny Ranomasimbe Atlantika any atsinany ary ny Ranomasimbe Arktika dia any avarany. Ny fiteny miasa ao dia ny fiteny anglisy any Kanada sy any Etazonia, ny fiteny espaniola any Meksika sy any Atsimon'i Etazonia ary ny fiteny frantsay ao Québec, any atsinanan' i Kanada.

Amerika Afovoany

I Amerika Afovoany dia andilan-tany mampitohy an' i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo. Araka ny famaritana azy mahazatra ny maro dia ahitana ireto firenena ireto ny ao Amerika Afovoany:.

Amerika Atsimo

I Amerika Atsimo dia zana-kôntinenta ao amin' ny ila-bolantany andrefana tanteraka. Ny Ranomasimbe Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika no ao avarany sy ao atsinanany, i Amerika Afovoany, izay mampitohy azy amin' i Amerika Avaratra, sy ireo nosy Karaiba dia ao avaratra-andrefany. Manana velaran-tany mirefy 17 840 000 km2 i Amerika Atsimo, ka 11,9 %n' ny velaran-tany tsy rakotry ny ranomasina eto amn' ny Tany izany. Misy firenena mahaleo tena miisa 12 ny ao Amerika Atsimo:

Amerika: Jeôgrafia, Jereo koa 
Amerika

Jereo koa

Ireo kôntinenta

Lisitry ny firenena mahaleo tena rehetra any Amerika

Tags:

Amerika JeôgrafiaAmerika Jereo koaAmerikaAmerika AtsimoAmerika AvaratraKôntinentaPanamaRanomasimbe ArktikaRanomasimbe AtlantikaRanomasimbe AtsimoRanomasimbe PasifikaRanomasina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Andriamasinavalona (foko)Filoham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraTsirintenyAlfred LoeddingKahiraNicolas CopernicVanimpotoana Fiavian'ny Tompo (katolika)Famakafakana ny BaibolyMa Ying-jeouFilôzôfiaLalànaAurangzebSiansaFiraisana ara-nofoFrederick BrooksArjentinaDemôkrasiaZavatra ara-kainkintana 96823AdimizanaKokolampoHITA (orinasa)BaraChéronvilliersAbimelekaZanak' Andriamanitra (maro)Hasina (zavamaniry)Baiboly katôlikaRSSAnaranaBokin' i DanielaEklesia Episkopaly MalagasyAndrianaRasoherinaKatharine HepburnFihavananaJared CohonMeySeptambraSikidyTorontoAnglikanismaAfrikana-AmerikanaPaskaFararanoBaolina kitraZôdiakaIndôneziaAndriamandazoalaFanagasianaTaom-baovao malagasyKalandrie litorjika katôlika rômaninaFanabeazanaAlahasatySimiaZanak' AndriamanitraShaktoolik, AlaskaFitodika mpifanaoAsorotanyAlakaosyFokon' i IsraelyFizahàn-tanyKobe BryantFaritra eto MadagasikaraBaskin-RobbinsMazdeismaGeorges AndriamanantenaZanaka' Andriamanitra (maro)Raki-pahalalanaSakalavaKônsily Vatikàna IITendrombohitra GarizimaGdańskBaiboly🡆 More