Wikibolana
Ny Wikibolana dia tetikasa iray ny Wikimedia Foundation.
Ny Wikibolana (avy amin'ny fitambaran'ny teny wiki sy rakibolana; fanagasiana ny teny Wiktionary izay avy amin'ny fitambaran'ny teny wiki sy dictionary) dia tetikasa iray ny Wikimedia Foundation. Ny tanjon'io tetikasa an'i Wikimedia Foundation io dia mamorona raki-bolana malalaka, izany hoe raki-bolana azo ovaina malalaka ary manana votoatiny azo zarazaraina araka ny lisansa malalaka Creative Commons.
Ny antom-pisian'ny raki-bolana Wikibolana dia manao raki-bolana mamisavisan'ny teny rehetra ampiasain'ny fiteny malagasy, na manome dikan-teny amin'ny teny malagasy ny teny iditra amin'ny fiteny vahiny. Amin'ny farany, ny tetikasa wikibolana dia tokony manome haiendriteny amin'ny fiteny wolof an'ny teny ampiasain'ny fiteny inuktitut.
Ny wikibolana amin'ny fiteny malagasy dia sampana amin'ny teny malagasy an'io tetikasa io, dikan'izany ao aminy no misy ny teny ary ny fanazavana mikasikan'ny teny amin'ny fiteny malagasy. Fa ao avokoa ny tenin'ny fiteny rehetra ary azo hazavaina na dikaina izy ao.
Ny fanazavana ny teny iditra dia feno miaraka amin'ny etimolojia, ny fanononana, ny dikan-teny ary ny isan'ny teny mitovy dika. Ary ny matoanteny dia manana ny pejy mikasika ny fitanisana azy.
Tantara
Tamin'ny voalohany ny Wikibolana dia zana-tetikasa an'i Wikipedia izay nanana ny adiresy wiktionary.wikipedia.org ho adiresy vonjimaika. Manana ny adiresy ho azy manokana ny Wikibolana nanomboka ny 1 Mey 2004. Ny Wikibolana tsy miteny anglisy voalohany nosokafana dia ny Wikibolana amin'ny teny frantsay ary amin'ny teny poloney. Taorian'izany dia maro ireo Wikibolana hafa nosokafana: manana ny tetikasa Wikibolana ho azy ireo teny izay efa manana Wikipedia.
Dimy taona taorian'ny nahazoany ny adiresy ho azy manokana dia 5 tapitrisa no isa manontolon'ny teny iditra ao amin'ny Wikibolana izay miisa 172. Tamin'ny 2013, eo amin'ny enina ambin'ny folo faingo roa tapitrisa no isan'ny teny iditra ao amin'ny Wikibolana miisa 170. Tamin'ny volana Aprily 2013, Wikibolana sivy ambin'ny roaolo no manana isan-teny iditra mahery ny iray hetsy. Tamin'ny volana Aprily 2013 ihany koa dia nihoatra ny 100 tapitrisa no isan'ny fanovana natao eraky ny Wikibolana.[1]
Ny ankamaroan'ny teny iditra natsofoka tao amin'ilay tetikasa dia natsofoky ny bot izay rindrankajy namboarina hiasa eo amin'ny tranonkala iray. Maro ny teny iditra ary ny fanatsarana nentin'ireo bot ireo. Ny asan'izy ireo dia mampiditra teny iditra avy amin'ny loharanon-pampahalalana iray toa ny rakibolana malalaka hafa izay misy eo amin'ny Aterineto, na rakibolana antitra izay manana votoatiny tsy azo iharan'ny zom-pamorona intsony. Mahery ny iray alina sy iray hetsy ny isan'ny teny nampidirina teo amin'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy avy amin'ireo rakibolana izay manana votoatiny tsy azo iharan'ny zom-pamorona ireo.
Tamin'ny volana Mey 2013, ny isa manontolon'ny pejim-botoatin'ny Wikibolana folo lehibe indrindra dia 49,4% ny isa natambatry ny pejim-botoatin'ny Wikibolana rehetra.
Wikibolana amin'ny teny malagasy
Ny nahabe ny wikibolana amin'ny teny malagasy dia ny fampidirana teny iditra ho azy avy amin'ny matoanteny amin'ny fiteny volapoky. Fito hetsy eo ho eo no isan'ny teny iditra amin'ny teny volapoky ary ny sisa dia teny iditra amin'ny teny latina, italiana, anglisy ary latina. Ny isan'ny teny iditra mahakasika ny teny malagasy dia misy eo amin'ny roa alina eo ho eo.
Fitomboana
- Tamin'ny 2005 ny Wikibolana amin'ny teny malagasy no noforonona.
- Tsy dia nisy ny fandraisan'anjara tamin'io Wikibolana io nandritry ny efa-taona.
- Ny taona 2010 no taona nahatongavan'i Jagwar. Ny Wikibolana amin'ny teny malagasy no lasa wiki lehibe indrindra, amin'ny teny malagasy ary amin'ny teny afrikana. Izy io dia vokatry ny fampidirana bikan'anarana sy endriky ny matoanteny isan-karazany, fa indrindra indrindra amin'ny teny volapoky.
- Nanomboka tamin'ny volana Martsa 2011, 1,2 tapitrisa eo ho eo ny isan'ny teny iditra amin'ny teny malagasy.
- Tamin'ny volana Jolay, nilatsaka ho valo hetsy ny isan'ny teny iditra tao amin'i Wikibolana noho ny famafana ireo teny amin'ny fiteny volapoky tsy misy mampiasa. Voadika tamin'ny teny malagasy koa ireo teny dimanjato miasa indrindra amin'ny fiteny vahiny.
Tsikera
Voatsikeran'ny mpikambana avy amin'ny wikibolana hafa, indrindra avy amin'ny teny anglisy, ny teny wikibolana amin'ny teny malagasy. I Jagwar irary no mpandray anjara ao miaraka amin'ny rôbôny io rôbô ampiasainy io no nampiditra ny teny iditra amin'ny teny volapoky. Ary voatery najanony io rôbôny io noho ny tsikera sy ny hataka nataon'ny mpikambana avy any amin'ny wikibolana hafa, noho ny tsifanajana ny zom-pamrona (tamin'ny alalan'ny fandikana votoatiny avy any amin'ny wiki hafa tsy nahazoana alalana) ; nisy lahatsoratra valo arivo tany ho any no nofafana noho ny tsifanajana ny zom-pamorona.
Wikibolana amin'ny teny frantsay
Ny Wikibolana amin'ny teny frantsay dia anisan'ny Wikibolana voalohany indrindra nosokafana taorian'ny fisokafan'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy. Tamin'ny volana Aprily 2013 izy dia nanana teny iditra mahery ny roa faingo telo tapitrisa, izay manao azy ho Wikibolana faharoa lehibe indrindra aorian'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy. Ao amin'ilay Wikibolana amin'ny teny frantsay dia ahitana teny iditra 1,2 tapitrisa amin'ny teny frantsay, 150 000+ amin'ny teny rosy, 156 000+ amin'ny teny biolgara. Ankohatr'ireo teny ireo dia ahitana teny hafa mahery ny roa arivo.[2]
Wikibolana amin'ny teny anglisy
Ny Wikibonanaa amin'ny teny anglisy dia ny Wikibolana voalohany nosokafana. Nanana adiresy vonjimaika wiktionary.wikipedia.org ny Wikibolana amin'ny teny anglisy tamin'ny volana Desambra 2002. Tamin'ny 2004 dia navadika ho www.wiktionary.org ny adiresin'ilay Wikibolana, ary tamin'ny 2004 dia nivadika ho en.wiktionary.org ny adiresiny. Telo faingo roa tapitrisa no isan'ny teny iditra ao amin'ny Wikibolana amin'ny teny anglisy.[3].
Araka ny statistikan'ny pejy vangiana isam-bolana, ny Wikibolana amin'ny teny anglisy no be mpitsidika indrindra, eo alohan'ny Wikibolana amin'ny teny frantsay ary ny Wikibolana amin'ny teny rosy.[4]
Jereo koa
Rohy ivelany
Tsiahy
|
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Wikibolana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.
In other languages:
- Afrikaans: WikiWoordeboek - Wiki Afrikaans
- Suisse allemand: Wiktionary - Wiki Alemannisch
- Aragonais: Biquizionario - Wiki Aragonés
- Arabo: ويكاموس - Wiki العربية
- Arabe marocain: ويقاموس - Wiki الدارجة
- Arabe égyptien: ويكشينارى - Wiki مصرى
- Assamais: ৱিক্স্যনেৰী - Wiki অসমীয়া
- Asturien: Wikcionariu - Wiki Asturianu
- Avar: Викикъамус - Wiki авар
- Azerbaïdjanais: Vikilüğət - Wiki Azərbaycanca
- South Azerbaijani: ویکیسؤزلوک - Wiki تۆرکجه
- Balinais: Wiktionary - Wiki Basa Bali
- Bavarois: Wiktionary - Wiki Boarisch
- Central Bikol: Wiksyunaryo - Wiki Bikol Central
- Bielorosy: Вікіслоўнік - Wiki беларуская
- Belarusian (Taraškievica orthography): Вікіслоўнік - Wiki беларуская (тарашкевіца)
- Biolgara: Уикиречник - Wiki български
- Banjar: Wiktionary - Wiki Banjar
- Pa'O: ဝိစ်သိဉ်နရီ - Wiki ပအိုဝ်ႏဘာႏသာႏ
- Bengali: উইকিঅভিধান - Wiki বাংলা
- Breton: Wikeriadur - Wiki Brezhoneg
- Catalan: Viccionari - Wiki Català
- Min Dong Chinese: Wiktionary - Wiki 閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄
- Sorani: ویکیفەرھەنگ - Wiki کوردی
- Tseky: Wikislovník - Wiki čeština
- Kachoube: Słowôrz Wikipediji - Wiki Kaszëbsczi
- Tchouvache: Викисăмахсар - Wiki чӑвашла
- Gallois: Wiciadur - Wiki Cymraeg
- Danois: Wiktionary - Wiki Dansk
- Alemanina: Wiktionary - Wiki Deutsch
- Grika: Βικιλεξικό - Wiki Ελληνικά
- Anglisy: Wiktionary - Wiki English
- Espéranto: Vikivortaro - Wiki Esperanto
- Espaniola: Wikcionario - Wiki Español
- Estonien: Vikisõnastik - Wiki Eesti
- Basque: Wikiztegia - Wiki Euskara
- Persa: ویکیواژه - Wiki فارسی
- Finnois: Wikisanakirja - Wiki Suomi
- Frantsay: Wiktionnaire - Wiki Français
- Irlandais: Vicífhoclóir - Wiki Gaeilge
- Galicien: Galizionario - Wiki Galego
- Guarani: Wikiñe'ẽndy - Wiki Avañe'ẽ
- Goudjarati: વિકિકોશ - Wiki ગુજરાતી
- Gun: Wikiwezẹhomẹ - Wiki Gungbe
- Haoussa: Wiktionary - Wiki Hausa
- Hakka: Wiktionary - Wiki 客家語/Hak-kâ-ngî
- Hébreu: ויקימילון - Wiki עברית
- Hindi: विक्षनरी - Wiki हिन्दी
- Croate: Wječnik - Wiki Hrvatski
- Hongroà: Wikiszótár - Wiki Magyar
- Arménien: Վիքիբառարան - Wiki հայերեն
- Interlingua: Wiktionario - Wiki Interlingua
- Indonezianina: Wiktionary - Wiki Bahasa Indonesia
- Igbo: Wiktionary - Wiki Igbo
- Islandais: Wikiorðabókin - Wiki íslenska
- Italianina: Wikizionario - Wiki Italiano
- Japoney: ウィクショナリー - Wiki 日本語
- Javaney: Wiktionary - Wiki Jawa
- Géorgien: ვიქსიკონი - Wiki ქართული
- Kikuyu: Wiktionary - Wiki Gĩkũyũ
- Khmer: វិគីនានុក្រម - Wiki ភាសាខ្មែរ
- Kannada: ವಿಕ್ಷನರಿ - Wiki ಕನ್ನಡ
- Koreanina: 위키낱말사전 - Wiki 한국어
- Cachemiri: وِکیٖلۄغَتھ - Wiki कॉशुर / کٲشُر
- Kurde: Wîkîferheng - Wiki Kurdî
- Latin: Victionarium - Wiki Latina
- Ladino: Viksiyonaryo - Wiki Ladino
- Limbourgeois: Wiktionair - Wiki Limburgs
- Lombard: Wikizzionari - Wiki Lombard
- Lituanien: Vikižodynas - Wiki Lietuvių
- Letton: Vikivārdnīca - Wiki Latviešu
- Macédonien: Викиречник - Wiki македонски
- Malayalam: വിക്ഷണറി - Wiki മലയാളം
- Mon: ဝိက်ရှေန်နရဳ - Wiki ဘာသာ မန်
- Marathi: विक्शनरी - Wiki मराठी
- Malay: Wiktionary - Wiki Bahasa Melayu
- Maltais: Wikizzjunarju - Wiki Malti
- Birmana: ဝစ်ရှင်နရီ - Wiki မြန်မာဘာသာ
- Bas-saxon néerlandais: Wikiwoordebook - Wiki Nedersaksies
- Nepale: विक्सनरी - Wiki नेपाली
- Holandey: Wiktionary - Wiki Nederlands
- Norvégien nynorsk: Wiktionary - Wiki Norsk nynorsk
- Norvégien bokmål: Wiktionary - Wiki Norsk bokmål
- Occitan: Wikiccionari - Wiki Occitan
- Odia: ଉଇକିଅଭିଧାନ - Wiki ଓଡ଼ିଆ
- Penjabi: ਵਿਕਸ਼ਨਰੀ - Wiki ਪੰਜਾਬੀ
- Poloney: Wikisłownik - Wiki Polski
- Western Punjabi: پنجابی وکشنری - Wiki پنجابی
- Portiogey: Wikcionário - Wiki Português
- Romanianina: Wikționar - Wiki Română
- Aroumain: Wikționar - Wiki Armãneashti
- Rosianina: Викисловарь - Wiki русский
- Sicilien: Wikizziunariu - Wiki Sicilianu
- écossais: Wiktionar - Wiki Scots
- Sindhi: وڪي لغت - Wiki سنڌي
- Sango: Wïkïtënëbûku - Wiki Sängö
- Serbo-croate: Wiktionary - Wiki Srpskohrvatski / српскохрватски
- Shan: ဝိၵ်ႇသျိၼ်ႇၼရီႇ - Wiki ၽႃႇသႃႇတႆး
- Cingalais: වික්ෂනරි - Wiki සිංහල
- Simple English: Wiktionary - Wiki Simple English
- Slovaque: Wikislovník - Wiki Slovenčina
- Slovène: Wikislovar - Wiki Slovenščina
- Shona: Wikiduramazwi - Wiki ChiShona
- Albanais: Wiktionary - Wiki Shqip
- Serbe: Викиречник - Wiki српски / srpski
- Soundanais: Wikikamus - Wiki Sunda
- Soisa: Wiktionary - Wiki Svenska
- Swahili: Wiktionary - Wiki Kiswahili
- Tamoila: விக்சனரி - Wiki தமிழ்
- Télougou: విక్షనరీ - Wiki తెలుగు
- Tadjik: Викилуғат - Wiki тоҷикӣ
- Taioaney: วิกิพจนานุกรม - Wiki ไทย
- Tagalog: Wiktionary - Wiki Tagalog
- Tok pisin: Wiktionary - Wiki Tok Pisin
- Tiorka: Vikisözlük - Wiki Türkçe
- Tatar: Викисүзлек - Wiki татарча / tatarça
- Okrainianina: Вікісловник - Wiki українська
- Ordò: ویکی لغت - Wiki اردو
- Ouzbek: Vikilugʻat - Wiki Oʻzbekcha / ўзбекча
- Vénitien: Wikisionario - Wiki Vèneto
- Vietnamianina: Wiktionary - Wiki Tiếng Việt
- Wallon: Wiccionaire - Wiki Walon
- Waray: Wiktionary - Wiki Winaray
- Wolof: Wikbaatukaay - Wiki Wolof
- Wu: 维基词典 - Wiki 吴语
- Yiddish: וויקיווערטערבוך - Wiki ייִדיש
- Zhuang: Veizgiek Swzdenj - Wiki Vahcuengh
- Sinoa, Mandarin: 维基词典 - Wiki 中文
- Chinois littéraire: 維基爾雅 - Wiki 文言
- Minnan: Wiktionary - Wiki Bân-lâm-gú
- Cantonais: 維基辭典 - Wiki 粵語