Ny Ontario dia faritany kanadianina, izy no be olona indrindra any Kanada.
Any ampovoany atsinanan'i Kanada no misy azy. Ny renivohiny dia Toronto, io koa no tanàna ngeza indrindra any Kanada. Any Ontario koa no misy an'i Ottawa, renivohitr'i Kanada. Miisa 12 891 787 ny Ontarianina ary ny velarantaniny dia misy 1 076 395 km2. Avy amin'ny fiteny irokoaianina io anarana io sady midika hoe "Rano tsara" ilay anarana.
Ny sisintan'i Ontario dia ny Hoalan'i Hudson any avaratra, ny faritanin'i Quebec any atsinanana, i Manitoba any andrefana, i Minnesota, i Michigan, i Ohio, i Pennsylvanie, ary i New York any atsimo. Ao amin'ny Farihibe (Great Lakes) no misy ny ankabiazan'ny sisintany manasaraka an'i Ontario amin'ny faritany mizaka tena amerikana. Ny anaran'ny farihy ao anatin'ny farihy be dia Farihy Superior, ny farihy Huron (ao koa ny hoala Jeorjiania), le farihy Erie ary ny farihin'i Ontario, avy amin'ny farihin'i Ontario ny anaran'ny faritan'i Ontario.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ontario, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.