Amerika Atsimo: Kontinenta

I Amerika Atsimo dia kôntinenta na zana-kôntinenta sady ampahany atsimo amin' i Amerika.

Ao amin' ny ila-bolantany andrefana tanteraka, ary indrindra ao amin' ny ila-bolantany atsimo no misy azy. Ny Ôseana Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Ôseana Atlantika no ao avarany sy ao atsinanany. I Amerika Afovoany, izay mampitohy azy amin' i Amerika Avaratra, sy ireo nosy Karaiba dia ao avaratra-andrefany. Ny fiteny pôrtogey sy ny fiteny espaniôla no fitenin' ny olona maro indrindra ao Amerika Atsimo.

Amerika Atsimo: Firenena ao Amerika Atsimo, Fiteny ao Amerika Atsimo, Jereo koa
Sarin' ny bolantany maneho ny toerana misy an' i Amerika Atsimo

Manana velaran-tany mirefy 17 840 000 km2 i Amerika Atsimo, ka 11,9 %n' ny velaran-tany tsy rakotry ny ranomasina eto amn' ny Tany izany. Tamin' ny taona 2015 dia nisy mponina miisa 410 tapitrisa, izay atao hoe Amerika Tatsimo, ny ao Amerika Atsimo. Kôntinenta fahaefatra i Amerika Atsimo raha ny velaran-tany no heverina, ka i Azia sy i Afrika ary i Amerika Avaratra no eo alohany. Laharana fahadimy izy amin' ny isan' ny mponina ka i Azia sy i Afrika sy i Eorôpa ary i Amerika Avaratra no eo alohany.

Misy firenena mahaleo tena miisa 12 ny ao Amerika Atsimo, dia i Arjentina, i Bôlivia, i Brezila, i Silý, i Kôlômbia, i Ekoadôra, i Goiana, i Paragoay, i Però, i Sorinama, i Orogoay ary i Venezoela. Misy faritanim-pirenana hafa koa ao toa ireo nosy Malouines (Fanjakana Mitambatra) sy i Goiana Frantsay ary i Jeôrjia sy ireo nosy Sandwich (Fanjakana Mitambatra).

Firenena ao Amerika Atsimo

Amerika Atsimo: Firenena ao Amerika Atsimo, Fiteny ao Amerika Atsimo, Jereo koa 
Amerika Atsimo

Fiteny ao Amerika Atsimo

Ny fiteny ao Amerika Atsimo dia fiteny maro isan-karazany, ka isan' izany ireo fiteny amerindiana izay mahatrara 600 isa any ho any, mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny 118. ahitana fiteny miisa 32, ohatra, ny ao Bôlivia izay mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny 15, sady ahitana fiteny manirery miisa enina. Ahitana fiteny miisa 68 ny ao Kôlômbia izay mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 13, ka ny 10 dia fiteny manirery. Misy anefa ny fifangarihan' ny zava-misy eo amin' ireo fiteny lehibe (andîna sy goarany) sy ireo fiteny madinika amazôniana. Tenenin' ny mponina ao koa ireo fiteny nampidirina tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany (pôrtogey, espaniôla, anglisy, neerlandey, frantsay) sy ny fiteny nentin' ny mpifindra monina ary ny fiteny kreôly niforona taty aoriana.

Fiteny eorôpeana

Ny fiteny dimy nentin' ireo mpanjana-tany taoo Amerika Atsimo dia ny fiteny pôrtogey, espaniôla, anglisy, neerlandey ary frantsay.

Fiteny Isan' ny mpiteny
Pôrtogey 211 908 598
Espaniôla 191 225 429
Anglisy 800 000
Neerlandey 510 000
Frantsay 230 000

Jereo koa

Ireo kôntinenta

Faritra ao Amerika

Tags:

Amerika Atsimo Firenena ao Amerika Atsimo Fiteny ao Amerika Atsimo Jereo koaAmerika AtsimoAmerikaAmerika AfovoanyAmerika AvaratraFiteny espaniôlaFiteny pôrtogeyKaraibaÔseana AtlantikaÔseana Pasifika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Sina1953SolombavambahoakaLoza folo tao EgiptaSodànaGoogleAbelaFaraoBootjack, KaliforniaAmbohimangaHajjiabad, Hormozgan1855Fikambanana Iraisam-pirenena ny Frankôfônia16 JolayFiangonana Loterana MalagasyAngatra (aretina)Repoblika Fahefatra (Madagasikara)1971FamadihanaAdimizanaVintana (finoan-drazana malagasy)Seleokosy IFiteny alemànaFanavakavaham-bolon-koditraAntesakaChah BaharFiteny frisianaFitsipi-pitenenanaHypertext Markup LanguageHasanabad, ReyKolontsainaAngleteraDemonyApôstôly roa ambin' ny foloSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaVanim-potoana kristianaAzôtaMohamadyTanyFiteny anglisyAfrikaAostraliaFiteny romantsaLalan-jazaZavakantoPaskaSomatraJesoaMerinaRova ManjakamiadanaMetafizikaTanora Malagasy VononaBokin' i DanielaAsabotsyEndolzansyTeôlôjia dôgmatika2003BokyTerakaLouis-Claude VincentFiteny katalànaTononkira FanaperanaFibebahanaMôralyPôlitikaFitsapan-kevi-bahoakaMôsikaoKodiaranaSabelioVolahavana Germaine🡆 More