Goiana

I Goiana na Repoblika Kôperativan' i Goiana (anglisy: Co-Operative Republic of Guyana), Goiana Britanika taloha, dia firenena any Amerika Atsimo, , ao amin' ny tapany avaratry ilay zana-kôntinanta ary manana morontsiraka ao amin’ny Ranomasimbe Atlantika.

Fanapin' izany dia izy no fanjakana tokana ao Amerika Atsimo izay manao ny fiteny anglisy ho fiteny ôfisialy. I Georgetown no renivohiny.

Goiana
Sainan' i Goiana
Goiana
Toerana misy an' i Goiana
Goiana
Sarin-tanin' i Goiana

Misy endri-toerana isan-karazany ny ao Goiana ary ahitana faritra voajanahary maromaro: ny faritra amorontsiraka, any avaratra, izay mitohy any amin' ny faritra misy fasika fotsy; ny avaratra-andrefana, rakotra ala mikitroka; ny afovoany-andrefana, faritra be tendrombohitra izay misy mahatratra 2 875 m eo amin' ny Tendrombohitra Roraima; ary ny atsimo, ahitana lembalemba rakotra ny hivoka. Manana renirano lehibe maromaro i Goiana, anisan' izany ny Ony Essequibo.

Ny ankamaroan' ny mponina ao Goiana dia Indianina avy any Azia, ahitana Afrikana sy Amerindiana koa ny ao. Ny fivavahana roa lehibe dia ny kristianisma (55 %) sy ny hindoisma (30 %); ahitana Mozilmana vitsy an' isa ihany koa ilay firenena (eo ho eo amin' ny 10 %). Mipetraka any ambanivohitra ny ankamaroan' ny mponina.

Manana harena an-kibon' ny tany betsaka i Goiana: ny baoksita, ny manganezy, ny volamena ary ny diamondra. Sehatr' asa lehibe ny fambolena (famokarana siramamy, vary ary kafe).

Zanatany britanika teo aloha i Goiana izay nahaleotena nanomboka tamin' ny taona 1966 (tamin' io daty io no nitondrany ny anarana hoe Goiana), saingy mbola isan' ny mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy.

Jereo koa

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Amerika AtsimoFiteny anglisy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MerinaAtiq RahimiOntarioNSoedaAkademia MalagasyFiteny darySinaRSSAfrikaMpisolo (fitsipiteny)Foko eto MadagasikaraTorkiaFahaterahanaVatohandrinaFanagasianaVyTorovintana1973Fanalan-jazaIzeharaLoksemborgaAbu Mansur al-BaghdadiSilamoRanavalona IIRavalomanana Marc1997HiragasyTrixie Gardner, Baroness Gardner of ParkesSakaZorofirarazanaVarySarielaVoronaHasinaKantoBibilavaEtazoniaDokotraAnolakaBaiboly katôlikaAlakaosyFanambadiana1971Kolontsaina malagasyKelsôsy2005Ranomasimbe PasifikaKilamba-KiaxiRepoblika Demokratika MalagasyFameno (fitsipiteny)VazimbaNizeriaFiteny afrikansaKanônan' ny BaibolyZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaMahmoud TaleghaniAnjelyPatrick EbertSoratraAlahamadyKôngô-BrazzavilleFamadihanaDistrikan' i Sambava🡆 More