Però

I Però na Peroa dia firenena ao Amerika Atsimo.

I Lima no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Lima. Mirefy 1 285 16 km2 ny velaran-taniny ary miisa 30 475 144 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Ny faritr' ora dia −5. Manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe  Pasifika izy.

Però
Sainan' i Però
Però
Saritanin' i Però

Azo zaraina ho faritra voajanahary telo i Peroa: ny lemaka amorontsiraka (ny Costa) sy ny tandavan-tendrombohitra Andes (ny Sierra) ary ny tany Amazoniana (ny Montaña). Ny lemaka amorontsiraka dia taniefitra tery manaraka ny halavan' ilay firenena (any amin' ny ilany andrefana) ary manana toetany mangatsiatsiaka.

Però

Any atsinanan' ity lemaka ity (any afovoan-tany) dia faritry ny tany avo, anisan' izany ny tandavan-tendrombohitra avo indrindra amin' ny Andes (i Huascarán no tendro avo indrindra any Peroa, 6 768 m); io faritra io, izay mandrakotra ny 30 %-n' ny tanim-pirenena, dia manana toetany mangatsiaka sy maina. Farany, any avaratra-atsinanana, ny tany Amazôniana dia 60 % amin' ny velaran' ilay firenena; io lemaka midadasika io dia tondrahan’ ny ony Amazônia ary rakotra ala; mafana sy mando ny toetany.

Ny ankamaroan' ny mponina ao Però dia Amerindiana, nefa koa ahitna Peroviana manam-piaviana eorôpeana (indrindra fa Espaniôla). Ny kristianisma no fivavahan’ ny mar anisa ; na izany aza, maro amin' ny teratany amerindiana no manambatra ny finoana nentim-paharazana sy ny kristianisma. Monina indrindra any an-tanàn-dehibe ny Peroviana; mipetraka ao amin' ny Sierra sy ao amin' ny lemaka amorontsiraka ny ankamaroany.

Ny ankamaroan' ny haren' i Pero dia avy amin' ny harena ambanin' ny tany: isan' ireo mpamokatra volafotsy, firapotsy, firaka ary varahina lehibe indrindra eran-tany izy. Ny indostrian' ny jono koa dia seha-pandraharahana lehibe.

Jereo koa

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Amerika AtsimoLimaRanomasimbe Pasifika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôMississipi (renirano)Aleksandra LehibeVatohandrinaFaritra Atsimo-Andrefana(105416) 2000 QY161Carl Gustav JungTongotraMenalamba1971WuhanFangitra ara-jeografiaRavalomanana MarcApôkrifan' i JoanyPistisy SôfiaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraHazomangaVorombolaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaZanadralamboApôkalipsy kôptan' i PaolyFahaleovantenaArabia SaoditaSão PauloKameronaSakafoAdama sy EvaApôkalipsy Gnôstikan' i PeteraIràna1982Don TaylorTantaraNMpampiana-dalànaTranonkalaAsombolaParashaEsôterismaRepoblika Demôkratikan' i KôngôJodasyZone FrancApôkalipsy voalohan' i JakôbaAziaSinôgramaFiteny masikoroTrimôrfika PrôtenôiaHasinaFifohazana Ankaramalaza1 JonaJesoa araka ny kristianismaFiraisana ara-nofoFanjakana MitambatraFiteny bielôrosianaGordie HoweBiôgrafiaFanjakan' ImerinaShahram NazeriBritaina LehibeMisterin' ny PaskaFiainana ara-panahyJodasy IskariôtaNosy KanariaEorôpa Atsimo-AtsinananaFiarahamoninaToetanin-jana-pehin-tanyBibilavaZôdiakaMahmoud TaleghaniVazimbaAndriamiseza LucienBokin' i Isaia🡆 More