Teratanin' I Amerika

Ny teratanin' i Amerika dia olona nipetraka tao Amerika talohan' ny Eorôpeanina.

Amin' ny fiteny anglisy dia Native Americans ny anarana omena azy matetika. Araka any fomba vaovao fahatongavan' ny teratan' i Amerika tany Amerika, avy any Eorazia ny teratan' i Amerika ary tonga tany amerika tamin' i Beringia taloha (mbola tsy nisy rano teo amin' ny andilan' i Bering tamin' izany fotoana izany). 12 000 taona lasa ny fifindra-monina farany. Ny Paleô-indianina ireo dia niparitaka manerana an' i Amerika, niova ary nihabetsaka ny kolontsaina sy ny fiteny noho ny fiparitahany. Ny teny hoe Indianina dia avy amin' i Christophe Colomb, nihevitra hoe tonga tany Azia (India Atsinanana) izy nefa tany Amerika izy no nitotona, noho izany dia Indianina ny anarana nomeny ny teratany satria tamin' izany fotoana izany, mbola tsy fantatra ny fisian' ny kontinenta amerikana (izy irery ny anisan' ny voalohany niampita ny Ranomasimbe Atlantika tamin' izany fotoana izany).

Teratanin' I Amerika
Vehivavy ketsoa mibaby zaza
Teratanin' I Amerika
Nahua avy any Morelos

Betsaka ny foko indianina mihaza sy mioty, misy maromaro ihany koa mamboly. Misy fiaraha-monina miaina amin' ny fambolena ary misy sasany hafa mamboly, mihaza ary mioty. Misy faritra any Amerika mbola ipetrahan' ny terataniny; any Meksika sy any Bôlivia izao no tena betsaka teratany indrindra any Amerika raha miresaka ara-kevitra (proportion). Ary misy fiteny teratany maro mbola be mpiteny, toy ny fiteny nahoatla, ny fiteny maia sy ny fiteny goarany. Olona amana tapitrisa no miteny ireo fiteny ireo. Misy koa teratany mbola tsy fantatra ary mbola tsy ary nahita Eorôpeanina. Misy izao ohatra teratany any Brezily (Amazonia) mbola tsy hita mihintsy.

Teratanin' I Amerika

Ny teratanin' i Amerika dia olona nipetraka tao Amerika talohan' ny Eorôpeanina.

Amerika avaratra

  • Foko teratanin' i Amerika Arktika
  • Foko teratanin' ny tany lemaka
  • Foko teratanin' i Amerika Sobarktika
  • Foko teratanin' ny faritany atsimo-andrefana
  • Foko teratanin' ny faritany atsimo-atsinanana
  • Foko teratanin' ny morontsiraka avaratra-andrefana
  • Foko teratanin' ny kamory
  • Foko teratanin' i Kalifornia
  • Foko teratanin' ny tany lemaka an-tendrombohitra

Teratanin' I Amerika

Ny teratanin' i Amerika dia olona nipetraka tao Amerika talohan' ny Eorôpeanina.

Teratanin' I Amerika 
Pow wow

I Amerika dia voazarazara ho faritany 9 araka izay voalaza teo ambony. Ny faritany iray dia manana toe-tany maha-izy azy ka miova arakaraka izany ny fomba fiainan' ny mponina teratany

Vondrom-piteny amerindianina

Teratanin' I Amerika 
Fianakaviam-pitenin' ny Teratanin' i Amerika Avaratra

Vondrom-piteny aljika

Ny fiteny wiyot, miami, illinois, etchemin, loup A, loup B, mahican, massachusett, mohegan, pequot, nanticoke, narragansett, pamlico, powhatan, kiripì, naugatuck, unami, unquachog sy shinnecock dia lazaina fa maty avokoa; ny mpiteny wiyot farany (Della Prince) dia matin' ny fahanterana taminy taona 1962. Ny teny sasany rehetra dia atahorana ho faty ihany koa. 12 sisa ny mpiteny yurok.

Vondrom-piteny algônkiana

Azontsika sokajiana ho anaty vondrona roa lehibe ny fiteny algonkianina:

  • ny fiteny algonkianin' ny tany lemaka;
  • ary ny fiteny algonkianin' ny ala lehibe sobarktika.

Vondrom-piteny sioanina-kataobanina

Teratanin' I Amerika 

Amin' ny vondrom-piteny sioanina-kataobanina dia ahitana fiteny fito ambin' ny folo

Moskôgeanina

Teratanin' I Amerika 
Moskôjeana

I. Mosokôgeana tandrefana

II. Mosokôgeana tatsinanana

    A. Mosokôgeana tafovoany
      i. Renivondrona apalatsia-alabama-koasaty
        a. alabama-koasati
          3. Alabama
          4. Koasati
        b. apalatsia
          5. apalatsia
      ii. hitsiti-mikasokỳ
        6. hitsiti-mikasokỳ
    B. Kiriky

Atabaskanina

Teratanin' I Amerika 

Ny vondrom-piteny atabaskanina dia anisan' ny vondrom-piteny mivelatra indrindra ao Amerika avaratra. Izy io dia hita amin' ny faritany sobarktika .(avaratr' i Kanada, Alaska), amin' ny faritra atsimon' i Etazonia ankehitriny (Texas, New Mexico) ary ao Meksika. Ny teny atabaskanina ihany koa amin' izao fotoana izao no vondrom-piteny teratany be mpiteny indrindra ao Amerika Avaratra sy Afovoany.

Irôkoaianina

Teratanin' I Amerika 

Ny teny dia avy amin' ny teny frantsay Iroquois. Tsy dia mazava loatra ny fiavian' ny teny hoe "Iroquois". Misy milaza hoe avy amin' ny filazana hiro kone ("voalazako") ilay teny; na avy amin' ny teny algonkianina Irinakhoi (bibilava misioka). Manonona ny tenany ho Haudenosaunee ny foko irôkoà.

Amerika Afovoany

Karaiba

  1. Ciboney
  2. Arawak
    1. Taino
    2. Lucayan
  3. Mponina Karaiba
  4. Garifuna
  5. Kuna

Amerika Atsimo

Atsimo ny Amerika Atsimo

  1. Mapuches (Araucans)
  2. Puelche
  3. Tehuelche
  4. Yamana
  5. Kaweshkar
  6. Selknam
  7. Charrúas
  8. Gauchos

Jereo koa

Tags:

Teratanin' I Amerika JeografiaTeratanin' I Amerika MponinaTeratanin' I AmerikaAmerikaAziaChristophe ColombEoraziaFiteny anglisyRanomasimbe Atlantika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

LibiaFanekem-pinoana apôstôlikaBezanozanoVoahangyFanandroanaRatsiraka DidierMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraRepoblika Demokratika MalagasyFehezanteny(28353) ChrisnielsenSiliaAsan' ny ApôstôlyMenakaAostraliaSorabeTestamenta VaovaoFiangonana Malagasy Tranozozoro AntranobirikyApôkalipsin' i JoanyFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaHasina (zavamaniry)AnamalahoBaiboly katôlikaPôlitika eto MadagasikaraTranonkalaFanekem-pinoanaTodyFivavahan-drazana afrikanaFanahy Masina (kristianisma)Bokin' i EzekielaHaikyuFisoronana sy fanalana vintanaApôkalipsin' i PeteraAlakaraboLokangaVaryAdaoroAdijadyVadin' i MohamadyShiqiBoky faharoan' i HenôkaRadama VoalohanyReniranoDidy Folo74Fivavahan-drazana malagasyIowaWikiaAlahamadibeAveloSilamoIndiaPlotoTantaraFiteny nizerô-kôngôleyFoko folo veryConteville-lès-BoulogneOmbyPrôtektôrata Frantsain' i MadagasikaraSokelaTanalaVolana (fotoana)AlahasatyTantaran' ny kristianismaKristianismaVolaNew YorkDrônaBob KhannaLahatra (finoana malagasy)AntemoroISO 4217Fiteny kantôney🡆 More