Bôlivia

I Bôlivia dia firenena ao Amerika Atsimo tsy manana morontsiraka.

Ny renivohiny dia i Sucre. Mirefy 1 098 581 km2 ny velaran-taniny ary niisa 10 027 254 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia −4.

Bôlivia
Sainan' i Bôlivia
Bôlivia
Toerana misy an' i Bôlivia
Bôlivia
Sarin-tanin' i Bôlivia

Miavaka noho ny fisian' ny tandavan-tendrombohitra Andes any amin' ny ilany andrefana amin' ilay firenena ny vohon-tanin' i Bôlivia. Mizara ho faritra ara-boajanahary telo ny tanin' ity firenena ity: ny faritra be lembalemba (Altiplano), sy ny faritra be lohasaha lalina anirian-kazo sady voatondraka tsara (Yungas), ary ny faritry ny tany lemaka (Llanos). An' i Bôlivia ny ampahany amin' ilay farihy lehibe indrindra any Amerika Atsimo, dia ny farihy Titicaca.

Ny ankamaroan' ny mponina any Bôlivia dia Amerindiana (Ketsoa sy Aimara, izay 50 %n' ny mponina). Ny safiotra no mitana ny laharana faharoa (30 %), ny manam-piaviana eorôpeana (indrindra espaniôla) no laharana fahatelo (15 %). Ny katôlisisma no fivavahana manjaka any.

Bôlivia
Uyuni

Saika ny antsasaky ny mponina miasa no misahana ny asam-pambolena, ka ny tena volena any dia ny vomanga, ny fary, ny landihazo, ny kafe ary ny voamadinika. Ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy ny fanamboarana lamba ary ny fandrafetana hazo no taozava-baventy mandroso indrindra any. Manana ny maha izy azy koa ny fitrandrahana ny harena an-kibon' ny tany (indrindra ny firapotsy sy ny volafotsy). Reraka noho ny tsy filaminana ara-pôlitika sy ny tsy fananany morontsiraka ny toekaren' i Bôlivia. Lehibe loatra ny tsy fitovian' ny fari-piainan' ny mponina.

Jereo koa

Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô - Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Bôlivia 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Amerika AtsimoSucre

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Patrick EbertSalamo faha-37Faritra Amoron' i ManiaRasendrasoaWiki FoundationKabary am-panambadianaFiteny samôrôFahasalamanaAkademia MalagasyJames Dewey WatsonBridgette KerkoveFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyHabakabaka1940Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)VolanaRainay any an-danitraAntandroy1993PentateokaRepoblika MalagasyIzeharaArkônta (gnôstisisma)DokuWikiFiainana ara-panahyTobilehibeTontolo iainanaIamblikôsyFatranaAlikaFanagasianaVohitr' andrianaZanatsoratraMayotteHaisoratraThomas BevanEtazoniaFilipinaTaom-baovao malagasy29 SeptambraBetsimisarakaToetanin-jana-pehin-tanyAndriamasinavalonaFilôzôfiaFanafodyTendrontanyFiteny slôvenaSakaQKroazadaVietnamyRongonyPaoly (apôstôly)Tobilehibe AnkaramalazaRanomasimbe PasifikaBritaina LehibeFampielezam-peo FMKilamba-KiaxiBaiboly katôlikaMisterin' ny PaskaVoninahitra (fivavahana)Bokin' ny SalamoFaritra Atsimo-AndrefanaFameno (fitsipiteny)WashingtonBlaogyTrimôrfika PrôtenôiaBiôgrafiaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaKôngô-BrazzavilleJesoaFiteny sanskrityZavamaniry🡆 More