}}
| ||||||
Teny filamatra : Dios y Federación | ||||||
Teny ofisialy | fiteny espaniola | |||||
Renivohitra | Caracas 55°30'5N, 37°20'3E | |||||
Tanàna ngeza indrindra | Caracas | |||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha | Repoblika Nicolás Maduro | |||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) | faha 32 916 445 km² 0,3 % | |||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka | faha 40 28 199 822 mpo. 31 mpo./km² | |||||
Anaran'ny mponina | Venezoelianina | |||||
Sandam-bola | Bolívar fuerte (VEF ) | |||||
Faritr'ora | UTC -4h | |||||
Hiram-pirenena | Gloria al bravo pueblo | |||||
Valan-tsehatra internet | ||||||
Antso an-tariby | +58 |
Ny Venezoela, na Repoblika Bôlivarianin' i Venezoela, dia firenena any avaratra amin' i Amerika Atsimo, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaiba sy ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Caracas no renivohiny. Manana velarana mirefy 916 445 km² izy. NIisa 28 436 066 ny mponina tao aminy tamin' ny taona 2020.
Ny vohon' ny tanin' i Venezoelà dia miavaka noho ny fisian' ny faritra voajanahary maromaro: any avaratra sy avaratra-andrefana ny faritra be tendrombohitra, ahitana ny Tandavan-tendrombohitra Andes Venezoeliana (ny tendrombohitra Bolívar no tendro avo indrindra ao amin' ilay firenena, mahatratra 5 007 m). Eo afovoan' ilay firenena no ahitana ny lemaka midadasika izay antsoina hoe llanos amin' ny teny espaniôla. Manerinerina any atsimo ny Tangoron-tendrombohitra Guianas, izay faritra amazôniana anjakan' ny ala trôpikaly mikitroka. Lava ny morontsirak' i Venezoela (mihoatra ny 2 500 km). Manana nosy miisa70 eo ho eo i Venezoela. I Orinoco no ony lehibe indrindra ao amin' ilay firenena, izay manondraka ny roa ampahatelon' ny tanim-pirenen' i Venezoela izy. Madrakotra ny antsasa-manilan' ny velaran' i Venezoela ny ala izay misy karazan-kazo maro (hazo palmie, manga, sns.). Maro isan-karazany ny biby: jagoara, rajako, bera (na orsa), serfa, voay, sama, vano, sns.
Ny katôlisisma no fivavahana be mpanaraka ao Venezoela.
Mifototra amin' ny fitrandrahana solitany ny toekaren’ i Venezoela: isan' ny firenena mpamokatra solitany lehibe indrindra eran-tany ity firenena ity.
Zanatany espaniôla taloha i Venezoelà izay nahaleotena nanomboka tamin' ny taona 1811.
Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa Vinsanta sy Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô - Venezoela
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Venezoela, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.